Fitsanganana amin'ny maty Karazany Index.

   Fitsanganana amin'ny maty Karazany.

Fitsanganana amin'ny maty. Soratra Masina.


David Shearer.

Faminaniana ny amin'ny fitsanganana amin'ny maty.

Asan'ny Apostoly 2:25-27.
araka ny voalazan'i Davida ny aminy hoe: Nahita ny Tompo teo anatrehako mandrakariva aho, satria eo an-kavanako izy ka tsy hihozongozona aho. Noho izany ny foko dia ravoravo, ary ny lelako faly, ary koa ny nofoko dia hiala-sasatra amin'ny fanantenana, 27 satria tsy ho foinao ao amin'ny fitoeran'ny maty ny fanahiko, ary tsy hatolotrao hafoy ho tratry ny fahalòvana ny Masinao

Asan'ny Apostoly 2:31.
dia ny fitsanganan'ny Kristy amin'ny maty izay efa tsinjony mialoha no nilazany fa tsy ho foiny ao amin'ny fitoeran'ny maty izy, ary ny nofony tsy ho tratry ny fahalòvana.

Nolazain'i Jesosy mialoha ny hitsanganany amin'ny maty.

Matio 16:21
Nanomboka tamin'io fotoana io no nanehoan'i Jesosy tamin'ny mpianany ny amin'ny tsy maintsy handehanany ho any Jerosalema izy, ka ho ampijalian'ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin'ny lohandohan'ny mpisorona, dia hovonoina, ary hitsangana amin'ny maty rahefa afaka hateloana.

Matio 17:22,23
Ary raha mbola nitoetra tao Galilea izy ireo, dia hoy Jesosy taminy, Ny Zanak'olona dia hatolotra eo antanan'ny olona: ary hovonoin'izy ireo izy, nefa hitsangana amin'ny andro fahatelo. Dia nalahelo mafy izy ireo.

Lioka 9:22
Nilazany, Ny Zanak'olona dia tsy maintsy hijaly fatratra, ary ho ailiky ny zokiolona sy ny mpisoronabe, ary ny mpanora-dalàna, dia ho vonoina, ka hitsangana amin'ny andro fahatelo.

Marka 9:9
Ary raha nidina ny tendrombohitra izy ireo, dia nandrara an'izy ireo izy tsy hilaza amin'ny olona izay zavatra hitany.

Ireo tsy mino dia nanontany an'i Jesosy...

Matio 22:23,28.
Tamin'io andro io dia tonga teo aminy ireo Sadoseo, izay nilaza fa tsy misy ny fitsanganana amin'ny maty, ka nanontany azy...... Noho izany amin'ny fitsanganana amin'ny maty, dia ho vadin'iza izy amin'ireo fito ireo? fa izy rehetra samy naka azy.

Jesosy namaly azy ireo...

Matio 22:30-32.
Fa raha mby amin'ny fitsanganan'ny maty, dia tsy hisy mpampakatra sy ampakarina intsony; fa ho tahaka ny anjelin'Andriamanitra any an-danitra izy ireo. Ary ny amin'ny fitsanganan'ny maty, moa tsy novakinareo va ny teny nolazain'Andriamanitra taminareo manao hoe: Izaho no Andriamanitr'i Abrahama, sy Andriamanitr'Isaka, ary Andriamanitr'i Jakoba? Nefa tsy mba Andriamanitry ny maty izy, fa an'ny velona.

Lioka 20:37.
Ary raha ny hoe hitsangana ny maty, dia zavatra efa nambaran'i Moizy teo amin'ilay kirihitr'ala izany, fa tamin'io izy dia niantso ny Tompo hoe: Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba.

Ny vokatry ny Tsy finoana.

Lioka 16:31.
Fa hoy izy taminy: Raha tsy mihaino an'i Moizy sy ny Mpaminany izy, dia tsy ho rsy lahatra na dia misy iray nitsangana tamin'ny maty aza.

Ireo Apôstôly dia vavolombelon'ny fitsanganana tamin'ny maty.

Asan'ny Apostoly 1:22.
Nanomboka tamin'ny batisan'i Jaona, hatramin'ilay andro nanandratana azy niakatra niala teo amintsika, dia tsy maintsy misy iray voatondro ho vavolombelona niaraka tamintsika tamin'ny nitsanganany tamin'ny maty.

Asan'ny Apostoly 2:30-33.
Fa noho ny maha-mpaminany azy, sy noho ny fahalalany ny teny napetrak'Andriamanitra taminy tamim-pianianana fa anankiray amin'ny taranany araka ny nofo, dia hametraka an'i Kristy izy hipetraka eo amin'ny seza fiandrianany; dia ny fitsanganan'ny Kristy amin'ny maty izay efa tsinjony mialoha no nilazany fa tsy ho foiny ao amin'ny fitoeran'ny maty izy, ary ny nofony tsy ho tratry ny fahalòvana. Izany Jesosy izany no natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty, ary vavolombelon'izany izahay rehetra; ary nony efa nakarin'ny tànana an-kavanan'Andriamanitra izy sy efa nandray tamin'ny Ray ny Fanahy Masina nampanantenaina, dia nampidina izany Fanahy izany, araka izao hitanareo sy renareo izao.

Asan'ny Apostoly 17:32.
Ary nony nahare ny amin'ny fitsanganana amin'ny maty izy ireo doa naneso ny sasany: ary ny sasany nilaza hoe, mbola hiaino anao izahay mahakasika izany.

Paoly dia nino ny fitsanganana amin'ny maty.

Asan'ny Apostoly 23:6.
Ary raha tsikaritr'i Paoly fa Sadoseo ny sasany, ary Fariseo ny hafa, dia niteny mafy izy tao amin'ny kaonsily, Ry Rahalahy, izaho dia Fariseo, zanaka Fariseo: momban'ny fanantenana ny amin'ny fitsanganana amin'ny maty no niantsoana ahy.

Asan'ny Apostoly 23:8.
Fa ny Sadoseo dia milaza fa tsy misy ny fitsanganana amin'ny maty, na anjely, na fanahy: fa ny Fariseo dia mino azy roa.

Ny fijoroan'ny Paoly vavolombelona tamin'ny Felix.

Asan'ny Apostoly 24:21.
Fa stria nohon'ny tamin'ny nillazako indray mandeha, ary nijoroako tamin'ny feo mahery teo an'ivon'izy ireo, mahakasika ny fitsanganana amin'ny maty no nahatonga ahy nantsoinao anio.

Ao amin'ny Filazan-tsara izany.

Lioka 7:15.
Ary ilay maty dia nitsangana ary nanomboka niteny. Dia nomeny ny reniny izy.

Matio 11:5.
Ireo jamba nahiratra, ny malemy nandeha, ny boka nadio,ny marenina nandre, ny maty nitsangana, ary ny mahatra nitoriana ny filazantsara.

Lioka 7:22.
Ary Jesosy namaly azy ireo nanao hoe, Mandehana, ary lazao amin'i Jaona izay hitanareo sy renareo; hoe nahiratra ny jamba, nandeha ny malemy, ny boka nadio, ny marenina nandre, ny maty nitsangana, ny filazantsara notoriana tamin'ny mahantra.

Asan'ny Apostoly 4:2.
Fa sorena izy ireo tamin'ny nampianarany ny olona, sy nitoriany ny fitsanganan'ny maty tamin'ny alalan'i Jesosy.

Asan'ny Apostoly 4:33.
Ary tamin'ny hery lehibe no nijoroan'ireo apôstôly ny amin'ny nitsanganan'ny Tompo Jesosy tamin'ny maty.

Asan'ny Apostoly 17:18-19.
Ary dia nisy folôzôfy avy amin'ireo Epikioreana sy Stôika nifanehitra taminy. Ary hoy ny sasany, Inona no holazain'io be resaka io? ny hafa, tahaka ny mpametraka andriamanitra hafahafa no fahitàna azy: satria izy nitory an'i Jesosy tamin'izy ireo, ary ny fitsanganana amin'ny maty. Dia nentin'izy ireo izy ho any amin'i Areopagôsy, izay nilaza hoe, azonay fantarina ve inona ity fampianarana vaovao izay resahinao ity?

Porofo ny maha-Andriamanitra an'i Jesosy izany.

Romana 1:4.
Ary nambara fa Zanak'Andriamanitra miaraka amin'ny hery, araka ny fanahin'ny fahamasinana, tamin'ny alalan'ny fitsanganana tamin'ny maty.

Asan'ny Apostoly 2:24.
Ilay natsangan'Andriamanitra, namaha ny fangirifirian'ny fahafatesana: satria tsy afaka ny ho voatazon'izany izy.

Izany ny fanantenan-tsika...

Romana 6:5.
Fa raha nambolena miaraka isika tahaka ny nahafaty azy, dia ho tahaka izany koa isika tamin'ny nitsanganany tamin'ny maty.

Asan'ny Apostoly 24:15.
Ary manàna fanantena amin'Andriamanitra tahaka azy ireo koa, fa hisy ny fitsangana amin'ny maty, na ny olo-marina na ny olo-meloka.

1 Petera 1:3.
Ho tahiana anie ilay Andriamanitra sady Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, izay araka ny haben'ny famindra-pony no niterahany antsika indray ho amin'ilay fanantenana velona tamin'ny alalan'ny nitsanganan'i nJesosyKristy tamin'ny maty.

1 Tesaloniana 4:13-14.
Fa tsy tiako ianareo tsy hahalala, ry rahalahy, mahakasika an'ireo izay efa nodimandry, mba tsy alahelo ianareo, tahaka an'ireo izay tsy manana fanantenana. Fa raha mino isika fa Jesosy dia maty ary nitsangana indray, tahaka izany ihany koa ireo izay nodimandry tao amin'ny Jesosy dia ho entin'Andriamanitra miaraka aminy.

Raha tsy misy ny fitsanganana amin'ny maty dia zava-poana ny finoana.

1 Korintiana 15:12-13.
Ary raha Kristy no torina fa natsangana tamin'ny maty, ahoana no ilazan'ny sasany eo aminareo fa tsy misy fitsanganan'ny maty? Fa raha tsy misy fitsanganan'ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana;

1 Korintiana 15:16-19.
Fa raha tsy mitsangana ny maty, dia tsy nitsangana izany Kristy: Ary raha tsy nitsangana Kristy, dia zava-poana ny finoanareo; ary mbola ao anatin'ny fahotanareo ianareo. Noho izany ireo izay nodimandry tao amin'i Kristy dia very. Raha amin'ity fiainana ity ihany ananan-tsika fanantenana ao amin'i Kristy, dia isika no fadiranovana indrindra amin'ny olona.

Ny fahotana tany ampiandohana no antony nitsanganan'i Kristy.

1 Korintiana 15:21.
Fa satria avy amin'ny lehilahy no nahatongavan'ny fahafatesana, dia avy amin'ny lehilahy iray ihany koa nahatongavan'ny fitsanganana amin'ny maty.

1 Korintiana 15:42,43.
Fa tahaka izany koa ny fitsanganana amin'ny maty. Nafafy tao amin'ny fahalovana; nitsangana ao amin'ny tsy fahalovana.(fahapotehana) Nafafy tao amin'ny fahafambaraka; nitsangana ao amin'ny voninahitra: nafafy tao amin'ny fahalemena; natsangana ao amin'ny hery:

Ny fanirian'i Paoly...

Filipiana 3:10,11.
eny, mba ho fantatro Izy sy ny herin'ny fitsanganany tamin'ny maty ary ny fiombonana amin'ny fijaliany ka hampitovina amin'ny endriky ny fahafatesany, raha mba misy hahatratrarako ny fitsanganana amin'ny maty.

Ny fotom-pampianarana ny amin'ny finoana.

Hebreo 6:1-3.
Noho izany miala amin'ny fombafomba ny amin'ny fampianaran'i Kristy, dia aleo isika hitohy andeha ho amin'ny fahatanterahana: tsy hametraka indray ny fototra ny amin'ny fibebahana avy amin'ny asa maty, sy ny finoana an'Andriamanitra. Ny fampianarana batisa, sy ny fametraha-tanana, ny amin'ny fitsanganana amin'ny maty, sy ny fitsarana mandrakizay. Ary izany dia hataontsika raha avelan'Andriamaniotra.

Nitranga tamin'ny fotoana lasa ny fitsanganana amin'ny maty.

Hebreo 11:35.
Ireo vehivavy nandray ny azy ireo izay efa maty kanefa velona indray: ary ny sasany nampijaliana ho faty, kanefa tsy nandray fahafahana; mba ahazon'izy ireo fitsanganana amin'ny maty tsaratsara kokoa:

Matio 27:52-53.
Ary nisokatra ireo fasana; ka maro tamin'ny fatin'ny olona masina izay efa nodi-mandry no nitsangana, ka nivoaka avy tao amin'ny fasana ireo taorian'ny nitsanganan'i Jesosy, dia nankao amin'ny Tanàna Masina ka niseho tamin'ny maro.

Marta dia nino ny amin'ny fitsanganana amin'ny maty.

Jaona 11:24-27.
Fa hoy Marta taminy: Fantatro fa hitsangana ihany izy amin'ny fitsanganan'ny maty amin'ny andro farany. Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana amin'ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va hianao? Hoy izy taminy: Eny, tompoko; mino aho fa ianao no Kristy, ilay Zanak'Andriamanitra tokony ho tonga amin'izao tontolo izao.

Lazarosy dia nitsangana nanoloana ireo vavolombelona maro.

Jaona 12:1.
Ary henemana alohan'ny ahatongavan'ny Paska, Jesosy dia tonga tao Betania, izay nitoeran'i Lazarosy, ilay natsangany tamin'ny maty.

Jaona 12:9.
Ary maro tamin'ny Jiosy no nahalala fa teo Izy, dia tonga teo, nefa tsy noho ny amin'i Jesosy ihany, fa mba hahita an'i Lazarosy koa, ilay natsangany tamin'ny maty.

Jaona 12:17.
Ary ireo olona izay niaraka taminy, fony Izy niantso an'i Lazarosy hivoaka tao am- pasana ka nanangana azy tamin'ny maty dia vavolombelon' izany.

Ny Batisa dia manambara ny fitsanganana amin'ny maty.

1 Petera 3:21.
Ilay endrika mitovy, eny ny batisa dia mamonjy antsika koa ankehitriny,(tsy ny fanesorana ny loton'ny nofo anefa, fa ny valin'ny fieritreretana tsara eo anatrehan'Andriamanitra) amin'ny alalan'ny nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty,

Fitsanganana amin'ny maty -zavatra hitranga aoriana.

2 Timoty 2:18.
Izay niala tamin'ny fahamarinana, nilaza fa ny fitsanganana amin'ny maty dia efa nitranga; ka nandrava ny finoan'ny sasany.

Valisoa amin'ny Fitsanganana amin'ny maty.

Lioka 14:14.
Ary ho sambatra ianao; fa izy ireo tsy afaka hamaly soa anao: fa omena ny valisoanao amin'ny fitsanganan'ny marina amin'ny maty.

Lioka 20:35-36.
Fa ireo izay voatokana ho mendrika ahazo izany tontolo izany, sy ny fitsanganana amin'ny maty, dia tsy dia tsy mba mampaka-bady, na avoaka hampakarina; ary tsy mety maty intsony izy ireo, fa mitovy amin'ny anjely sady zanak'Andriamanitra, satria zanaky ny fitsanganana amin'ny maty.

Jaona 5:29.
Ary hivoaka; ireo izay nanao tsara, ho amin'ny fitsanganana amin'ny fiainana; ary ireo izay nanao ratsy kosa, ho amin'ny fitsanganana amin'ny fanamelohana.

Fitsanganana amin'ny maty roa lehibe.

Apokalipsy 20:5-6.
Fa ny sisa amin'ireo maty dia tsy ho velona indray raha tsy vita ny arivo taona. Io no fitsanganana amin'ny maty voalohany. Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana amin'ny maty voalohany; tsy hanan-kery amin'izy ireo ny fahafatesana faharoa, fa izy ireo dia ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy, ary hiara-hanjaka aminy arivo taona.


Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.

  Hoy ny Soratra Masina...

Fa tsy ho foinao ho any amin'ny elo ny fanahiko; ary tsy havelanao hahita ny fahalovana Ilay Masinao.

Salamo 16:10


Tsindrio ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Toko 9
Ilay Sintona Fahatelo.

(PDF)

Teo aloha...

Avy eo...

William Branham Life
Story.

(PDF Anglisy)

How the Angel came
to me.
(PDF Anglisy)

Pearry Green personal
testimony.

(PDF Anglisy)

God, Hidden and
Revealed in simplicity.

(PDF Anglisy)


Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.