Teny fanolorana ny amin’ny Taom-piangonana.


  Boky misy Fanambarana mifanesy.

Fiangonana fito any Azia.


William Branham.

Vakio ny tantara manontolo ao amin'ny...
Ny Taom-Piangonana Efesosy.

Mba ahafahanao mahatakatra tanteraka ireo hafatra mahakasika ny Taom-piangonana dia mamelà hanazava ny toro lalana isan-karazany izay namela ahy ho tonga any amin'ny anaran’ireo iraka, ny halavan'ny taona, ary ny lafin-javatra hafa mahakasika izany.

Koa satria ity fianarana ity no tena lehibe indrindra tamin’izay noraisiko hatreto, dia nitady an'Andriamanitra aho nandritra ny andro maromaro mba ho tarihin'ny Fanahy Masina. Avy eo aho dia namaky ny Soratra Masina momba ny Taom-Piangonana ary nandalina ny amin'ny tantaram-piangonana maro nosoratan'ireo mpahay tantara tena tsy mitongilana izay afaka hitako. Andriamanitra namaly ny vavaka nataoko, fa raha namaky ny Teny sy ny tantara aho dia afaka nahita endrika nisokatra tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina izay mikoriana nandritra ny taonjato maro sy mahitsy ho amin'izao fotoana izao, dia ny andro farany.

Ny lakile nomen'ny Tompo ahy nahafahako namaritra ny iraka ho an'ny vanim-potoana tsirairay dia tena ao amin'ny Soratra Masina. Raha ny marina dia azo antsoina hoe ilay Fanalahidim-baton'ny Baiboly. Io dia ny fanambaràna izay tsy ovàn’Andriamanitra na oviana na oviana, ary ny lalany dia tsy miova tahaka Azy. Ao amin’ny Hebreo. 13:8 dia voalaza fa i,

“Jesosy Kristy no tsy miova omaly, sy anio ary mandrakizay”.

Mpitoriteny 3:14-15,
“Fantatro fa izay rehetra ataon'Andriamanitra dia haharitra mandrakizay; tsy azo ampiana ary tsy azo analana izany; ka dia ataon'Andriamanitra matahotra eo imasony ny olona. Izay atao izao dia efa natao fahiny; ary izay mbola ho avy dia efa nisy fahiny ihany koa; ary mbola tadiavin'Andriamanitra indray izay efa lasa.”

Eto izany ilay Andriamanitra tsy miova miaraka amin’ny fomba tsy miova. Izay nataony tamin'ny VOALOHANY dia tsy maintsy tohizany mandra-pahatanterahany amin'ny andro FARANY. Tsy hisy fiovàna na oviana na oviana. Ampiharo amin’ny vanim-potoam-piangonana izany. Ny karazana lehilahy izay nofidin’Andriamanitra ho an'ny vanim-potoana voalohany, nanao ahoana ny nisehoan’Andriamanitra tamin'ny asa fanompoan’izany lehilahy izany, ary ohatra ho an'ny vanim-potoana hafa rehetra. Izay nataon'Andriamanitra teo amin'ny taom-piangonana voalohany ihany no ataony amin'ny vanim-potoana hafa rehetra.

Fantatsika tsara ankehitriny fa avy amin'ny Teny izay ao amin'ny Fanahy Masina ny fomba nanorenana tamin’ny voalohany, na ny fiangonana tany am-boalohany, ary ny nisehoan’Andriamanitra tao aminy. Ny Teny tsy afaka miova na ovàna satria ny Teny dia Andriamanitra. Jaona1:1,

“Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.”

Ny fanovàna teny iray amin’izany, toy ny nataon'i Eva dia mitondra fahotàna, sy fahafatesana, araka ny voasoratra ao amin'ny Apokalypsy 22:18-19,

“...Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hanampy ho azy ny loza izay voasoratra ato amin'ity boky ity: Ary raha misy manaisotra amin'ny teny amin'ny bokin'ity faminaniana ity, dia esorin'Andriamanitra ny anjarany avy amin'ny Bokin'ny Fiainana, sy avy ao amin'ny tanàna masina, sy ireo zavatra izay voasoratra ao amin'izany boky izany.”

Noho izany, ny fiangonana tamin'ny Pentekosta dia ny faneva. Izany no mari-trano. Tsy misy modely hafa. Na inona na inona lazain’ny manam-pahaizana, TSY novain’Andriamanitra izany modely izany. Izay nataon'Andriamanitra tamin'ny Pentekosta dia tsy hitsahatra mandra-pikaton’ny taompiangonana.

Na dia milaza aminareo aza ny manam-pahaizana hoe ny andron'ny apôstôly dia vita, aza mino izany ianareo. Ny fanambaràna izany dia tsy mety amin'ny lafiny roa. Voalohany indrindra, dia diso ny fiheverana fa tsy misy intsony apostoly, satria ireo roa ambinifolo tany am-boalohany dia maty. Ny hoe apostoly dia midika hoe ilay `iray nalefa'; ary maro ireo nirahina amin'izao andro izao, fa izy ireo dia antsoina hoe misiônera. Raha mbola antsoina koa ny lehilahy ka hirahina miaraka amin’ny Tenin'ny Fiainana dia misy andron'ny apôstôly mitranga. Faharoa, izy ireo dia voalaza fa manondro ny vanim-potoana nisehoan’ny Herin’ny Fanahy Masina, toy ny efa vita hatramin’ny nahavitan’ny Baiboly. Izany dia tsy marina. Tsy misy na dia Soratra Masina iray aza manambara izany, fa maro ny mamintina mazava ny mifanohitra amin’izany. Ity no porofo omenay fa samy diso izany zavatra roa izany.

Asan'ny Apostoly 2:38-39,
“Ary hoy Petera taminy: Mibebaha ianareo, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ho famelan-keloka, ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina.
Fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo, ary ho an'izay rehetra lavitra, na iza na iza antsoin’ny Tompo Andriamanitsika.”

Ny fampanantenana ny hery izay ny apostoly no nomena anjara tamin'ny Pentekosta dia ho “anareo (Jiosy), sy ny zanakareo (Jiosy), ary ho an'izay rehetra lavitra (jentilisa), ary ho an'izay rehetra antsoin’ny Tompo Andriamanitsika (na Jiosy sy ny Jentilisa)”. Mandra-pijanony miantso, ny hafatry ny Pentekotsta sy ny hery dia TSY HITSAHATRA.

Ny nanànan’ny Fiangonana tamin'ny Pentekosta dia ny zo tsy azo esorina. Tamin'ny voalohany, dia nanana ny Tenin'Andriamanitra madio tsy misy kilema izy. Nanana ny herin 'ny Fanahy Masina miseho amin'ny famantarana sy ny fahagagana samy hafa izy ary ny fanomezan’ny Fanahy Masina.

Hebreo 2:1-4,
“Ary amin'izany dia tokony hotandremantsika mafimafy kokoa izay efa rentsika, fandrao havelantsika hivotsotra izany. Fa raha mafy ny teny izay nampilazaina ny anjely, ka samy voavaly marina avokoa ny fahadisoana rehetra mbamin'ny fahotana, hataontsika ahoana no fandositra, raha tsy mitandrina izao famonjena lehibe izao isika? dia ilay nampilazaina ny Tompo tamin'ny voalohany, ary nohamafisin'izay nandre tamintsika kosa, sady Andriamanitra koa no niara-nanambàra taminy tamin'ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin'ny asa lehibe samy hafa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina nozarazarainy araka ny sitrapony?”

Io fiangonana tany amboalohany io dia tsy fikambanana nataon’ny olona. Notarihin’ny Fanahy Masina izy. Tsy tena lehibe izy. Nankahalaina ary natao ho tsinontsinona, sy voan’ny tsindry hazo lena. Nenjehina ho faty. Fa marina izy teo amin'Andriamanitra. Izy dia nitoetra tamin’ny Teny izay modely tany am-boalohany.

Ankehitriny dia aza voafitaka eto. Fony aho nanao hoe Andriamanitra sy ny fombany dia tsy miova na oviana na oviana, tsy milaza fa ny fiangonana sy ny iraka tsy afaka hiova. Ny fiangonana dia tsy Andriamanitra. Noho izany izy dia afaka miova. Fa ny nolazaiko dia satria tsy miova Andriamanitra amin'ny fombany dia afaka miverina any amin'ny voalohany isika ka mijery ny asa lavorary voalohany nataon'Andriamanitra ary dia mitsara araka izany. Toy izao ny nanaovana izany. Ny tena Fiangonana dia miezaka foana ny ho tahaka ny tany am-boalohany tamin'ny Pentekosta. Ny tena Fiangonana amin'izao fotoana izao dia miezaka ny manakaiky ilay iray tany am-boalohany. Ary ny iraka ho any amin'ny fiangonana, satria manana izany fanahin'Andriamanitra izany ao aminy izy, ary miezaka ny manakaiky ny apostoly Paoly. Izy ireo dia tsy tena hitovy tanteraka aminy; fa ny iraka tena marina dia ireo izay tena manakaiky an'i Paoly, olona afaka amin’ny olona rehetra, novidin’Andriamanitra, ary ny Tenin'Andriamanitra ihany no avoakany, ka mampiseho ny Fanahy Masina amin’ny hery. Tsy misy fomba hafa. Tsy maintsy miasa avy amin’ny tany am-boalohany. Tahaka ny mpiteraka ihany ny nateraka, ny tena Fiangonana Marina dia izay miezaka ny manaraka ny dian'ny mpanorina azy tamin'ny Pentekosta ary ny iraka ao aminy dia hanaraka ny apostoly Paoly, ilay iraka voalohany amin'ny vanim-potoan'ny fiangonana voalohany. Izany dia ny tsotra, ary tena tsara.

Amin’ny alalan’io fanakahidy io, izay tena tsotra, sady tena mahafinaritra, no nahafahako, araka ny fanampian'ny Fanahy Masina, namaky ny Bokin'i Apokalypsy sy ny tantara, nahitako ny vanim-potoana tsirairay, ny faharetan'ny vanim-potoana tsirairay, sy ny anjara sahaniny amin’ny sitrapon'Andriamanitra avy any amin’ny Pentekosta mankany amin’ny fikatonan’ireo vanim-potoana ireo.

Koa satria ianao izao mahatakatra ny fomba hitsarantsika ny toetoetry ny Fiangonana tena marina (dia izy tamin'ny Pentekosta, sy izy tamin'ny andron'ny apôstôly araka izay voalazan’ny Teny ao Amin'ny Bokin'ny Asan'ny Apostoly) dia afaka mampihatra izany fitsipika izany mba hanehoantsika ny fomba nahalavo azy. Ny foto-pahadisoana, na fahadisoana, izay nisoko niditra tao amin’ny fiangonana voalohany dia nambara ao amin'ny Bokin'ny Asan'ny Apostoly sy ny Apokalypsy, ary koa ao amin'ny Epistily dia hita bebe kokoa ny fisehony isaky ny vanim-potoana, mandra-pahatongatsika any amin’ny fampanginana tanteraka ny fahamarinana amin'ny ny farany, na ny vanim-potoan'i Laodikia.

Eto ary, avy amin’ity fanalahidy voalohany azontsika tamin'ny Tompo ity, dia misy fahamarinana kely mahatalanjona iray hafa. Nilaza aho fa ny tena Fiangonana Marina dia miezaka foana mba ho tahaka ny tamin'ny ao amin'ny Bokin'ny Asan'ny Apostoly. Tena marina izany. Fa hitantsika koa fa ny Teny dia mampianatra ny fidiran’ny fahadisoana marobe, mandra-pahatongan’ny fahamaizinan’ny fahamarinana tanteraka amin'ny andro farany rehefa akaiky ny hisehoan’ny Tompo. Ny fanontaniana dia mipetraka ao antsaintsika amin’izao; nafoin’Andriamanitra ve ny Azy ka navelany hilatsaka any fahadisoam-panantenana tanteraka? Tsy misy hidiran’izany, fa hoy ny Soratra Masina izay mazava tsara ao amin'ny Matio 24:24, fa ny olom-boafidy: “TSY afaka ny ho voafitaka.”

“Fa hisy Kristy sandoka hitsangana, sy mpaminany sandoka, ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, hany ka, RAHA AZO NATAO, dia hofitahany na ny olom-boafidy aza.”

Ahoana ary? Ny valiny dia mazava eo anoloantsika. Misy Fiangonana marina sy fiangonana diso. Misy Voaloboka Marina, sy ny Voaloboka tsy izy. Nefa mazava ho azy fa ny fiangonana sandoka, vondron’ny voaloboka sandoka, dia miezaka foana ny haka ny toerana misy ny tena Fiangonana ary milaza izy, fa izy no tena Olom-boafidy azo itokiana. Miezaka ny hamono ny Marina ilay Diso. Izany no mitranga ao amin'ny bokin'ny Asan'ny Apostoly, izany ny fomba hametrahana azy ao amin'ny vanim-potoanan’ny fiangonana fito, ary izany no fomba hanambarana azy amin’ny Epistily samihafa. Izany no fandehany. Ary dia toy izany ankehitriny. Toy izany ny hiafarany. Tsy afaka miova.

----
Ireo fiangonana fito tany Azia Minora miorina hita dia nahitana toetra tao aminy, fahiny, izay lasa vokatra matotra ho an’ny taona tatỳ aoriana. Raha zava-maniry fotsiny no tany aloha dia lasa voa matotra tatỳ aoriana, na i Jesosy aza dia nilaza hoe: “Fa raha manao izany zavatra izany amin'ny hazo maitso izy ireo, inona no hatao amin'ny maina?” Lioka 23:31.

Vakio ny tantara manontolo ao amin'ny...
Ny Taom-Piangonana Efesosy.



Bokin'ny Apokalypsy.
Mitohy tamin'ny pejy manaraka.
Ny vanim-potoanantsika Laodikia.



 


Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.


Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.

  Hoy ny Soratra Masina...

Ary amin'izany andro izany dia tsy hisy mazava, ary ireo mamirapiratra tsy hiseho intsony;

fa hisy andro iray, izay fantatr'i Jehovah, tsy andro na alina; nefa, raha hariva ny andro, dia hisy mazava.

Zakaria 14:6-7


Tsindrio amin’ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


Ny Asan’ilay
Mpaminany.
(PDFs)

God, Hidden and
Revealed in simplicity.

(PDF Anglisy)

William Branham Life
Story.
(PDF Anglisy)

How the Angel came
to me.
(PDF Anglisy)