Ny Maha-Andriamanitra an'i Jesosy Kristy.


  Boky misy Fanambarana mifanesy.

Ny maha-diso ny Telo Izay Iray.


William Branham.

Vakio manontolo ao amin'ny...
Ny Fanambaran'i Jesosy Kristy.

Apokalipsy 1:5,
“Ary avy amin'i Jesosy Kristy, Vavolombelona marina sy Lahimatoa amin'ny maty ary Lehiben'ny mpanjaka amin'ny tany. Ho an'izay tia antsika ka namaha* antsika ho afaka amin'ny fahotantsika tamin'ny ràny, [* Grika. nanasa]”

Apokalipsy 1:8,
“Izaho no Alfa sy Omega, hoy ny Tompo Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, dia ny Tsitoha.”

Ary izany fomba fiteny rehetra izany ankehitriny: “Izy Ilay Ankehitriny”, ary: “Izy ilay Taloha”, ary “Ilay Ho Avy”, ary “Vavolombelona Mahatoky”, ary “Voalohany Tamin’ny Maty”, ary “Mpanjakan’ny Mpanjakan’ny Tany”, ary “Ny Alfa sy Omega”, ary “Ny Tsitoha”, dia anaram-boninahitra sy famaritana ny OLONA IRAY IHANY, Izay i Jesosy Kristy Tompo, Ilay nanadio antsika tamin’ny fahotantsika tamin’ny Ràny.

Noho izany ny Fanahin’Andriamanitra tao amin’ny Jaona dia mametraka ny Maha Andriamanitra Fara-tampony an’i Jesosy Kristy sy ny manaposaka ny maha-Andriamanitra tahaka ny Andriamanitra IRAY. Ankehitriny dia misy fahadisoana lehibe. Izany dia ny hoe misy Andriamanitra telo fa tsy iray. Ity fanambaràna ity raha nomen’i Jesosy an’i Jaona, Izy Tenany, dia manitsy izany fahadisoana izany. Tsy hoe misy Andriamanitra telo, fa Andriamanitra iray manana fiasa telo. Andriamanitra IRAY no misy amin’ny anaram-boninahitra telo, ny Ray, Zanaka, ary Fanahy Masina. Io fanambaràna mahery vaika io no nananan’ny fiangonana tany am-boalohany, ka tsy maintsy averina amin’ny laoniny amin’izao andro farany izao miaraka amin’ny fomba fanaovana ny batisan’ny rano tena marina.

Ary ankehitriny dia tsy miombon-kevitra amiko ireo teolojianina maoderina satria izao no voasoratra tao amin’ny gazety Kristianina lehibe iray. “Ny fampianarana (ny Andriamanitra telo izay iray) dia tena ao amin’ny fototry ny Testamenta Taloha. Io dia ao amin’ny fototry ny Testamenta Vaovao avokoa. Ny Testamenta Vaovao dia tena manohitra tahaka ny hanoheran’ny Testamenta Taloha fa misy Andriamanitra mihoatra ny iray. Kanefa ny Testamenta Vaovao izay mitovy mazava tsara dia mampianatra fa ny Ray dia Andriamanitra, ary ny Zanaka dia Andriamanitra, ary ny Fanahy Masina dia Andriamanitra, ary izy telo ireo dia TSY endriky ny Olona iray ihany, fa olona telo mitsangana tena mifandray amin’ny maha olona. Eo no ahitantsika ny foto-pampianarana lehibe momban’ny Olona Telo fa Andriamanitra iray.”

Izy ireo ihany koa dia milaza, “Andriamanitra araka ny Baiboly dia tsy olona iray fotsiny, fa Izy dia olona telo ao amin’ny Andriamanitra iray. Izany no zava-miafina lehibe ny amin’ny Andriamanitra telo izay iray”. Azo antoka fa izay. Ahoana no olona telo no ao amin’ny Andriamanitra iray? Tsy vitan’ny hoe tsy misy Baiboly ho an’izany, fa mampiseho ihany koa tsy fahampian-tsaina. Olona telo miavaka tsara, na dia mitovy aza ny maha izy azy, dia lasa andriamanitra telo, sa ve efa very tanteraka ny dikan-teny. Henoy tsara indray ireto teny ireto: “Izaho no Alfa sy Omega, ny Fiandohana sy ny Fiafaràna, hoy ny Tompo, Ilay Ankehitriny sy Taloha ary Ho Avy, dia ny Tsitoha”. Izany no maha Andriamanitra. Tsy mpaminany fontsiny izany, na olona. Izany no Andriamanitra. Ary tsy fanambaràna Andriamanitra telo izany, fa Andriamanitra IRAY, dia ny Tsitoha.

Ireo tany amin’ny fiangonana voalohany dia tsy nino Andriamanitra telo. Tsy nahita izany karazana finoana izany teo amin’ny apostoly ianao. Niditra taorian’ny vanim-potoanan’ny apostoly io teôria io ka lasa tena olana sy fotom-pampianaran’ny kardinaly tao amin’ny “Nicene Council”. Ny foto-pampianarana momban’ny Maha - Andriamanitra dia niteraka fizarana roa tao Nicée. Ary avy amin’izany fivakisana izany dia nisy sampany roa. Ny iray niditra tamin’ny “Polytheism”, mino Andriamanitra telo, ary ny iray mino ny “unitarianism” [finoana an’Andriamanitra amin’ny ankapobeny]. Mazava ho azy fa nisy izany, ary natao, ary manana izany isika amin’izao fotoana izao. Fa ny Fanambaràna tamin’ny alalan’i Jaona avy amin’ny Fanahy ho any amin’ny fiangonana dia, “Izaho no Jesosy Kristy Tompo, ary izaho daholo izany REHETRA izany. Tsy misy Andriamanitra hafa”. Ary Napetrany ao amin’io Fanambaràna io ny Tombokaseny.

Diniho izao: Iza no Rain’i Jesosy? Matio 1:18 mano hoe: “izy dia hita nitoe-jaza avy tamin’ny Fanahy Masina”. Fa Jesosy, Izy Tenany, nilaza fa Andriamanitra no Rainy. Andriamanitra Ray sy Andriamanitra Fanahy Masina, araka ny hilazantsika ireo teny ireo matetika, manao ny Ray sy ny Fanahy ho IRAY. Tena izany tokoa izy ireo, fa raha tsy izany dia nanana Ray roa Jesosy. Mariho anefa fa nilaza i Jesosy fa Izy sy ny Rainy dia Iray -- tsy roa. Izany dia manome Andriamanitra IRAY.

Koa satria izany dia marina ara-tantàra sy araka ny Soratra Masina, ny olona manontany tena hoe avy aiza ny maha telo azy. Io dia tonga foto-pampianarana fototra tao amin’ny Filan-kevitry ny Nicene Council tamin’ny 325 A.D. Io trinite io (tena azo antoka fa teny tsy araka ny Soratra Masina) dia nifototra tamin’ny andriamanitra maron’ny Romana. Ny Romana dia nanana andriamanitra maro nivavahan’izy ireo. Izy ireo koa dia nivavaka tamin’ny razambeny toy ny mpanelanelana. Izany dia dingana iray mba hanomezana anarana vaovao ireo andriamaniny taloha, noho izany isika dia mahita olo-masina mba hahatonga azy kokoa araka ny Baiboly. Araka izany ary, raha tokony ho Jupiter, Venus, Mars, sns, dia nosoloiny an’i Paoly, i Petera, Fatima, Christopher, sns, sns. Tsy afaka nampandeha ny fivavahana mpanompo sampy izy ireo avy amin’ny Andriamanitra iray, noho izany dia nozarainy telo Izy, ary nataony mpanelanelana ny olona masina tahaka ny razambeny izay nataon’izy ireo mpanelanelana ihany koa.

Noho izany hatramin’izay ny olona tsy mba nahatakatra fa Andriamanitra iray monja no misy miaraka amin’ny fiasa telo na fanehoana. Fantatr’izy ireo fa misy Andriamanitra iray araka ny Soratra Masina, kanefa ezahin’izy ireo atao teoria mahafinaritra fa Andriamanitra dia tahaka ny salohim-boaloboka; olona telo manana Maha Andriamanitra mitovy zarain’ny rehetra tsy an-kanavaka. Saingy voalaza mazava tsara eto ao amin’ny Apokalypsy fa i Jesosy dia “Ilay Ankehitriny”, “Ilay Taloha” , ary “Ilay Ho Avy”. Izy no “Alfa sy Omega”, izay midika fa Izy no “A mankany amin’ny Z”, na IZANY REHETRA IZANY. Izy no zavatra rehetra -- Ny Tsitoha. Izy no Raozin’ny Sarôna, ny Lisy an-Dohasaha, ny Kintana Mamirapiratra Fitarika Andro, ny Rantsana Marina, ny Ray, ny Zanaka, ary ny Fanahy Masina. Izy no Andriamanitra, ilay Andriamanitra Mahery Indrindra. ANDRIAMANITRA IRAY.

1Timoty 3:16 milaza: “Ary tsy misy hifandirana fa lehibe ny zava-miafina momba ny toe-panahy araka an’Andriamanitra: Andriamanitra dia naseho teo amin’ny nofo, nohamarinina tao amin’ny Fanahy, hitan’ny anjely, notorina tany amin’ny Jentilisa, ninoan’izao tontolo izao, nakarina ho any amin’ny Voninahitra”. Izao no lazain’ny Baiboly. Tsy milaza mpisolo tena voalohany na faharoa na fahatelo izany eto. Izao no voalaza, Andriamanitra dia Ilay niseho tamin’ny nofo. Andriamanitra Iray. Izany ANDRIAMANITRA IRAY izany dia niseho tamin’ny nofo. Izany dia tokony efa mahazàva izany. Andriamanitra dia tonga tamin’ny endrik’olombelona. Izany tsy mahatonga Azy ho ANDRIAMANITRA HAFA. EFA ANDRIAMANITRA IZY, ANDRIAMANITRA TSY MIOVA. Noho izany fanambaràna ilay izy, ary fanambarana amin’izao fotoana izao. Andriamanitra Iray.

Aoka isika hiverina ao amin’ny Baiboly hijery ny momba Azy tany am-piandohana araka ny fanambaràna Nomeny momba ny Tenany. Ilay Jehovah lehibe niseho tamin’i Israely tao anaty andry afo. Toy ny Anjelin’ny Fanekena dia nonina teo amin’izany andry afo izany Izy ary nitarika ny Israely isan’andro. Tao amin’ny tempoly Izy nanambàra ny fiaviany amin’ny rahona lehibe. Avy eo indray andro Izy niseho teraka tamin’ny vatana virjiny izay natokana ho Azy. Ilay Andriamanitra Izay teo ambonin’ny tranolain’Israely ankehitriny no mitondra eo amin’ny Tenany tranolay nofo ary natao tabernakely tahaka ny olona eny anivon’ny olona. Fa Izy ihany ilay ANDRIAMANITRA TSY MIOVA.

Ny Baiboly dia mampianatra fa ANDRIAMANITRA TAO AMIN’I KRISTY. Ilay VATANA dia Jesosy. Tao Aminy no hitoeran’ny fahafenoan’ny maha-Andriamanitra, ARA-BATANA. Tsy misy zavatra azo hazavaina misimisy kokoa noho izany. Zava-miafina, eny. Fa tena marina -- tsy misy fanazavàna mihoatra izany. Koa raha toa ka tsy olona telo ary Izy tamin’izany, dia tsy ho olona telo koa Izy ankehitriny. ANDRIAMANITRA IRAY; ary izany Andriamanitra iray izany ihany no tonga nofo.

Hoy Jesosy: “Izaho tonga avy tamin’ny Ray ka handeha (hiverina) any amin’Andriamanitra”. Jaona 16:27-28. Izany mihitsy no nitranga. Niala tety an-tany Izy tamin’ny alàlan’ny Nahafatesany, ny nandevenana Azy, ny fitsanganany tamin’ny maty, ary ny fiakarany. Avy eo Paoly nifanena Taminy teny an-dalana ho any Damaskôsy ary niresaka tamin’i Paoly Izy nanao hoe, “Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy?” Paoly nanao hoe, “Iza moa Ianao, Tompoko?” Hoy izy: “Izaho no Jesosy.” Izy dia andry afo, hazavàna manajamba. Niverina Izy, marina araka izay Nolazainy fa Ataony. Niverina tamin’ilay endriny, amin’ny maha-Izy Azy talohan’ny Nandraisany tranolay nofo. Izany mihitsy ny fomba nahitan’i Jaona Azy. Jaona 1:18 “Tsy mbola nisy olona nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran’ny Ray, Izy no nanambara Azy”. Mariho izay nilazan’i Jaona hoe TAIZA i Jesosy. Izy dia AO an-tratran’ny Ray.

Lioka 2:11 hoe: “Fa teraka ho anareo anio ao an- tanànan’i Davida ny Mpamonjy, dia Kristy Tompo”. Teraka Kristy Izy, ary valo andro tatỳ aoriana rehefa noforàna Izy dia nomena anarana Jesosy, araka izay efa nolazain’ny anjely tamin’izy ireo. Izaho dia teraka Branham. Rehefa teraka aho dia nomen’izy ireo ahy ny anarana William. Izy dia KRISTY fa nomena anarana tety an-tany an’ivon’ny olona. Ilay tabernakely ivelany izay afaka hitan’ny olona no nantsoina hoe Jesosy. Izy no Tompon’ny Voninahitra, ilay Tsitoha niseho tamin’ny nofo. Izy no Andriamanitra Ray, Zanaka, ary Fanahy Masina. Izy izany rehetra izany.

Vakio manontolo ao amin'ny...
Ny Fanambaran'i Jesosy Kristy.

Ampidiro...   Godhead Explained (PDF Anglisy)


  Hoy ny Soratra Masina...

Mihainoa, ry Israely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany.

Detoronomia 6:4



Ny Bokin’ny Fanambarana
Mitohy tamin'ny pejy manaraka.
(Ilay Fahitana tao Patmo.)


Jesosy Kristy dia
Andriamanitra.
Ilay Jehovah ao
amin'ny Testamenta
Taloha no Jesosy
ao amin'ny Vaovao.



Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.


Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.

Tsindrio ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


Ny Asan’Ilay Mpaminany.
(PDF's)

The Two Babylons

by Rev Alexander Hislop.
(PDF Anglisy)

A lafiny tendrombohitra, ary nitsangana voaroy amin'ny oram-panala amin'ny Shina.

Lisy ny afo.

Ny Andry Afo - Houston 1950.

Mazava tamin'ny vatolampy pyramida.