Tonga ny fampakarana.


  Reniranon'i Ohio, 1933.

Reniranon'i Ohio, 1933.


Reniranon'i Ohio, 1933.

Tamin’ny 11 Jona 1933, rehefa nanao Batisa teo amin’ny renirano Ohio i Rahalahy Branham, tery amin’ny vodilàlana eo Spring Street tao Jeffersonville, dia nisy Hazàvana tsy fahita isan’andro, tahaka ny kintana, tonga tampoka nihodikodina nidina ary nihantona teo ambony lohany. Teo amin’ny 4000 teo ho eo ny olona nipetraka teo amoron’ny renirano nanatrika, maro tamin’izy ireo no vavolombelona nahita an’io tranga-javatra tsy azo hazavaina io. Ny sasany nitsoaka nohon’ny tahotra; ny sasany nandohalika nivavaka. Maro no nametra-panontaniana tao ampony ny dikan’io trangan-javatra tsy manampaharoa io. Tahaka an’i Saoly, nisy Feo niresaka avy amin’ny Hazàvana. Izao no teny voalaza, “Tahaka ny nanirahana an’i Jaona Mpanao Batisa hialoha làlana ny fiavian’ny Tompo voalohany, ny hafatrao dia hialoha làlana ny Fiaviany Fanindroany...”

Bebe kokoa...


  Ny Hafatra avy amin’ny Anjely.

Ny Hafatra avy amin’ny Anjely.

Indray alina ny taona 1946 dia nifanena tamin’ny mivantana (face à face) ny anjelin’ny Tompo ary nilaza taminy fa voalahatra handray ny fanomezam-pahasoavana amin’ny fanasitranana izy ho an’izao tontolo izao. Nilaza taminy io Anjely io fa homena famantarana roa izy mba hanamarinana fa Andriamanitra no naniraka azy. Hitany taoriana kely fa ny famantarana voalohany, amin’ny fahitana azy, mandrera-batana,mihazona tanan’olona marary, mahatsapa ny feon’ny (vibration) aretina mahafaty azy ireo izay mandalo amin’ny tanany mankao amin’ny fony. Tany ampiandohan’ny asany dia nivavaka ho an’ny olona amanjatony izy isan-kalina ka fanina izy ary torana mihitsy rehefa vita izany. Ny famantarana faharoa dia tonga ary mbola mandreraka ara-batana noho ilay voalohany. Rehefa tonga ny hosotry ny Fanahy Masina hamantatra ny olana teo amin’ny olona, dia nitsiaka ny fahitana teo amin’ny heriny (energie), ka olona 15-20 teo ihany no nivavahany isan-kalina. Nolazain’ilay Anjely ary fa vitany mino azy ny olona, dia tsy misy aretina hanohitra ny vavaka ataony. Rehefa nambarany fa tsy hino azy ny olona satria mahantra izy, dia nampian’Andriamanitra famantarana roa hafa ny asany.

Ampidiro:

55-0117  How the Angel came to me. (PDF Anglisy)
Asan’Ilay Mpaminany - Nipoitra ilay Anjely.

  Milaza ny Soratra Masina...

Indro, Izaho haniraka an'i Elia mpaminany ho aminareo, dieny tsy mbola tonga ny andron'i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra;

ary izay hampody ny fon'ny ray ho amin'ny zanaka, ary ny fon'ny zanaka ho amin'ny rainy, fandrao ho avy Aho hamely ny tany amin'ny fandringanana.

Malakia 4:5,6 - KJV


  Ny Andry Afo - Houston 1950.

Ny Andry Afo - Houston 1950.


William Branham.

Tao Houston, Texas Janoary 1950, nisy sary nahagaga nalain’ny Douglas Studios. Tamin’io sary io dia nisy hazavana nipoitra teo ambonin’ny lohan’i Rahalahy William Branham tahaka ny aloalo. Io dia nohadiadianan’i George J.Lacy izay mpamakafaka ny toe-javatra tahaka izany, mba hanamarinana raha ilay hazavana dia mety ho vokatry ny fametrahana diso, famelarana (developper), na nokasihina. Ny fanadihadiana dia tena nanampy nanamarinana io trangan-javatra io fa tena nivoaka tamin’ny sary nalaina io. Io sary io dia mihantona ao amin’ny "Hall of Religious Art" ao Washington DC, milaza fa io ihany no zavatra tsy azo hazavaina nalaina sary. (Etre Supernaturel)

Ampidiro (Anglisy).   53-0509  Pillar of Fire.

Jereo...   Ny Asa nataon'ny mpaminany.
Toko 13 - Adriamanitra Dia Mazava.
(PDF)

  Ny Mpaminany Elia.

Ny Mpaminany Elia.

Namakivaky ireo taonan’ny Fiangonana isika, nefa nampanantenaina ho antsika amin’izao andro farany izao, mifanaraka amin’ny Malakia toko faha-4 [Malakia 3:23-24 amin’ny Baiboly Malagasy- Mpandika.], fa hisy ny fiverenan’ny mpaminany iray ao amin’ny firenena. Ankehitriny, tadidionareo fa ny Tenin’ny Tompo dia tonga amin’ny mpaminany, tsy amin’ny teolojiana, fa amin’ny mpaminany. Izy no mandefa ny tara-pahazavan’ny Tenin’Andriamanitra. Tsy afaka hilaza na inona na inona izy... Tsy afaka hilaza ny fisainany manokana izy; ny zavatra ambaran’Andriamanitra ihany no afaka lazainy.

Ao amin’ny Malakia 4:5-6 [Malakia 3:23-24 amin’ny Baiboly Malagasy- Mpandika.] dia voalaza fa haniraka an’i Elia Mpaminany IZY ho antsika alohan’ilay Andron’ny Tompo lehibe sady mampatahotra. Rehefa nanontaniana Jesosy hoe: “Nahoana no nilaza ny mpanora-dàlana hoe i Elia no ho tonga aloha?”; dia nambarany fa Elia dia ho avy ary hamerina ny zavatra rehetra amin’ny laoniny. Dia avy eo nilaza tamin’izy ireo IZY fa i Elia dia efa tonga, ary i Jaona Batista no tiany noresahina. Rehefa nanontaniana i Jaona, “Iza ianao?” dia hoy ny navaliny: “Izaho no feon’ilay miantsoantso any an’efitra”. Io dia Isaia 40:3. Noho izany lehilahy voaosotra tamin’ny fanahin’i Elia no tsy maintsy ho avy ary “hamerina”. Hinoako fa i William Branham io Mpaminany io izay mamerina ny zavatra rehetra izay lasa tany amin’ny fahadisoana. Mety hoy ianao hoe hafahafa izany, fa noporofoin’Andriamanitra ombieny ombieny fa zava-dehibe hafa mihitsy ny asa nataony, tamin’ny fahitana maro, asa tsy voazavan’olombelona (supernaturel), eny fa nisy fananganana tamin’ny maty aza (nohamarinin’ny dokotera isankarazany izany). Noho izany dia eo amin’ny fotoana hiverenan’I Jesosy isika izao -Ilay Andron’ny Tompo lehibe sady mampatahotra.


  Ilay rahona tsy azo hazavaina.

Ilay rahona tsy azo hazavaina.


Pearry Green.

Desambra 22,1962, roa volana feno alohan’ny nipoiran’ilay rahona dia nahita fahitana ny Rahalhy William Branham raha nipetraka tao antranony tao Jeffersonville, Indina izy, anankiray amin’ireo fahitana anarivony maro izay hitany. Tamin’ny androm-piainany. Tamin’ny 31 Desambra, 1962, dia nontatarainy tamin’ny mpino tao Branham Tabernacle io fahitana io. Olona 600 teo hoe o no nahare ny teniny, nanatrika ny alin’io ary nitahiry izany tamin’ny fandraisam-peo rehefa nomeny lohateny ny toriteniny hoe: “Tompoko izao ve no fotoana?” Nambarany fa tamin’ny fahitana dia teo an-tendrombohitra izy, nanala tsilo (cocklebur) tamin’ny patalohany, raha tampoka teo dia taitra tampoka nohon’ ny fipoahana mahery vaika izy, ary novangiana anjely fito. Nolazainy fa tsy fantany izay dikan’ny ny fahitana izay hitany io. Ary tsy nahatafandry mandry azy io fahitana io. Ary ny herinandro manaraka dia nilaza tamin’ny olona sasany izy fa angamba ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny fiainany dia efa tanteraka ary ho faty ao anaty fipoahana izy. Nanontany tena izy raha ireo anjely ireo no hitondra ny vatany tahaka ny natao tamin’i Mosesy.

Taorian’io fahitana io,dia nifindra tany Tucson, Arizona izy sy ny ankohonany ary nipetraka tao. Nitory teny vitsivitsy izy ary nanomboka nizatra ny fiainana tany an’efitra. (desert), fa mbola tsy mahatafandry mandry azy foana io fahitana io. Efa akaiky ve ny fotoana hiakarany? Rahoviana izany ?

Satria ny natiorany dia olona eny ivelany lava ary mpihaza, dia nahita fahafinaretana tao izy, ny fihazàna lambo any an’efitra izay fantatra amin’ny anarana hoe: Javelina. Tany am’pihazàna tany no nahatanteraka io fahitany io.

Ny daty dia Martsa 7,1963. Maraina io ary i Rahalahy Branham dia nivoaka ny toby mba hanampy ny rahalahiny sy ny mpihaza, Rahalahy Fred Sothman ary Eugene dia nahita ilay Javelina sarotra samborina. Mandrakariva dia nahaomby foana ny fihazàny ny bibiny. Miakatra tendrombohitra izy, ary manoro ny lalàna tokony alehan’ny sasany mba hifanena amin’ny andiana lambo, izay efa hitany mialoha ary tereny hidina any amindry zareo. Nijanona kely teo amin’ny tendrombohitra izy, dia nisy tsilo tao amin’ny patalohany. Vao avy nanala iny tsilo iny izy,dia nipoaka ny tendrombohitra, ary toa mihorohoro ny tany teo ambaniny, nitsambikina ambony izy, tsy fantany izay nitranga na inona no mbola hitranga. Ery amin’ny lanitra eo ambony lohany,dia nisy pentina fito,tahaka ny fiaramanidina. Vetivety teo, dia nihalehibe teo imasony ireo teboka ireo. Anjely manao pyramida, ary misy anjely mahery eo an-tampony, ary anjely telo kelikely amin’ny sisiny roa.(telo amin’ny ilany, telo amin’ny ilany). Tahaka ny nilazan’i Paoly fa nakarina tany amin’ny lanitra fahatelo izy,dia nilaza ny Rahalahy Branham fa “nakarina” teo amin’io amin’ny fitoeran’ny anjely io izy. Teo no nanomezana azy ny asany:” Miverena any antsinanana izay nihavianao, ary amin’ny fanambarana sy fahitana, ho sokafan’Andriamanitra ny tombokase fito izay nafenina ho misitery hatramin’ny Jaona izay nanambara ary nanoratra ao amin’ny Bokin’ny Fanambarana.
[Ny Taom-piangonana Fito.]  [Ny Tombokase Fito.]

[Ilay rahona tsy azo hazavaina.]

Ny rahalahy niaraka taminy dia mahalala ny fahitana satria nahatsapa izany fihovitry ny tendrombohitra izany izy ireo. Fa araka ny fahalalako azy dia tsy nahafantatra ny fisian’ireo anjely ireo ry zareo. Ny rahalahy Branham dia nilaza azy ireo ny tsy hilaza na amin’iza na amin’iza izay hitany na reny. Niala tao Tucson izy ny Martsa 13, 1963 ary niverina tao Jeffersonville. Hatramin’ny Martsa 17 ka hatramin’ny 24, dia nanomboka niseho ny famirapiratan’ny toriteny maro nataony izay tsy mbola nisy tahaka izany tamin’ny fiangonana.

Tombokase iray isan-kalina, avy amin’ny alalan’ny fanambarana mivantana avy amin’ny Fanahy Masina isan’andro, nitory ny misiterin’Andriamanitra izay nampanantenainy an’i Daniela fa tsy hiseho mandra-pahatongan’ny farany. Teo ny fotoana voalaza tao amin’ny Soratra Masina, ny andro farany, ary Andriamanitra dia nilaza tamin’ny mpaminany, tahaka ny fanaony. Fa ankehitriny kosa ny teny dia tonga avy amin’ny alalan’ny fanambarana izay mbola tsy noresahana ny olona. Ny ampakarina dia dia nampahitana fa ny ankamaroan’ireo zavatra tadiaviny dia efa lasa. Efa fotoanan’ny ampakarina izao “mba hiomanany.”

Raha manadihady ny sarin’ilay rahona tsy ahitam-panazavana amin’ny siansa ianao -dia ho hitanao ao ny tarehin’i Jesosy Kristy, mitodika miantsinanana, manana volo tahaka ny volon’ondry., araka ny nahitan’i Jaona azy. Apokalipsy 1:14: “14 Ary ny lohany sy ny volony dia fotsy tahaka ny volon'ondry fotsy,…” Tsy tahaka ny tanora ny fahitana azy ohatran’izy tamin’ny nahantona rehefa 33 taona, fa tahaka azy izay mpitsara izao tontolo izao. Mety ho sarotra amin’ny olona ny mandray izany, fa tsy milaza ve ny Soratra Masina amin’ny andininy samihafa fa rehefa hiseho ny zanak’olona, rehefa hipoitra, dia hisy rahona.

... Nadika sombiny avy "Acts of the Prophet". - Pearry Green

Ampidiro :

  "Is this the sign of the end Sir" (PDF Anglisy)

Mamaky ny tantara ao amin...   "Ny Rahona" (PDF)


  Manao Asa ho an’Andriamanitra.

Manao Asa ho an’Andriamanitra.

Maro ny olona te hanompo an’Andriamanitra, fa tsy fantany hoe ahoana. Diso izy ireo amin’ny fanaovana izany amin’ny tsy izy.

Ny 1 Tantara 13, Davida dia naniry ny anao asa ho an’Andriamanitra, ary nentiny niverina ny Fiaran’ny (Sambofiara) Fanekena avy any Kirjathjearim. Ny loholona rehetra, sy ny vahoaka ny nanaiky. Ny Fiara dia nentina tao anaty sarety ary notarihan’ny omby. Teny an-dalana, dia tafintohina ny omby ary saika nianjera ny Sambofiara (Ark). Nosakanan’I Uzzia tamin’ny tanany izany dia novonoin’Andriamanitra teo izy. Nitranga io satria , ny Sambofiara (Ark) dia tokony lanjain’ny mpisorona eo an-tsorony, fa tsy atao amin’ny sarety. Izany no nataon’i Davida, niezaka anao asa ho an’Andriamanitra (mi-rendre service), kanefa tsy sitrapony. Te hanompo an’andriamanitra izy fa diso no nanaovany azy.

Ampidiro (PDF Anglisy)   Trying to do God a Service.


   Ampidiro...

Quote from  Teo Kalvary Tamin'io Andro Io.



Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.


Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.

Tsindrio ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


Ny Andry Afo.

 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Asan’Ilay Mpaminany

(PDFs)

Toko 11 - Ny Rahona

(PDF)

Teo aloha...

Avy eo...

Tao izy nanomboany Azy tamin'ny hazofijaliana.
Ny toerana ny karan-doha.

  The Indictment

(PDF Anglisy)

William Branham Life
Story.
(PDF Anglisy)

Pearry Green personal
testimony.

(PDF Anglisy)