Fitsarana amin’ny Horohoron-tany.


  Ny Asan’Ilay Mpaminany mifanesy.

Fitsarana amin’ny Horohoron-tany.


Pearry Green.

Ny marainan’ny Martsa, 1964, ny asa fanompoan’ny Rahalahy Branham dia tonga ara-bakiteny ho any amin'ny fikapohana ny tany. Izy sy ny rahalahy maro hafa dia tafavory indray mba hihaza Javelina. Ilay toerana amin’ny ankapobeny dia ilay faritra izay efa nidinan’ny ny anjely sy ny rahona efa niseho. Noho ny fahatsiarovana izany zava-nitranga marina izany tamin’ny herintaona, dia mety hisy hanantena fa hisy fisehoan-javatra miavaka hafa mbola hiseho amin’io toerana io; kanefa androany ny Rahalahy Branham sy namany akaiky, Rahalahy Banks Wood, dia niverina tany an-toby, dia tsy nahita toe-javatra zavatra hafahafa. Fantatsika ary izao fa, tamin'izay fotoana izay indrindra, dia tsy maintsy vatolampy megaton (ton maromaro) no tsy maintsy efa vonona ny hietsika any amin'ny halalin’ny kibon’ny tany.

Rehefa nitsangatsana niaraka Rahalahy Branham sy Rahalahy Wood tamin’io andro io, tsy ahoana tsy ahoana eo ny Fanahin'ny Tompo dia nilaza taminy mba haka ny vato ka hanipy izany ambony. Tamin’ny fankatoavana dia nanao araka izay nolazaina taminy izy. Raha vao hitontona tamin’ny tany ilay vato, dia nisy tadio kely niara-nidina taminy, ary niteny fotsiny izy hoe: "Izao no lazain'i Jehovah." Dia nitodika tany amin'ny Rahalahy Wood izy ka nanao hoe: "Jerenao tsara, fa hisy zavatra hitranga. Tsy maintsy manao zavatra mba hahatonga zavatra hitranga. Teo no nanomboka ny tantara."

Ny andro manaraka ny mpihaza dia nanapakevitra ny handrava ny toby (camp). Ny mpikambana ao dia mirotsaka amin'ny asa isan-karazany, toy ny fanomanana ny lalao (haza), tahaka ny Rahalahy Branham, izay tsy manao antandrevaka ny momban’izany,dia nitandrina tsara mba ho faty tsara ny afo. Tampoka teo dia nitodika tamin’ny Rahalahy Roy Roberson izy, nijoro teo akaikiny, ary nilaza taminy haingana mba hitady fialofana. Hisy zavatra hitranga. Ny iray tamin'ireo rahalahy dia naka (video) ny Rahalahy Branham tamin'izany fotoana izany, rahefa ho tapitra iny (bandy) fakany sary, tery amin’ny harambato amin’ny ilany avaratra tery dia nisy tafio-drivotra mahery vaika izay teo ambonin’ny lohan’ny mpaminany. Nahery vaika loatra io tafio-drivotra io ka namotika ny harambato ary nampipitika vato mitovy amin’ny totohondrin’ny olona hatrany amin’ny 91 metatra. Izany fipoahana izany, dia nanapaka ny tendron’ny hazo “mesquite" (hazo tahaka ny ravina voamadilo ireny izy io); ny feon'ny fahatezerany dia nameno ny rivotra. Mazava ho azy fa ny rahalahy niaraka taminy dia niafina. Ny sasany tao ambanin'ny kamiao (camion) na tany anaty kirihitr’ala, fa ny Rahalahy Branham kosa tsy taitra fa nitsangana teo, ny satrony teny an-tanany, mitazana ny tao afovoan'ny ilay tadio mahery. Ary raha niverina niakatra tany amin'ny nihaviany io tadio io dia nanaovany indray ny satrony, ary niteny tamim-pahasahiana izy hoe, "niteny tamin'i Joba Andriamanitra tao anatin'ny tafio-drivotra." Mitohy nanonona ny vaovao mahatsiravina izy, "ny fitsaran'Andriamanitra dia hamely ny morontsiraka andrefan'i Amerika." Ilay tadio tokoa mantsy dia nisintona nankany avaratra andrefana, mankany amin’ny morontsiraka.
----

Ny tafio-drivotra dia "nipoaka" intelo tamin'izany andro izany tamin'ny Febroary 1964. Ny valin’ny fitsarana dia horohorontany izay saika nandriatra ny morontsiraky Alaska ny Zoma Tsara (Good Friday earthquake) tamin'io taona io. Tsy misy olona izay niaina tamin’izany tahotra izany na nandinika ny fahapotehana sy ny famoizana ain’olona tao, no afaka hanadino hoe manao ahoana ny havesatry ny tanan’Andriamanitra amin'ny fitsarana.
----

Rahalahy Branham dia nitohy nitory ny hafatra momban’ny "Fifidianana ny Ampakarina." Ny fitohizan’ny faminaniana manaraka dia mitohy ho an’ny olona ao Los Angeles, "Tsy fantatrareo fa indray andro any io tanàna io dia hipetraka any amin’ny fanambanin’ny ranomasina hoy izy. "O, ry Kapernaony," hoy i Jesosy: "Hianao izay manandratena hatrany amin’ny lanitra dia ampidinina ambany ho any amin'ny helo, fa raha ny asa lehibe izay natao no tao amin’ny Sodoma sy Gomora, dia mbola nitsangana teo izy hatramin’izao. "Ary Sodoma sy Gomora nilentika any amin'ny farany ambany amin’ny Ranomasina Maty, ary Kapernaomy koa dia any ambanin’ny ranomasina. Ianao izay tanàna milaza ho tanànan'ny anjely, (Los Angeles), izay nanandratra ny tenanao any an-danitra ka nandefa ny zavatra maloto rehetran’ny lamaody sy ny tahak’izany, ka na ny firenena vahiny aza dia tonga eto mba hitsimpona ny malototsika ka hanaparitaka izany, miaraka amin'ny fiangonana sy ny tilikambonao tsara dia tsara, sy ny sisa araka ny fomba fanaonao; tsarovy, indray andro any ianao dia hipetraka any ambanin'ny ranomasina. Tantely be eo ambanin’izay tianao hatao ianao amin'izao fotoana izao. Ny fahatezeran 'Andriamanitra dia efa mandrezatra ao ambaninao. Mandra-pahoviana Izy io no hihazona ny tora-pasika mihantona noho izany, rehefa hibilisatra iry ranomasimbe avy erỳ, hidina iray kilaometatra lalina any amin'ny fanambanin’ny Salton. Ho ratsy lavitra noho ny andro niafaran’i Pompéii izany. Mibebaha,ry Los Angeles. Mibebaha ny sisa aminareo ary miverena amin'Andriamanitra. Ny oran’ ny fahatezerany dia eo ambonin'ny tany. Mandosira raha mbola misy fotoana handosirana ka manantona an'i Kristy. "Aoka isika hivavaka."

Io no fotoana lehibe indrindra ho antsika izay nino fa Rahalahy Branham dia mpaminany'Andriamanitra manana ny fanahin'i Elia, rehefa nandalo tamintsika ny fahalalana avy amin’ny horonam-peo izay efa henontsika, ny boky efa novakiantsika, ary izay efa rentsika nolazain’izany lehilahin'Andriamanitra izany; izy rehetra dia nanondro faminaniana loza ho amin’ny morontsiraka andrefana. Ankehitriny dia fantatsika fa naminany izy ary nanaiky azy ho mpaminany isika, ary fantantsika fa ny tsy niteny na inona na inona izy, raha tsy hita ao amin'ny Soratra Masina. Ankehitriny dia manomboka manaraka akaiky isika.

Tamin'ny 22 Aogositra, 1965, Rahalahy Branham dia niresaka momban’ny morontsiraka mankany amin’ny amorontsiraka, sisintany mankany amin’ny sisintany, fihainoana amin’ny telefaonina, tao amin'ny Toriteniny “Thinking man’s Filter" mazava tsara fa nanambara didim-pitsarana hoan’i Amerika: "Ny Fanahy Masina ao anatin’ny foko anio hariva dia mitomany," Laodikia jamba, impiry moa Andriamanitra no efa nanome anareo ny fifohazam-panahy, fa ankehitriny efa tonga ny fotoanao, efa tara loatra ankehitriny. Nahoana no nihomehy sy naneso ireo olona nalefan’Andriamanitra tany aminao? fa ankehitriny efa tonga ny fotoanao. Oh, Etazonia, Etazonia, fa Andriamanitra no efa niaro anao tahaka ny fanalokalofan’ny akohovavy ny zanany, fa tsy nety ianareo. "Ankehitriny, ny feo dia mandeha avy amin'ny morontsiraka mankany amin’ny morontsiraka, avy any avaratra mianatsimo, atsinanana miakandrefana. Ahoana Andriamanitra no efa nanalokaloka anao, nefa ianao tsy nety. Ankehitriny, tonga ny fotoana.ho potika ny firenena maro;hianjera izao tontolo izao. Mivongana 2414 kilometatra, 483 na 644 kilaometatra ny sakany,dia hilentika 161 km na angamba 64 kilaometatra hidina ao amin’io fasana lehibe io indray andro any, ary ny onja dia hitopatopa hitontona avy any Kentucky. Ary rehefa hitranga izany, dia hanozongozona mafy an'izao tontolo izao Aho ka ny zavatra rehetra eo an-tampony dia hianjera."

Nadika sombiny avy...
"The Acts of the Prophet." Chapter 12
amin'ny alalan'ny Pearry Green

Vakio ny kaonty feno in...
 Fitsarana amin’ny Horohoron-tany.


Quote...

Jereo anie ny horohoron-tany eto California e! Efa nilaza io mialoha alohan’ny ahatongavan’i Jesosy Tompo dia hiletika io toerana io. Hinoako fa i Hollywood, Los Angeles izany, izay toerana feno fahalotoana, ka ilay Andriamanitra Mahery no handetika azy. Hiletika any amin’ny fanambanin’ny ranomasina izy.

William Branham - Who do you say this is? (1964)
(PDF Anglisy)


  Hoy ny Soratra Masina...

Dia nisy helatra sy feo sy kotrokorana, ary nisy horohorontany mafy, izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisian'olona tetỳ ambonin'ny tany, eny, tsy mbola nisy horohorontany mafy sy lehibe toy izany.

Apokalypsy 16:18


Tsindrio ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


Andry Afo.

 

Ilay Rahona tsy azo
hazavaina.

Asan’Ilay Mpaminany.

(PDF's)

Toko 12 - Fitsarana
amin’ny Horohoron-tany.

(PDF)

Teo aloha...

Avy eo...

Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.

  Ampidiro (Anglisy).


Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.