Ny Fotopampianaran’ny Nikolaita.


  Boky misy Fanambaràna mifanesy.

Ny Fotopampianaran’ny Nikolaita.


William Branham.

Vakio ny tantara feno ao amin'ny...
Ny Taom-Piangonana Pergamosy.

Apokalypsy 2:15,
"Ary toy izany koa, misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran'ny Nikolaita tahaka ny an'ireny, izay zavatra samy halako avokoa."

Ho tsaroanareo fa nentiko nivoaka tao amin’ny Taom-piangonana Efesosy ny teny hoe Nikolaita, izay avy amin'ny teny Grika anakiroa: Nikao izay midika hoe handresy, sy Lao midika hoe mpivavaka tsotra. Nikolaita dia midika hoe, "mba handresy ny lahika". Ary nahoana ary izany no zavatra mahatsiravina toy izany? Zava-mahatahotra, satria Andriamanitra tsy nametraka ny fiangonana eo am-pelatanan'ny mpitarika iray voafidy izay mihetsika amin'ny saina ara-politika. Izy dia nametraka ny fiangonana amin'ny fikarakarana voatendrin'Andriamanitra, feno ny Fanahy, olona velon’ny Teny, izay nitarika ny olona tamin'ny alalan'ny famahanana azy ireo ny Teny. Tsy nanasaraka ny olona ho kilasy Izy mba hahatonga ny vahoaka ho tarihin'ny fisoronana masina. Marina fa ny fitarihana dia tsy maintsy ho masina, saingy tsy maintsy ho toy izany koa ny fiangonana rehetra. Ankoatra izany, tsy misy toerana ao amin'ny Teny izay ny mpisorona na mpanompo na toy izany no manelanelana eo amin'Andriamanitra sy ny olona, na misy toerana izay hisarahan’izy ireo amin'ny fanompoan’izy ireo ny Tompo. Tian'Andriamanitra ho tia sy hanompo Azy miaraka ny rehetra. Ny Nikolaitanisma dia manimba ireo fitsipika ireo, sy mampisaraka ny mpanompon’Andriamanitra amin'ny olona, ary mahatonga ny mpitarika ho tompoina fa tsy mpanompo. Ary raha ny marina izany foto-pampianarana izany dia nanomboka toy ny asa tamin'ny voalohany. Hita fa ilay olana dia mipetraka amin'ny teny roa: `anti-panahy' (Pretra) sy `mpiandraikitra' (Eveka). Na ny Soratra Masina aza dia mampiseho fa misy maro ny zokiolona isaky ny fiangonana, dia nanomboka ny sasany (Ignace tao anatiny) mba hampianatra fa ny hevitra ny eveka dia iray amin'ireo ambony na fahefana manara-maso ny zokiolona. Ary ny fahamarinan'ny raharaha dia ny teny hoe`zokiolona' dia midika ho ilay olona, raha ny teny hoe: eveka 'dia midika ny asan’ izany lehilahy izany. Ny zokiolona dia ilay lehilahy. Ny eveka dia ny anjara fanompoany. `Zokiolona' mandrakariva dia ilazàna ny taonan’ny olona iray ao amin'ny Tompo. Izy no anti-panahy, tsy noho ny maha-voafidy na voatendry azy, sns, fa noho izy ANTI-PANAHY. Izy no za-draharaha kokoa, voaofana, tsy zazavao, azo antoka noho ny traikefa sy porofo nijoroany ela amin’ny maha-kristianina azy. Kanefa ny eveka dia tsy nifikitra tamin'ny epistilin’i Paoly, fa izy ireo nankao amin'izay nolazain’i Paoly tamin’ny fotoana niantsoany ny anti-panahy tany Efesosy ho any Mileto ao amin'ny Asan'ny Apostoly 20. Ao amin'ny andininy faha-17 Hoy ny Baiboly, "anti-panahy" no niantsoana azy ireo ary avy eo ao amin'ny andininy faha-28 izy ireo no antsoina hoe mpiandraikitra (eveka). Ary ireo eveka ireo, (Azo antoka fa nanana toe-tsaina ara-politika sy ny fahefana) nanizingizina fa i Paoly efa nanome ny heviny hoe: ny “mpiandraikitra” dia ambony kokoa noho ny anti-panahy eo an-toerana izay manana traikefa ofisialy ihany fa ho an’ny fiangonany. Ho azy ireo ny eveka ankehitriny dia olona iray manana fahefana maro eo amin’ireo mpitarika ao an-toerana. Izany foto-kevitra izany dia tsy araka ny Soratra Masina na tantara, nefa na dia ny olona lehibe tahaka an’i Polycarpe aza dia niankina tamin'ny fikambanana toy izany. Noho izany, ilay nanomboka toy ny asa tao amin'ny taona voalohany dia natao foto-pampianarana ara-bakiteny, ary tahaka izany amin'izao andro izao. Ny eveka mbola milaza fa manana fahefana hifehy olona sy hanao azy ireo araka ny faniriany, mametraka azy ireo amin’izay toerana tiany eo amin'ny asa fanompoana. Izany dia mandà ny fitarihan’ny Fanahy Masina izay milaza hoe: "Atokàny ho Ahy i Paoly sy Barnabasy hanao ny asa izay efa niantsoako azy." Manohitra ny Teny izany ary anti-Kristy. Matio 20: 25-28, "Fa Jesosy niantso ireo hankeo Aminy ka nanao hoe: Fantatrareo fa ny andrianan'ny Jentilisa mampanompo hanapaka azy ireo, ary ny lehibeny dia mifehy azy. Fa tsy mba ho toy izany aminareo; fa izay te-ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo; Ary izay te-ho ambony indrindra aminareo dia ho mpanomponareo; Fa tahaka izany, ny Zanak'olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny Ainy ho fanavotàna hisolo ny maro." Matio 23:8-9, "fa aza mety antsoina hoe Raby ianareo; fa Iray ihany no Mpitarika anareo, dia Kristy; ary ianareo rehetra dia mpirahalahy. Ary aza milaza olona ho rainareo eto an-tany; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra."

Mba hanazavana izany bebe kokoa, dia aoka aho hanazava ny Nikolaitanisma toy izao manaraka izao. Tadidinao fa ao amin'ny Apokalypsy 13:3 dia milaza hoe: "Ary hitako ny lohany anankiray, izay toa voa ka efa ho faty; ary ny fery saika nahafaty azy sitrana; ary gaga ny tany rehetra nanaraka ilay bibi-dia." Ary fantatsika fa ilay loha naratra dia ny Fanjakana Romana mpanompo sampy, dia ny hery lehibe ara-politika. Nitsangana indray izany loha izany toy ny "Fanjakana ara-panahy Katolika". Ary araho tsara izany ankehitriny. Inona no nataon’ny mpanompo sampy ara-politika ary fototry ny fahombiazany? Hoy izy, "Zarazarao hanjakàna" Izany no taranak 'i Roma - fizarana mba hanjakàna. Ny nifiny vy nandrovitra ka nandrapaka. Izay notriariny sy narapany dia tsy afaka niarina tahaka ny nandringanany an’i Carthage ary nopotehiny tahaka ny sira. Izany voa vy izany dia mijanona ao aminy rehefa mitsangana ho toy ny fiangonana sandoka izy, ary ny politikany mbola ho toy izany koa -- zararao hanjakana. Izany no Nikolaita ary Andriamanitra mankahala izany.

Ankehitriny dia tsara fantatra ara-tantara ity fahadisoana ity rehefa nisoko niditra ny fiangonana, ny olona nanomboka nifaninana ny ahazo anjara fanompoan'ny eveka, ary ny vokany, io toerana io dia natao ho ny nahita fianarana kokoa sy ny manan-katao ary lehilahy mahay politika. Ny fahalalan’ny olombelona sy ny fandaharana dia nanomboka nisolo ny toeran’ny fahendrena avy amin'Andriamanitra ary ny Fanahy Masina dia tsy nihefy intsony. Izany dia tena loza tokoa, satria ny eveka dia nihazona fa tsy takiana ny toetra amam-panahy Kristianina mangarahara raha hanao fanompoam-pivavahana, na amin’ ny Teny na fombampivavahana ao amin'ny fiangonana satria ny lanonana sy izay ilaina no mikaonty. Izany dia namela ny olon-dratsy (ny mpamitaka) hampisaraka ny ondry.

Tao amin’ny fotom-papianarana (doctrine) moba ny fanandratana eveka amin'ny toerana tsy nomena azy ireo ao amin'ny Soratra Masina, ny dingana manaraka dia ny fanomezana ny gradin’ny anaram-boninahitra izay mitondra mankany amin’ny anatanan-tohatra arapivavahana; fa tsy ela dia nisy arseveka ambonin’ny eveka sy ny kardinaly ambonin’ny arseveka, ary tamin’ny andron’i Boniface III dia nisy papa ambonin’ny rehetra, ny eveka ambony indrindra (Pontiff).

Ahoana ny momban’ny foto-pampianarana Nikolaita sy ny firaisan’ny Kristianisma amin'ny Babylonianisma, ny valiny mazava dia izay hita ao amin’ny Ezekiela tao amin'ny Toko faha 8:10, "Dia niditra aho ka nahita, ary indreo rehetra endriky ny biby mandady sy mikisaka, ary ny biby izay fahavetavetana, sy ny sampin'ny taranak'Isiraely, voasoratra teo amin'ny rindrina manodidina." Apokalypsy 18:2, "Dia niantso mafy izy, tamin'ny feo mahery ka nanao hoe: Babylona lehibe dia lavo,nianjera, ka tonga fonenan'ny devoly, sy famaharan’ny fanahy maloto rehetra, ary tranon’ny vorona maloto rehetra sy vorona feno fankahalana, fa ny firenena rehetra dia nigoka ny divain'ny fahatezerana noho ny fijangajangany."

Ary noho izany io fampianarana Nikolaita io, ity fitsipika izay naorina teo amin'ny fiangonana ity dia tsy tena nahavoa azy hiala tanteraka satria be dia be ny olona no afaka namaky ilay epistily hafahafa na lahatsoratra momba ny Teny nosoratan’ny olona sasany matahotra an'Andriamanitra. Dia inona ary no nataon’ ny fiangonana? Noroahiny ny mpampianatra marina ary nodorany koa ny horonam-boky. Ary hoy izy ireo: "Mila fanabeazana manokana raha hamaky sy hahatakatra ny Teny. Nahoana i Petera no nilaza fa zavatra maro amin’ny nosoratan’i Paoly no sarotra takarina." Rehefa nesorina tamin’ny olona ny Teny, dia tsy ela dia lasa mihaino fontsiny ny olona, dia izay lazain’ny mpisorona, ary manao izay lazainy. Izany hoe Andriamanitra sy ny Teniny masina no hiantsoany azy. Nalainy ny saina sy ny fiainan'ny olona ka nanao azy ireo ho andevon’ny fisoronana jadona.

Ary raha tianao ho porofoina fa ny Fiangonana Katolika dia mitaky ny fiainan'ny olona sy ny sainy, dia henoy fontsiny ity didin’i Théodosiosy X ity. Didy Voalohany an’i Théodosiosy’. Io didy io dia navoaka avy hatrany rehefa avy natao batisa tao amin’ny Fiangonana Voalohany tao Roma izy. "Izahay amperora telo dia manaiky fa ny foto-kevitray dia mifikitra tanteraka amin’ny fivavahana nampianarin'i Masindahy Piera ho an'ny Romana, izay efa narovana tamim-pahatokiana tamin’ny alalan’ny fomban-drazana ary amin'izao fotoana izao dia ambaran’ny eveka ambony indrindra, Damasosy n'i Roma, Petera, evekan'i Aleksandria, lehilahy manana ny fahamasinan’ny Apostoly araka ny fanorenan’ny Apostoly, sy ny fampianarana ny Filazantsara, aoka isika hino Andriamanitra iray, dia ny Ray, ny Zanaka, ary ny Fanahy Masina, izay mitovy voninahitra ao amin'ny Trinite Masina. Mametraka isika fa ny mpikambana ao amin’izany finoana izany no hatao hoe Kristiana Katolika; ary ireo mpanaraka fivavahana hafa tsy manan-tsafidy dia hataontsika amin’ilay anarana ratsy hoe mpivadi-pinoana, ary mandràra ny fivorian’izy ireo izay hitondran’ny anaran'ny fiangonana. Ankoatran’ny fanamelohana avy any ambony, dia tsy maintsy manantena ny famaizana mavesatra amin’ny fahefantsika izay tarihin'ny saina avy any an-danitra hampiarina amin’izy ireo..."

Ny famaizan-dalana dimy ambinifolo navoakan’io mpanjaka io dia tanatin’ny taona maro no nanala ny zon’ny evanjelisitra rehetra hampiasainy amin’ny fivavahany, nanavaka azy ireo tamin'ny raharaha sivily rehetra, ka nandrahona azy ireo tamin'ny lamandy, fanagiazana, fandroahana ary amin'ny toe-javatra sasany aza dia ny fahafatesana. Fantatrao ve hoe inona? Mitodi-doha amin’izany lalana izany isika ankehitriny.

Ny Eglizy Katolika Romana dia milaza ny tenany ho Fiangonana Reny. Miantso ny tenany ho ilay fiangonana voalohany izy. Tena marina tokoa izany. Izy no Fiangonana Voalohany tany Roma izay niverin-dalana ka niditra tao amin’ny fahotàna. Izy no voalohany izay nandamina. Tao aminy no nahitàna ny asa sy foto-pampianarana Nikolaita. Tsy misy olona afaka handà fa izy no reny. Izy no reny ary niteraka zazavavy izy. Ary ankehitriny dia misy zanaka vavy avoakan’ilay vehivavy. Vehivavy iray mirakotra mena nipetraka teo amin'ny havoana fito any Roma. Izy ilay mpivaro-tena niteraka zazavavy. Ireo zazavavy ireo dia ny fiangonana Protestanta izay nivoaka avy tao aminy ary avy hatrany dia miverina any amin’ny fandaminana (organisation) sy ny Nikolaitanisma. Io Renin’ny zanakavavy-fiangonana io no antsoina hoe vehivavy janga. Izy ilay vehivavy tsy nihazona ny voady mariaziny. Nanambady an'Andriamanitra izy kanefa avy eo dia lasa nijangajanga tamin'ny devoly, ary tamin’ny nijangajangany dia namoaka zanakavavy tahaka azy izy. Ny fikambanan’io reny sy zanany vavy io dia fanoherana ny Teny, manohitra ny Fanahy, ary noho izany anti-Kristy. Eny, ANTIKRISTY.

Ary alohan'ny handehanako lavitra loatra dia tiako ny milaza fa ireo eveka tany am-boalohany ireo nihevitra fa izy ireo dia mihoatra noho ny Teny. Nilaza tamin'ny olona izy ireo fa afaka mamela ny fahotany amin 'ny fibabohana ny fahotana.Tsy marina velively izany. Nanomboka nanao batisa zaza izy ireo tamin'ny taonjato faharoa. Raha ny marina dia batisan’ny fiterahana indray no nataon’izy ireo. Tsy mahagaga raha afangaron’ny olona izany amin'izao fotoana izao. Raha nafangaron’izy ireo izany izay tena tao akaikin’ny Pantekosta, ankehitriny dia lasa ao anatin'ny toe-javatra mampamoy fo indrindra, 2000 taona miala amin’ny fahamarinana voalohany.

Oh, ry fiangonan'Andriamanitra, iray ihany ny fanantenana. Miverena amin'ny Teny, ary mitoera miaraka Aminy.

Vakio ny tantara feno ao amin'ny...
Ny Taom-Piangonana Pergamosy.


Bokin'ny Apokalypsy.
Mitohy tamin'ny pejy manaraka.
(Fampianaran'i Balama.)



Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.


Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.

Tsindrio ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


Ny Asan’Ilay Mpaminany.
(PDF's)

The Two Babylons

by Rev Alexander Hislop.
(PDF Anglisy)

A lafiny
tendrombohitra, ary
nitsangana voaroy
amin'ny oram-panala
amin'ny Shina.

Lisy ny afo.

Ny Andry Afo - Houston 1950.

Mazava tamin'ny vatolampy pyramida.

  Hoy ny Soratra Masina...

Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko;

Hebreo 8:10

Andriamanitra dia manana
anaram-boninahitra maro
kanefa Izy manana
anarana olombelona
iray ihany.
Ary izany anarana
izany dia i Jesosy.