Tombokase Faha-efatra.

<< mialoha

manaraka >>

  Andian'ny Tombokase Fito.

Mpitaingina soavaly hatsatra.


William Branham.

Vakio ny kaonty feno in...
Fourth Seal. (PDF Anglisy)

Ankehitriny, miezaka ny hanao ny tsara indrindra aho ankehitriny, ary raha misy zavatra… miditra eto amintsika, izay manao izay hidirany, ary.... Ankehitriny dia hanandrana isika anio alina, amin'ny alalan ‘ny fahasoavan'Andriamanitra, haka ity tombokase faha-efatra ity ary hahita izay holazain'ny Fanahy Masina amintsika. Ankehitriny dia hamaky ny Apôkalypsy toko faha-6 aho ka manomboka amin'ny andininy faha-7 (Faha-7 sy faha-8). Misy andininy roa foana. Ny voalohany dia ny filazàna, ary ny andininy faharoa dia izay hitany.

Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahefatra, dia reko ny feon'ilay Biby fahefatra nanao hoe: Avia jereo. Ary nijery aho, indro, soavaly hatsatra; ary ny anaran’ilay nitaingina azy dia Fahafatesana, ary nanaraka azy ny Helo… Ary nomena azy ireo ny fahefàna hamely ny faritra efatra ambonin'ny tany, hamono amin'ny sabatra, sy ny hanoanana, ary ny fahafatesana, ary... bibidia amin’ ny tany.

Tompo ô, ankehitriny ampio izahay ankehitriny mba hahatakatra an‘io. Io dia misitery.

Ankehitriny, jery todika kely fotsiny hanamafisana, toy ny nataontsika tamin'ny vanimpotoanan’ny fiangonana, ireo mpitaingina soavaly, sy ny famahana ireo tombokase ireo. Ankehitriny, dia tonga ao an-tsaintsika izany, miresaka kely isika mandra-pahatongantsika mahatsapa fa fotoana tokony hiresahana.... Ankehitriny. Hitantsika izao fa ny famahana ny tombokase, dia ny boky misy tombo-kase tombokasen’ny fanavotana. Ary avy eo dia niorina toy ny horonam-boky ilay boky, toy ny fomba taloha. Izany dia tsy tahaka ny karazan’ity boky ity, satria vao haingana no nidirany, ireo karazana boky ireo, farany. Oh, heveriko fa dimampolo amby zato taona na roan-jato. Ary avy eo dia haorin'izy ireo izany, ary avelany hivoaka ny sisiny, arak' izay noteneniko anareo ny fomba nanaovana azy, sy ny Soratra Masina, izay hita ao amin'ny Jeremia izany, sy ny sisa. Avy eo ny manaraka dia miodina ary ny sisiny mivoaka tahaka izany. Ary tombokase ny tsirairay, ary ilay boky dia ny tombo-kase fito. Ary izany dia... tsy misy olona... fony izy ireo.... Izany dia Boky fanavotana fito no misy tombokase. Mamelà ahy.

Ary tamin'izany dia tsy nisy na iza na iza tany an-danitra na tety an-tany na ambanin'ny tany hanokatra izany na hijery izany. Ary nitomany i Jaona satria tsy afaka ny hahita olona izy. Satria raha tsy nalaina teo an-tanan’ilay tompony tany am-boalohany izany boky izany, izay nahavery azy tamin’i Adama sy Eva, ary nihemoran’izy ireo rehefa nolaviny ny Teny (ny fampanantenana, ny lovan’izy ireo)... Tadidio fa nifehy ny tany izy ireo. Karazana Andriamanitra izy, satria zanak'Andriamanitra, ary zanak'Andriamanitra iray dia karazana Andriamanitra. Izany dia tsy mifanohitra amin'ny Soratra Masina. Fantaro fa toa hafahafa izany, saingy hoy i Jesosy: “Raha miantso azy ireo ianareo izay nahatongavan’ny Tenin'Andriamanitra....” Ary amin’ny inona ny Tenin'Andriamanitra no tonga? Ireo mpaminany. “Raha miantso azy ireo andriamanitra ianareo izay ny Tenin’Andriamanitra tonga tao aminy, nahoana no miapanga ahy ianareo raha milaza aho fa Izaho no Zanak’Andriamanitra.” Hitanareo?

-----
Ankehitriny, ny alina lasa teo isika dia nanana ny fanokafana ny tombokase fahatelo. Voalohany dia ny soavaly fotsy, ary ny manaraka dia soavaly mena, ary avy eo soavaly mainty. Ary hitantsika fa ireo mpitaingina azy dia ilay mpitaingina azy ihany amin ‘ny fotoana rehetra. Ary voalohany indrindra dia izany no antikristy. Tsy nanana satro-boninahitra izy, fa nahazo iray izy taty aoriana. Ary fantantsika avy eo fa nomena sabatra izy hanala ny fihavanana amin'ny tany, ary mahalala isika fa nanao izany izy. Dia niditra izy miaraka amin'ny foto-pampianarana (dôgma) hahazoana ny fiangonana miaraka amin’ny vola, amin'ny alalan’ny fandanjana denaria iray amin' ity ary denaria roa amin’iry. Fa noraràna izy tsy hikasika ny menaka sy ny divay, izay kely sisa tavela. Ary avy eo isika omaly alina nijanona teo teo amin'ilay fanoharana momba ny menaka sy ny divay, ary ny fiantraikany nanan’izany. Mety ho somary mivantambatana ny fahenoana izany, saingy izay no tena marina.

-----
Tsarovy, raha naseho ny fahamarinana, ny fahamarinana koa dia voamarina. Andriamanitra tsy tapaka.... Na manao ahoana na manao ahoana ny mety ho fahakingan-tsainan’ilay olona, ny mety ho faharanitan-tsainany, raha tsy tohanan’Andriamanitra izay lazainy, dia misy zavatra tsy mety. Marina izany, satria io ilay Teny. Ary rehefa nivoaka teo ambanin'ny fanahin'Andriamanitra i Mosesy ka nanao hoe, “Avelao ho tonga ny lalitra” dia tonga ny lalitra. Ary hoy izy: Avelao ho tonga ny sahona; dia tonga ny sahona. Ahoana raha hoy izy hoe: “Avelao ho tonga ny lalitra” kanefa fa tsy tonga izy ireo? Hitanareo? Noho izany dia tsy nilaza ny tenin'ny Tompo izy. Ny hany nolazainy dia... ny teniny ihany no nolazainy.

Mety ho nieritreritra izy fa tokony hisy lalitra, nefa tsy nisy lalitra na dia iray aza satria tsy nolazain'Andriamanitra taminy izany. Ary rehefa miteny aminao Andriamanitra ary milaza hoe: “Mandehana ataovy izao, fa hiaraka aminao Aho, satria Teniko izany,” ary Asehony ao amin'ny Baiboly izany, avy eo Andriamanitra dia mijoro ao ambadik’izany. Fa raha tsy voasoratra ao amin’ny Tenin'Andriamanitra izany, mjoro ambadik’izany ihany Andriamanitra na dia izany aza, raha Tenin’andriamanitra izany, hitanareo. Ary avy eo raha ivelan' izany, dia ambara amin'ny mpaminany izany. Fantatsika fa ny mistery rehetra an'Andriamnitra dia ny mpaminany ihany no ampahafantarina azy. Amosa 3:7.

-----
Ankehitriny, rehefa nosokafanny Zanak'ondry ny tombokase faha-efatra.... aleo hijanona eo isika ankehitriny- ny tombokase faha-efatra. Eto, iza no nanokatra azy io? Ilay Zanak'ondry. Nisy olon-kafa mendrika ve? Tsy nisy olon-kafa afaka nanao izany. Tsia. Ilay Zanak'ondry dia nanokatra ny tombokase faha-efatra, ary ilay biby faha-efatra (ilay zava-manan'aina toy voromahery), nilaza tamin’i Jaona, “Avia jereo ny nafenin’ny mistery faha-efatra ny amin'ny drafitry ny fanavotana ato amin'ity boky ity” satria nanokatra izany ilay Zanak'ondry. Raha atao amin’ny teny hafa, dia izany no nolazainy. “Misy zava-miafina faha-efatra tao. Nasehoko anareo tamin’ny famantarana.” Ankehitriny i Jaona, tsy fantatro na azony na tsia izany, fa nosoratany izay zavatra hitany. Saingy zava-miafina izany, noho izany dia nosoratany izay hitany. Namaky ny tombokase ny Zanak'ondry, ary mbola tsy hanambara izany Andriamanitra. Navela ho amin’ny andro farany izany, hitanareo.

Ankehitriny, manana famantarana (symbole) isika, ary efa nohadihadintsika izany, ary tsara tokoa indraindray, hitanareo. Fa fantatsika ny fandrosoany. Saingy amin’izao, amin'ny andro farany dia afaka manao jeri-todika isika mba ahitàna izay nisy azy. Ary noho izany dia tokony ho vita teo izany amin’ny faran'ny vanim-potoan'ny fiangonana, alohan'ny fampakarana. Fomba ahoana no hahitan'ny olona ny fiangonana handalo ny fotoam-pahoriana, tsy fantatro. Fa... inona no tsy maintsy handalovany ny fahoriana, kanefa tsy manana fahotàna izy? Ny tiako holazaina dia... tsy ny fiangonana no tiako ho lazaina; handalo ny fahoriana ny fiangonana. Fa miresaka ny ampakarina aho. Tsy manana fahotàna manohitra azy mihitsy ny ampakarina. Izany dia efa voadio, ary tsy misy na dia fofon’izany aza- tsy misy tavela. Tonga lafatra eo anatrehan'Andriamanitra izy ireo. Koa inona no azon’ny fahoriana atao hanadiovana azy ireo? Fa ny hafa handalo. Mandalo fahoriana ny fiangonana; fa tsy ny ampakarina. Ankehitriny, dia mandray izany amin'ny karazana tandindona isan-karazany.... Ny fiangonana, i Noah - izany no mitovitovy tamin'ilay karazana - nandeha nitohy tamin'ny fahotàna, hitanareo. Ary lasa izy ireo, fa i Enoka no nandeha voalohany. Izany no karazana ny amin’ny olo-masina izay handeha alohan'ny fotoan'ny fahoriana.

-----
Ankehitriny, mariho, tsy misy amin’ireo mpitaingina hafa... tsy misy amin’ireo soavaly hafa, na nisy fotoana tamin’ny nandehananan’io mpitaingina io, izy ireo dia tsy nanana... tsy nanana anarana izany lehilahy izany. Fa ankehitriny izy dia antsoina hoe Ny fahafatesana. Tsy voalaza.... Efa miseho izy ankehitriny. Ny maha-izy azy, dia fahafatesana. Ahoana no ahafahantsika hijanona amin’izany hanaovana azy ho toriteny toriteny! Fa ny zavatra rehetra manohitra, manohitra ny tena izy, dia tsy maintsy fahafatesana satria roa ihany ny antony misy. Izany dia fiainana sy fahafatesana. Ary izany no manaporofo fa ny fanambaràn'ny Fanahy Masina amin'izao vanin'andro izao dia tena ny marina. Ny mpanohitra, izy dia fahafatesana, satria ny Teny (ho hitantsika eto ao aoriana) no fiainana, jereo. Ary ity lehilahy ity dia nantsoina hoe Ny fahafatesana.

-----
Ankehitriny, jereo. Jereo ao amin'ny Baiboly eto. Nambarany fa ny anarany dia Helo... Ny tiako ho lazaina dia Fahafatesana ny anarany, ary ny Helo nanaraka azy. Ankehitriny ny helo dia manaraka foana ny fahafatesana amin'ny ara-boajanahary. Rehefa maty ny olombelona ara-boajanahary dia manaraka azy ny helo. Izany dia ny fasana, Hadesy, jereo. Ao amin'ny voajanahary izany. Fa ao amin'ny ara-panahy kosa dia farihy afo, hitanareo. Eny ary. Fisarahana mandrakizay izany, izay toerana handoroana azy ireo. Ary ny Malakia 4 dia milaza fa tsy hamela na dia tapak’ahitra na sampana, na zavatra hafa. Io no làlan'izao tontolo izao hanadiovany ny tenany indray ho an'ny Arivo Taona, hitanareo.

-----
Mariho. Aiza no alehan’ireo rehetra ireo? (Ankehitriny, mino aho fa manana tokony ho roa ambinifolo na telo ambinifolo minitra eo ho eo isika izao.) Jereo ny alehan’izany rehetra izany. Inona izany? Miverina teo amin’ ny fomba tany aloha izany. Nanomboka tany an-danitra izany. Tonga tamin'ny fotoanan’ny ady farany. Ny zavatra voalohany tao an-danitra dia ady. Voaroaka Losifera ary tonga tety an-tany. Dia nandoto an’i Edena. Avy eo dia nandoto foana izy hatramin'izay. Ary ankehitriny, avy amin'ny ady any an-danitra, dia tonga amin'ny ady ety an-tany, ary izany dia tsy maintsy ho vita eto an-tany amin'ny fotoana farany ao amin'ny ady antsoina hoe Aramagedona. Iza moa mahalala an'izany. Nanomboka tany an-danitra ny ady. Masina, ka dia noroahina izy ireo ry zareo. Mikaela sy ireo anjeliny no nanongana azy ireo dia... nandositra nivoaka. Ary rehefa nanao izany izy ireo, dia nidina tany Edena, ary teo no nanomboka ny ady tety.

-----
Ankehitriny, nanomboka tany an-danitra ny ady. Ho vita eto an-tany izany amin'ny endrika Aramagedona. Ankehitriny, andeha hijery sy hamelabelatra izany isika. Angamba afaka mamelatra izany isika. Ampian’ny Tompo isika izao hanao izany. Jereo ny fivelarany. Ilay mpitaingina mistery (jereo izay ataony ankehitriny) manohitra, tsy nety nibebaka sy hiverina amin'ilay Teny rà tany am-boalohany. Ilay Teny dia tonga rà sy nofo. Tsy nety nandeha niverina tamin'izany izy. Izy no antikristy. Ilay tena Teny ampakarina.... Manohitra ny tena Teny ampakarina Izy. Maka ny ampakariny manokana izy (manohitra an' ity virjiny tena izy ity) ary nalainy ny fofombadiny manokana ka mitondra azy eo aminy amin'ny endrika fivavahana antsoina hoe foto-pinoana sy foto-pampianarana, hitanareo. Ary ankehitriny izy, mahita ny ampakarina masina, manohitra azy izy. Kanefa mamorona ny ampakariny manokana izy - antsoina hoe antikristy - amin’ny fampianarana antikristy, izay mifanohitra amin'i Kristy. Hianareo ny maha-fetsy azy? Ary ankehitriny, raha tokony ho ny fivavahana voafehin’ny fitiavana eo ambanin'ny rà, dia manana antoko-piangonana izy. Raha tokony ny Teny no nananany, dia ny foto-pinoana (credo), foto-pampianarana (dogme), sy ny sisa no noraisiny.

-----
Jereo... manangona azy ireo amin'ny soavaly manana loko mifangaron’izy ireo, hitanareo. Hangoniny miaraka ny azy- mifangaro amin'ny foto-pinoana, antokom-pivavahana, fampianarana nataon'olombelona. Tsy marina ve izany? Eny, loko mifangaro - ny loko mifangaron’ny fahafatesana, soavaly hatsatr’izao tontolo izao. Ankehitriny, marina izany loko mifangaron'ny fahafatesana, endrik’izao tontolo izaon’ilay soavaly hatsatra. Indrisy! Tsy misy ny rà masin'ny Teny mihitsy. Ary jereo, avy amin'ny zorony efatra amin'ny tany, angoniny izy ireo. Angonina izy ireo ho amin’ny Aramagedona, hoy ny Baiboly. (Miezaka ny mieritreritra ireo Soratra Masina aho. Ananantsika voasoratra eto izany. Tsy hiantso azy ireo aho afa-tsy... amin’izay toerana nanoratana azy ireo - jereo hoe inona izy ireo.) Angonina izy ireo ho amin' ilay andro lehiben'ny adin'ny Tompo Andriamanitra. Miambena!

-----
Ankehitriny, tonga miaraka izy rehetra, manatona izany fampisehoana izany, mankany amin’ny Aramagedona ary mitaingina soavaly mifangaro loko- miaraka amin'ny soavaly fotsy iray, soavaly iray mena, soavaly iray mainty- ny politika telo samihafa... hery politika, hery ara-panahy fehezin'ny fahefàn’ ny demonia dia ny antikristy. Mifangaro izany rehetra izany dia mahazo hatsatra ianareo, zavatra farofy taingenany. Marina izany. Mariho izao. Jereo izay taingenany: io soavaly miloko hatsatra io, soavaly hatsatra, mifangaro amin'ny mainty, mena ary fotsy, tonga amin’ny ady, manangona ny olom-peheziny avy amin'ny firenena rehetra ambanin'ny lanitra izy. Tsy nandika ny nofy ve i Daniela ary nahita ilay marika vy nandeha tamin'ny fanjakana rehetra, tany Roma? Eto izy ireo dia tonga, miangona. Ankehitriny, mipetraha mandritra ny minitra vitsy monja, ary henoy tsara. Miangona izy ireo ankehitriny hanao izany, mitondra ny azy avy amin’ny vazan-tany efatra, mitaingina soavaly miloko hatsatra, farofy, soavaly miloko telo mifangaro- lehilahy iray ihany.

Vakio ny kaonty feno in... Fourth Seal. (PDF Anglisy)



Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.


Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.

  Hoy ny Soratra Masina ...

Ary nijery aho, indro, nisy rahona fotsy, ary teo ambonin'ilay rahona dia nisy iray nipetraka tahaka ny Zanak'olona, manana satro-boninahitra volamena teo an-dohany ary fijinjana maranitra teny an-tanany.

Ary nisy anjely iray hafa nivoaka avy tao amin'ny tempoly, niantso tamin’ ny feo mahery tamin ‘ilay nipetraka teo amin’ ny rahona, Alefaso ny fijinjanao, ary mijinjà: fa tonga ny fotoana hijinjanao; fa masaka ny vokatry ny tany.

Apokalipsy 14:14-15


Tsindrio ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


William Branham
Life Story.

(PDF Anglisy)

How the Angel came
to me.
(PDF Anglisy)

Sirs, is this the time?

(PDF Anglisy)
- Mt Sunset. Ny toerana nisehon'ilay rahona.

Toko 11
Ny Rahona.
(PDF)

Teo aloha...

Avy eo...