Ilay rahona tsy azo hazavaina.
Ilay rahona tsy azo hazavaina.
Pearry Green.Lioka 21:25-27,
25 Ary hisy famantarana eo amin'ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etỳ ambonin'ny tany dia hisy fahorian'ny firenena amin'ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon'ny ranomasina sy ny fanonjany,
26 ka ho reraka ny fon*'ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin'ny tany; fa ny herin'ny lanitra dia hohozongozonina.[* Na: ka hisy ho faty aza]
27 Ary amin'izany andro izany dia hahita ny Zanak'olona avy eo amin'ny rahona amin-kery sy voninahitra lehibe izy.Ireo andinin’ny Soratra Masina ireo dia efa novakiana amanjatotaonany. Araka ny fihevitry ny olona, ny fisehon’ny rahona sy Jesosy Kristy dia mifandray. Eny fa ny teo lojiana izay mino ny fiverenan’ny Tompo ety an-tany, haka ny ampakarina, dia nampifandray ireo tao an-tsainy. Kanefa, ny Teolojiana dia mety tsy hahafantatra ny fiverenany faharoa satria, na nomena “maso hijery sy sofina handre” aza izy ireo, dia ho laviny ny fampiasana izany ahafantarana ny zavatra nampanantenain’ Andriamanitra ao amin’ny Teniny, izay mialoha ny fiavian’i Kristy fanindroany.
Matio 24, manomboka eo amin’ny andininy 23 no hanamarinana ireo andro ireo alohan’ny hiverenan’i Kristy.
23 Koa raha misy manao aminareo hoe: Indro, i Kristy, na: Indro, ary; aza mino ianareo.
24 Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny.(Jesosy tsy niteny hoe “Jesosy sandoka” fa “voaosotra sandoka= Kristy” ireo tena voaosotra fa milaza ny tsy marina, diso no avoakan’ny vavany.)
Jesosy dia mampitandrina ny amin’ny fahadisoa-panantenana amin’ny fiverenany, fa nampanantena kosa Izy fa ny olom-boafidy dia tsy ho voafitaka, ireo izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana, izay an’ny zanak’ondry ny anarany hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao, dia nofidiana mialoha izy ireo mba hitovy amin’i Jesosy Kristy. Ary ireo izay nofidiany mialoha, dia nantsoiny ary nohamarininy, ary nomeny voninahitra. Fa hoy Jesosy, na dia hitsangana aza ireo izay lazain’ny olona “Ity ilay voaosotra! Ity ilay manana ny teny!” Matio 24:25 dia tohizany...
25 Indro, voalazako aminareo rahateo izany,
26 Ary amin'izany, raha misy manao aminareo hoe: Indro, any an-efitra Izy, aza mankany ianareo; Indro, ao amin'ny efi-trano Izy,(Chambre secret) aza mino.Amin’ny antokom-pivavahana amin’izao fotoana izao, dia misy ireo izay aleony mino ny fomban’ny antokom-pivavahana, dogma, na fampianarana (doctrine) toy izay ny Teny. Manantanteraka io voalazan’ny Soratra Masina io izy ireo, “Ity ny Teny, ity ny voaosotra. Isika mpikambana, mpitarika dia mivory mangingina, mitady ny Tompo. Milaza aminareo izahay fa io ny Teny.” Mitady fanambarana avy amin’ny tenany izy ary tereny anaraka io ny mpanaradia azy. Tadidio fa izy ny Teny. Jaona 1:1 “Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra...
14 Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika.”Tsy fanambarana no handikan-dry zareo ny Soratra Masina, ny Matio 24:27 ohatra:
27 Fa tahaka ny helatra (tselatra) avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny fihavian’ny Zanak'olona.
Amin’io soratra Masina io, dia manantena an’i Jesosy hiampita eny amin’ny lanitra ry zareo, hiantso mafy ny fiverenany haka ny ampakarina. Izay mampianatra izany dia manadino ny nambarany mazava tsara fa ny fiverenany dia “tahaka ny mpangalatra amin’ny alina”
Jereo ny sivilizasiôna; avy any antsinanana mankany andrefana no nandehanan’izany. Jereo ny fivavahana Kristiana, avy any antsinanana nankany andrefana. Jereo ny masoandro, miposaka avy any antsinanana mody any andrefana. Ao amin’ny toko faha 10, [Mihoatra nohon'ny Mpaminany.] dia voalaza fa avy any antsinanana no nanombohan’ Andriamanitra ny mpitondra hafatra tsirairay ho an’ny taom-piangonana, ary ny hafatra farany dia nipoitra avy ao andrefana, izay mitondra ny fahatanterahan’ny misiterin’Andriamanitra, araka ny voalaza ao amin’ny Apokalipsy 10:7. Noho izany raha misy tranga mihoatra ny natoraly tsy maintsy nipoitra ho an’ny olona miaina amin’ny andro farany alohan’ny ahatongavan’ny Tompo, io trangan-javatra io dia hipoitra avy any andrefana. Fa “tahaka ny tselatra avy any antsinanana… mankany andrefana,” dia izany no nanehoan’i Jesôsy Kristy ny Tenany avy any antsinana mankany andrefana amin’ny alàlan’ ireo iraka fito. Ary ny tsirairay dia nitondra ny hafany dia nivoaka ny fanambaràna, nivelatra tamin’ny tsirairay: Lotera nitondra ny fanamarinana,; Wesley, fanamasinana, ny pantekôstaly, filatsahan’ny Fanahy Masina tamin’ny niandohan’ity Taom-piangonana Laodikia ity; ary ankehitriny dia mitohy mankany amin’ny fahatanterahan’ity hafatra ho an’ny ampakarina ity, izay ireo misitery dia nambaran’ity iraka ity, ary ny tombokase dia novahana.
Matio 24:28,
28 “Fa izay itoeran'ny faty, dia any no hiangonan'ny voromahery.”Noho izany ireo anjeliny dia hanangona ny voromahery,ireo izay velona amin’izao fotoana izao, taonan’ny voromahery. Ny voromahery dia hena madio no haniny, fa tsy “loa (sisa)” izay mameno ny latabatry ny antoko-piangonana (Isaia 28:8 Fa feno loa sy loto ny latabatra rehetra, ka efa tsy misy madio hitoerana.), ny sakafo madio (Tenin’Andriamanitra) no haniny. Izany no hiangonan’ny voromahery. Rehefa mivoka ny Teny, dia ho tafangona ireo izay mino, araka ny fiantsoan’Andriamanitra azy ireo.
Matio 24:29-30,
29 Ary raha vao afaka ny fahoriana amin'ireo andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana tsy hahazava; ny kintana hiraraka avy any an-danitra, ary ny herin'ny lanitra hohozongozonina.
30 Ary amin'izany andro izany dia hiseho eo amin'ny lanitra ny famantarana ny Zanak'olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin'ny tany, ary hahita ny Zanak'olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin'ny rahon'ny lanitra izy.Andininy anankiray mifandraika amin’ny fiavian’ny zanak’olona, Daniela 7:13,
13 Ary mbola nahita tamin'ny fahitana tamin'ny alina ihany aho, ary, indro, nisy toy ny zanak'olona avy tamin'ny rahon'ny lanitra,...
Daniela ao amin’ny Testamenta taloha dia manambara ny fiavian’ny zanak’olona izay misy hifandraisany amin’ny rahona. Tahak’izany koa Jesosy, isaky ny miteny ny fahatongavany,dia miresaka rahona.
Tany Arizona, ny “Chambre de Commerce” dia nanambara 80 isan-jato, fa tsy misy rahona eny amin’ny lanitra. Fa tamin’ny Febroary 28, 1963, dia nisy rahona mahatalanjona nipoitra teo amin’ny lanitry Arizona izay nalaina sary. Izany dia nosoratan’i Dr James Mc Donald, Profesora momban’ny fizikan’ny atmosfera tao amin’ny Oniversiten’i Arizona, ao amin’ny gazetin’ny siansa., Aprily 19, 1963. Niangaviana ny olona mba handefa sary na porofo mety hanazavana io rahona io. Fa nahoana ary no mifantoka amin’io rahona ion y saina? Ny antony dia ny habeny sy ny hahavony izay mahagaga, nokajian’ny mpaka sary tsotra miisa 80 tamin’ny “Trigonometry”, fa 97 kilometatra ny hahavony (altitude), 80 km ny halavany ary 48 km ny sakany. Any amin’ny 451 km no nahitana azy amin’ny lafiny iray (direction), ary ny lafiny sasany dia mihoatra ny 161 km eo ho eo. Io rahona io dia mahatalanjona fa nijanona nazavain’ny masoandro 28 minitra taorian’ny niletehan’ny masoandro. Ambonin’ny atmosfera, ambonin’ny fanidinan’ny fiaramanidina, izay mahatonga ny hamandona hitambatra (condensation), dia tsy mitombona raha avy amin’ny (rocket nipoaka) iray no hahatonga izany, io rahona lehibe io dia mbola tsy voasavan’ny siansa hatramin’izao.
Ny mpanoratra ao amin’ny “Life Magazine” dia nahita an’io tamin’ny May 17 (volana sy andro iray izay nidiran’i Noah tao amin’ny sambo fiara araka ny Baiboly), 1963, nanaparitaka io sary io (rahona) miaraka amin’izao teny izao: “Rahona iray avo dia avo, ary tena lehibe tsy mampino, kanefa, ity ny sariny.”Teo no nahafantarako voalohany indrindra momba ny rahona rehefa namaky io Life Magazine io aho. Rehefa namaky ny teo aloha aho, dia hitako fa mahavariana izy io,na dia tsy tena misy dikany azo raisina aza. Mpanompon’Andriamanitra, feno ny Fanahy Masina, mino aho fa ao anatin’ny ampakarin’ i Kristy, fa mbola tsy tena ara-panahy loatra aho teo amin’ny fahafantarana fa Jesosy Kristy dia nilaza fa ny fiaviany dia hiaraka amin’ny rahona. Amim-panetretena, raha mahatsiaro, fa tsy tamin’ny dikany ara-panahy (supernaturel) no nandraisako izany, izay tsy azo hazavaina eny fa na ny siansa aza. Raha tsy tamin’ny taona 1964 aho tsy nahare ny marina momban’ny zava-nitranga lehibe mahakasika io rahona tao Arizona io.
Desambra 22,1962, roa volana feno alohan’ny nipoiran’ilay rahona dia nahita fahitana ny Rahalhy William Branham raha nipetraka tao antranony tao Jeffersonville, Indina izy, anankiray amin’ireo fahitana anarivony maro izay hitany. Tamin’ny androm-piainany. Tamin’ny 31 Desambra, 1962, dia nontatarainy tamin’ny mpino tao Branham Tabernacle io fahitana io. Olona 600 teo hoe o no nahare ny teniny, nanatrika ny alin’io ary nitahiry izany tamin’ny fandraisam-peo rehefa nomeny lohateny ny toriteniny hoe: “Tompoko izao ve no fotoana?” Nambarany fa tamin’ny fahitana dia teo an-tendrombohitra izy, nanala tsilo (cocklebur) tamin’ny patalohany, raha tampoka teo dia taitra tampoka nohon’ny fipoahana mahery vaika izy, ary novangiana anjely fito. Nolazainy fa tsy fantany izay dikan’ny ny fahitana izay hitany io. Ary tsy nahatafandry mandry azy io fahitana io. Ary ny herinandro manaraka dia nilaza tamin’ny olona sasany izy fa angamba ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny fiainany dia efa tanteraka ary ho faty ao anaty fipoahana izy. Nanontany tena izy raha ireo anjely ireo no hitondra ny vatany tahaka ny natao tamin’i Mosesy.
Taorian’io fahitana io,dia nifindra tany Tucson, Arizona izy sy ny ankohonany ary nipetraka tao. Nitory teny vitsivitsy izy ary nanomboka nizatra ny fiainana tany an’efitra (desert), fa mbola tsy mahatafandry mandry azy foana io fahitana io. Efa akaiky ve ny fotoana hiakarany? Rahoviana izany?
Satria ny natiorany dia olona eny ivelany lava ary mpihaza, dia nahita fahafinaretana tao izy, ny fihazàna lambo any an’efitra izay fantatra amin’ny anarana hoe: Javelina. Tany am’pihazàna tany no nahatanteraka io fahitany io.
Ny daty dia Martsa 7,1963. Maraina io ary i Rahalahy Branham dia nivoaka ny toby mba hanampy ny rahalahiny sy ny mpihaza, Rahalahy Fred Sothman ary Eugene Norman, dia nahita ilay Javelina sarotra samborina. Mandrakariva dia nahaomby foana ny fihazàny ny bibiny. Miakatra tendrombohitra izy, ary manoro ny lalàna tokony alehan’ny sasany mba hifanena amin’ny andiana lambo, izay efa hitany mialoha ary tereny hidina any amindry zareo. Nijanona kely teo amin’ny tendrombohitra izy, dia nisy tsilo tao amin’ny patalohany. Vao avy nanala iny tsilo iny izy,dia nipoaka ny tendrombohitra, ary toa mihorohoro ny tany teo ambaniny, nitsambikina ambony izy, tsy fantany izay nitranga na inona no mbola hitranga. Ery amin’ny lanitra eo ambony lohany,dia nisy pentina fito,tahaka ny fiaramanidina. Vetivety teo, dia nihalehibe teo imasony ireo teboka ireo. Anjely manao pyramida, ary misy anjely mahery eo an-tampony, ary anjely telo kelikely amin’ny sisiny roa. (telo amin’ny ilany, telo amin’ny ilany). Tahaka ny nilazan’i Paoly fa nakarina tany amin’ny lanitra fahatelo izy,dia nilaza ny Rahalahy Branham fa “nakarina” teo amin’io amin’ny fitoeran’ny anjely io izy. Teo no nanomezana azy ny asany: “Miverena any antsinanana izay nihavianao, ary amin’ny fanambarana sy fahitana, ho sokafan’Andriamanitra ny tombokase fito izay nafenina ho misitery hatramin’ny Jaona izay nanambara ary nanoratra ao amin’ny Bokin’ny Fanambarana.”
[Ny Taom-Piangonana Fito.] [Ny Tombokase Fito.]Ny rahalahy niaraka taminy dia mahalala ny fahitana satria nahatsapa izany fihovitry ny tendrombohitra izany izy ireo. Fa araka ny fahalalako azy dia tsy nahafantatra ny fisian’ireo anjely ireo ry zareo. Ny rahalahy Branham dia nilaza azy ireo ny tsy hilaza na amin’iza na amin’iza izay hitany na reny. Niala tao Tucson izy ny Martsa 13, 1963 ary niverina tao Jeffersonville. Hatramin’ny Martsa 17 ka hatramin’ny 24, dia nanomboka niseho ny famirapiratan’ny toriteny maro nataony izay tsy mbola nisy tahaka izany tamin’ny fiangonana.
Tombokase iray isan-kalina, avy amin’ny alalan’ny fanambarana mivantana avy amin’ny Fanahy Masina isan’andro, nitory ny misiterin’Andriamanitra izay nampanantenainy an’i Daniela fa tsy hiseho mandra-pahatongan’ny farany. Teo ny fotoana voalaza tao amin’ny Soratra Masina, ny andro farany, ary Andriamanitra dia nilaza tamin’ny mpaminany, tahaka ny fanaony. Fa ankehitriny kosa ny teny dia tonga avy amin’ny alalan’ny fanambarana izay mbola tsy noresahana ny olona. Ny ampakarina dia dia nampahitana fa ny ankamaroan’ireo zavatra tadiaviny dia efa lasa. Efa fotoanan’ny ampakarina izao “mba hiomanany.”
Raha manadihady ny sarin’ilay rahona tsy ahitam-panazavana amin’ny siansa ianao -dia ho hitanao ao ny tarehin’i Jesosy Kristy, mitodika miantsinanana, manana volo tahaka ny volon’ondry., araka ny nahitan’i Jaona azy. Apokalipsy 1:14: “14 Ary ny lohany sy ny volony dia fotsy tahaka ny volon'ondry fotsy,...” Tsy tahaka ny tanora ny fahitana azy ohatran’izy tamin’ny nahantona rehefa 33 taona, fa tahaka azy izay mpitsara izao tontolo izao. Mety ho sarotra amin’ny olona ny mandray izany, fa tsy milaza ve ny Soratra Masina amin’ny andininy samihafa fa rehefa hiseho ny zanak’olona, rehefa hipoitra, dia hisy rahona.
-----Nambarako tamin’ny vahoaka amin’ity vanimpotoana ity fa ny soratra Masina dia mampanantena fa misy rahona miraka amin’ny fisehoan’ny zanak’olona ety ambonin’ny tany.Nentiko teto aminareo izany vaovao manaitra izany fa misy izany rahona izany amin’izao taonjato izao - rahona tsy azon’ny siansa hazavaina. Raha azo nohazavaina ara-tsiansa io, dia tsy afaka hinoako izay ataoko momba io, fa tsy misy fanazavana; Nolazaina lehilahy iray aho, izay hinoako fa mpaminanin’Andriamanitra amin’izao fotoana izao. Rahalahy William Branham, tonga tao aminy ny anjely fito ary nanambara taminy ny misiterin’ny bokin’ny Apokalipsy, nisintona azy niakatra teo anivony, dia nandao azy, dia nisy io rahona io. Tsy hitako izay handavako izany fanazavana izany. Ilay rahona lehibe dia lehibe, avo dia avo, ary betsaka ny hamandoana mety ho ao mba hahamarina azy. Kanefa marina io, io dia tsy azo hazavaina (supernaturel) ary nasehon’Andriamanitra io mba ho famantarana ho an’ny ampakarina.
Nadika sombiny avy... Asan’Ilay Mpaminany. - Pearry Green
Ampidiro (Anglisy). "Is this the sign of the end Sir"
Vakio manontolo... Ny Rahona - Pearry Green.