Batisan’ny Rano.


  Boky misy Fanambarana mifanesy.

Ny Fanambaran'i Jesosy Kristy.


William Branham.

Vakio ny tantara feno ao amin'ny....
Ny Fanambaran'i Jesosy Kristy.

Manaiky aho amin’izao andro izao fa ilaina ny fanambaràna avy amin’ny Fanahy Masina mba ahitàna ny marina momba ny Maha-Andriamanitra izay isika dia eo anivon’ny fanodikodinana ny Soratra Masina. Fa ny fiangonana naharitra, sy naharesy dia miorina eo amin’ny fanambaràna, noho izany isika afaka manantena an’Andriamanitra is haneho ny Fahamarinany amintsika.

Kanefa na izany aza dia tsy tena mila fanambaràna ianao ny amin’ny batisan’ny rano. Efa eo io ary mibanjina anao tsara izy. Mety hisy iray minitra ve ny nampivily ny apostoly niala tamin’ny baiko mivantana avy amin’ny Tompo hanao batisa amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina ary avy eo dia nahita azy ireo ninia tsy nankat.? Fantatr’izy ireo ilay Anarana, ary tsy misy toerana iray ao amin’ny Soratra Masina izay nanaovan’izy ireo batisa tamin’ny fomba hafa afa-tsy tamin’ny Anaran’i Jesosy Kristy Tompo.

Ny saina mieritreritra dia milaza aminareo fa ny Bokin’ny Asan’ny Apostoly dia ny fiangonana amperin’asa, ary raha nanao batisa tahak’izany izy ireo, noho izany dia izay no fomba hanaovana batisa. Ary raha mieritreritra ianareo fa mafy izany, inona ny hevitrareo momba izany? Na iza na iza tsy vita batisa tamin’ny Anaran’i Jesosy Tompo dia tsy maintsy natao batisa indray.

Asan’ny Apostoly 19:1-6,
“Ary rehefa afaka izany, dia, raha mbola tany Korinto Apolosy, Paoly dia nandalo ny morontsiraka ambony ary tonga tany Efesosy ka nahita mpianatra sasany teo izy, dia hoy izy tamin’izy ireo: Nandray ny Fanahy Masina ve ianareo hatramin’izay ninoanareo? Ary hoy izy ireo taminy: tsy mbola nahare izahay fa misy Fanahy Masina. Ary hoy izy tamin’izy ireo: ho amin’inona ary no nanaovana batisa anareo? dia hoy ireo: ho amin’ny batisan’i Jaona. Fa hoy Paoly: Marina fa Jaona nanao ny batisan’ny fibebahana, ary nilaza tamin’ny olona, mba hino Ilay ho avy manaraka azy, izany dia, i Kristy Jesosy. Ary raha nahare izany izy ireo, dia natao batisa tamin’ny Anaran’i Jesosy Tompo. Ary rehefa nametraka ny tànany teo amin’izy ireo Paoly dia tonga teo amin’izy ireo ny Fanahy Masina, ary niteny tamin’ny teny tsy fantatra izy ireo sady naminany.”

Izay ilay izy. Ireo olona tsara tany Efesosy ireo dia nandre momba ny Mesia ho avy. Jaona nitory Azy. Natao batisa izy ireo ho amin’ny fibebahana ny fahotana, MIANDRANDRA ny finoana an’i Jesosy. Fa ankehitriny dia tonga ny fotoana HITODIHANA amin’i Jesosy sy hanaovana batisa ho FAMELAN-KELOKA. Tonga ny fotoana handraisana ny Fanahy Masina. Ary rehefa vita batisa tamin’ny Anaran’i Jesosy Kristy Tompo izy ireo, i Paoly dia nametraka ny tanany teo amin’izy ireo ary ny Fanahy Masina dia tonga teo amin’izy ireo.

Oh, ireo olona tany Efesosy dia olona tsara; ary raha misy olona nanan-jo tsy hanana ahiahy, dia izy ireo. Mariho ny fomba nahatongavan’izy ireo avy lavitra. Tonga tamin’ny lalana rehetra ho amin’ny fanekena ny fiavian’ny Mesia izy ireo. Vonona izy ireo ny Aminy. Fa tsy hitanareo va fa na dia teo aza izany dia tsy nahita Azy izy ireo? Tonga Izy fa lasa avy eo. Mila natao batisa tamin’ny Anaran’i Jesosy Kristy Tompo izy ireo. Mila ny fahafenon’ny Fanahy Masina izy ireo. Raha efa vita batisa amin’ny Anaran’ny Jesosy Kristy Tompo ianao, Andriamanitra dia hameno ny Fanahiny aminao. Izany no ny Teny.

Asan’ny Apostoly 19:6 izay novakiantsika dia ny fanatanterahana ny Asan’ny Apostoly 2:38,
“Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa ianareo amin’ny anaran’i Jesosy Kristy ho famelàna ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina.”

Jereo, i Paoly, noho ny Fanahy Masina, dia nilaza izay nolazain’i Petera tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Ary izay voalaza dia TSY AZO ovàna. Tsy maintsy mitovy hatramin’ny Pentekosta mandra-pahatongan’ny voafidy iray farany hatao batisa.

Galatianina 1:8,
“Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy.”

Ary ankehitriny ny sasany aminareo ao amin’ny Oneness (Mpitambatra hoy Iray) dia manao batisa diso ny olona. Ianareo manao batisa ho an’ny fiterahana indray tahaka ny fandrobohana ao anaty rano no mamonjy anareo. Ny fahaterahana indray dia tsy tonga amin’ny rano; izany dia ny asan’ny Fanahy. Ilay lehilahy izay nahazo baiko avy amin’ny Fanahy Masina no nanome ny baiko “Mibebaha ianareo ary aoka samy hatao batisa amin’ny Anaran’ny Jesosy Tompo,” tsy milaza hoe ny rano no maha-teraka indray. Hoy izy hoe izany dia porofo ihany ny amin’ny “fieritreretana tsara eo anatrehan’Andriamanitra.” Izany ihany.

1 Petera 3:21,
“Izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa, izay tenan’io tandindona io, (tsy ny fanesorana ny fahalotoan’ny nofo anefa, fa ny fitadiavana ny fieritreretana tsara eo anatrehan’Andriamanitra), amin’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty.”
Mino izany aho.

Raha misy olona manana hevi-diso fa ny tantara dia afaka manaporofo batisan’ny rano amin’ny fomba hafa nohon’ny tamin’ny Anaran’i Jesosy Kristy Tompo, dia manoro hevitra anao aho mba hamaky ny tantara hahitanao manokana izany. Toy izao ny marina ny firaketana an-tsoratra momba ny Batisa, izay natao tany Roma AD 100 ary navoaka tao amin’ny TIME Magazine ny 5 Desambra, 1955.

“Ny diakona nanangana ny tànany, ary Publius Decius nanantona ny varavarana fanaovana batisa. Mijoro hatreo amin’ny andilany milentika ao anty rano i Marcus Vasca mpivaron-kazo. Nitsiky izy raha niditra tao anaty rano teo akaininy i Publius. “Credis?” hoy izy nanontany. “Mino ianao?,” namaly Publius. “Mino aho fa ny famonjena ahy dia avy amin’i Jesosy ilay Kristy, Ilay nohombohana tamin’ny hazo fijaliana tamin’ny andron’i Pontio Pilato. Miaraka Aminy dia maty aho ary miaraka Aminy mba hanana ny Fiainana Mandrakizay aho.” Dia nahatsapa sandry mafy izy nanohana azy ka navelany nilofika tany aoriana ny tenany nilentika tao anaty rano, ka nandre ny feon’i Marcus teo antsofiny -- “Izaho manao batisa anao amin’ny Anaran’i Jesosy Tompo -- ilay rano mangatsiaka dia nandrakotra azy.”

Mandra-pahatongan’ny fahamarinana ho very (ary tsy mbola niverina mandraka izao vanimpotoana farany izao -- izany dia avy ao Nisea mandraka izao taonjato izao) izy ireo dia nanao batisa amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy Tompo. Ary niverina indray izany. I Satana tsy afaka manakana ny fanambaràna raha ny Fanahy te hanome izany.

Eny, raha misy Andriamanitra telo, dia azonareo atao tsara ny manao batisa ho an’ny Ray, sy ny Zanaka, ary ny Fanahy Masina. Fa ny FANAMBARANA NOMENA AN’I JAONA dia ANDRIAMANITRA IRAY no misy, ary ny Anarany dia JESOSY KRISTY TOMPO, ary ny batisa ataonareo dia ho an’Andriamanitra IRAY ihany. Izany no antony nanaovan’i Petera batisa nataony tamin’ny Pentekosta. Tsy maintsy marina tamin’ny fanambaràna nisy izy “Aoka ny taranak’Israely rehetra ahafantatra marimarina, fa Andriamanitra efa nanao INY JESOSY INY, izay nohombohanareo tamin’ny hazo fijaliana, ho SADY TOMPO NO KRISTY.” Ao no misy Azy “JESOSY KRISTY TOMPO.”

Raha Jesosy dia “SADY” Tompo no Kristy, noho izany Izy dia (Jesosy) tsy afaka ny ho hafa afa-tsy ny “Ray, Zanaka, ary ny Fanahy Masina” ao amin’ny olona IRAY niseho teo amin’ny nofo. TSY “Andriamanitra ao amin’ny olona telo, Trinite Sambatra” FA ANDRIAMANITRA IRAY, OLONA IRAY amin’ny anaram-boninahitra lehibe telo, amin’ny asa telo maneho ireo anaramboninahitra ireo. Henoy indray ary. Iny Jesosy iny ihany no “Tompo SADY Kristy.” Tompo (Ray) sy Kristy (Fanahy Masina) dia Jesosy, satria Izy (Jesosy) dia izy ROA (Tompo sy Kristy).

Raha tsy mampiseho amintsika ny tena fanambaràna ny maha Andriamanitra izany, dia tsy misy hafa intsony. Ny Tompo iray TSY iray hafa akory; Kristy dia TSY iray hafa. Io Jesosy io no Tompo Kristy Jesosy, -- ANDRIAMANITRA IRAY. Indray andro Filipo dia nanao tamin’i Jesosy hoe “Tompo ô, asehoy anay ny Ray dia ampy ho anay izay.” Jesosy nanao taminy hoe: “Efa ela no niarahako taminareo dia mbola tsy fantatrareo ihany Aho? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray, koa nahoana ianao no manao hoe: Asehoy anay ny Ray? Izaho sy ny Ray dia Iray.”

----
Tsy afaka mametraka an’Andriamanitra ao antin’ny olona telo ianao na ampahany telo. Tsy afaka hiteny amin’ny Jiosy ianao fa misy ny Ray, sy ny Zanaka, ary ny Fanahy Masina. Avy hatrany dia hilaza aminao izy ny nihavian’izany hevitra izany. Ny Jiosy mahalala fa izany fanekem-pinoana izany dia naorina tao amin’ny Filan-kevitra Nisea. Tsy mahagaga izy ireo raha maneso antsika ho toy ny jentilisa.

Miresaka momba ilay Andriamanitra izay tsy miova isika. Mino izany koa ny Jiosy. Saingy ny fiangonana efa nanova ilay Andriamanitra tsy miova avy amin’ny IRAY mankany amin’ny TELO. Fa ny fahazavàna miverina amin’ny andro hariva. Tena manaitra fa izany fahamarinana izany dia tonga rehefa miverina any Palestina ny Jiosy. Andriamanitra sy i Kristy dia IRAY. Iny Jesosy iny dia SADY TOMPO NO KRISTY. Jaona nandray ny fanambaràna, ary JESOSY ilay Fanambaràna, mamoaka ny Tenany Izy eto ao amin’ny Soratra Masina - “IZAHO no Ilay Taloha, Ankehitriny, ary Ilay Ho Avy, dia ny Tsitoha. Amena.”

Raha tsy takatrao ny fanambaràna, karoy sy tadiavo Andriamanitra momba izany. Izay ihany no fomba handraisanao azy. Ny fanambaràna dia tsy maintsy avy amin’Andriamanitra. Tsy tonga avy amin’olombelona na oviana na oviana izany, na fanomezana voajanahary, fa fanomezana Ara-panahy. Azonao atao mihitsy aza ny mitadidy Soratra Masina, ary na dia mahatalanjona aza izany, tsy mahavita azy izany. Tsy maintsy fanambaràna avy amin’Andriamanitra. Izao no voalaza ao amin’ny Teny, tsy misy mahay manaiky hoe Jesosy no Kristy afa-tsy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Tsy maintsy mandray ny Fanahy Masina ianao izany, rehefa afaka izany, ny Fanahy afaka manome anao ny fanambaràna fa i Jesosy no Kristy: Andriamanitra, ilay Iray Voahosotra.

Tsy misy olona mahafantatra ny zavatra momba an’Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin’Andriamanitra, sy izay tian’ny ny Fanahin’Andriamanitra hanambaràna izany. Mila miantso an’Andriamanitra isika ho an’ny fanambaràna mihoatra noho ny zavatra hafa eto amin’izao tontolo izao. Efa nanaiky ny Baiboly isika, nanaiky ny fahamarinana lehibe ao aminy, kanefa mbola tsy tena marina amin’ny ankamaroan’ny olona izany, satria ny fanambaràna amin’ny alalan’ny Fanahy dia tsy tao. Ny Teny dia tsy novelomina. Ny Baiboly milaza ao amin’ny 2 Korintiana 5:21 fa efa tonga fahamarinan’Andriamanitra isika nohon’ny firaisantsika amin’i Jesosy Kristy. Azonareo ve izany? Izao no voalaza, ISIKA NO TENA FAHAMARINAN’ANDRIAMANITRA IZY TENANY satria AO AMIN’ I KRISTY. Voalaza fa Izy (Jesosy) dia tonga OTA ho antsika. Tsy milaza io fa Lasa mpanota Izy, fa tonga OTA ho antsika tamin’ny firaisantsika Aminy dia lasa FAHAMARINAN’ Andriamanitra isika.

Raha manaiky ny zava-misy isika (ary tsy maintsy) fa lasa OTA ara-bakiteny ho antsika Izy tamin’ny alalan’ny Nisolony toerana antsika, dia tsy maintsy manaiky koa isika fa amin’ny fifandraisantsika Aminy dia tonga Ny TENA FAHAMARINAN’ANDRIAMANITRA isika. Ny mandà ny iray dia mandà ny hafa. Ny fanekena ny iray dia fanekena ny hafa. Fantatsika ary fa ny Baiboly no milaza izany. Tsy azo lavina izany. Fa ny fanambaràna mahakasika izany dia tsy ao. Tsy tena misy izany amin’ny ankamaroan’ny zanak’Andriamanitra. Izany dia toa andininy tsara fotsiny ihany ao amin’ny Baiboly. Fa tokony hanana izany VELONA isika ho antsika. Izany no handraisana ny fanambaràna.

Vakio ny tantara feno ao amin'ny....
Ny Fanambaran'i Jesosy Kristy.


  Hoy ny Soratra masina...

Koa aoka ho fantatry ny taranak'Israely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana iny dia efa nataon'Andriamanitra ho Tompo sy Kristy.

Ary raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin'i Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no hataonay?

Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina;

fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an'izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin'i Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy.

Asan’ny Apostoly 2:36- 39



Ny Bokin’ny Fanambarana
Mitohy tamin'ny pejy manaraka.
(Ilay Fahitana tao Patmo.)



Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.


Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.

Tsindrio ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


Asan’Ilay Mpaminany

(PDFs)

Marriage and
Divorce.

(PDF English)

Teo aloha...

Avy eo...

William Branham Life
Story.

(PDF Anglisy)

How the Angel came
to me.
(PDF Anglisy)