Ilay Vehivavy Jezebela.


  Boky misy Fanambarana mifanesy.

Ilay mpaminany vavy Jezebela.


William Branham.

Vakio ny tantara feno ao amin'ny....
Ny Taom-Pianagonana Tyatira.

Apokalypsy 2:20-23,
Kanefa manan-teny aminao Aho, satria ianao mandefitra amin'ilay vehivavy Jezebela, izay milaza ny tenany ho mpaminanivavy ka mampianatra sady manoloky ny mpanompoko hijangajanga sy hihinana hena naterina tamin'ny sampy. Ary nomeko andro hibebahany izy, nefa tsy mety mibebaka amin'ny fijangajangany izy. Indro, hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary izay mijangajanga aminy dia hataoko ao amin'ny fahoriana lehibe, raha tsy hibebaka amin'ny asan-dravehivavy izy. Ary hovonoiko amin'ny fahafatesana ny zanany; ary ny fiangonana rehetra hahalala fa Izaho no mandinika ny voa sy ny fo; ary homeko araka ny asanareo avy ianareo rehetra.

Ny zavatra lehibe voalohany indrindra nianarantsika momba an’i Jezebela dia izy TSY zanakavavin'i Abrahama, na ny fampidirana azy ho ao amin'ny fokon'ny Israely dia ara-panahy toa an'i Rota, vehivavy Moabita. Tsia tompoko. Ity vehivavy dia ny zanakavavin'i Etibala, mpanjakan'i Sidona (1Mpanjaka16:31), izay mpisorona ho an'i Astarta. Niakatra ny seza fiandrianana tamin'ny alalan'ny famonoana ilay teo alohany izy, Pheles. Ka dia hitantsika avy hatrany fa izy, zanakavavin'ny mpamono olona. (Izany dia mampahatsiahy antsika an'i Kaina.) Ary ny lalana nahatonga azy ho anisan'ny Isiraely dia tsy tamin’ilay fantsona ara-panahy voalahatr’Andriamanitra ho an'ny fidiran’ny jentilisa; fa niditra tao izy tamin’ny alalan’ny FANAMBADIANA an'i Ahaba, mpanjakan'ny foko folon’Israely. Ary izany firaisana izany araka ny efa hitantsika dia tsy ara-Panahy; ara-politika. Ary noho izany io vehivavy io, izay vonton’ny fanompoan-tsampy dia tsy nanana faniriana na dia kely indrindra aza ho lasa mpivavaka amin’ilay Hany Andriamanitra Marina, fa kosa izy niaraka tamin’ny fikasan-dalana mba hamily ny Israely tsy ho ao amin’ny Tompo. Ary ny Isiraely (ny foko folo) efa nahafantatra izany hoe mivavaka amin'ny ombilahy kely volamena izany, kanefa mbola tsy lafo tany amin’ny fanompoantsampy izy ireo, fa Andriamanitra no nivavahana ary ny lalàn'i Mosesy dia nekena. Fa hatramin’ny andro nanambadian’i Ahaba an'i Jezebela, ny fanompoan-tsampy dia niroborobo fatratra izay tsy izy. Izany dia tamin'io vehivay io vehivavy lasa mpisorona vavy tao amin'ny tempoly izay naoriny ho an'i Astarta (Venus) sy Bala (andriamanitra masoandro) ka tonga teo amin’ny ady sarotra teo amin’ny fiainany ny Israely.

Amin'izany isika dia afaka manomboka mahita izao izay avoakan’ny Fanahin'Andriamanitra amin'ny ity Vanim-potoana Tyatira ity. Indro Ilay izy. Nanambady an'i Jezebela Ahaba nanao izany ho toy ny paik’ady ara-politika mba hanatanjahany ny fanjakany sy hiarovany an’izany. Izany indrindra no nataon’ny fiangonana rehefa nanambady izy teo ambanin'i Constantine. Izy roa niaraka nohon’ny antony ara-politika, na dia nasian’izy ireo rivotra ara-panahy aza izany. Fa tsy misy afaka mandresy lahatra ahy fa i Constantine dia Kristiana. Izy dia mpanompo sampy manana endrika Kristiana fandrika. Nolokoiny fotsy ny lakroa teo amin'ny apingan’ny miaramila. Izy no namorona ny Knights of Columbus. Nasiany hazo fijaliana eo amin'ny tendron’ny Saint Sophia àry teo no nanomboka ny fomba amampanao.

Hevitry Constantine ny mba hahatonga ny olona rehetra miaraka, ny mpanompo sampy, ny Kristiana anarana sy ny tena Kristiana. Ary nandritra ny fotoana fohy dia toa nahomby ny fijery izany, ary ny tena mpino tonga teny mba hijery raha toa ka afaka hamerina ireo izay efa nirona niala tamin’ny Teny. Ary nony hitan’izy ireo fa tsy afaka hitondra azy ireo hiverina ao amin'ny fahamarinana izy ireo, dia voatery niala tamin’io fikambanana ara-politika izy ireo. Ary rehefa nanao izany izy ireo dia nantsoina hoe mpivadi-pinoana ka nohenjehina.

Mamelà ahy hilaza eto fa manana zavatra mitovy amin’izany isika mitranga amin'izao fotoana izao. Ny olona rehetra miara-tonga. Izy ireo dia manoratra Baiboly izay mety amin’ny rehetra na dia ny Jiosy aza, Katolika na Protestanta. Manana ny Filan-kevitry ny Nicée-Constantinople manokana izy ireo fa izany dia nantsoiny hoe Kônsily Ekiomenika. Ary fantatrao ve iza no iadivan’ireo fikambanana ireo? Miady amin’ny tena Pentekotista marina izy ireo. Tsy ny fikambanana antsoina hoe Pentekotista no tiako ho lazaina. Ireo izay Pentekosta, satria izy ireo dia feno ny Fanahy Masina, ary manana ny famantarana sy ny fanomezam-pahasoavana eo aminy, satria izy ireo mandeha araka ny fahamarinana no tiako ho lazaina.

Rehefa nanambady an'i Jezebela Ahaba noho ny antony ara-politika dia namidiny ny fizokiany. Raha miditra amin'ny fikambanana iray ianao dia mivarotra ny fizokianao rahalahy, na te-hino izany ianao na tsia. Ny vondrona protestanta tsirairay izay nivoaka ary avy eo niverina nivarotra ny fizokiany, ary rehefa mivarotra ny fizokianao ianao dia tahaka an'i Esao -- afaka mitomany sy mibebaka araka izay tianao ianao, fa tsy hahasoa anao izany. Tsy misy afa-tsy zavatra iray ihany no azonao atao, ary izany dia, "Mialà aminy ianareo, ry oloko, ary ajanony ny fandraisana anjara amin’ny fahotany!" Ary raha mihevitra ianao fa diso aho, dia valio ity fanontaniana iray ity.

Moa misy olona ve afaka milaza amiko izay fiangonana na hetsik'Andriamanitra nanana fifohazampanahy ka niverina rehefa avy niditra tao amin’ny fikambanana, ary lasa antokom-pinoana? Vakio ny tantaranareo. Tsy ahita ianao na dia iray aza -- na iray akory aza. Izany no misasak’alina ho an'ny Israely, rehefa nikambana tamin'izao tontolo izao izy, ary nandao ny ara-panahy ho an'ny ara-politika. Izany no ora misasak’alina tao Nicée rehefa nanao zavatra toy izany ny fiangonana. Izany no ora mamatonalina ankehitriny izay hiarahan’ny fiangonana miaraka.

Koa rehefa nanambady an’i Jezebela Ahaba dia namela azy mba handray ny vola-panjakana, ary nanangana trano lehibe roa fivavahana amin'i Astarta sy Bala. Ny iray izay natsangana ho an'i Bala dia ampy ho an'ny Isiraely rehetra tonga niankohoka tao. Ary rehefa nifanambady Constantin sy ny fiangonana dia nomeny trano ny fiangonana, ary natsangany ireo alitara sy sary, ka nikarakara ny ambaratongam-pahefana izay efa naka endrika.

Rehefa nahazo ny herin'ny fanjakana Jezebela tao afaran dia notereny atsofoka eo amin’ny olona ny fivavahany, ka novonoiny ny mpaminany sy ny mpisoron'Andriamanitra. Ary tena niha-ratsy izany ka Elia ilay mpitondra hafatra tamin’ny androny, nihevitra fa izy irery ihany no sisa tavela, fa Andriamanitra mbola nanana 7000 hafa izay tsy nandohalika tamin'i Bala. Ary amin'izao fotoana izao eo anivon'ny ireo antokom-pivavahan’ny Batista, Metôdista, Presbyteriana, sns,… dia misy sasany izay hivoaka ka hiverina amin'Andriamanitra. Tiako ho fantatrareo fa izaho ankehitriny, ary na oviana na oviana dia tsy nanohitra ny olona. Ny antoko-piangonana no nanao izany-- ny rafitra ny fandaminana no toheriko (systeme d’organisation). Tsy maintsy ho toheriko izany satria halan'Andriamanitra.

Ary aoka isika hijanona iray minitra fontsiny eto ka hamerina ny zavatra nolazaintsika momba ny fomba fivavahana tany Tyatira. Nilaza aho fa nivavaka tamin’i Apollo izy ireo (ilay andriamanitra masoandro) miaraka amin'ny amperora. Ary izany Apollo izany ankehitriny dia natao hoe ny ' mpanala ny ratsy.' Nohalaviriny tamin’ny olona ny ratsy. Nitso-drano azy ireo izy, ary dia tena andriamanitra ho azy ireo. Izy no natao hampianatra ny olona. Nanazava momba ny fomba fivavahana izy, sy ny fombafomba ao amin’ny tempoly, ny asa fanompoana amin’ireo andriamanitra, momba ny fanatitra sy ny fahafatesana ary ny fiainana aorian'ny fahafatesana. Ny fomba nanaovany izany dia tamin'ny alalan'ny mpaminanivavy, izay nipetraka lasa vinany teo ambonin'ny seza telo toko. Oh! Hitanareo ve izany? Io ilay mpaminanivavy atao hoe Jezebela, ary izy no mampianatra ny olona. Ary ny fampianarany dia mamitaka ny mpanompon'Andriamanitra ka mahatonga azy ireo hijangajanga. Ary ny fijangajangana dia midika hoe 'fanompoan-tsampy.' Izany no dikany ara-panahy. Izany dia firaisana tsy ara-dalàna. Ny firaisan’i Ahaba sy ny fikambanan’i Constantin dia samy tsy ara-dalàna. Samy nanao ny fijangajangana ara-panahy izy roa tonta. Ny mpijangajanga rehetra dia afatotra ho ao amin'ny farihy afo. Andriamanitra milaza izany.

Vakio ny tantara feno ao amin'ny....
Ny Taom-Pianagonana Tyatira.

Ampidiro (Anglisy)... Jezebel Religion.



Ny Bokin’ny Fanambarana
Mitohy tamin'ny pejy manaraka.
(Babylona Misitery.)


Tsindrio ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


Ny Asan’Ilay Mpaminany.

(PDF's)

The Two Babylons

by Rev Alexander Hislop.
(PDF Anglisy)

A lafiny tendrombohitra,
ary nitsangana voaroy
amin'ny oram-panala
amin'ny Shina.

Lisy ny afo.

Ny Andry Afo
- Houston 1950.

Mazava tamin'ny
vatolampy pyramida.

Ao amin'ity
Taom-piangonana
Tyatira ity izy dia
VEHIVAVY TSY
REFESI-MANDIDY.
Izy no
Babylona Misitery.



Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.


Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.

  Hoy ny Soratra Masina...

Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin'ny farany dia homeko fahefana amin'ny jentilisa;

ary hiandry azy amin'ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny fanorotoro vilany tany, dia araka izay efa noraisiko tamin'ny Raiko.

Ary homeko azy ny kintana fitarika andro.

Apokalypsy 2:26-28