Tantaran’ny Fiangonana.

<< mialoha

manaraka >>

  Andriamanitra sy ny Tantaran’.


William Branham.

Mba ahafahanao mahatakatra tanteraka ireo hafatra mahakasika ny Taom-piangonana dia mamelà hanazava ny toro lalana isan-karazany izay namela ahy ho tonga any amin'ny anaran’ireo iraka, ny halavan'ny taona, ary ny lafin-javatra hafa mahakasika izany.

Ny lakile nomen'ny Tompo ahy nahafahako namaritra ny iraka ho an'ny vanim-potoana tsirairay dia tena ao amin'ny Soratra Masina. Raha ny marina dia azo antsoina hoe ilay Fanalahidim-baton'ny Baiboly. Io dia ny fanambaràna izay tsy ovàn’Andriamanitra na oviana na oviana, ary ny lalany dia tsy miova tahaka Azy. Ao amin’ny Hebreo. 13:8 dia voalaza fa i, “Jesosy Kristy no tsy miova omaly, sy anio ary mandrakizay”.

Eto izany ilay Andriamanitra tsy miova miaraka amin’ny fomba tsy miova. Izay nataony tamin'ny VOALOHANY dia tsy maintsy tohizany mandra-pahatanterahany amin'ny andro FARANY. Tsy hisy fiovàna na oviana na oviana.

Fantatsika tsara ankehitriny fa avy amin'ny Teny izay ao amin'ny Fanahy Masina ny fomba nanorenana tamin’ny voalohany, na ny fiangonana tany am-boalohany, ary ny nisehoan’Andriamanitra tao aminy.

Ny Teny tsy afaka miova na ovàna satria ny Teny dia Andriamanitra. Jaona1:1, “Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.”

Noho izany, ny fiangonana tamin'ny Pentekosta dia ny faneva. Izany no mari-trano. Tsy misy modely hafa. Na inona na inona lazain’ny manam-pahaizana, TSY novain’Andriamanitra izany modely izany. Izay nataon'Andriamanitra tamin'ny Pentekosta dia tsy hitsahatra mandra-pikaton’ny taompiangonana.

Sombiny avy... Ny Taom-Piangonana Efesosy.

  Andriamanitra sy ny Tantaran’.

Fiangonana fito any Azia.

Efesosy.

Ny tanànan'i Efesosy dia iray amin'ireo tanàna telo lehibe indrindra tany Asia. Izy no antsoina matetika hoe ny tanàna fahatelon’ny finoana kristianina, I Jerosalema no voalohany, ary Antiokia no faharoa. Izy dia tena tanana manan-karena. Ny governemanta dia Romana, fa ny teny dia teny Grika.

Avy... Ny Taom-Piangonana Efesosy.

Smyrna.

Ny tanànan'i Smyrna dia avaratrakelin’i Efesosy amin'ny vavan'ny Helodrano Smyrna. Nohon’ny seranan-tsambony tena tsara dia foibe ara-barotra fanta-daza izy amin’ny fanondranana. Izy ihany koa dia miavaka noho ny sekoly ao aminy sy ny kabary tsara lahatra, filozofia, fitsaboana, siansa, sy trano tsara.

Ny teny hoe Smyrna dia midika hoe, "mangidy," nalaina avy amin’ ny teny hoe miora. Ny miora dia nampiasaina amin'ny fikarakarana faty. Noho izany dia manana dikany roa sosona isika hita amin'ny anaran’io vanim-potoana io.

Avy... Ny Taom-Piangonana Smyrna.

Pergamosy.

Pergamosy (anarana fahiny) dia toerana tany Mysia, tao amin'ny distrika telo voatondraky ny renirano telo, ary ny iray amin'ireo dia mivarina any an-dranomasina. Izy dia voafaritra ho toy ny tanàna miavaka indrindra any Asia. Izany dia tanànan’ny kolontsaina izay manana ny toerana famakiam-boky faharoa aorian’i Aleksandria. Kanefa izy dia tanàna be fahotàna, manao fombam-pivavahana vetaveta amin'ny fanompoana an'i Aesculapius, izay nivavahan’izy ireo tamin'ny endriky ny bibilava velona izay mipetraka sy fahanana ao amin’ny tempoly.

Seza Fiandrianan'i i Satana sy Fonenany. Pergamosy tamin’ny voalohany dia tsy toerana nonenan’i Satana (ny amin'ny raharahan'olombelona). Babylona foana ara-bakiteny sy ara-keviny no toby famaharany. Ary tao antanànan'i Babylona no niandohan’ny fivavahana tamin’i Satana.

Avy... Ny Taom-Piangonana Pergamosy.

Tyatira.

Ara-tantara, ny tanànan'i Tyatira dia ny kely indrindra niavaka tamin'ny rehetra amin’ireo tanàna fito ao amin’ny Bokin’ny Fanambarana. Izy dia ao amin’ny misy an’i Mysia sy Ionia. Izany dia voahodidina renirano maro, nefa feno dinta. Ny tena mampiavaka hiderana azy dia tsara lavitra izy amin’ny fidirambola nohon’ny fikambanan’ny orinasa mpanefy tanimanga, mpanao hoditra, mpanenona, mpandoko lamba, mpanamboatra akanjo fitafy, sns… Avy amin'ity tanàna ity no nisy an’i Lydia ilay mpivarotra lamba volomparasy. Izy no olona noresen’i Paoly lahatra voalohany tao Eoropa.

Ary ny antony fa ny Fanahy no nifidy ity tanàna ity ho toy ilay manana ny zavatra ilaina ara-panahy ho an'ny vanim-potoana fahefatra dia noho ny fivavahana tao aminy. Ny fivavahana lehibe tao Tyatira dia ny fivavahana tamin'i Apollo Tyrimnaios izay niaraka tamin'ny fivavahan’ny amperora. Apollo no andriamanitra masoandro, ary ny manaraka amin'ny fahefana dia ny rainy, Zeosy.

Tena tsara homarihina fa ny tena dikan’ny anarana hoe Tyatira dia, “Vehivavy Manjakazaka.”

Avy... Ny Taom-Piangonana Tyatira.

Saridisy.

Sardisy no renivohitry Lidia fahiny. Niala teo ampelatanan'ireo mpanjaka Lydiana nankany amin’ny Persiana ary avy eo dia Aleksandra Lehibe. Noroahin’i Antiokosa Lehibe izy. Ny mpanjakan'i Pergamosy no nandimby ny fanjakana alohan’ny nandraisan’ny Romana azy. Tamin'ny andron'i Tiberio dia ravan’ny horohoron-tany sy fahoriana izy. Ankehitriny dia korontam-bato sisa ary tsy misy monina.

Ny fivavahana tao amin'ity tanàna ity dia ny fivavahan’ny andriambavy Cybele izay tsy madio. Ny sisa tavela goavana tamin’ny tempoly dia mety mbola ho hita.

Avy... Ny Taom-Piangonana Saridisy.

Filadefia.

Filadefia dia dimy amby fito-polo kilaometatra atsimo atsinanan'i Sardisy. Izany no tanàna lehibe indrindra faharoa ao amin'ny Lydia. Ary naorina teo ambonin'ny havoana maro ao amin'ny distrika malaza fanaovana divay. Ny vola madinika dia nisy ny sarin’ny lohan'i Bacchus, ary ny sarin’i Baccante (mpisorona vavin’i Bacchus).

Ny tanàna nijaly matetika tamin’ny horohoron-tany, kanefa ny faharetany dia ny fotoana lava indrindra amin'ireo tanàna fito ao amin'ny Apokalypsy. Raha ny marina dia mbola misy ny tanàna teo ambanin'ny anarana fanamboarana vola madinika Tiorika toa manondro ny maha-andriamanitry ny tanàna an’i Bacchus.

Avy... Ny Taom-Piangonana Filadefia.

Laodikia.

Ny anarana hoe Laodikia, izay midika hoe, "zon'ny olona" dia tena mahazatra ka nomena tanàna maro ho fanomezam-boninahitra ny mpanjaka vavy nanana izany anarana izany. Ity tanàna ity dia iray amin'ireo tena manan-danja ara-politika sy namokatra ara-bola be indrindra tany Azia Minora. Be dia be ny fananana nomen'ireo olona fanta-daza tao ho an'ny tanàna.

Izy dia toeran'ny sekoly ara-pitsaboana lehibe. Ny olona tao dia niavaka tamin'ny zava-kanto sy ny siansa. Izy no antsoina matetika hoe 'renivohitra', satria ao no misy ny faritry ny tanàna hafa dimy amby roapolo. Ny andriamanitra Zeosy no sampy nivavahana tao. Raha ny marina ity tanàna ity dia nantsoina hoe Diopolis (Tananan'i Zeosy) ho fanomezam-boninahitra ny andriamanitr'izy ireo. Tamin'ny taonjato fahefatra, nisy filankevitry ny fiangonana manan-danja natao tao. Ny fisian'ny horohoron-tany matetika no nahafoana izany tanteraka.

Avy... Ny Taom-Piangonana Laodikia.



 

Tsindrio amin’ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


Ny Asan’ilay
Mpaminany.
(PDFs)

God, Hidden and
Revealed in simplicity.

(PDF Anglisy)

William Branham Life
Story.
(PDF Anglisy)

How the Angel came
to me.
(PDF Anglisy)

Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.

  Hoy ny Soratra Masina...

Koa soraty izay zavatra efa hitanao, na izay zavatra ankehitriny, na izay zavatra mbola ho avy rahatrizay,

dia ny zava-miafina ny amin’ny kintana fito izay efa hitanao teny an-tanako ankavanana sy ny fanaovan-jiro volamena fito. Ny kintana fito dia ny anjelin’ny fiangonana fito: ary ny fanaovan-jiro fito dia fiangonana fito.

Apokalypsy 1:19-20



Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.