Ny Taom-Piangonana Fito.


   Boky misy Fanambarana mifanesy.

Ny Fanjakana Jentilisa.

Ao amin'ny Daniela 2, Andriamanitra dia nanome sary iray mampatahotra an’i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ​​tamin'ny nofy. Daniela no nandika izany nofy izany - Nebokadnezara ilay loha volamena, ny fizarana eo amin’ny tratrany, ny volafotsy = ny Fanjakana Medianina sy Persianina, ny feny varahina = ny Fanjakana Grika, ary ny fahefatra, ny Ranjo vy = dia ny Fanjakana Romanina. Ny tongony dia ny fifangaroan'ny ny vy sy ny tanimanga. Tsy nisy fanjakana intsony. (Tsy Anglisy, Rosianina, Etazonia, na Sinoa). Ary ny fahefatra dia nandeha hatrany amin’ny rantsantongony. Io no zava-miafina. Ny metaly nampiasaina hisolo tena ny fanjàkana eto dia nanana toetra mikorosifahana (midina mankany amin’ny ratsan-tongony) fa saingy mitombo ny hamafiny. Ireo fanjakana ireo dia nampisy fiantraikany tamin’ny toe-tsain'ny olona. Ny Babylonianina, Persianina, Grika, ary Romanina dia efa nisy fiantraikany amintsika rehetra amin'izao fotoana izao. Ary ny fanjakana fahefatra dia nandeha tamin'ny làlana rehetra mandra-pahatongan'ny amin'ny fitsanganan’ny fanjakan'i Kristy, (ilay vato nendahina avy tamin 'ny tendrombohitra), ahoana no nahatonga izany? Ny Fanjakana Romanina mpanompo sampy (pagan) lasa Fanjakana Romanina izay misy ny Papa. Zava-mahaliana iray nandritra ny Ady Mangatsiaka, (Guerre Froide) olona roa lahy tsy miombon-kevitra tao amin'ny Firenena Mikambana. Ny iray dia Kruschev, Rosiana izay midika hoe tanimanga ary ny iray American izay antsoina hoe Eisenhower, izay midika hoe mpiasa amin’ny vy. Ny vy sy ny tanimanga tsy afaka mifangaro. Kruschev nanala ny kirarony ary nikapoka ny latabatra rehefa maneho ny heviny. Ny misy antsika izany dia any an-tongotry ny sary, izay Fanjakan'Andriamanitra ampidirina mba ho antsika.

Ampidiro (Anglisy).
Gabriels instructions to Daniel
Sixfold purpose of Gabriels visit to Daniel
Daniel Seventieth week

   Fanambaran'i Jesosy Kristy ihany.

Fanambaran'i Jesosy Kristy ihany.

Rahalahy Branham dia nampianatra fa i Jesosy Kristy no nanoratra ny bokin'ny Apokalypsy. Jaona dia ny zavatra hitany ihany tamin’ny karazana fahitana tonga taminy no nosoratany tamin'ny taona A.D.95-96 ( taorian'i JK) Nandritra izany fotoana izany dia nigatra tany am-ponja Jaona, tao Patmos, nosy kely iray any amin'ny Ranomasina Égée akaikin'ny sisin-tanin'i Gresy ankehitriny sy Torkia. Jaona nanao hoe, "Izaho tamin'izay dia voatsindrin'ny Fanahy tamin'ny Andron'ny Tompo..." Nanazava fa izy fa ny Andron’ny Tompo eto dia tsy manondro ny andro fahafito amin'ny herinandro. Fa hoe, ny Andron’ny Tompo dia ilay fotoana eo amin'ny tantaran'ny olombelona, rehefa tonga i Jesosy Kristy, ara-batana, ary hanjaka eto amin'ity izao tontolo izao ity, manatanteraka ny Apokalypsy 11:15: "Ny fanjakana amin'izao tontolo izao dia efa lasa fanjakan'ny Tompontsika sy ny Kristiny, ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay."

To amin'ny fahitany voalohany, Jaona izay mpianatr'i Jesosy dia nahita Azy tsy tahaka ny nahitany azy teo aloha. Jaona dia nahita an'i Jesosy nandehandeha teo anivon'ny fanaovan-jiro fito, ary nihazona kintana fito teo an-tànany ankavanana Izy. Ny volony fotsy sy ny tarehiny dia manjelatra nohon’ny fahazavan’ny fahamasinany, ny lelany dia tahaka ny sabatra, ary ny masony tahaka ny afo mirehitra. Nianjera tamin-tahotra noho ny fahitana Azy i Jaona. Rahalahy Branham dia nilaza: Inona ary izany ny fanambarana fonosin’izany? Jesosy Kristy. Inona no zavatra voalohany asehony momba azy? Izy dia maneho fa Izy no Andriamanitry ny Lanitra - fa tsy ny telo izay iray, fa Andriamanitra iray. Ny zavatra voalohany tsy maintsy tokony ho fantatsika dia izao: Jesosy Kristy dia tsy mpaminany fontsiny; tsy andriamanitra zandriny Izy, tsy andriamanitra faharoa koa Izy; fa Izy no Andriamanitra! Tafiditra ao amin’ny Fanahy ianao izao, ary misy zavatra hambara aminao. Inona ary io? Ny voalohany amin’ny fanambarana rehetra dia ny hoe "Izaho no Alfa sy Omega." (He ry mpanota, miankohofa, mibebaha ankehitriny alohan'ny fotoana sao tara loatra). Voalohany dia navelany ahafantatra i Jaona hoe iza izany manantona izany? Jesosy ilay mpanjaka ve izany? Andriamanitra mpanjaka ve izao? Fanahy Masina mpanjaka ve izao? Hoy izy hoe: "Izaho izany rehetra izany. Manomboka ao amin'ny A ka hatrany amin’ny Z Aho, ny Fiandohana sy ny Fiafarana. Izaho ilay tsy mety maty, ilay mandrakizay!"

... Nadika sombiny avy "Supernatural Book 6"
by Owen Jorgensen


   Ny Taom-Piangonana Fito.

Ny Taom-Fiangonana Fito.

Rehefa avy nanambara ny ny maha-Andriamanitra azy i Jesosy, dia nilaza tamin'i Jaona Izy fa ny jiro fito dia fiangonana fito, ary ny kintana fito eny an-tànany dia ireo anjely ho an’ny fiangonana. Dia nanokana taratasy ho an’ny fiangonana tsirairay Izy. Ireo dia fiangonana Jentilisa tany Azia Mineur. Ny toetra manokana tao amin'ireo fiangonana ireo dia mifanaraka amin’ny fotoana fito samihafa nandehanan’ny Kristianina alohan'ny farany. Vokatr’izany, ireo taratasy ireo dia naminany vanim-potoana fito ho an'ny fiangonana Jentilisa. Jesosy dia nilaza ireo mpanara-dia Azy isaky ny vanim-potoana, ka nanome azy ireo fankaherezana sy tsikera araka izay ilàna azy. Niresaka momba ny olona ao amin’ny fiangonana diso koa Izy isaky ny vanim-potoan'ny fiangonana, ireo izay milaza fa Kristianina kanefa tsy izy.

Jesosy nanomboka ny teniny tahaka izao: "Ho amin'ny anjelin'ny fiangonana any Efesosy, soraty..." Izany dia midika fa isaky ny vanim-potoan'ny fiangonana dia nisy anjely. Ny teny hoe anjely dia midika hoe iraka. Ireo dia tsy iraka avy an-danitra. Jaona mpaminany dia tsy nanoratra taratasy ho an’ny anjely any an-danitra. Tsia, ireo anjely ireo dia olona, iraka iray isaky ny taom-piangonana iray. Rahalahy Branham dia namaritra ny taom-piangonana sy ny iraka tao aminy araka ny filaharany amin’ny tantara:

1.Apo. 2:1-7EphesusA.D 53-170Paoly
2.Apo. 2:8-11SmyrnaA.D 170-312Iraneus
3.Apo. 2:12-17PergamosA.D 312-606Martin
4.Apo. 2:18-29ThyatiraA.D 606-1520Columba
5.Apo. 3:1-6SardisA.D 1520-1750Luther
6.Apo. 3:7-13PhiladelphiaA.D 1750-1906Wesley
7.Apo. 3:14-22LaodikiaA.D 1906-????"Elia"

Ny iraka tao amin'ny vanim-potoan'ny fiangonana voalohany dia i Paoly. Taorian'ny nahatonga azy lasa Kristianina, hoy ny voalazan’ny Tompo momba an'i Paoly: "Izy dia fanaka voafidy ho Ahy, hitondra ny anarako eo anatrehan'ny jentilisa." Tamin’ny voalohany Paoly dia nitory tamin'ny Jiosy. Rehefa nolavin’izy ireo ny hafatra, dia hoy izy: "Tsy maintsy notoriana taminareo ny Tenin'Andriamanitra kanefa hita fa tsy nilainareo; ary mametraka ny tenanareo ho tsy mendrika ny fiainana mandrakizay, indro, hitodika any amin’ny Jentilisa izahay, fa izany no nandidian'ny Tompo anay, nanao hoe: efa nanendry anao ho fahazavan'ny Jentilisa aho, mba ho tonga famonjena hatrany amin'ny faran'ny tany ianao." Paoly dia nanorina fiangonana Jentilisa nanerana an’i Asia Mineur. Izy koa dia mamaritra ny finoana kristianina amin'ny alalan'ny taratasiny. Ao amin'ny taratasiny ho an'ny Romana dia hoy izy: "Izaho miteny aminareo Jentilisa, raha mbola Apostolin'ny Jentilisa koa aho, dia ataoko tsara ny asako." Amin’ny fandalinana ny tantara amim-bavaka, Rahalahy Branham dia namantatra ny iraka ao amin'ny taom-piangonana faha-enina.

... Nadika sombiny avy "Supernatural Book 6"
by Owen Jorgensen

Ampidiro (PDF Anglisy)
  "An Exposition of the Seven Church Ages" (Rev 1-3)


   Ny Taom-Piangonana Fito.

   Ny taonantsika Laodikia.

Ny taonantsika Laodikia.

Jesosy dia nanakiana mafy ny vanim-potoan'ny fiangonana Laodikia, nanao hoe: " satria matimaty ianao ka tsy mafana na mangatsiaka, dia haloako amin'ny vavako ianao. Hianao manao hoe: "Izaho manan-karena, efa tonga mpanefoefo, ary tsy mila na inona na inona, "kanefa tsy fantatrao fa ory ianao, mahantra, malahelo, jamba, ary mitanjaka." Ny vanim-potoan'ny fiangonana fahafito dia tena voalamina tsara (bien organisé) ka tety ivelany i Jesosy no niseho, te hiditra ao anatiny. "Indro, efa mitsangana eo am- baravarana Aho ka mandondòna. Raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy ka hiara-misakafo aminy, ary izy ho ao amiko."

Laodikia no vanim-potoan'ny fiangonana farany alohan’ny hiverenan’i Jesosy Kristy eto an-tany, ary tamin'ity indray mitoraka ity dia ho amin'ny fitsarana. Andriamanitra nanambara tamin'ny alalan'i Malakia: "Indro, Izaho haniraka ho anareo Elia mpaminany dieny tsy mbola tonga ilay Andron’ny Tompo lehibe sady mahatahotra ; ary dia hampody ... ny fon'ny zanaka ho amin'ny rainy ... " ilay iraka ny vanim-potoan'ny fiangonana fahafito dia hanana ny fanahin'i Elia, toy ny nataon'i Jaona Mpanao batisa.

Rahalahy Branham nampianatra hoe: "Rehefa tonga izany Elia lehibe izany any amin'ny fahataperan'izao tontolo izao, dia hitondra ny hafatry ny Pentekosta izy mba hampody ny finoan’ny zanaka hiverina amin'ny finoana’ny rainy. Nanakiana mafy ny Kristianina tany Laodikia Izy, satria tsy nihazona ny finoana izay tany am-piandohana." " Matetika aho no nanontany tena hoe: 'io lehilahy io ve zany ho mpitory teny fotsiny?' Elia nanao fahagagana rehetra, ary tsy misy fitoriana. Fa raha tonga tao amin’ny Jaona ny fanahiny, dia nitory fa tsy nisy fahagagana. Nahoana ary? Satria Jesosy no mbola hanaraka azy ary Izy no manao ny fahagagana. Malakia nilaza hoe: 'Fa ianareo izay matahotra ny Anarako dia ny Masoandron’ny fahamarinana hitsangana miaraka amin'ny fanasitranana ao amin'ny Elany.' Jaona tsy mba mila ny nanao fahagagana, fa fontsiny nanambara ny fiavian ' ny Kristy. "Ny tiana hambara eto dia Elia amin'ny andro farany dia sady hitory no hanao fahagagana.

Rahalahy Branham dia nanohy ny fanazavana misimisy kokoa. "Tahaka an'i Jaona, izany Elia izany dia tsy ho azon'ny olona (tsy fantatra). Izy dia ho olona feno hery eo anatrehan’Andriamanitra, ary ho afangaron’ny olona sasany amin’ny Mesia mihintsy aza. Manao ahoana ary izany Elia izany? Voalohany, izy dia ho mpaminany tena mahery izay tsy miala amin'ny Tenin'Andriamanitra, satria marina Elia sy Jaona. Manao famantarana sy fahagagana, hampody ny fon 'ny zanaka ho amin'ny finoana Pantekosta izay nanan’ireo razambeny. Tsy ho tia vehivavy jejo izy(na vehivavy raitra). Elia tsy tia an’i Jezebela. Jaona tsy tia an’i Herodiasy. Ireo olona roa ireo dia mpaminany tamin'ny fanahy iray ihany, nankahala ny fivavahana voalamindamina (eglise organisée), toy ireo antokom-pivavahana Kristianina. Zavatra iray ihany no masaka ao andohany dia ny fanaovana antso avo hanohitra izany."

...Nadika sombiny avy "Supernatural Book 6"
by Owen Jorgensen


   Ny Taom-Piangonana Fito.


Bokin'ny Apokalypsy.
Mitohy tamin'ny pejy manaraka.
Ny vanim-potoanantsika Laodikia.



Ny Taom-Piangonana Fito.

Jereo...
Pearry Green's
Famintinana ny
Taom-Piangonana Fito.



Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.


Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.

Tsindrio ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


Daniel Afisy

Disponible avy: Mailaka:
ronmillevo@yahoo.com

Ny Taom-Piangonana
Fito Afisy

Disponible avy: Mailaka:
ronmillevo@yahoo.com

Apokalypsy Afisy

Disponible avy:
Ron Millevo Mailaka:
ronmillevo@yahoo.com


Ny Taom-Piangonana Fito.




Afisy - Ny Tombokase
Fito.
Mailaka:
ronmillevo@yahoo.com


   Hoy ny Soratra Masina...

Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin'ny mpaminany mpanompony.

Ny liona no mierona, ka iza no tsy hatahotra? Jehovah Tompo no miteny, ka iza no tsy haminany?

Amosa 3:7-8


Quote from  Teo Kalvary Tamin'io Andro Io.



Supernatural Book 6


by Owen Jorgensen.

Disponible avy:



Supernatural
Christian Books.

(Anglisy)