Iza moa io Melkizedeka io?

<< mialoha

manaraka >>

  Andian-teny velona.

Iza moa io Melkizedeka io?


William Branham.

Vakio ny tantara manontolo ao amin'ny...
Iza moa io Melkizedeka io?

Hebreo 7:1-3,
1 Fa io Melkizedeka io, izay mpanjakan’i Salema sy mpisoron’Andriamanitra Avo Indrindra, - ilay nitsena an’i Abrahama, rehefa niverina avy nandresy ny mpanjaka maro izy ka nitso-drano azy,
2 Sady nomen’i Abrahama ny ampahafolon’ny zavatra rehetra aza, voalohany, raha adika ny anarany, dia Mpanjakan’ny fahamarinana, dia vao Mpanjakan’ny Salema koa, izany hoe: Mpanjakan’ny fiadanana,
3 tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy manana tantaram-pirazanana, tsy manana voalohan’andro na faran’ny fiainana, - fa natao tahaka ny Zanak’Andriamanitra, io Melkizedeka io dia mitoetra ho mpisorona mandrakariva.

Heverinareo ny halehiben’io Olona io, ny halehiben’io Lehilahy io. Ary ankehitriny, mipetraka ny fanontaniana: «Iza io Lehilahy io?» Ireo teolojiana nanana hevitra isan-karazany, fa hatramin’ny fisokafan’ireo Tombo-kase Fito, Ilay Boky izay niafina teo amintsika... Araka ny Apokalypsy 10: 1-7, ny zava- miafina rehetra izay voasoratra ato anatin’ity Boky ity, izay nafenina tamin’ny taonan’ireo mpanavao dia tokony asehon’ny anjelin’ny taonan’ny Fiangonana farany. Firy no mahalala fa marina io? Marina izany. Tokony ho voaseho izy ireny. Ireo zava-miafina rehetra ao amin’ilay Boky saro-patarina dia tsy maintsy voambara amin’ny Iraky ny taonan’ny Laodikia. Ny fahitana fa misy ady hevitra betsaka mikasika an’io Olona io sy ny amin’izany zavatra izany, heveriko fa adidintsika ny handinika izany zavatra izany mba ahitana hoe Iza moa Izy. Betsaka ny hevitra mahakasika Azy. Ny sasany mihevitra fa anganongano Izy, fa tsy tena olona. Ny hafa milaza fa fisoronana izany, ny hoe fisoronan’i Melkizedeka. Ny ankamaroany dia amin’izany hevitra izany satria milaza izy ireo fa fisoronana io. Kanefa, tsy afaka ny ho izany satria, ny andininy fahefatra, milaza fa Izy dia Olona, Lehilahy anankiray. Noho izany, mba hahatonga Azy ho Olona, dia tsy maintsy nanana ny naha-Izy Azy Izy, Lehilahy anankiray. Tsy hoe raharaha, fa Olona anankiray.

Noho izany, Izy dia tsy hoe raharahan’ny fisoronana fotsiny, Izy ihany koa tsy anganongano; fa Olona anankiray. Ary io Olona io dia mandrakizay. Raha mitandrina tsara hianareo, dia tsy nanan-dray, na reny, na voalohan’andro, na fiafarana Izy. Ary na Iza Izy na Iza, dia mbola velona foana anio hariva, satria ny Baiboly milaza eto, fa tsy nanan-dray, na reny, na voalohan’andro, na fiafaran’ny fiainana Izy. Noho izany, tsy maintsy ho Olona mandrakizay io. Marina ve? Olona mandrakizay. Noho izany, tsy afaka ny ho hafa noho ny Olona anankiray io, dia Andriamanitra, satria Izy no hany Tokana mandrakizay - Andriamanitra. Tiako raha vakinareo indray ny I.Timoty 6:15–16, raha ankasitrahanareo. Ankehitriny, ny zavatra hamafisiko, dia ny hoe Andriamanitra Izy, satria Izy ihany no Olona tokana tsy mety maty. Ary izany dia Andriamanitra niova endrika ho Olona anankiray; izay no naha-Izy Azy. Tsy nanan-dray, na reny, na voaloham-piainana, na fiafaran’ny andro.

Ankehitriny, hitantsika ao amin’ireo Soratra fa betsaka no mampianatra fa misy telo no maha-Izy an’Andriamanitra. Kanefa, hianareo dia tsy afaka manana ny maha-izy anareo raha tsy olona anankiray izany. Ilaina ho olona anankiray mba hisian’ny maha-izy azy. Tonga nitady ahy tany amiko ny pastora batista iray, herinandro vitsivitsy izay, na niantso ahy an-tari-by izy raha ny marina ary nilaza tamiko hoe: «Indray andro any raha manana fotoana hianao, dia te-hanitsy anao mikasika ny momba an’Andriamanitra aho!»

Hoy aho taminy: «Manana fotoana aho izao, satria te-ho ao amin’ny marina, ary avelantsika ankilany ny sisa rehetra ho an’izany.» Tonga àry izy ka nilaza tamiko hoe: «Rahalahy Branham, mampianatra hianao fa tsy misy afa-tsy Andriamanitra tokana.» Namaly azy aho hoe: «Eny, tompoko!» Hoy izy: «Eny, mino aho fa misy Andriamanitra tokana, kanefa Andriamanitra olona telo.» Hoy aho hoe: «Ramose, afaka averinao kely ve izany?» Hoy izy: «Andriamanitra olona telo.»

Nanontany azy aho hoe: «Taiza ny sekoly nalehanao?» Hitanareo? Ary nisy kolejy biblika notononiny tamiko. Hoy aho taminy: «Afaka ny hino an’izany aho. Saingy tsy afaka ny ho olona hianao kanefa tsy manana ny maha-izy anao ary raha manana ny maha-izy anao hianao, dia manana ny maha-izy anao noho ny fisianao ihany. Hianao dia vatana miavaka sady olona tokana.» Hoy izy tamiko: «Koa, ireo teolojiana izany no tsy mahay manazava an’izany.» Hoy aho hoe: «Avy amin’ny fanambarana io.» Ary nilaza izy hoe: «Tsy afaka manaiky fanambarana aho.»

Dia hoy aho taminy: «Raha izany, tsy misy fomba ahafahan’Andriamanitra mampahafantatra ny Tenany aminao, satria miafina eo imason’ireo hendry sy ireo manan-tsaina fa voambara amin’ireo zaza madinika - voambara, ny fanambarana - nambara tamin’ireo zaza madinika izay vonona hanaiky an’izany, ny hianatra.» Nampiako hoe: «Tsy hisy fomba ahafahan’Andriamanitra mampahafantatra ny Tenany aminao; manakatona ny tenanao Aminy hianao. Ny Baiboly rehetra dia fanambaran’Andriamanitra. Ny Fiangonana rehetra dia miorina eo ambony fanambaran’Andriamanitra. Tsy misy fomba ahafantarana an’Andriamanitra, raha tsy amin’ny alalan’ny fanambarana: ‘Ireo izay tian’ny Zanaka anambarana Azy’ - ny fanambarana. Ny rehetra dia fanambarana. Noho izany, ny tsi-fanekena fanambarana, dia mahatonga anao tsy hafa noho ny teolojiana mangatsiaka ary tsy misy fanantenana ho anao.»

Ankehitriny, hitantsika fa io Olona io dia tsy nanan-dray, na reny, na voalohan’andro, na fiafaran’ny fiainana. Fa Andriamanitra ‘En morphe’ izany. Io teny grika izay midika hoe ‘miova’ io no nampiasaina; nanova ny Tenany Izy, ‘En morphe’, tamin’ny endrika olona anankiray ho amin’ny… Olona anankiray…. Ny teny grika ‘En morphe’ dia nampiasaina teny amin’ny fampisehoana an-tsehatra izay nisy olona nanova saron-tava mba hahatonga azy ho olon-kafa. Toy ny tany an-tsekoly, vao haingana - inoako fa talohakelin’ny nahazoan’i Rebekah ny maripahaizany izany – naneho ny tantara nataon’i Shakespeare ry zareo. Ary nisy tovolahy tsy maintsy nanova akanjo im- betsaka, satria tsy maintsy nilalao andraikitra roa na telo samy hafa izy, nefa olona anankiray ihany. Nisy fotoana, niseho ho olona ratsy fanahy izy. Ary rehefa niseho izy manarak’izay, dia olon-kafa indray.

Kanefa, ny teny grika ‘En morphe’ dia midika fa nanova saron-tava Izy. Ary izay no nataon’Andriamanitra. Fa Ilay Andriamanitra tsy miova hatrany ihany. Andriamanitra tamin’ny endrika Ray, Fanahy, Andri-afo; io Andriamanitra tsy miova io no tonga nofo ka nonina tamintsika — ‘En morphe’, voaseho tamin’ny fomba nahafahana nahitana Azy Izy. Ary ankehitriny, io Andriamanitra tsy miova io dia ny Fanahy Masina. Ray, Zanaka, Fanahy… Tsy hoe andriamanitra telo, fa andraikitra telo, asa telo nataon’Andriamanitra tokana. 41 Ny Baiboly dia milaza fa misy Andriamanitra tokana, fa tsy telo. Fa toy izany no tsy nahafahan’izy ireo… Tsy afaka hanamboamboatra an’ity hianareo ka hanana andriamanitra telo. Tsy afaka ny handresy lahatra Jiosy hino an’izany mihitsy hianareo, avelao aho hilaza izany aminareo — amin’ny olona izay mahalala kokoa — satria fantany fa tsy misy afa-tsy Andriamanitra tokana.

Mariho, fa tahaka ny mpanao sikotra izay manafina ny asany ao anaty saron-tava. Dia izany no nataon’Andriamanitra amin’izao taona izao. Nafenina izany. Ireo zavatra rehetra ireo dia nafenina ary tokony ho voambara amin’izao taona izao. Ny Baiboly dia milaza fa ho voambara izy ireo amin’ny andro farany. Tahaka ny mpanao sikotra anankiray izay mitahiry miafina tanteraka ny asany mandra-pahatongan’ny fotoana anesorany ny saron-tava ka dia indro ilay izy. Toy izay no naha-izy ny Baiboly. Izany dia asan’Andriamanitra voasarona. Ary nafenina hatramin’ny nanorenana an’izao tontolo izao izany, ilay zava-miafina tamin’ny lafiny fito ary Andriamanitra nampanantena fa amin’izao andro farany izao, ao amin’ny taonan’ity fiangonana Laodikia ity, dia hesoriny ny saron-tava eo amin’ny rehetra ka dia afaka ny hahita izany isika.

Zavatra be voninahitra tokoa izany! Andriamanitra, ‘En morphe’, nisarona tao anaty Andri-afo; Andriamanitra, ‘En morphe’, tao anatin’ny Lehilahy anankiray nantsoina hoe Jesosy; Andriamanitra, ‘En morphe’, ao amin’ny Fiangonany - Andriamanitra teo ambonintsika, Andriamanitra niaraka tamintsika, Andriamanitra ao amintsika, Andriamanitra nanetry ny Tenany. Tany ambony, masina Izy, tsy nisy olona afaka nikasika Azy; niorina teo ambonin’ny tendrombohitra Izy. Ary raha toa ka nisy biby nikasika ny tendrombohitra, dia tsy maintsy maty. Avy teo dia nidina Andriamanitra, niova trano-lay ka nivelona niaraka tamintsika, tonga ho isantsika ary nikasika Azy isika. Ny Baiboly milaza, I.Timoty 3:16 «Ary iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zava-miafina ny amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra: Andriamanitra naseho teo amin’ny nofo» tànana maro no nikasika Azy! Andriamanitra nihinan-kena, Andriamanitra nisotro rano. Andriamanitra natory. Andriamanitra nitomany. Isan’ny anankiray teo anivontsika Izy! Tena hita taratra tokoa ao amin’ny Baiboly izany. Fa ilay Andriamanitra teo ambonintsika, Andriamanitra niaraka tamintsika, ankehitriny, dia Andriamanitra ao anatintsika, ny Fanahy Masina, tsy hoe olona fahatelo, fa Ilay Olona tsy miova!

Nidina Andriamanitra, tonga nofo, maty tao amin’i Kristy mba Ahafahany manadio ny Fiangonana sy miditra ao Anatiny ka hanana fiombonana Aminy. Andriamanitra dia tia ny fiombonana. Izay no antony Namoronany ny olona tamin’ny voalohany: ho amin’ny fiombonana. Andriamanitra dia nitoetra irery niaraka tamin’ireo kerobima. 45 Ankehitriny, mariho. Namorona ny olona Izy ary lavo izany. Nidina àry Izy ka nividy ny olona satria Andriamanitra dia tia ny hotompoina! Ny teny hoe andriamanitra mihitsy dia midika hoe “zavatra natao hotompoina”. Ary izay tonga eo anivontsika amin’ny endrika Andri-afo, toy ny zavatra manova ny fontsika, dia Ilay Andriamanitra tsy miova izay nilaza hoe: «Misia mazava», dia nisy ny mazava! Izy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.

Tamin’ny voalohany, nitoetra irery niaraka tamin’ireo Toetrany Andriamanitra, toy izay efa nolazaiko anio maraina. Ireo Fisainany izany. Tsy nisy na inona na inona, afa-tsy Andriamanitra irery. Kanefa nanana fisainana Izy. Mitovy amin’ny fahafahan’ny mpanao trano lehibe anankiray mandinika sy manao sary an-tsaina izay zavatra eritreretiny amboarina na atsangana. Kanefa, tsy afaka mamorona izy; afaka maka zavatra anankiray efa voaforona izy ka manome azy endrika hafa indray, satria Andriamanitra no hany Tokana mpamorona. Fa mieritreritra izay hataony izy, ary ireo no fisainany, ireo no katsahany. Fisainana àry izany ka, rehefa asehony, dia tonga teny, ary ny teny dia… Ny fisainana, rehefa voaseho io, dia teny anankiray. Ny fisainana voaseho dia teny. Fa tsy maintsy fisainana aloha izany. Noho izany, toetran’Andriamanitra ireo; avy eo dia lasa fisainana ary izay vao teny.

Mariho, ireo izay manana, anio hariva, Fiainana mandrakizay, dia efa niaraka Taminy sady tao Aminy, tao anatin’ny Fisainany, talohan’ny nisian’ny anjely, ny kintana, ny kerobima na izay mety zavatra hafa koa. Izany, izay no maha-mandrakizay. Ary raha manana Fiainana mandrakizay hianareo, dia efa nisy foana hatrizay. Tsy hoe ny vatanareo ety, fa ilay endrika nisy an’Andriamanitra tsy misy fetra… Raha toa misy fetra Izy, dia tsy Andriamanitra.

Andriamanitra dia tokony tsy ho voafetra. Isika dia voafetra; Izy no tsy voafetra. Ary Izy dia manatrika amin’ny toerana rehetra, mahafantatra ny zavatra rehetra, ary mahery amin’ny toerana rehetra. Raha tsy izany Izy, dia tsy afaka ny ho Andriamanitra. Mahafantatra ny zavatra rehetra Izy sy ny toerana tsirairay, noho ny Fahafantarany ny zavatra rehetra. Ny fahafantarana ny zavatra rehetra no mahatonga Azy manerana ny toerana rehetra. Izy dia Vatana; fa tsy tahaka ny rivotra. Vatana Izy; mitoetra ao an-trano, saingy noho ny Fahafantarany ny zavatra rehetra, mahalala ny zavatra rehetra, izany no mahatonga Azy manerana ny toerana rehetra, satria mahalala izay rehetra mitranga Izy. Tsy afaka ny hisy parasy manakipy maso raha tsy efa Fantany rahateo. Ary Izy dia efa nahalala talohan’ny nisian’izao tontolo izao, ny hoe impiry izy io no hanakipy maso sy ny isan’ny jabora mety hanany. Izany, izay ny hoe tsy voafetra. Tsy afaka ny hahatakatra izany ato an-tsaintsika isika, fa Andriamanitra izany, ny maha-tsy manam-petra an’Andriamanitra.

Vakio ny tantara manontolo ao amin'ny...
Iza moa io Melkizedeka io?


  Hoy ny Soratra Masina ...

Ary hiteraka zazalahy izy, ary ianao hiantso ny anarany hoe JESOSY: fa izy no hamonjy ny olony amin’ny fahotàn’izy ireo.

Ary izany rehetra izany dia natao mba aha-tanteraka izay voalazan’ny Tompo tamin’ny mpaminaniny hoe,

Indro hitoe-jaza ny virijiny, ary hiteraka zazalahy, ary ny anarany atao hoe ‘Imanoela’ izay adika hoe Andriamanitra amintsika.

Matio 1:21-23


Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.

Tsindrio ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


Ny Asan’Ilay
Mpaminany.
(PDF's)

Meriba. Rano avy
amin'ny Vatolampy.

Teo aloha...

Avy eo...

William Branham Life
Story.

(PDF Anglisy)

How the Angel came
to me.
(PDF Anglisy)

Pearry Green personal
testimony.

(PDF Anglisy)

Marriage and Divorce.

(PDF Anglisy)


Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.