Ny Fisarihana Fahatelo.


  Inona ary ny Fisarihana Fahatelo?

Inona ary ny Fisarihana Fahatelo?

Tamin'ny taona 1956 ny Rahalahy Branham dia namariparitra ny fahitana izay hitany, dia ny Anjelin'i Jehovah nampiseho azy ny fomba fanjonoana. Izany dia naneho dingana telo ny amin’ny asa fanompoany - dia niantso azy ireo hoe "Fisarihana", toa anao ihany rehefa manjono. Ny fisarihana voalohany dia famantarana teo amin’ny tànany, dia ny endriky ny "fivontosana" izay manondro ny aretina amin’ny olona iray. Ny faharoa dia ny fampiharihariana ny zava-miafina ao am-po. Izany tsy mbola diso na oviana na oviana. Ny fisarihana fahatelo, (izay hakana ny trondro be), dia ny fanokafana ny Teny, dia ny tombo-kase fito, sy ny fampiharihariana ny zava-miafina, izay very nanomboka tamin'ny taonjato voalohany.

Nampidirinay ato ny lahatsoratry ny fahitana izay nontatarainy, ary koa ny fitohizana (link) ahafahana mamaky ny hafatra rehetra feno.

Jereo koa ... Toko 9  - Ilay Sintona Fahatelo. (PDF)


  Fianarana ny Baiboly.

Ny Anjaranay tao amin'ilay fahitàna.

Misy tantara mahafinaritra ao amin'ny Soratra Masina, 1 Mpanjaka 19:15 -16 tamin'ny niresahan'ny Tompo tamin'i Elia ary nanomezany azy zavatra telo ho ataony.

1.Osory Hazaela ho mpanjakan'i Siria.
2.Osory Jeho ho mpanjakan'i Israely.
3.Osory Elisa ho mpaminan'Andriamanitra.

Ao amin'ny andininy 19-21 amin'io toko io dia hitantsika Elia manosotra an'i Elisa. Ary ao amin'ny 2 Mpanjaka 2 dia hitantsika ny “fahafatesana” (fampakàrana) an'i Elia. Io dia tahaka ny milàza fa i Elia dia tsy nanao ireo zavatra roa hafa.

Ao amin'ny 2 Mpanjaka 8, dia hitantsika fa Elisa no nanosotra an'i Hazaela ho mpanjakan'i Siria. Ao amin'ny 2 Mpanjaka 9 i Elisa dia miantso ny zanaky ireo mpaminany – ary nahatonga azy handeha sy hanosotra an'i Jeho ho mpanjakan'i Israely.

Ny misitery dia Andriamanitra no nanome baiko an'i Elia, fa Elia, Elisa, ary mpino anankiray no nanantateraka izany.Kanefa Andriamanitra dia nanao izany tao amin'ny fanahin'i Elia.

Tsy misy hafa amin'izany ihany, ny Elia amin'izao fotoana izao dia nanambarana zavatra, kanefa toa tsy tanteraka ny fijerena an'izany, satria niàla teo amin'ny sehatra izy, fa ny Elia fanahy ao amin'ny mpino dia afaka haha-tanteraka sy hampiseho ny “Teninin'ny tompo”.

Misaotra ny Pasitora A. Ruegg, Tauranga, tamin'ny nanazàvany io ampahany io.


  Fahitana Fisarihana Fahatelo.

Fahitana Fisarihana Fahatelo.

51 Ankehitriny aza, mariho izao manaraka izao. Jereo ny zavatra hitranga. Jereo? Ary raha nanomboka tonga teo, dia lasa indray aho. Avy eo, raha tonga indray aho, dia nitsangana teo anilan'ny farihy tsara tarehy, toy ny farihy eto rehefa tsara iny andro, rehefa tena tsara sy maitso ny zava-maniry. Ary dia nisy mpanjono nanodidina ilay farihy, ary nanjono teo ireo, ary nahazo trondro kely. Ary nijery tao amin’ilay farihy dia nahatazana trondro manana lokon’ny avana (Truite arc-en-ciel), dia hoy aho: «Tena tsapako fa fahitana ity» fa tsy mety azoko ny dikan’ireo trondro ireo. Fa hoy kosa aho: «Afaka halaiko ireo, ary ninoako tao am-poko mihintsy izany, efa fantatrao.» Dia nalaiko ny tadim-pitana, fa tsy ilay tadim-pitana indray no voaraiko fa ny haran-jono; dia hoy ilay olona iray tao aorinako, «Aleo fa ampianariko manjono ianao, sy ny fomba hakanao an’ireo.»

52 Dia naka izy, Ary hoy izy: “afatory amin’ny lelam-pitana ny fisarihana (appat)” «dia napetako teo izany” dia hoy amin’izay izy, "Zao ary, atsipazo amin’izay, ( Eto ary dia henoy tsara.) any amin’ny lalindalina" Hoy izy hoe: "Rehefa manao izany ianao dia aleo hilentika ny lelam-pitana aloha," avy eo dia sariho moramora.”Izany aloha dia efa traikefanan’ny tena mpanjono. Teo aho dia … Hoy izy hoe: rehefa manao izany ianao dia ho tsapanao fa mihinana izy, fa aza miteny amin’olona izay ataonao ianao. Tazomy ho anao samy irery: Dia hoy ihany izy, Rehefa- - rehefa tsapanao fa manaikitra indray, dia hoy izy, sintony moramora - - mora dia mora, fa tsy mafy loatra. Dia hoy izy, “hisintona hampiala ireo trondro kely ireo io avy eo, ary rehefa miparitaka ireo, dia ho taitra ilay trondro be, ary ho azon’ireo izy.Dia hoy indray izy, “Toy izany ny fomba hisamboranao azy” Dia hoy izy, Rehefa manaikitra fanintelony izy ireo, apetaho ny lelam-pitana mba hanjonoanao. Hoy aho hoe, “Azoko amin’izay”, hoy izy, “Milamina fontsiny aloha” Aza mbola milaza amin’ny olona. Milamina aloha, “Dia hoy aho, “Eny ary.”

53 Ary tety an-tanako ny fisarihana, ary ireo mpanjono rehetra ireo dia lasa mpanompon’Andriamanitra, ary tamy izy rehetra tonga nanodidina ka samy nanao hoe: "Rahalahy Branham, fantatro fa afaka manjono trondro ianao." Adray, mazava ho azy, nahafaly ahy izany; dia hoy aho hoe; Ie, marina izany, mpanjono aho, afaka mahazo trondro aho. Ary hoy Izy ...Nilaza aho hoe: "Ankehitriny, izao ny fomba hanaovana izany. Dia hoy aho taminao hoe:" Atsipazonao any io, "ary dia lasa tany aho, tany any amin'ny rano lalina, dia hoy aho hoe," ankehitriny, ireo trondro kely ireo dia tsara, rahalahy ireo, fa tiantsika koa ny lehibe» "ary tamin’izay aho-Hoy aho," - Hitanao, rehefa milentika midina izy ... jereonao anie e, ireo; ao amin’izay toerana tokony ahitana azy; Izao, jereo, ireo izy - hitanao?, misy trondro kely ireo. "Hoy aho hoe: "Teo ary, rehefa nihenjana indray dia nosintoniko mafy tampoka.» Ary rehefa nataoko izany, dia voasariko ilay fisarihana hiala tao anaty rano. Rehefa nanao izany aho dia nahazo trondro, fa mbola napametra-panontaniana foana ny hoe, ahoana no fomba nahatonga ny fisarihana tao ambavany? Satria ny fijery azy dia toa tena miraikitra amin’ilay fisarihana mihintsy ny vavany, mitovy habe amin’ilay fisarihana mihintsy. Dia niheritreritra teo aho, “Oay, Andriamanitra o…”

54 Ary dia teo indrindra ary, ilay iray izay niresaka tao andamosiko, dia nihodina teo anoloako. Izy ilay Izy, ilay Anjelin’ny Tompo. Ny tanany dia nivalona (bras croisés). Nibanjina ahy Izy, ary nilaza, «Ie, marina izany hoy izy.» «Hitanao, izay ilay fisarihana voalohany, rehefa mametra-tanana amin’ny olona ianao, ary manambara amin’izy ireo ny aretiny. “Dia notohizany” Ny fisarihana faharoa dia rehefa fantatrao ny tsiambaratelon’ny fo, arak’izay efa nambarako anao. “Dia hoy ihany izy” Nezahinao nazavaina tamin’ny olona izany rehetra izany toy izay notazominao ho anao samirery. Kanefa rehefa nanao izany ianao, hoy izy, na ianao aza dia tsy nahalala n’inona n’inona tamin’izany, dia ahoana ny hanazavanao azy? Dia lasa nahatonga fitsanganana vondron’olona mpakatahaka ara-nofo ianao, hitanao ny nataonao?” Dia hoy aho, “Tompoko, mifona aho.” Dia hoy aho - “Oay, tena mifona aho. Tsy fantatro izay ho ataoko.”

55 Dia nosintoniko hoatran’izany ilay fintana, ary nezahiko ho mahitsy izany. Dia nijery ahy Izy, Hoy Izy, “Amin’izao, aza avela hiforiporitra ny fintanao amin’ity indray mitoraka ity.” Nieritreritra aho, “Mety avelany hanandrana indray aho.” Dia hoy aho, “tena hitandrina aho.” dia naoriko ny fintana dia niakatra tsara, ary rehefa niteny iny Izy, dia teo no nahatsapako fa toa niha-niakatra aho. Ary rehefa tafidina aho, dia tety ambany ary tafatsangana teo ambony tranolay lehibe;mbola tsy nahita tahaka izany aho. Ary hoatran’ny avy nampanao fanoloran-tena aho, teo ambany alitara; ary rehefa teo ambany teo aho, dia nijery, indreo olona anjatony maro mitsangana manodidina ny alitara mitomany satria nanaiky an’i Jesosy Tompo. Ary tena mitomany mafy ireo. Dia hoy aho, “O, mbola hihoatra lavitra noho izany izy ity.” tahak’izany.

56 Ary nisy lehilahy tena raitra iray (gentleman) nanantona ny lapihazo, dia niteny, “Rehefa maka aina kely Rahalahy Branham,” hoy izy, “dia antsoina isika ao ampilaharana mba hivavahana.” Dia hoy izy, “Izay manana ny karatra (prayer cards) manomboka amin’ny nomerao izao, dia mitsangana eto ankavanana?” Teo, dia tsikaritro ny filaharana amin’ny fitondrana am-bavaka, hoatran’ny mandeha manodidina ny tranolay, ary mivoaka any amin’ny arabe, tena filaharana fitondram-bavaka izany. Dia nitazana aho…ireo izay teo amin’ny ankaviako, ary teo amin’ny ankavanako raha nitsangana teo amin’ny lapihazo aho,dia tahaka izany. Dia nisy tapaka lamba matevina teo (canvas) nivelatra teo, ary tamin’izany - tao aorianan’io lamba matevina io dia nisy tranokely efa-joro izay tokony ho 4 metatra ny sakany ary 6 metatra ny lavany, tahakahak’izany. Teo dia nitsangana aho ka nijery izany.

57 Ary hitako izy ireo nitondra vehivavy teo ambony “brancard”, ary nisy vehivavy iray teo nanoratra ny anarany, sy ny zavatra - tamin’ny taratasy. Dia avy eo, nisy -olona iray tonga ary nihazona azy ary nanosika azy. Ary ny lehilahy iray dia tonga niaraka tamin’ny tehina. Hitako izy ireo manaraka mihazo io trano kely io, ary teo ivelany ilay vehivavy dia nivoaka nikiakiaka, nanosika ny kalesiny. Avy eo-nisy vehivavy iray tery amin’ny ilany, hoatran’ny mainty ny volony, dia hoy izy, “Fa misy inona?” Hoy izy, “Fa tena tsy fantatro.” “Tsy afaka lazaiko anao hoe inona no mitranga.” Hoy izy, “Voan’ny paralisisa aho nandritra ny roapolo taona, dia jereo. Hoatran’ny tsy mbola narary mihintsy ny fijeriko ny tenako.” Avy eo dia nivoaka koa ilay lehilahy, nitsambikina, niaraka tamin’ny tehiny teny an-tanany. Dia hitako izany.

58 Rehefa afaka izany… Dia ity misy zavatra iray. Araho akaiky. Misy fahasamihafana eo amin’ilay Anjelin’ny Tompo sy ilay Hazavana, satria naheno zavatra nihetsika aho, rehefa tonga eo amin’ny lapihazo izy io amin’ny alina, hoatran’ny manao hoe: “Io” (whew)- -(Rahalahy Branham dia nanao io feo io.), ary tahaka ny afo miodina mikapokapoka - - lel’afo. Ary niala tamiko io avy eo ka nandeha teo ambonin’ny olona nanatrika teo. Ary nadeha io ka nitsangana teo antampon’ilay trano kely, dia nijanona teo izy. Ary rehefa nanao izany io zavatra io, ilay Iray nitsangana teo anilako, tao aorinako, ilay feo iray ihany, feon’ilay Anjely no nilaza hoe, “Ao anatiny ao no hitsenako anao, io no fisarihana fahatelo, fa tsy hisy olona ahafantatra ny momba an’io.” “Dia hoy aho”, “Tsy azoko ny hoe ao anatiny ao, fa nahoana no ao?” Dia hoy izy, tsy fampisehoana ho an’ny olon-drehetra ity manaraka ity. “Dia hoy aho”, Tsy azoko ny andehanako hiditra ao amin’io efitrano io tahak’izany.” Dia hoy izy, “Tsy efa nosaratan’ny Tompontsika ve fa rehefa mivavaka ianao, aza manao tahaka ny mpihatsaravelatsihy, izay tian’izy ireo ny mba henoin’ny olona, fa midira ao amin’ny efitra mangina,ary mivavaha amin’ny Ray izay mahita amin’ny mangingina, ary Izy ilay mahita amin’ny mangingina no hamaly anao amin’ny miharihary? Tena ao anaty Soratra Masina izany; ary izany foana. “Dia hoy aho hoe”, aoka fa azoko, Dia nentiny teo amin’io toerana io aho, ary napetrany teo amin’io efitra io, izay misy ahy, dia nolazainy ahy izay mbola ho atao fanointelony.

Avy tany... 56-0408A What is a Vision.


  Hoy ny Soratra Masina...

Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.

Izy dia tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany.

Ny zavatra rehetra dia nohariana avy amin’ny alalany; ary raha tsy Izy dia tsy nisy zavatra vita izay natao.

Tao aminy ny fiainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona.

Jaona 1:1-4

Quote from  Teo Kalvary Tamin'io Andro Io.



Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.


Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.

Tsindrio ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


Ny Asan’Ilay Mpaminany.
(PDF's)

Toko 9 - Ilay Sintona
Fahatelo.
(PDF)

Teo aloha...

Avy eo...

Toko 15 - Fahitàna momba
ilay Tranolay.
(PDF)

William Branham Life
Story.
(PDF Anglisy)

A lafiny tendrombohitra, ary
nitsangana voaroy amin'ny
oram-panala amin'ny Shina.

Stature of a Perfect Man

(PDF Anglisy)

Ny 3 anatin'izao fanjakam
ny lehilahy.

Ny Habe fito.

Toko 14 - Harambaton'i
Sabino.
(PDF)