Angano momba ny Dinôzôro.

<< mialoha

manaraka >>

  Andian-dahatsoratra Andriamanitra sy ny Siansa.

Momban’ny Dinôzôro.


David Shearer.

Voalohany indrindra, ny Dinôzôro dia tena nisy. Fa ny angano momba ny Dinôzôro, dia hoe maty izy ireo tamin’ny 65 tapitrisa taona lasa.

Izany no heverina, fa nitranga tamin'ny meteorita iray namely ny Tany. Ny vovoka niakatra teo amin’ny habakabaka, nanakona ny masoandro, ka nahatonga ny fiovaovàna lehibe tamin’ny toetr’andro. Ny vanim-potoanan’ny Vongan-dranomandry no nahalany tamingana ny dinôzôro.

Dinôzôro ao amin'ny Baiboly.

Ny teny hoe "Dinôzôro", dia teny maoderina ary tsy hita ao amin'ny Baiboly. Ny Baiboly nampiasa ilay teny hoe "Dragona" ho an'ny karazana zavaboary tahak’izany (reptile:mandady).

Ny olona sy ny Dinôzôro dia naira-niaina.

Ao amin'ny bokin'i Joba, dia misy ny famaritana biby iray, izay hany azo lazaina ho toy ny dinôzôro. Midika izany fa ny olona sy ny dinôzôro dia naira-niaina. "... Izay nataoko niaraka taminao ..." [Jereo ny soratra etsy ambany.]


Rock art.

Misy sary hoso-doko koa ny vatolampy amin'ny toerana samihafa eto an-Tany. Any Amerika atsimo andrefana, dia misy vato misy sary hoso-doko eo amin'ny rindrina anaty lava-bato. Maro amin'ireo sary hoso-doko ireo no dinôzôro. (Tsy zavaboary angano izy ireo – ny sary hafa rehetra dia biby nisy tamin’ny andron’ny mpahay sary. Nahoana no tsy tahak’izany ko izy ireo?)

Dinôzôro DNA.

Vao tsy ela, dia nahitàna sela rà tanaty taolana dinôzôro. Raha toa izy ireo ka 65 tapitrisa taona, io karazana sela io dia heverina fa efa simba tanteraka. Ny fanambaràna natao hoe: "Hianao hieritreritra fa izy ireo dia anarivorivony taona, mba hahitana izany."

Angamba izy ireo VAO anarivorivony taona monja.

Ahoana ny nahafatesan’ny Dinôzôro?

Ny fikarohana vaovao dia mamaritra fa maro ny dinôzôro no nampiseho fihetsika ara-batana teo ampialàny aina, (raha rakotry ny antsanga). Izany dia milaza fa ny nahatonga ny fahafatesany, dia fahasemporana.(asphyxie): “tsy fisian’ny oksijena intsony”.

Ny tondra-drano no namono ny Dinôzôro.

Misy zava-nitranga iray ao amin'ny Baiboly, izay mety ho nahatonga ny fahafatesan’ny Dinôzôro toy izany - ny Safo-dranon’i Noa. Tahaka ny famonoana ny dinôzôro, ity trangan-javatra ity dia namorona ny fitantarana ny fôsily. (An-tapitrisany ny zavatra maty, voafandrika amin'ny hatsangan’ny vatolampy, manerana ny Tany.)

Zavaboary maoderina hita miaraka amin'ny Dinôzôro.


  Fôsily Velona. Tuatara,(NZ)

Zavaboary maoderina sy zavamaniry no hita tamin'ny vatolampy, miaraka amin'ny dinôzôro. Ireo dia indraindray dia antsoina hoe "Fôsily Velona". Misy milaza fa ny sasany amin'ireo tsy niova tanatin’ny 200 tapitrisa taona. (Io no antsoina hoe "Stasis")

Faritra tao amin'ny Vatolampy.


Ny lalan'ny Olombelona
sy ny Dinôzôro.
Sary:  www.bible.ca

Misy toerana ao amin'ny Reniranon'i Paluxy ao Glen Rose, Texas, izay misy dian-tongotra Dinôzôro maro amin’ny vatolampy.

Ankoatra ireo, (ary indraindray ao anatin'ireny dian-tongotra ireny - ao anatin'ilay 'faritra' ihany) dia misy diantogotr'olombelona.

Ny dian'ny Dinôzôro dia tsy nalefaka nandritra ny 65 tapitrisa taona, niandry ny an’ny olombelona hanampiana azy, talohan’ny nahamaina sy nahamafy ny vatolampy.

Ny lalan-tany ao anaty fotaka dia tsy maharitra. Mba ho voatahiry dia tsy maintsy hamafisina haingana izy ireo, ao anatin'ny andro vitsivitsy. Fantatsika fa ny sosona manaraka dia napetraka haingana dia haingana, tahaka ny tsy nisy fihotsahana tamin’ny lalana. (Tondra-drano nitranga.)

Vorona ve ny Dinôzôro?

Misy milaza fa nivoatra ho vorona ny dinôzôro. Izany dia milaza fa ny kirany dia nivoatra ho volom-borona. Izany dia tsy azo hinoana, ary koa, ny kirany dia samy hafa lavitra amin'ny volom-borona. Ny kirany dia niforona avy amin’ny "paosin’ny hoditra" ary ny volom-borona kosa dia novokarina avy amin'ny foto-bolo (follicle) toy ny volo eo amin'ny biby mampinono.

Ny vorona dia mafàna rà, ary manana taovam-pisefoana tena hafa, raha oharina amin'ny biby an-tanety. (Anisan'izany ny Dinôzôro.)

Nahitàna vorona tao amin'ny sosona vatolampy nisy ny Dinôzôro, izay manaporofo fa manodidina ny fotoana nisian’ny Dinôzôra ny vorona.


Hoy ny Soratra Masina...


Joba 40:15-22

He! jereo ange ny behemota, izay nataoko tahaka ny nanaovako anao ihany: Mihinana ahitra tahaka ny omby izy. Indro, eo amin'ny valahany ny heriny, ary eo amin'ny ozatra amin'ny kibony ny tanjany. Henjaniny ny rambony ho tahaka ny hazo sedera; Mifaniditriditra ny ozatra amin'ny feny. Ny taolany dia tahaka ny fantsom-barahina, eny, tahaka ny anja-by ny taolany. Voalohany amin'ny asan*'Andriamanitra izy; Ny Mpanao azy no nanome sabatra azy. Mamoaka hanina ho azy ny tendrombohitra, izay ilalaovan'ny bibi-dia rehetra; Eo ambanin'ny hazo lota no andriany, any am-pierena anaty zozoro sy fotaka. Manalokaloka azy ny hazo lota; Ary ny hazomalahelo eny amoron'ny ony no manodidina azy.


Tsindrio ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


Acts of the Prophet

(PDFs)

Toko 9
- Ilay Sintona Fahatelo.

(PDF)

Teo aloha...

Avy eo...

William Branham Life
Story.
(PDF Anglisy)

Pearry Green personal
testimony.
(PDF Anglisy)

Ny fitaka lehibe
indrindra momban'ny
tantaran'ny
planetantsika dia ny
"Teorian'i Darwin
momba ny Fiovàna"



Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.


Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.