Ny Fampianaran'i Balama.


  Boky misy Fanambarana mifanesy.

Ny Fampianaran'i Balama.


William Branham.

Vakio ny tantara feno ao amin'ny....
Ny Taom-Piangonana Pergamosy.

Apokalypsy 2:14,
"Kanefa manan-teny kely aminao Aho, fa misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran'i Balama, ilay nanome fo an'i Balaka hanisy fahatafintohinana teo anoloan'ny Zanak'isiraely, hihinana hena naterina tamin'ny sampy sy hijangajanga.”

Ankehitriny raha manana fomba Nikolaita ao amin'ny Fiangonana ianao tsy maintsy manana ilay fampianarana iray hafa koa. Hitanareo, raha manaisotra ny Tenin'Andriamanitra ianao sy ny fihetsehan'ny Fanahy ho toy ny fitaovam-pivavahana (izay mivavaka Amiko tsy maintsy mivavaka amin'ny Fanahy sy fahamarinana) dia tsy maintsy hanome ny olona endrika fivavahana hafa ho solony, ary ny fanoloana dia midika ho Balamisma.

Raha tiantsika ny hahatakatra ny zavatra momba ny fampianaran'i Balama ao amin'ny fiangonan’ny Testamenta Vaovao dia tsara isika raha miverina ka hijery izany tao amin'ny fiangonan’ny Testamenta Taloha, ary hampihatra izany amin’io taom-piangonana fahatelo io tary avy eo dia mitondra izany miakatra ho amin'ny ankehitriny.

Ny tantara dia hita ao amin'ny Nomery Toko 22 hatramin'ny 25. Ary fantatsika fa ny Isiraely no vahoaka voafidin'Andriamanitra. Izy ireo no Pantekosta tamin’ny androny. Nialoka teo ambanin’ ny rà izy ireo, natao batisa tao amin'ny Ranomasina Mena izy rehetra, niakatra avy tao amin'ny rano nihira ao amin'ny Fanahy ary nandihy teo ambany ny herin'ny Fanahy Masina, raha i Miriama, ilay mpaminanivavy nitendry ny ampongatapaka. Eny, rehefa nandeha ny Zanak'Isiraely dia tonga tany Moaba. Tsaroanareo izay i Moaba izay. Izy no zanak'i Lota iray avy amin’ny zanany vavy, ary Lota kosa dia zana-drahalahin'i Abrahama, noho izany Israely sy Moaba dia misy hifandraisany. Tiako ny hahitanareo izany. Ny Moabita nahalala ny fahamarinana, na niainany izany na tsia.

Rehefa nanontany an'Andriamanitra Balama ny amin’ny fahazoan-dalana ny handeha, niodina taminy Andriamanitra. Oadray tena nanindrona izany! Fa Balaka nanitrikitrika, nampanantena azy valim-pitia lehibe kokoa ary voninahitra. Noho izany dia nandeha tao amin’Andriamanitra indray Balama. Ankehitriny ary, valiny iray avy amin'Andriamanitra dia tokony ho ampy. Nefa tsy ho an’i Balama ilay mpitompo teny fantatra izany. Ary rehefa hitan'Andriamanitra ny fahavetavetany, dia nilaza taminy Izy mba hitsangàna ka handeha.

Vetivety dia nanisy lasely ny boriky izy ka lasa. Tokony ho tonga saina izy fa navelan’Andriamanitra fotsiny izany noho ny Sitrapony manome fahafahana, ary izy tsy ho afaka ny hanozona azy ireo na dia in-droapolo aza izy no nandeha sy nanandrana indroapolo. Ny olona amin'izao andro izao dia tena mitovy amin’i Balama! Mino Andriamanitra telo, izy ireo, natao batisa tamin'ny anaram-boninahitra telo, fa tsy tamin’ilay ANARANA, kanefa Andriamanitra dia handefa ny Fanahy eo amin’izy ireo tahaka ny Nataony tamin’i Balama,mitohy amin’ny finoana izy ireo fa tena marina ny azy, ary eto izy ireo tena Balaamita tanteraka. Jereo ny fampianaran'i Balama. Mirosoa ihany na dia izany aza. Ataovy amin’ny lalanao. Hoy izy ireo: "Eny, Andriamanitra efa nitahy antsika. Tsy misy atahahorana ny amin’io." Fantatro fa efa nitahy anao Izy. Tsy mandà izany aho. Fa izany ny lalan’ny fandaminana (organisation) mitovy amin’ny nalehan’i Balama. Fihantsiana ny Tenin'Andriamanitra izany. Fampianaran-diso izany.

Dia nandeha Balama tamin-kiribiby nidina ny lalana, raha indro ny anjely avy amin'Andriamanitra nitsangana teo amin'ny lalany. Fa io mpaminany io (eveka, kardinaly, mpitari-draharaha, ny Filoha sy ny mpiandraikitra ankapobeny) dia tena jamba ny amin’ny zavatra ara-panahy nohon’ny eritreritra, haja, voninahitra ary ny vola ka tsy afaka nahita ilay anjely nijoro miaraka amin'ny sabatra eny an-tanany. Teo izy no nitsangana mba hanakana ity mpaminany adala.Ilay boriky nahita azy ka niala niverina ary farany dia toron’ny rindrim-bato ny tongotr'i Balama. Nijanona ilay boriky ka tsy nety nandeha. Tsy afaka. Ary Balama nitsambikina ka nanomboka nikapoka azy. Ary ny boriky nanomboka niresaka tamin'i Balama.Navelan’ Andriamanitra niresaka amin'ny fiteny tsy fantatra ilay apondra. Tsy mifangaro (hybride) ilay boriky, tena ilay voa tany am-boalohany izy. Ary hoy izy tamin'ilay mpaminany nohajambaina, "Moa tsy borikinao ve aho, ary nentinao tamim-pahatokiana hatramin’izao?" Balama namaly hoe: "Eny, eny, ianao no ampondrako ary nitondra ahy amimpahatokiana mandraka ankehitriny, ary raha tsy afaka mampandeha anao aho dia ho vonoiko ianao... Oadray! inona izany, niresaka tamin'ny boriky? Mampihomehy, nieritreritra aho hoe nandre ilay boriky niresaka ka dia namaly azy io indray."

Andriamanitra dia miresaka amin'ny fiteny tsy fantatra mandrakariva. Niresaka tamin'ny fetin’i Belsazara Izy, avy eo tamin’ny Pantekosta. Mbola manao izany indray Izy amin'izao fotoana izao. Fampitandremana amin’ny fitsarana ho avy tsy ho ela izany. Ary ny anjely dia natao ho hita maso tamin'i Balama. Nilaza tamin'i Balama izy fa raha tsy ny ampondra dia efa maty izy ankehitriny fa naka fanahy an'Andriamanitra. Fa rehefa Balama nampanantena ny hiverina Balama,dia nalefa niaraka tamin'ny fananarana mba tsy hilaza afa-tsy izaynomen’Andriamanitra azy ihany.

Dia nandeha Balama nidina ka nanangana alitara fito ho an'ny biby madio hatao sorona. Ary namono ondrilahy izy nanambara ny fiavian'ny Mesia. Fantany ny zavatra tokony hatao mba hanatonana an'Andriamanitra. Nanana ny haihetsika tsara izy; fa tsy ny fihetsehana; toy ny amin’izao. Tsy hitanareo izany ry Nikolaita? Teo ny Isiraely tery an-dohasaha manolotra ny sorona mitovy, manao zavatra mitovy, fa iray ihany no nanana ny famantarana izay nanaraka azy. Andriamanitra iray ihany no teo afovoan’izy ireo. Ny fombafomba dia tsy mitondra anao mankaiza. Tsy afaka maka ny toeran'ny fihetsehan’ny Fanahy izany. Izany no nitranga tao Nicée. Noraisiny ny fampianaran’i Balama, fa tsy ny fampianaran’Andriamanitra. Ary tafintohina izy ireo ka lavo. Lasa olona maty izy ireo.

Rehefa natao ny fanatitra, Balama dia vonona ny haminany. Fa Andriamanitra namatotra ny lelany ka tsy afaka manozona azy ireo izy. Nitso-drano azy ireo izy.

Balaka dia tezitra mafy,fa tsy nisy na inona na inona azon’i Balama natao momba momba ny faminaniana. Efa nolazain'ny Fanahy Masina izany. Ary Balaka nilaza tamin'i Balama mba hidina ambany, eny an-dohasaha, ka hijery ny ivohony mba hahitàna raha nisy fomba mety hahafahany manozona azy ireo. Ny paikadin’i Balaka dia mitovy amin’ny ampiasaina ankehitriny. Ny anaram-piangonana lehibe mijery ambany ireo vondrona kely, ary na inona na inona hitany eo amin’izy ireo mba hiadivany aminy dia lazainy izany ary tabatabainy. Raha ny maoderina no miaina ao anatin'ny fahotana, dia tsy misy milaza na inona na inona momba azy; fa aoka ny anankiray amin'ny olom-boafidy no misy olana, ny gazety rehetra dia manely izany manerana ny firenena. Eny, ny Isiraely dia nanana ny faritra ivohony (ara-nofo). Nanana ny lafiny izay tsy mendri-piderana izy ireo; fa na dia eo aza ny tsy fahalavorariany, araka ny fikasan’Andriamanitra, izay miasa amin'ny alalan'ny fifidianana, amin'ny fahasoavana fa tsy avy amin'ny asa, NANANA NY RAHONA IZY IREO NY ANTOANDRO ARY NY ANDRI-AFO NY ALINA, NANANA NY VATOLAMPY NOKAPOHINA IZY IREO, NY MENARANA VARAHINA SY NY FAMANTARANA ARY NY FAHAGAGANA. Nohamarininaa izy ireo-tsy ao amin’ny tenany, fa ao amin'Andriamanitra.

Vakio ny tantara feno ao amin'ny....
Ny Taom-Piangonana Pergamosy.


Bokin'ny Apokalypsy.
Mitohy tamin'ny pejy manaraka.
(Izany vehivavy Jezebela izany.)


Tsindrio ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


Ny Asan’Ilay Mpaminany.

(PDF's)

The Two Babylons

by Rev Alexander Hislop.
(PDF Anglisy)

A lafiny tendrombohitra,
ary nitsangana voaroy
amin'ny oram-panala
amin'ny Shina.

Lisy ny afo.

Ny Andry Afo
- Houston 1950.

Mazava tamin'ny
vatolampy pyramida.


Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.


Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.

  Hoy ny Soratra Masina...

Mihainoa, ry Israely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany.

Detoronomia 6:4


Andriamanitra dia manana
anaram-boninahitra
maro kanefa Izy
manana anarana olombelona
iray ihany. Ary
izany anarana izany
dia i Jesosy.