Tombokase faha-enina.

<< mialoha

manaraka >>

  Andian'ny Tombokase Fito.

Fitsaran’ny tombokasen’ny Teny.


William Branham.

Vakio ny kaonty feno in...
Sixth Seal. (PDF Anglisy)

Apôkalypsy 6:12-14,
12 Ary nahita aho, rehefa novahany ny tombo-kase faha-enina, ary indro, nisy horohorontany mafy; ary tonga mainty tahaka ny lamba fisaonana ny masoandro, ary tonga tahaka ny rà ny volana.
13 Ary ny kintana tamin’ny lanitra niraraka tamin’ny tany, toy ny aviavy manintsana ny voany manta, raha hozongozonin’ny rivotra mahery izy.
14 Dia lasa tahaka ny oronam-boky ny lanitra, ary ny tendrombohitra sy ny nosy rehetra dia niala tamin’ny toerany.

Ankehitriny, tiako ianareo hihazona ny bokinareo tahaka izao: Matio 24 sy Apokalypsy 6, toy izao, handeha isika hanao fampitahana kely eto. Jereo àry izao, ary ho hitanareo hoe manao ahoana izany. Hitanareo, inona.... Ny Zanak'ondry eto dia maneho marindrano amin’ny famantarana izay Nolazainy teto amin’ny teny -maneho marindrano. Ka izany no mahatonga azy ho mahitsy. Izany no misy ao. Ity misy iray -Miresaka momba izany izy; ary eto ny hitrangàny. Izany dia fanamarinana tonga lafatra. Ankehitriny, andeha hojerentsika ny toko faha-24 ao amin’ny Masindahy Matio, ary Apokalypsy 6, ary ampitahao ny toko faha-24 amin’ny Matio. Fantatsika rehetra fa izany no toko izany no handehanan’ny manampa-haizana, ny tsirairay dia mankao, mba hiresaka momba ny fotoanan’ny fahoriambe. Mivoaka ao amin’ny toko faha-24 amin'ny Matio izany. Ary ankehitriny, andeha isika....

Raha izany no izy, ankehitriny.... Satria fantatsika fa io tombokase faha-enina io no tombokase fitsarana. Io no tombokase fitsarana -izany indrindra izy. Ankehitriny, hitanareo, hitantsika ny fandehan’ny antikristy, ny fandehan’ny fiangonana. Ankehitriny dia vita izany, mandeha hatrany. Avy eo isika mahita ireo maritiora Jiosy tany aloha ao ambanin’ny alitara. Ankehitriny, eto ny fivoahan’ny fitsaràna eo amin’ireo olona izay... Avy ao amin’ny fahoriambe fitsaràna ity no hivoahan’ny Jiosy navotana 144 000. Ho porofoiko aminareo fa Jiosy izy ireo fa tsy Jentilisa. Tsy misy ifandraisany amin'ny ampakarina izy ireo, tsy misy. Ny ampakarina.... Nahita ny ampakarina lasa isika. Tsy afaka mametraka izany na aiza na aiza ianao. Aza miverina mandra-pahatongan’ny toko faha-19 amin'ny bokin’ny Asa. [Apôkalypsy - Ed]

Ankehitriny mariho, fa ny tombokase faha-enina dia tombokase fitsaràn’ny Teny. Ankehitriny. Eto, hanomboka isika ary hamaky. Md Matio toko faha-24. Ankehitriny, te-hanome zavatra anareo aho eto izay nojereko. Ankehitriny, Md Matio manomboka amin’ny 1 ka hatramin’ny 3, eny, no ho vakiantsika voalohany.
Ary nivoaka Jesôsy, dia niala teo an- tempoly; ary ny mpianany nanatona Azy mba haneho ny rafitry ny tempoly. Ary hoy Izy tamin’izy ireo: Tsy efa hitanareo va ireo rehetra ireo? Lazaiko aminareo marina tokoa, tsy hisy na dia iray aza... vato hifanongoa ho tavela eto, ka tsy horavana. [Ankehitriny,] ary [ny andininy faha-3] raha nipetraka teo... an-tendrombohitra Oliva Izy, dia nanatona Azy mangingina ny mpianatra ka nanao hoe: Lazao anay, rahoviana... no hitranga izany?..., ary inona ny famantarana ny fihavianao, sy ny faran’izao tontolo izao?

-----
Mariho, ankehitriny. Ankehitriny, hamaky isika, voalohany momban’ny.... “Dia namaly azy ireo Izy....” Ary avy eo Izy hanomboka hamaly eto, ary tiantsika ny hampitaha izany amin'ireo tombokase. Ankehitriny, jereo, ny tombokase voalohany dia ny Apokalypsy 6:1 ary 2. Izao isika dia mamaky ny 6:1 sy 2.
Ary nahita aho... ny Zanak’ondry rehefa nanokatra ny tombo-kase izy, dia reko, izany dia toy ny feon’ny kotroka, ny iray tamin’ireo zava-manan'aina efatra nanao hoe: Avia jereo. Ary nahita aho, indro, soavaly fotsy; ary ilay nitaingina azy dia nanana tsipìka; ary nomena satro-boninahitra izy; ary nivoaka handresy izy, ary handresy.
Iza no nahitantsika io lehilahy io? Antikristy. Matio 24 eto, 4 sy 5:
Ary Jesôsy namaly ka nanao tamin’izy ireo hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo. Fa maro no ho avy amin’ny anarako, hanao hoe: Izaho no Kristy; ary hamitaka ny maro.

Hitanareo izany? Antikristy. Ao ny tombokasenareo, jereo. Niteny Izy teto; ary eto izy ireo dia manokatra ny tombokase, ary teo - tena izany tokoa. Ankehitriny, ny tombokase faharoa: Matio 24 sy 6, Apokalypsy 6:3 ary 4. Ankehitriny mariho. Matio 24 sy 6. Ankehitriny, mamelà ahy hahita izay voalaza.
Ary handre ady sy filazàna ady ianareo; koa aza manahy ny amin’izany; fa tsy maintsy ho tonga izany rehetra izany, kanefa tsy mbola tonga ny farany.
Eny ary. Andeha ho raisintsika ny tombokase faharoa, Apokalypsy 6:3 sy 2. Jereo izay Lazainy ankehitriny.
Ary rehefa novahany ny tombokase faharoa, dia reko ny zava-manan’aina faharoa nanao hoe: Avia... jereo. Ary nisy soavaly iray hafa mena, ary nomena hery ny mpitaingina azy hanaisotra ny fihavanana amin’ny tany, ary mba hifamono izy ireo; ary nisy sabatra lehibe nomena azy.

Tena izany - izany mihintsy. Oh, tiako raha ny Soratra Masina hamaly izany, sa tsy izany? Ny Fanahy Masina no nanoratra azy rehetra, fa Izy mahay manambara izany. Ankehitriny, handeha ho marihintsika ny tombokase fahatelo. Eto dia, mosary ilay izy. Ankehitriny, Matio 24:7 sy 8. Andao isika haka ny 7 sy 8, Matio.
Ary hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary,... areti-mandringana,... horohoron-tany, any amin'ny toerana samy hafa. Izany rehetra izany no fiandohan’ny fahoriana.
Hitanareo, tonga mankao amin’izany ianareo ankehitriny. Ankehitriny, Apokalypsy 6. Hanokatra ny tombokase fahatelo isika izao. Hita izany ao amin’ny Apokalypsy 6:5 sy 6.

Ary rehefa novahany ny tombokase fahatelo dia hitako ilay bibidia fahatelo nanao hoe: Avia jereo. Ary nahita aho, ary indro soavaly mainty; ary izay nitaingina azy dia nitondra mizana teny an-tànany. Ary nahare feo aho teo afovoan'ny zava-manan’aina efatra nanao hoe: Denaria iray... koba famarana ho an'ny iray denaria, ary vary hordea intelon’ny famarana ho an’y denaria iray; ary tandremonao ny hanimba ny menaka sy... divay.
Mosary, hitanareo? Izany dia mitovy amin'ilay tombokase -zavatra mitovy nolazain'i Jesôsy. Eny ary, aretina tombokase fahaefatra- areti-mandringana sy fahafatesana. Mariho, Matio 24, hovakintsika ny andininy faha-8. Fahafito sy faha-8, mino aho fa eo amin'ity tombokase fahefatra ity, tonga eto aho. Eny ary. Ankehitriny.... inona no novakiako teo aloha? Namaky zavatra tsy mety ve aho? Eny, efa nanana nanamarika izany aho. Eny, eo isika izao. Izao dia handeha isika. Handeha isika izao. Eny ary, tompoko.

Ankehitriny, andeha isika hanomboka amin’ny faha-7 amin'ity, tombokase fahefatra ity; ary amin’ny faha-6 sy faha-7 ary faha-8 amin’ny iray hafa, ao amin’ny Apokalypsy. Ankehitriny, ho jerentsika, ny faha-7 sy faha-8 ao amin’ny Matio 24. Eny ary. Ankehitriny.
Ary hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary,... areti-mandringana,... horohoron-tany, any amin’ny tany samy hafa. Izany rehetra izany no fiandohan’ny fahoriana.
Ankehitriny, ny tombokase fahaefatra, raha mamaky azy eto isika dia.... Ny tombokase fahefatra dia... manomboka ny faha-7 sy faha-8 amin’ity hafa ity.
Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahefatra,... ary indro ilay biby fahaefatra nanao hoe: Avia jereo. Ary hitako, indro, soavaly hatsatra:...

Andraso kely, diso ny nanoratako azy teto. Iray minitra aloha -7 sy 8 Ankehitriny andeha ho jerentsika. Matio 24:7 sy 8, hojerentsika izao. Hiditra amin’io isika. Io ilay fanokafana fahatelo, sa tsy izany? - Matio 24:7 sy 8. Miala tsiny aho. Ankehitriny, izany manokatra ny orana... na ny mosary, manokatra ny mosary. Eny, ny areti-mandringana sy ny fahafatesana.... Eny, tompoko, mandeha amin ‘izany isika izao; 7 sy 8-izao, izany no tombo-kase fahaefatra. Andao ho jerentsika izay hahitantsika ny tombokase fahefatra.
“Ary rehefa novahany ny tombokase fahaefatra....” Eny, ilay mpitaingina ny soavaly hatsatra, Fahafatesana, hitanareo? Ary hitako fa, indro soavaly hatsatra; ary izy... soavaly hatsatra; ary ny anarany dia ilay nitaingina azy dia atao hoe Fahafatesana, ary ny Helo nanaraka... azy. Ary nomena fahefàna izy amin’ny ampaha-efatry ny tany hamono amin’ny sabatra, mosary, ary amin’ny fahafatesana, sy amin’ny bibi-dia.
Ankehitriny, hitanareo, izany dia Fahafatesana.

Ankehitriny, ny tombokase fahadimy -Matio 24:9-13. Andao hojerentsika raha azoko indray izany ankehitriny, jereo.
Dia hatolony ho azom-pahoriana ianareo, ary hovonoiny [eo ilay izy] ary ho halan’ny firenena rehetra noho ny anarako ianareo. Ary rehefa... ary maro ny hamadika... maro no ho tafintohina, ary hifamadika, ary hifankahala. Ary hisy mpaminany sandoka maro hitsangana, ary... hamitaka ny maro. Ary satria hitombo ny faharatsiana, dia hiha-mangatsiaka ny fitiavan’ny maro. Fa izay maharitra... hatramin'ny farany no ho vonjena.
Ankehitriny, isika dia eo amin’ny tombokase fahadimy izao, ary omaly alina izany. Hatolotr’izy ireo ianareo hanolotra anao, hifamadika sy ny sisa.

Ankehitriny, jereo eto amin’ny tombokase faha-enina; 6:9-11. Ankehitriny, andeha hijery ity iray ity: Apokalypsy 6:9 ka hatramin’ny 11.
Ary rehefa novahany ny tombokase fahadimy, dia hitako teo ambanin’ny alitara ny fanahin'ireo novonoina noho ny tenin’Andriamanitra sy ny fijoroana vavolombelona izay nohazonin’izy ireo: Ary niantso tamin’ny feo mahery izy ireo nanao hoe: Mandra-pahoviana,... Tompo ô, masina sy marina, Ianao va... no mitsara sy mamaly ny rànay amin'ireo monina eto ambonin’ny tany? Ary samy nomena akanjo fotsy avokoa izy rehetra; ary voalaza tamin’izy ireo fa hiala sasatra vetivety izy, mandra-pahatapitry ny mpiara-manompo aminy sy ny rahalahiny,... izay tsy maintsy ho vonoina tahaka azy ireo, tsy maintsy ho tanteraka.

Hitanareo izao, eo ambanin’ny tombokase fahadimy no ahitantsika eto ny maritiora. Ary eo ambanin’ny Matio 24:9 ka hatramin’ny 13, dia hitantsika koa fa maritiora izany. “Hanolony sy ho vonoiny ianareo,” sy ny sisa. Jereo, ilay tombokase mitovy dia nosokafana. Ankehitriny, ao amin’ny tombokase fahenina no tiantsika hahatongavana ankehitriny. Matio 24:29 sy 30... 24, ary andeha isika haka ny 29 sy 30. Ankehitriny, hankao amin’ny Apokalypsy 6:12 koa isika hatramin’ny 17. Izany indrindra no novakintsika teo. Ankehitriny, henoy izao. Ankehitriny, io no nolazain’i Jesôsy ao amin’ny Matio 29... 24:29 sy 30.
Taorian’ny androm-pahoriana tamin’ireo andro ireo avy hatrany [Inona... fahoriam-be izany... fahoriana be nandehanan’izy ireo teto, hitanareo.] ho maizina ny masoandro, ary ny volana tsy hanazava, ary ny kintana hiraraka avy any an-danitra, ary ny herin'ny... ny lanitra hozongozonina: Ary dia hiseho eny amin’ny lanitra ny famantarana ny Zanak’olona: dia hisaona ny firenena rehetra ambonin’ny tany, ary hahita ny Zanak’olona tonga amin’ny rahona eny amin’ny lanitra miaraka amin’ny hery sy voninahitra lehibe izy ireo.

Ankehitriny, vakio eto ao amin’ny Apokalypsy, ny tombokase faha-enina, ilay iray izay eo indrindra isika izao.
Ary... indro, rehefa novahany ny tombokase faha-enina, ary indro nisy horohorontany lehibe; ary ny masoandro dia mainty tahaka ny lamba fisaonana [Hitanareo], ary ny volana dia tonga tahaka ny rà; Ary ny kintana tamin'ny lanitra nilatsaka tamin’ny tany, tahaka ny aviavy manintsana ny voany manta, rehefa hozongozon’ny rivotra mahery. Ary ny lanitra dia lasa tahaka ny horonam-boky; ary ny tendrombohitra sy ny nosy rehetra... niala tamin’ny toerany. Ary ny mpanjakan’ny tany sy ny olona ambony, sy ny mpanankarena, sy ny lehiben’ny komandy, sy ny lehilahy mahery, sy ny andevo rehetra, sy ny olona afaka rehetra, dia niery tao an-davaka, sy teny an-tendrombohitra mangadihady; Ka nanao tamin’ny tendrombohitra sy ny vatolampy hoe: Mianjerà aminay, ka afeno izahay amin’ny tavan’ny mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana sy amin’ny fahatezeran’ny Zanak’ondry: fa tonga ny andro lehiben’ny fahatezerany;... izay no hahajoro?

Tena lavorary. Miverena any aoriana ka jereo izay nolazain’i Jesôsy eto ankehitriny ao amin’ny Matio 24:29. Henoy (aorian’ity raharahan’i Eichmann ity sy ny sisa).
Manaraka avy hatrany ny fahoriambe amin’ireo andro ireo dia hihamaizinina ny masoandro,... ny volana tsy hanome hazavàna, ary ny kintana hiraraka avy any an-danitra, ary ny herin'ny lanitra hihozongozona: [Ankehitriny jereo]. Dia hiseho ny famantarana ny Zanak’olona eny amin’ny lanitra: ary hahita izy ireo... ary ny firenena rehetra ambonin’ny tany dia hisaona, ary hahita ny Zanak’olona izy ireo avy eo amin’ny rahon’ny lanitra miaraka amin’ny hery lehibe... voninahitra. Ary handefa ny anjeliny izy [sy ny sisa] miaraka amin’ny... feon’ny trompetra , ary hangonin’ireo ireo olom-boafidiny avy amin’ny vazan-tany efatra, hatramin’ny faran’ny lanitra ka hatramin’ny farany iray.

Hitanareo, izay indrindra, mampitaha ny tenin’i Jesôsy ao amin’ny Matio 24. Ary izay nosokafan'ny mpanambàra teto tamin’ny tombo-kase fahenina, dia marina.... Ary Jesosy niresaka momban’ny fahoriambe, hitanareo. Nanontaniany izy ireo tamin’ny voalohany hoe rahoviana no hiseho ireo zavatra ireo, rehefa esorina ny tempoly. Namaly izany izy. Ny zavatra manaraka nanontaniany dia: rahoviana izy ireo... tonga ny fotoana hahatongavan’ireo maritiora; ary rehefa afaka izany, rehefa hitsangana ny antikristy, ary rehefa hesorin’ny antikristy ny tempoly.

-----
Ankehitriny, tiako ho tsikaritrareo, Jesôsy (tokony ho rahampitso alina amin’ity) dia nanala ny fampianarana ny amin’ny tombokase fahafito. Tsy eto. Jereo, ankehitriny dia nanohy hatrany tamin’ny fanoharana Izy, taorian’izany. Ary i Jaona nanala ny tombokase fahafito, fito, farany... ny tombokase fahafito. Izany dia ho zava-dehibe. Tsy voasoratra mihitsy izany -izy roa samy nanala ny tombokase fahafito. Ary ilay mpanambàra, rehefa... Hoy Andriamanitra.... Nilaza i Jaona fa nisy fahanginana tany an-danitra. Jesôsy tsy nilaza na inona na inona momba an’io. Mariho eto, miverina amin’ny andininy faha-12. Mariho, tsy misy biby (izay ilay andininy faha-12 nanombohan’ny tombokasen-tsika mba hahitana azy ny nisokafany), tsy misy tahaka ny zavamanan’aina naseho teto -tahaka ny tao amin’ny tombokase fahadimy. Nahoana? Izany dia nitranga tamin’ny lafiny hafa amin’ny vanim-potoana evanjelika, amin'ny fotoan’ny fahoriambe.

Vakio ny kaonty feno in...
Sixth Seal. (PDF Anglisy)


Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.

  Hoy ny Soratra Masina ...

Ary nahita anjely iray hafa aho nanidina teo afovoan’ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin’izay monina ambonin’ny tany, sy firenena rehetra, foko, sy fitenenana, ary olona,

nilaza tamin’ny feo mahery hoe: Matahora an’Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany; ary miankohofa eo anoloan’izay nanao ny lanitra, ny tany, sy ny ranomasina, ary ny loharano.

Apôkalipsy 14:6-7


Tsindrio ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


William Branham
Life Story.

(PDF Anglisy)

How the Angel came
to me.
(PDF Anglisy)

Andry Afo.
- Houston 1950.

Toko 1
Ny Mpialoha Lalana.

(PDF)

Toko 13
Andriamanitra Dia Mazava.

(PDF)

Toko 9
Ilay Sintona Fahatelo.

(PDF)
 

Izany dia ahatonga
ny Kristiana rehetra
hikaroka ho an’ny
tenany, ary hihazona
ny tanany eo
anoloan’
Andriamanitra.



Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.