Kôsmôlojia 1.

<< mialoha

manaraka >>

  Andian-dahatsoratra Andriamanitra sy ny Siansa.

Momba ny Tany Ampiasaina.


Richard Oliver.

"Hitantsika fa isika dia miaina amin'ny planetan'ny kintana tsotra iray ao amin'ny galaksia (vondron-kitana),very miafina tsara ao amin'ny fitoerana maizimaizina iray, ao amin'ny tontolo izay misy galaksia maro kokoa noho ny olona."
Carl Sagan, mpahay Siansa, Kôsmôlojista sy agnostika (tsy mino ny fisian'Andriamanitra).

Ary izany no fomba fijerin'ny maro. Isika dia planeta tsotra ihany, iray amin'ireo galaksia an'arivony tapitrisa sy ny an'arivony tapitrisa. Na dia izany aza, araka ny fahazavan-tsaina siantifika izay mivoatra dia hitantsika fa izany finoana izany dia tsy marina.

Fa aoka isika hametraka mazava momba ny zavatra vitsivitsy. Izao rehetra izao dia mitovy. Izay miasa ao amin'ny Fiasan'ny Masoandro dia miasa ho an'ny tontolo rehetra. Amin'ny teny hafa dia ny lalàna fototry ny siansa dia miasa na aiza na aiza. Hery misintona, ny hery nokleary mahery na malefaka, ny vokatry ny herin'aratra, ny hafainganam-pandehan'ny hazavàna miampy vondrona lalàna fototra hafa miasa eny rehetra eny, ary tahaka izany ihany koa ny ataony amintsika.

Ny vokatr'izany dia hoe, ireo fomba manome aina ety an-Tany no fepetra takiana amin'ny fiainana na aiza na aiza. Ohatra, afaka milaza soa aman-tsara isika fa ny planeta manana fiainana ao aminy dia tsy maintsy manana Masoandro tahaka antsika.


Faritra misy Masoandro
azo Honenana.

Ny masoandrontsika dia ao amin'ny filaharana G2,kintana botry kely. Misy goavana manga, mena ary fotsy sy karazan-kintana hafa, saingy ny G2 ihany no mamokatra ny hazavàna maitso mavo izay ilaina ho an'ny photosyntheses (fanovàna ny hazavàna ho hery simika). Ary raha tsy misy zava-maniry, ny photosynthesis tsy misy aina. Noho izany dia ny kintana G2 ihany izay manana planeta no afaka manohana aina. Ary 10% n' ny kintana ihany no G2, fantatsika fa ny 90% ny kintana tsy afaka ny hanana planeta misy fiainana ao aminy.

Fa ny fiainana mila zavatra bebe kokoa. Ny rano dia ilaina ho an'ny fiainana. Ary eto no olana. Ny entona tsy tsara na ny vongan-drano, na ny ranomandry. Ny rano dia tsy maintsy ho tsiranoka. Raha nanakaiky kokoa ny masoandro ny tany, ny rano rehetra dia lasa etona. Tsy misy fiainana. Raha izao tontolo misy antsika izao dia lavidavitra kokoa miala amin'ny masoandro, ny rano rehetra dia mandry. Tsy misy fiainana indray. Ny elanelantsika avy amin'ny masoandro dia zava-dehibe. Ny tany dia ao amin'ny "Faritra Goldilocks" (azo honenana), tsy mafana loatra, tsy mangatsiaka loatra, fa manana rano.

Efa manana zavatra manan-danja roa isika ho an'ny tany tahaka ny planeta. Vitsy ny planeta hafa manana izany. Fa mbola misy ankoatr'izany! Ny toerana misy antsika ao amin'ny Galaksia Milky Way dia ohatra iray hafa amin'ny faritra Goldilocks. Raha teo akaiky kokoa ny afovoan'ny Galaksia isika dia ny gazy maivana toy ny oksizena ao amin'ny rivo-piainana dia niala tamintsika. Raha lavidavitra indray isika dia tsy hisy ireo raha mavesatra ilaina amin'ny fiainana. Satria ny planeta ivelantsika dia vita amin'ny gazy, ary misy poizina amin'izany, ireo tany miala lavitra ny foiben'ny kintana noho ny antsika dia mety manana kely na tsy misy vongan'endrika. Isika dia mipetraka "marina tsara" eo amin'ny galaksia mba hanantona eo ny rivo-piainana ary manana ny raha ilaina mavesatra mba hahatonga ny vatantsika ary ahafahana miaina.


    Faritra azo honenana Galaktika.

Ny Fiasan'ny Masoandro dia misy ivelan'ny fihodikodinana foiben'ny galaksia misy antsika. Isika dia lavitry ny hazavàna mahery vaika sy taratra mahafaty izay ao amin'ny foiben'ny galaksia, eny, ary eo amin'ny faritry ny galaksia. Raha teo isika, dia tsy nahazo alina maizina na oviana na oviana, na isika nahamay tamin'ireo karazan-kintana akaiky antsika. Ny fiainana dia tsy hisy.

Fa misy zavatra hafahafa momba ny toerana misy antsika. Isika dia mitoetra tsara mba hanana alina maizina, mba ahita ny antsika sy ireo galaksia hafa. Izany dia ny fianarana ny kintana sy ny galaksia, izay namela antsika hahatakatra bebe kokoa momba izao rehetra izao. Nahoana ary no ilay planeta izany hany fantatra miaraka amin'ny mpanara-maso eo amboniny no mipetraka tsara mba ho dinihina? Nahoana ny planetantsika izay manan-danja no mipetraka iainan'ny olombelona ahafahany mahita, sy miasa ny zava-miafina eo amin'izao rehetra izao? Izany dia toy ny hoe ny planetantsika sy ny toerana misy azy dia voaoman'ny olona manan-tsaina iray.

Manahoana ianao Andriamanitra!


   Kôsmôlôjia maoderina.

Tontolo inona no misy anao?


David Shearer.

Ireo mpahay Siansa ankehitriny dia milaza amintsika fa misy karazana tontolo samihafa, (antsoin'izy ireo hoe “Multiuniverse”) (Tontolo maro), ary isika dia mipetraka amin'ny iray, izay azo iainana tsara.

Ireo tontolo hafa anefa dia tsy hita sady tsy azo hadihadiana.

Ho ahy izany dia mila finoana goavana mba HINOANA, fa tsy misy porofon'izany zavatra izany.

Tsy maintsy hametraka fanontaniana ianao:
“Nahoana izy ireo no manolotra izany hevitra tsy ara-tsiansa izany?"

Ny antony nanolorana ireo teoria ireo, dia ny porofo fa ny lalàna mifehy an'izao rehetra misy antsika izao dia mazàva tsara, ka na dia fiovàna kely 1% aza amin'ny lalàna sasany, dia ampy mba hahatonga ny fiainana mba tsy hisy. Mba hahatonga ny tontolo misy antsika tsy miavaka, fa vokatry ny kisendrasendra, dia tsy maintsy ho anisan'ireo tontolo maro isika, (raha tsy izany isika dia tsy maintsy hanome lanja ny Mpamorona), ary eo indrindra isika izao izay manana ireo toetra ireo.

Fotoana izao hanomezana lanja ilay “Mpamorona avy any Ambony”.

Tsindrio ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Toko 9
Ilay Sintona Fahatelo.

Teo aloha...

Avy eo...

William Branham Life
Story.
(PDF Anglisy)

Pearry Green personal
testimony.
(PDF Anglisy)

  Hoy ny Soratra Masina...

Ny lanitra mitory ny voninahitr'Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan'ny tànany.

Ny andro samy miteny amin'ny andro mandimby azy, ary ny alina samy manolo-pahalalana amin'ny alina mandimby azy.

Tsy misy teny na fiteny izay tsy andrenesana ny feony.

Salamo 19:1-3



Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.


Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.