Kôsmôlojia 2.
<< mialoha
manaraka >>
Ny Firafitry ny Masoandrontsika dia tanora.
David Shearer.Nitranga ve ny “Bing Bang?”
Ny “Bing Bang” dia maodely ampiasain’ny mpahay siansa hanazavàna ny fiforonan’ny Tontolo. Ny foto-kevitra dia ny zavatra rehetra niforona avy amin’ny teboka iray (iray miavaka) izay “tsy misy na inona na inona” tokony ho 14 analikisan’ny taona maro, ary ny Tontolo rehetra dia nivelatra avy amin’io teboka io. Tany am-piandohana, ny lalàn’ny fizika dia tsy maintsy “nailika” mba hipetrahan’ny Tontolo amin’ny toerany sy handehanany.
Rahona hydrôzena mankadiry, matevina, mamorona môlekiola isan-karazany, avy eo mikambana tsikelikely ho tonga vondrona lehibe, vovoka, silaka, planeta kely, ireo planeta, ny masoandro sy ny planeta manodidina azy (solar system), ny vondrona lehibe indrindra amin’ny kintana (galaksia), vondrona galaksia, galaksia mankadiry sns...
Ny lalànan’ny fizika momba ny natiora dia milaza fa ny zava-misy dia mirona kokoa amin’ny toe-javatra tsy noeritreretina. Ny toetra tsy noeritreretina indrindra ao amin'ny maodely Big Bang dia ilay rahona gazy tany am-piandohana. Mety hihevitra ianao fa hiparitaka avy eo io, fa tsy hivangongo mandra-pahatongany ho galaksia.
Olana iray amin’io tranga io no hitan’ny masolavitra (telescope) eny amin’ny habakabaka (Hubble sns...). Nahita vahin-danitra (galaksia) lavitra dia lavitra izy ireo (13.2 lavitrisa taona hazavàna) “année lumière”, ary izy ireo dia tena “manakaiky” ny Bing!Bang; tsy ampy ny fotoana niforonan’ny galaksia izay hitantsika.
Amin’ny sasany dia toa tsy misy fanoherana ny amin’ny Big Bang, ny antony dia satria io dia mitovy amin’ny maodelin’ny Famoronana, ary amin’izany izy dia manana teboka hiandohana. Ny maodely raisina amin’izany dia antsoina hoe, “Steady State” (Toetra Mirafitra tsara). Milaza izy ireo fa ny Tontolo dia efa nisy foana, ary hisy foana. [Mamaritra ny toetran’ny Mpamorona amin’ny zavaboary]
Tanora ny Kômety.
Ireo kômety manodidina ny masoandro dia vongana vato sy ranomandry. Isaky ny manakaiky ny masoandro izy ireo; ny faritra misy ny “Rambo”, dia mipoaka avy amin’ny herin’ny masoandro. Ireo kômety dia mihena ny habeny isaky ny mitranga izany.Noho izany dia fohy ny fahavelomany - 100000 taona raha be indrindra. Tsy afaka niforona lavitrisa taona maro izy ireo, raha tsy izany dia tsy hisy intsony izy. Tsy misy kômety miforona ankehitriny.
Misiterin’ny faribolan’i Satiorna.
Ny faribolan’i Satiorana dia misitery. Izy ireo dia saika vongan-dranomandry no mandrafitra azy.Mihena ny habeny. Azo heverina fa tsy hisy izy ireo ao anatin’ny lavitrisa taona, (na latsaka). Tsy afaka niforona 4.5 lavitrisa taona lasa izy ireo, araka ny famaritana ny taonan’ny masoandro sy ny manodidina azy. Izy ireo dia miodina (mandeha) manodidina ny Satiorna. Ny misitery iray mahalasa saina dia ny iray amin’ireo faribolana dia mihodidina ny Satiorna amin’ny lalana mifanohitra manakaiky ny planeta, kanefa eo amin’ny faritra mitovy ihany.
Ny faribolan’i Satiorna dia “madio loatra.”
Raha 4.5 lavitrisa taona no nisian’ny faribolan’i Satiorna, dia tokony ho betsaka ny faritra vovoka sy kômety bitika nangoniny. Izy ireo dia “madio loatra” raha atao hoe antitra.
Ny misiterin’ny Vato Volana.
Ny mamaritra ny Vato Volana, (araka izay hitan’ny misiona Apollo) dia tena samy hafa raha oharina amin’ny Tany. Ny volana dia tsy manana vy loatra ao amin’ny fangaron’ny vatony. Izany tranga izany dia nanjary misitery momban’ny nihavian’ny Volana. Tsy “niala” avy amin’ny Tany izy, tahaka ny vokatra azo avy amin’ny fifandonan’ny planeta madinika: na niandoha niaraka tamin’ny Tany, araka ny filazàna azy amin’ny ankapobeny. Izany dia mamela antsika ny “Fahalalana momban’ny Fanagiazana”, izay ny volana mandehandeha dia gihazan’ny sehatra andriamby Tany rehefa mandalo. [ izany dia toa trangan-javatra tsy mampino].
Fihetsiky ny Volana ara-Jeolôjika
Hatramin’ny taona 1500 dia voalaza fa ny Volana dia maneho “Taratra” avy amin’ny lavaka lehibebe kokoa. Izany dia mitranga rehefa mivoaka ny entona avy amin’ireo lavaka, maneho endrika jeolôjika amperin’asa mitranga. Izany dia hitan’ny misiona Apollo. Ary voaporofo fa avy amin’ny fipoahana gazy. Voalaza ary fa ny Volana dia vongana “maty”, ary ny hetsika jeôlôjika nijanona 3 lavitrisa taona lasa. Ny fisiany izany dia milaza fa ny Volana dia “tanora” raha taona no jerena.
Volana mihataka amin’ny Tany.
Ny elanelana manasaraka ny Volana sy ny Tany dia azo refesina amin’ny fitaratra, tavela teny amin’ny Volana, nataon’ireo misiona Apollo. Izany dia afaka mandefa taratra lazera miverina amin’ny tany: Ny halavan’ny fotoana amin’izany dia maneho ny elanelan’ny refy.
Io refy io dia maneho fa ny Volana dia mihataka amin’ny Tany tokony ho 3.5 cm isan-taona. Ny anton’izany dia nohon’ny onjan-dranomasina miavosa, amin’ny fisintonan’ny herin’ny Volana, ary koa ny fihodin’ny Tany, izay mizara hery miovaova [sisiny] eo amin’ny Volana, ary mahatonga azy hiataka. Ny habetsahan’ny rano amin’ny Tany dia tsy nisy fiovàna loatra, noho izany io refy io dia voatazona.
Raha atao jery todika (3.5 cm isan-taona), ny Volana dia tokony “nikasika” [Loza be] ny Tany 1.5 lavitrisa taona lasa monja. Izany dia manaporofo fa ny rafitry ny Volana/ Tany dia tsy ho 4.5 lavitrisa taona.
<< mialoha
manaraka >>
Ny lanitra mitory ny voninahitr'Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan-tànany.
Ny andro mitory fiderana amin'ny andro, ny alina mampandre izany amin'ny alina.
Izany tsy mba fiteny, tsy mba teny izay tsisy haharenesana ny feony:
Salamo 19:1-3
Tsindrio ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.
Teo aloha... |
Avy eo... |
William Branham Life Story. (PDF Anglisy) |
How the Angel came to me. (PDF Anglisy) |
Pearry Green personal testimony. (PDF Anglisy) |
Marriage and Divorce. (PDF Anglisy) |
Ny fivoarana (evôlisiôna)
dia tsy maintsy
efa nisy
“analin-kisa taona maro”.
Raha tanora izao
tontolo izao, dia
tsy nisy evôlisiôna.