Ny taranaky ny menarana.

<< mialoha

manaraka >>

  Andian-teny velona.

Ny Fetsy menarana.


William Branham.

Vakio ny tantara manontolo ao amin'ny...
Ny taranaky ny menarana.

Genesisy 3:1-7,
Ary ny menarana dia fetsy noho ny bibi-dia rehetra izay nataon'i Jehovah Andriamanitra. Ary hoy izy tamin-dravehivavy: Hanky! Efa nataon'Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra eo amin'ny saha? Fa hoy ravehivavy tamin'ny menarana: Ny voan'ny hazo eo amin'ny saha dia azonay ihinanana ihany; Fa ny voan'ny hazo... eo afovoan'ny saha kosa no efa nataon'Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo na tendrenareo izany, fandrao maty hianareo. Ary hoy ny menarana tamin-dravehivavy: Tsy ho faty tsy akory hianareo; Fa fantatr'Andriamanitra fa amin'izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo (Hitanareo, amin'ny fitadiavana Fahazavana vaovao), ...ka ho tahaka an'Andriamanitra hianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy. Ary hitan-dravehivavy fa tsara ho fihinana ny hazo sady mahafinaritra ny maso ary hazo mahatsiriritra... mahatsiriritra hampahahendry, dia nanotazany ny voany ka nihinanany; ary nomeny koa ny vadiny, izay teo akaikiny, ka dia nihinana izy. Dia nahiratra ny mason'izy mivady, ka fantany fa mitanjaka izy; ary nanjaitra ravin'aviavy izy, ka nataony sikina ho azy.

Ankehitriny, mariho, izao no zavatra nitranga. Mino aho, ary afaka ny horaisiko tohana ny Baiboly, fa ny menarana no nanao izany. Io ilay tsy ampy eo anelanelan'ny rajako sy ny olombelona, dia ny menarana. Raha ny marina, henoinareo, marihonareo tsara izao, ny menarana dia tsy biby nandady teo aloha. Izy no "fetsy" indrindra nohon'ny bibi-dia rehetra teny an-tsaha. Ankehitriny, nijery tao anaty diksionera aho anio ka saika tamin'ny toerana rehetra izany, mba hanamarina an'io teny io, mba hahitana ny dikan'ny teny hoe fetsy. Ny dikan'izany dia "manan-tsaina, be hevitra", ary ny dikan- teny tsara indrindra am-amin'ny hebreo (ny m-a-h-a-h, mahah), dia midika hoe "izay manana ny tena fahalalana momba an’ireo làlam-piainana".

Ankehitriny, araho tsara àry izany mandritra ny fotoana fohy. Izy dia manan-tsaina, be hevitra, kanefa mitondra anarana hoe "menarana". Nefa, tadidio, izy no tena nanan-tsaina indrindra, ary izy no nitovy indrindra tamin'ny olombelona noho ireo rehetra nisy tany an-tsaha; izay nanakaiky indrindra tamin'ny olombelona. Tsy biby nandady izy. Fa ny ozona no nahatonga azy nandady. Izy no... Ny Baiboly dia milaza fa izy no tsara tarehy indrindra tamin'ny rehetra. Ary ny ozona dia tsy nanala ny hatsarany rehetra; na dia izany aza, ireo loko tsaran'ny menarana, mahatalanjona indrindra, ary ny filantolantony sy ny hatsarany. Na ny ozona aza tsy nanala an'izany taminy. Fa kosa, tadidio fotsiny, Andriamanitra dia niteny taminy fa tsy hanana tongotra intsony izy fa ny kibony no handehanany. Ary tsy afaka ny hahita taolana na dia iray monja eo amin'ny taolan'ny menarana ka mitovy amin'ny an'ny olombelona, izany no antony mahavery hevitra ny siansa. Kanefa eo izany.

Nafenin'Andriamanitra teo imason'ireo hendry sy ireo manan-tsaina izany, ary efa nampanantena Izy fa hanambara an'izany amin'ireo zanak'Andriamanitra, amin'ny andro farany, amin'ny fotoana hisehoan'ireo zanak'Andriamanitra, rehefa, "ireo zanak'Andriamanitra izay efa nihoby talohan'ny nanorenana an'izao tontolo izao". Amin’ny fotoana hanomezana ny fanambarana be voninahitra ny maha-Andriamanitra sy ny rehetra, amin’ny andro farany, no Hanehoany an’ireo zavatra ireo amin'ny alalan'ireo zanak'Andriamanitra. Hianareo mahalala fa izany no ampianarin'ny Soratra. Ary eo isika. Izany no antony mahatonga an'Andriamanitra manambara an'ireo zavatra ireo amintsika. Andriamanitra dia eo andàlam-panehoana an'ireo Zanany. Mandeha ambony lavitra noho izay rehetra fetra tratry ny fahalalan’ny olona Izy, ao amin'ny alalinan’ireo fanambarana ara-panahy, mba hampita an'Izany amintsika. Moa ve tsy nampianarina antsika, ato anatin’ity Baiboly ity fa: "Aoka izay manam-pahendrena"? Tsy hoe izay nianarany tao amin'ny seminera, fa izay nianarany teo amin'ny fanantonany an'Andriamanitra am-pandohaliana, sy izay noheverin'Andriamanitra fa tsara homena azy. Ireo zanak'Andriamanitra, voaseho!

Indro ilay menarana, ankehitriny dia toy izao ny naha-izy an'ilay menarana; holazaiko anareo ny fomba famaritako an’izany. Misy ny... niala avy tamin'ny sahona, izay nankany amin'ny tsiboboka, sy ny sisa, sy ny sisa, sy ny zavatra maro samy hafa, mandra-pahatonga amin'ny babakoto noho ny farany, tamin'ny rajako. Ary nanomboka teo amin'ny rajako, teo dia mitsambikina avy tamin'ny rajako mankany amin'ny olombelona, ary manontany tena isika hoe nahoana. "Ahoana àry," ny siansa milaza, "andraso kely, eo! Azontsika ampiraisina ny vehivavy sy ny babakoto, na koa ny rajako, ary koa mifamadika amin'izany, mampiray ny olona amin'ny rajako." Tsy hahomby izany. Ampiraiso amin'ny biby hafa fotsiny izany; fa tsy hahomby mihitsy. Tsy mifanaraka ny ràn’izy ireo; raiso ny ranareo, rà tena hafa izany, hafa indrindra. Misy rà, eo anelanelan'izy roa, eto, ka tsy hitan'izy ireo io biby io. Ô, haleloia, mahatsiaro tena tafiditra tsara aho tampoka teo.

Mariho. Nahoana? Nafenin'Andriamanitra azy ireo izany. Tsy misy taolana menarana na dia iray aza ka mitovy amin'ny taolan'olombelona. Napetrany tena lavitry ny fisainana izany, ka tsy ho afaka ny ho hitan'ireo manan-tsaina. Ary asehoko anareo ny toerana nihaviany, io lehilahy manan-tsaina io, aiza-aiza izany izao, raha ny marina. Hitanareo, tsy afaka ny ho tonga avy amin'izany izy. Tsy maintsy fanambarana no hahatongavan’izany, "Hianao no Kristy Zanak'... " "Eo ambonin'ity vatolampy ity ho Haoriko ny Fiangonako; ary ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy", fanambarana ara-panahy. Ahoana no-ahoana no nahalalan'i Abela fa tsy maintsy zanak’ondry no atao fanatitra, raha tokony hanatitra vokatry ny tany toy ny an’i Kaina? Nahazo fanambarana ara-panahy izy ny amin'izany. Tsy avy any amin'ny seminera no handraisanareo an’izany. Tsy avy any amin'ny anaram-piangonana no handraisanareo an’izany. Avy any An-danitra no handraisanareo an’izany.

Ankehitriny, jereo tsara io menarana io, ilay menarana tamin'ny voalohany. Haneho ny bikabikany isika ankehitriny. Lava ranjanana izy. Teo anelanelan'ny rajako sy ny olona. Ary, ny menarana; ny devoly, Losifera, dia nahalala fa io rà io ihany no afaka ny hifangaro amin'ny ràn'ny olona, fa io ihany no vatana afaka niasany. Tsy afaka ny ho rajako no niasany, tsy afaka nifangaro io rà io. Tsy afaka niasa tamin'ny zavatra maro izy. Tsy afaka niasany tamin'ny ondry. Tsy afaka niasany tamin'ny soavaly. Tsy nisy biby hafa nahafahany niasa; tsy maintsy io menarana io no niasany. Hifantohantsika izany ankehitriny, ary ho hitantsika izay mety ho endriny. Lava ranjanana izy, goavam-be toy ireo fahagola. Izany no ahitan’izy ireo taolam-baventy, ary hasehoko anareo ao anaty Baiboly izany. Aoka hianareo hihaino tsara ankehitriny. Eny. Io lava ranjanana io, ndeha atao hoe mi-mirefy im-polon'ny tongotra izy, sady tena lava soroka; ka tena nitovy tamin'ny olona. Ary ny ràny; rehefa avy nanakambana ireo biby tsirairay avy, dia tonga eo amin’ny farany isika. Azo atao ny fampiraisina eo amin’ireo biby. Ary nanome karazana rà ambony kokoa hatrany izany, karazana aina mivoatra bebe kokoa, endrika mivoatra bebe kokoa, mandra-pahatonga eo amin'ny faran-tampony, eo amin'ny faritry ny olona. Fa ny fitohizana farany, eto, eo anelanelan'izy roa, dia tapaka. Firy no mahalala fa ny siansa dia tsy afaka mahita an’ilay fitohizana tsy ampy? Hianareo rehetra dia mahalala an'izany. Nahoana? Io ilay izy, ny menarana.

Teo izy, lava ranjanana. Ary nidina ny devoly, teo, hoy izy hoe: "Afaka miditra miasa aho." Ankehitriny, raha vao mijerijery vehivavy hianareo, ka hanana fihetsika manoloana an’ireo vehivavy, tadidio, fa devoly no manosotra anareo; satria tsy vadinareo izany, izy io. Mariho, ankehitriny, nidina ny devoly ka niditra tao anaty menarana. Ary nahita an'i Eva tao amin'ny saha Edena izy, nitanjaka, ary niresaka ny amin'ny voa izay teo afovoany. Ny afovoany, ny dikan'izany dia eo "anivony", sy ny rehetra; mahazo ahy hianareo, ato amin’ny fivoriana misy lahy sy vavy isika. Ary hoy izy: "Fa, mahafinaritra izany. Tsara fijery."

Ary inona no zavatra nataony? Niray tamin'i Eva izy, sady nahalala azy, toy ny mpivady. Ary hitany fa nahafinaritra izany, koa nandeha nolazainy tamin'ny vadiny, kanefa efa bevohokan'i Satana izy. Ary niteraka ny zanani-lahy voalohany izy, izay nantsoina hoe Kaina, ilay zanak'i Satana. "Kanefa," hoy hianareo, "diso izany." Eny àry, koa andeha hojerena raha diso izany na tsia. "Ary hampifandrafesiko ny Taranakao sy ny taranaky ny menarana." Ahoana? Ny taranaky ny menarana! Nanana Taranaka ravehivavy, ary izy koa nanana taranaka. "Ary Izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao hanorotoro ny Ombelahin-tongony." Ary manorotoro, eto, dia midika hoe "manao Fanavotana". Koa, io àry, ny amin’ny "taranaky" ny menarana. Ankehitriny, mariho, indro àry fa roa lahy no tonga teo.

Ary ilay menarana, rehefa nitsangana teo izy, io karazana lava ranjanana io, teo, dia voaheloka fa nijangajanga tamin'ny vadin'i Adama. Aiza àry ny fahotana, raha ny ankehitriny? Inona no mahatonga an’ireo zavatra mandeha araka ny fandehany ankehitriny? Ankehitriny, izaho-izaho... Azo antoka fa azonareo izay tiako lazaina. Koa izany no zavatra nisy. Ary rehefa nataony izany, hoy Andriamanitra, niantso an'i Eva sy Adama Izy. Ary hoy izy: "Mitanjaka aho." Ary hoy Izy: "Iza no nilaza taminao fa mitanjaka hianao?" Ary teo dia nanao toy ny any amin'ny miaramila izy ireo, manipy ny fahadisoana eo amin'izay olona ambaniny. Dia hoy izy: "Koa, ny vehivavy izay Nomenao ahy no nanao an'izao. Fa izy no nandresy lahatra ahy." Ary hoy ve ravehivavy: "Ny menarana nanome paoma ahy"? Indrisy, ry mpitori-teny, aoka ho tonga saina hianao. Hoy ravehivavy: "Ny menarana no namitaka ahy." Fantatrareo ve ny dikan'ny teny hoe mamitaka? Ny dikan'izany dia hoe “voaloto”. Ary izany no nahazo azy. Tsy paoma velively no nomen’ny devoly azy. "Ny menarana no namitaka ahy." Ary rehefa izany, dia tonga ny ozona.

Hoy Izy hoe: "Satria nihaino ny menarana hianao raha tokony nihaino ny vadinao, nesorinao ny Aina teo amin’izao tontolo izao. Noho izany, hihitombo ny fahorianao; ary ny vadinao no hianteheran’ny fanirianao", sy ny sisa sy ny sisa. "Ary, satria nihaino an-dravehivavy vadinao hianao, raha tokony nihaino Ahy (Nalaiko avy tamin'ny vovoka hianao; ilay karazana nivoatra indrindra), ka dia, hiverina amin'ny vovoka hianao." "Ary hianao, ry menarana, satria nanao an'izany hianao, izao, tsy hanantongotra intsony hianao. Ny kibonao no handehananao amin'ny andro rehetra iainanao. Ary dia hankahalaina hianao. Ary vovo-tany no hohaninao." Izay. Io izy, ilay fitohizana tsy ampy.

Ankehitriny, io fa tonga i Kaina. Ndeha hojerentsika ireo toetra. Io Kaina fa tonga. Inona àry izy? Izy dia olona mpandraharaha mahay. Mpiasa tany. Be hevitra, manan-tsaina, mpivavaka, tena mpivavaka; jereo tsara ireo-jereo tsara ireo toetrany anaty. Mba manaraha ahy fotsiny mandritra ny minitra vitsy indray. Io izy fa tonga. Fantany fa manan-tsaina tokoa izy. Te-handeha any am- piangonana izy. Manangana fiangonana, sady manomana fanatitra. Mitondra alitara, sy ny rehetra. Nanangana alitara izy tamin’izany, ka nametraka ireo voninkazony teo. Napetrany ny saha, ireo vokatry ny sahany, natolony an'Andriamanitra izany. Hoy izy: "Indreo ho Anao, ry Tompo. Fantatro fa nihinana paoma izahay, fa izany no nahatonga an'izao rehetra izao." Ny sasany amin'ireo taranany dia manana karazan-kevitra toy izany. Afaka ny ho hitantsika ny fihavian’izany. Nitondra an'ireo paomany izy, nentiny avy tany an-tsahany, napetrany teo, ary hoy izy: "Hahavita fanavotana izany." Hoy Andriamanitra hoe: "Tsy paoma velively izany."

Fa, tamin'ny fanambarana ara-panahy, nahalala i Abela fa avy tamin'ny rà izany. Koa nitondra zanak'ondry izy, notapahany ny tendany, ka dia maty izany. Hoy Andriamanitra hoe: "Izao tokoa. Noho izany indrindra. Avy tamin'ny rà." Fantatrareo ny rà izay lazaiko. Eny àry. "Noho ny rà." Ankehitriny, jereo tsara. Ary noho izany, rehefa hitan'i Kaina fa nekena teo anatrehan'Andriamanitra ny fanatitr’ilay rahalahiny adaladala, ary koa nisy an’ireo famantarana sy fahagagana tanteraka tamin'izay, dia nialona azy izy. Hoy izy: "Aleo ajanona avy hatrany izany." Jereo ireo rahalahiny, jereo ireo zanany, mbola hita ankehitriny. "Fa, manan-tsaina noho izy anie aho, izaho", koa, tezitra taminy izy. Taiza no nihavian'ny fahatezerana? Afaka hilaza ve hianareo fa ny fahatezerana... Namono ny rahalahiny izy. Mpamono olona izy. Azonareo antsoina hoe mpamono olona ve Andriamanitra? Ary Adama dia zanak'Andriamanitra. Ny Baiboly milaza fa "Adama dia zanak'Andriamanitra", ilay fiandohana madio, tamin'izay. Adama dia zanak'Andriamanitra. Ary io fialonana io, ary io fitsiriritana io, sy ny sisa rehetra, dia tsy afaka nivoaka avy tamin'io loharano madio io. Fa tsy maintsy tonga avy tamin'ny toeran-kafa izany. Ary avy amin'i Satana izany, izay mpamono olona, hatramin'ny voalohany. Ny Baiboly milaza fa "mpandainga sady mpamono olona izy, hatramin'ny voalohany". Ka dia izay. Ary dia namono ny rahalahiny izy. Ary ny teo dia tandindon'ny fahafatesan'i Kristy. Avy teo, nanomboka tamin’izay, araka izany, nanangana an'i Seta Izy mba hisolo azy. Ny fahafatesana, ny fandevenana sy ny fitsanganan'i Kristy.

Ary jereo tsara, taorian'izany, indreo ireto, ireto olonareo goavambe. Taorian'izay, nandeha tany amin'ny tanin'ny Noda i Kaina. Raha ny rainy, karazana lehilahy goavana be, Kaina, izy, hitovy amin'inona izy? Amin'ny rainy. Ary nandeha tany amin'ny tanin'ny Noda izy, ka nitondra ny anankiray tamin'ireo anabaviny niaraka taminy. Tsy afaka nanao zavatra hafa izy. Ireo vehivavy hafa, tsy maintsy avy tamin’i Eva izy rehetra. Noheverina fa nanan-janaka lahy sy vavy fito-polo izy ireo. Raha-raha tsy nisy vehivavy... Ny Baiboly dia tsy milaza ny fahaterahan'ny vehivavy, fa ny an'ny lehilahy ihany. Ary rehefa, raha tsy nisy vehivavy ivelan’i Eva, rehefa maty àry izy, dia tokony hitsahatra ny fisian'ny taranak'olombelona. Tsy maintsy nanan-janaka vavy maro izy. Ary voatery nanambady ny anabaviny izy noho izany. Nandeha tany amin'ny tanin'ny Noda izy, ka nalainy-nalainy ny vadiny. Ary, rehefa nivady taminy izy tamin'izay, dia avy teo no nivoahan'ireo olona goavambe ireo, izay zanak'Andriamanitra lavo; izay tonga avy tamin'ny rainy, ny devoly, avy tamin'i Kaina. Indro àry izy, ilay fitohizana tsy ampy hitanareo.

Vakio ny tantara manontolo ao amin'ny...
Ny taranaky ny menarana.


Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.

  Hoy ny Soratra Masina ...

Tahaka izany koa no fanaon'ny vehivavy mpijangajanga: Homana izy, dia mamafa ny vavany, Ka dia manao hoe: Tsy nanao ratsy aho.

Ohabolana 30:20


Tsindrio ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


Ny Asan’Ilay Mpaminany.
(PDF's)

The Pillar of Fire.

(PDF Anglisy)

God, Hidden and
Revealed in simplicity.

(PDF Anglisy)

Marriage and Divorce.

(PDF Anglisy)

William Branham Life
Story.

(PDF Anglisy)

How the Angel came
to me.
(PDF Anglisy)

Eny fa, raha ny
fihinanana paoma,
no ahalalan'ny vehivavy
fa mitanjaka izy,
dia tsara ho antsika
ny hizara paoma
indray.



Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.