Angano ao amin'ny Baiboly.


  Boky misy Fanambarana mifanesy.

Genesisy.

Ny teny hoe "Genesisy" dia midika hoe " Fiandohana". Ny zavatra rehetra dia azo zohina indray ao amin'ny bokin'ny Genesisy. Tany am-boalohany izao tontolo izao dia nanana fivavahana iraisana (mino Andriamanitra tokana). Ny fivavahana tamin'andriamanitra maro dia nanomboka tamin'ny Genisis 11, miaraka amin'ny fanorenana an'i Babylona.


  Amin'ny Anganon'ny.

Ny Loharano - Babylona.


William Branham.

Babel no anaran’i Babylona tany amboahany. Izany dia midika hoe korontana (very hevitra).Ara-bakiteny dia Kosa no nanomboka azy, zanak'i Hama, ary nentina ho amin'ny fanjakana lehibe mahery teo ambany fifehezan’ny Zanany, dia Nimroda, ilay mpihaza mahery. Nimroda, araka ny Genesisy iraika ambin'ny folo sy ny tantara ratsy laza dia niainga mba hanatanteraka zavatra telo. Te hanorina firenena matanjaka izy ary nataony izany. Te mba hampiely ny fivavahany manokana izy, ary nataony izany. Te hanao ny anarana ho an'ny tenany manokana izy, izay nontaterahiny koa izany. Ny zava-bitany dia tena goavana tokoa ka nantsoina hoe ilay loha volamena ny fanjakan'i Babylona teo anivon'ny fitondram-panjakana amin’izao tontolo izao. Ny hoe lasa nanan-danja tokoa ny fivavahany dia voaporofo amin'ny alalan'ny Soratra Masina fa miaraka aminy Satana, ao amin'ny Isaia toko faha 14 sy ao amin'ny Apokalypsy Toko 17-18. Ary amin’ny tantara isika dia afaka manaporofo fa nanafika izao tontolo izao izy, ary fototry ny rafitra rehetra momba ny fanompoan-tsampy, sy ny foto-kevitry ny angano, na dia samy hafa aza ny anaran’ireo andriamanitra araka fiaviany sy ny fitenin' ny olona. Dia nanao anarana ho an'ny tenany manokana izy sy ho an’ ny mpanara-dia azy, fa raha mbola misy izao vanim-potoana ankehitriny izao, (mandra-panehon’i Jesosy ny Tenany amin’ireo rahalahiny) dia hivavahana sy homem-boninahitra izy, na dia eo ambanin'ny anarana ankoatran’i Nimroda aza, ary ao amin'ny tempoly somary miavaka kely amin’ilay tany am-boalohany izay nivavahana taminy. Koa satria ny Baiboly tsy dia miresaka ny tantaran’ny firenena samihafa amin'ny an-tsipiriany, dia ilaina ny mikaroka ireo rakitsoratra ratsy laza fahiny mba hahitana ny valin’ny fanontaniantsika ny maha sezan’ny fivavahana Satanikan’i Babylona an’i Pergamosy. Ny vokatry ny fikarohana manan-danja indrindra dia ny ao amin'ny firaketana an-tsoratry ny Ejiptiana sy ny kolontsaina Grika. Ny anton’izany dia satria ny nandraisan’i Egypta siansa sy ny matematika dia avy any amin'ny Kaldeana, ary Gresy nandray ny azy ireo avy amin’i Egypta. Ary satria ny mpisorona no miandraikitra ny fampianarana ireo siansa ireo, ary satria ireo siansa ireo dia nampiasaina ho toy ny ampahany amin'ny fivavahana, dia efa fantatsika ny fanalahidy ny amin’ny nampahazo vahana ny fomba fivavahana Babyloniana tao amin’ireo firenena roa ireo. Marina ihany koa fa isaky ny misy firenena iray dia afaka mandresy firenena iray, amin'ny fotoana voatondro, ny fivavahan’ny mpitondra dia lasa ny fivavahan’ny nentina. Efa fantatra tsara fa ny Grika koa nanana ny famantarana Zodiaka toy ny nataon'ny Babylonianina; ary izany dia hita ao amin'ny firaketana an-tsoratra Ejipsianina fahiny fa ny Egyptiana no nanome ny Grika ny fahalalany ny fivavahana tamin'andriamanitra maro. (polytheisme) Noho izany ny zava-miafin’i Babylona dia niely avy amin’ny firenena iray mankany amin’ny firenena iray mandra-pisehony tany Roma, Sina (Chine), India, efa na dia tany Amerika Avaratra sy Atsimo aza dia ahitantsika izany fototra fomba fivavahana izany.

Ny tantara fahiny dia miombon-kevitra amin'ny Baiboly fa io fivavahana Babyloniana io dia tena azo antoka fa tsy ny fivavahan’ny olona tety an-tany tany am-boalohany. Io no voalohany nitarika ny olona hiala tamin’ny finoana tany am-boalohany; nefa io dia tsy ilay iray tena tany am-boalohany. Ny mpahay tantara toa an'i Wilkinson sy Mallett dia nanaporofo mazava avy amin’ny tahirin-kevitra fahiny fa nisy fotoana iray izay ninoan’ny olona rehetra teto an-tany ANDRIAMANITRA IRAY, fara tampony, mandrakizay, tsy hita maso, Izay avy amin'ny Tenin'ny Vavany dia nilaza ny zavatra rehetra ho eo amin’ny fisiana, ary izay ny Toetrany, Izy dia be fitiavana, tsara sy marina. Fa i Satana dia hanimba foana araka izay azony atao,hitantsika izy manimba ny fo sy sain’ny olona mba handavany ny fahamarinana. Satria izy dia te handray vavaka tahaka an’Andriamanitra fa tsy ilay mpanompo sy asa-tananan’Andriamanitra, nosintoniny ny fivavahana hiala amin’Andriamanitra, ary amin’ny farany dia sintoniny mankany aminy maba hisandratany. Tena nontaterahiny ny fikasany hanaparitaka ny fivavahany manerana izao tontolo izao. Izany dia hamarinin'Andriamanitra ao amin'ny bokin'ny Romana, "Rehefa nahalala an'Andriamanitra izy ireo, dia nankalaza Azy tsy toy ny Andriamanitra, mandra-pahatongan’ny fisainany ho zava-poana, ary ao amin'ny fahamaizinan’ny fo no hanekeny fivavahana manimba ka ahatonga azy ireo hivavaka amin’ny zavaboary fa tsy ny Mpamorona." Tadidio fa i Satana dia zavaboarin’Andriamanitra (Zanaky ny Maraina). Izao no ahitantsika fa tamin’ny fahamarinana naparitaka teo anivon'ny olona, ​​ary ny rehetra nihazona izany fahamarinana izany, kanefa taty aoriana dia nisy vondrona lehibe tonga niala tamin'Andriamanitra ka nanaparitaka fomba fivavahana manana endriky nydevoly manerana izao tontolo izao. Ny tantara dia manaporofo fa ireo avy amin'ny fokon'i Sema izay nitsangana teo amin'ny fahamarinana tsy miova, mafy orina dia nanohitra mafy ny an'i Hama, izay niala tamin'ny fahamarinana fa nankany amin’ny laingan’ny devoly. Tsy misy fotoana hanaovana fifanakalozan-kevitra ny amin’izany; nampidirina fontsiny izany mba hahitanareo fa nisy fivavahana roa, ary roa ihany, ary ilay ratsy iray dia niparitaka eran’izao tontolo izao.

Fivavahana amin’Andriamanitra tokana (Monotheisme) lasa tany amin'ny fivavahana amin’ andriamanitra maro (Polytheism) tany Babylona. Ny laingan’ny devoly sy ny misiteriny dia nitsangana nanohitra ny fahamarinan'Andriamanitra sy ny misterin'Andriamanitra tao amin'izany tanàna izany. I Satana tokoa dia tena lasa andriamanitr'izao tontolo izao, ary mila fivavahana avy amin’ireo izay efa nofitahany, ka nahatonga azy ireo hino fa Izy no tena ny Tompo.

Ny fivavahan’ny fahavalo amin’ andriamanitra maro dia nanomboka tamin'ny foto-pampianarana telo izay iray. Fahiny tany aloha tany, ny hevitra momban’ny " Andriamanitra iray amin'ny olona telo" no nisy voalohany. Mahagaga ny tsy nahitan’ ny teolojianina amin’izao andro izao an’izany; nefa azo inoana fa satria voafitak’i Satana toy ireo razambeny ireo, dia mbola mino ny olona telo izy ireo ao amin'ny maha-Andriamanitra. Aoka isika haneho toerana iray ao amin'ny Soratra Masina izay manambara fa tsy misy fahefana amin'izany fampianarana izany. Tsy hafahafa ve raha ny taranak'i Hama nandeha tamin’ny lalan’izy ireo tamin’ny fivavahana amin’i Satana izay ao anatiny ny fivavahana amin’ny andriamanitra telo, kanefa tsy misy marika na dia iray aza nahitana ny taranak’i Sema nino zavatra tahaka izany na nanao fivavahana tahaka izany? Mahagaga ve ny Hebreo raha nino: "Mihainoa, ry Israely, ny Tompo Andriamanitrao no Andriamanitra IRAY ihany", raha misy olona telo ao amin'ny maha Andriamanitra? Abrahama, ny taranak'i Sema, ao amin'ny Genesisy 18 tsy nahita afa-tsy Andriamanitra IRAY sy anjely roa.

Ankehitriny ary, ahoana no hanazavana izany (trinité) izany? Izany dia naseho tamin’ny telozoro araka ny hisehoany ao Roma ankehitriny. Mahagaga, ny Hebreo dia tsy nanana fomba fihevitra toy izany. Ary iza ary no marina? Moa ve ny Hebreo sa ny Babyloniana? Ao Azia ny fihevitry ny politeista momba ny andriamanitra telo ao anatin'ny iray dia nivoaka tao amin'ny sary manana loha telo amin'ny vatana iray. Izy dia miseho ho fahaizana telo. Ao India, izy ireo dia mahita azy ao am-pony mba hanehoany azy ho toy ny andriamanitra iray manana endrika telo. Ary izany dia tena teolojia maoderna ankehitriny. Ao Japana dia misy Buddha lehibe manana loha telo toy ilay efa voalaza teo aloha. Fa ny tena miharihary amin’izy rehetra dia ilay mametraka ny foto-kevitra telo izay iray dia ny Andriamanitra telo amin'ny endriny: 1. Ny lohan'ny lahiantitra iray mampiseho Andriamanitra Ray, 2. Boribory izay ao amin'ny zava-miafina midika hoe 'taranaka'izay ny dikany avy eo dia lasa hoe ny Zanaka. 3. Ary ny elany sy ny rambony an’ny vorona (voromailala). Eto dia ny foto-pampianaran'ny Ray, Zanaka sy Fanahy Masina, olona telo ao amin'ny Andriamanitra, ny Andriamanitra telo izay iray-bakiteny. Afaka mahita ny toy izany koa ianao ao Roma. Ankehitriny, mamelà ahy hanontany indray mandeha indray, tsy hafahafa ve raha ny devoly sy ny mpanompony indray no manana ny marina nambara noho ny rain’ny finoana, (Abrahama) sy ny taranany? Moa ve tsy hafahafa fa ny mpanompon'i Satana indray no nahalala bebe kokoa momba an'Andriamanitra noho ny zanak'Andriamanitra? Ankehitriny dia izany no tian’ny teolojianina maoderina holazaina amintsika rehefa miresaka momba ny Andriamanitra telo izay iray izy ireo. Tsarovy fotsiny ity zavatra iray ity manomboka izao: ireto rakitsoratra ireto dia zava-misy ary izany no zava-misy -- Satana dia mpandainga sy rain'ny lainga, ary na oviana na oviana hahatongavany amin'ny misy hazavàna, izany dia mbola lainga. Izy dia mpamono olona. Ary ny foto-pampianarany momba ny Andriamanitra telo izay iray dia namotika olona maro ary mbola handringana mandra-pahatongan’i Jesosy.

Araka ny tantara dia tsy ela ny nanovàna nankao ao amin'ny foto-kevitra momba ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Satana dia naka azy ireo indray mandingana hiala amin'ny fahamarinana. Ny fiovan’ny hevitra mikasika ny maha-Andriamanitra izany izao dia: 1. Ny Ray Mandrakizay, 2. Ny Fanahin'Andriamanitra tonga nofo tamin'ny OLOMBELONA reny. (Mampieritreritra anao ve izany?) 3. Andriamanitra Zanaka, ny vokatry ny Fahatongavana ho nofo, (Taranaky Ravehivavy).

Fa ny devoly mbola tsy afa-po. Mbola tsy vitany ny fanompoam-pivavahana aminy, raha tsy hoe amin'ny fomba mivantana. Noho izany dia nentiny hiala amin’ny marina lavidavitra kokoa ny olona. Amin’ny alalan’ny misiteriny dia mampiseho amin'ny olona izy hatramin’ny tsy nidiran’ilay Andriamanitra lehibe tsy hita maso mahakasika ny raharahan'olombelona, ​​fa nijanona nangina ny amin’ny momba azy ireo, dia manaraka ho azy ny mety hivavahana aminy ao amin'ny mangingina. Raha ny marina dia midika hoe mandà azy araka izay azo atao na tanteraka mihintsy. Izany foto-pampianarana izany dia niely manerana izao tontolo izao,ary amin'izao fotoana izao ao India dia afaka ahitana tempoly ho an’ilay lehibe mpamorona, ilay andriamanitra mangina andriamanitra, izay tena vitsy.

Koa satria tsy ilaina ny mivavaka amin'ny ray mpamorona, dia mazava ho azy fa ny fanompoam-pivavahana dia nifindra tany amin’ny "Reny sy ny Zanaka " ho toy ny zavatra ivavahana. Tany Ejipta dia nisy ny fitambaran’ny reny sy ny zanaka natao hoe Isis sy Osiris. Tao India dia Isi sy Iswara. (Mariho ny fitoviana amin’ny anarana mihitsy aza.) Tao Azia dia Cybele sy Deoius. Ny tao Roma sy Gresy dia nanamafy. Ary ny tao Sina (Chine). Eny, alaivo sary an-tsaina ny tsy nanampoizan’ny misionera Romana Katolika sasany rehefa niditra tao Sina izy ireo ka nahita Madonna sy ny Zanany miaraka amin'ny tara-pahazavana mivoaka avy eo amin’ny lohan'ny zaza. Ilay sary mety afaka natakalo tamin’ny iray ao amin'ny Vatikana afa-tsy ny fahasamihafana ny amin’ny tarehiny.

Ankehitriny ary dia ilaintsika ny mahafantatra ny niavian’ny reny sy ny zanaka. Tany am-boalohany ny andriamanibavin'ny-renin'i Babylona dia Semiramis, izay atao hoe Rhea tany amin’ny faritra atsinanana. Eo amin'ny sandriny izy dia mihazona zazalahy, izay na dia zaza aza, dia voalaza fa lava, matanjaka, tsara tarehy, ary indrindra fa nahasarika vehivavy. Ao amin'ny Ezekiela 8:14 dia natao hoe Tamoza. Eo amin’ireo mpanoratra malaza izy dia antsoina hoe Bacchus. Ho an'ny Babyloniana izy dia Ninosy. Inona ary no tantara mahakasika ny fisehony tahaka ny zanaka teo amin’ny sandriny kanefa voafaritra toa lehilahy lehibe sady matanjaka ary fantatra amin’ny hoe “Vady- Zanaka”. Iray amin’ireo anaram-boninahitra nentiny dia "Vadin-dReniny", ary ao India, izay izy roa dia fantatra amin'ny hoe Iswara sy Isi, izy (ny lahy) dia aseho ho toy ny zazakely teo ny tratran'ny vadiny.

Vakio ny kaonty feno in... Ny Taom-Piangonana Pergamosy.



Ny Bokin’ny Fanambarana
Mitohy tamin'ny pejy manaraka.
(Aramagedona.)



Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.


Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.

Tsindrio ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


Ny Asan’Ilay Mpaminany.
(PDF's)

The Two Babylons

by Rev Alexander Hislop.
(PDF Anglisy)

Taloha...

Taoriana...

William Branham Life Story.

(PDF Anglisy)

Pearry Green personal testimony.

(PDF Anglisy)

  Hoy ny Soratra Masina...

Ary Kosy niteraka an'i Nimroda; izy no voalohany izay tonga olona mahery tambonin'ny tany.

Izy dia mpihaza mahery teo anatrehan'i Jehovah, ka izany no nanaovan'ny olona hoe: Tahaka an'i Nimroda, mpihaza mahery eo anatrehan'i Jehovah.

Ary ny niandohan'ny fanjakany dia Babela sy Ereka sy Akada ary Kalne tany amin'ny tany Sinara.

Genesisy 10:8-10