Tombokase Fahatelo.

<< mialoha

manaraka >>

  Andian'ny Tombokase Fito.

Mpitangina Sovaly Mainty.


William Branham.

Vakio ny kaonty feno in...
Third Seal. (PDF Anglisy)

Andriamanitra ô, ampio izahay. Hijanona eto izahay. Andriamanitra ô, ampio izahay hahita amin’ izao fotoana izao, ny vavaka ataoko, satria tonga isika ankehitriny, dia tsy tiako ny hihazona anareo tara loatra. Ampian’ Andriamanitra isika mba hahita. Mino aho, angamba, fa ny Fanahy eo amintsika ankehitriny, hanampy antsika Izy hanambàra miharihary ity Tombokase ity. Hamaky isika. Rehefa hitantsika ny toetry ny fiangonana misy, dia hitantsika ny toerana nanaovan’izy ireo izany, hita izay toerana tokony halehany- jereo eo, ary jereo izay tokony hataony. Izany no nataon’ izy ireo. Hitanareo ve izao ny misy antsika? Ianareo no mitsara. Tsy afaka mitsara aho. Tompon’andraikitra ihany aho amin’ny fitondrana ity Teny ity. Araka nynanomezana ahy izany, dia afaka manome aho. Raha tsy nomena ahy izany, dia tsy afaka manome aho. Tsy misy olon-kafa afaka.

Ary rehefa novahany ny tombokase fahatelo, dia reko ny zava-manan’aina fahatelo nanao hoe: Avia jereo. Ary nahita aho, ary, indro, soavaly mainty; ary izay nipetraka teo amboniny dia nanana mizàna teny an-tanany. Ary nahare ny feo teo afovoan’ny zava-manan’aina efatra aho nanao hoe: Fatran ‘ny varimbazaha iray ny denaria iray, ary fatra telon ‘ny vary hordea no sekely iray; fa tandremonao ny mandratra ny menaka sy... ny divay.

-----
Ankehitriny jereo ny toerana misy antsika izao hariva izao - io Vanim-potoan’ny Fiangonana hafa io ankehitriny. Midina any amin’ny Vanim-potoanan’ny Fiangonana Fahatelo isika izao. Izany mihintsy. Amin’ny Vanim-potoan’ny Fiangonana Fahatelo dia tena mitovy amin’ilay soavaly fahatelo. Tamin’ny vanim-potoanan’ny fiangonana voalohany inona? Ny Nikôlaita dia nanana foto-pinoana, jereo, ilay voalohany. Tsara izany. Ary avy eo ny zavatra voalohany fantatsika dia ity fampianarana Nikôlaita ity, dia voampanga ary nanao ny asany tsara. Ary dia nosatrohan’izy ireo stro-boninahitra io leholahy io. Dia io fanahy io, antikristy, no tonga nofo tao amin’ny lehilahy iray, hitanareo? Ary hitantantsika fa lasa lasa devoly tonga nofo koa izy. Lasa ny devoly, ary miditra ny devoly.

Ary toy io fiangonana izay manana... io karazana fiangonana antikristy io dia mitombo, dia toy izany koa ny hahatongavan’ny Ampakarina amin’ny zavatra isan-karazany - amin’ny alàlan’ny fanamarinana, fanamasinana, ny batisan’ny Fanahy Masina, ary miroso hatrany, hitanareo. Tahaka azy ireo, dia tamin’ny voalohany ihany no nandraisan’izy ireo ny fifohazampanahy, fa ny Fiangonana no mandray izany amin’ny farany. Ny telo taon’ izy ireo voalohany.... Ny dingana telon’izy ireo voalohany, izay nandeha namakivaky ny Vanim-potoanan’ny Haizina; avy eo ny dingana telo fahatelo no nivoahan’ny Fiangonana, avy amin’ny fanamarinana, fanamasinana, batisan’ny Fanahy Masina, Izy- Andriamanitra tonga nofo miseho eo anivontsika.

Eto izy dia miditra tahaka ny antikristy, toy ny mpaminany sandoka, avy eo ilay bibidia, avy eo ny Vanim-potoana Maizina. Ary ny Fiangonana dia mivoaka ao amin’io Vanim-potoana Maizina io - fanamarinana, fanamasinana, batisan’ny Fanahy Masina, Teny tonga nofo, ny lalàna ankehitriny; dia midina izy. Midina izy; Ny Fiangonana miakatra. Izany dia tonga lafatra amin'ny lafiny rehetra. Oh, mahafinaritra. Tena tiako ilay izy. Ity mpitaingina azy ity dia iray ihany fa sehatra hafa ny fanompoany. Ny dingana voalohany - ny soavaly fotsy, jereo. Mpampianatra fotsiny izy, tahaka ny mpampianatra antikristy fotsiny. Nanohitra ny Tenin’Andriamanitra izy. Ahoana no ahafahanao lasa antikristy? Na iza na iza mandà fa ny Teny rehetra amin ‘ity dia tsy Marina, ampianarina tahaka izany, dia antikristy satria mandà ny Teny izy ireo, ary Izy no Teny.

-----
Ankehitriny, eto ny zava-miafina ny amin’izany. Ary ankehitriny.... Rehefa nanambàra tamiko izany, vao maraina alohan’ny hiposahan’ny andro, dia niditra haingana tao amin’ny Soratra Masina aho ary nanomboka nikaroka izany. Tao ilay izy. Ny telo tamin’izy ireo hatreto dia efa nambàra tamin’ny fomba tena mahagaga. Nanomboka nitaingina azy izy tamin’ny Vanim-potoanan’ny Fahamaizinana. Izany no asehon’ny soavaly mainty- Vanim-potoana Maizina- fa fotoanan’ny misasak’alina izany ho an’ny mpino marina sisa tavela. Jereo ankehitriny ao amin’io vanim-potoanan’ny fiangonana io, ilay Vanim-potoanan’ny Fiangonana teo afovoany, ny Vanim-potoan’ny Fiangonana Maizina. Jereo ny fomba Nilazany hoe: “Manana hery kely fotsiny ianao.” Mamaton’alina izany ho azy ireo, ho an’ny mpino tena marina.

Ankehitriny, jereo. Azo antoka fa ny fanantenana rehetra dia nesorina tao amin’ny Fiangonana marina, satria io olona io no mifehy ny fiangonana sy ny fanjakàna. Inona no hataon’izy ireo? Jereo? Ny Katolika dia nifehy ny fiangonana sy ny fanjakàna ary izay rehetra tsy nifanaraka tamin’ny Katolika dia novonoina. Izany no antony nahatonga azy teo ambonin’ ilay soavaly mainty. Ary jereo ny fahamaizinan’ ny nataony, dia ho hitanareo eo. Raha mba... raha mahalala ny tantaranareo ianareo dia jereo izany. Eny, tsy mila mahalala izany akory ianareo mba hahafantatra izany. Jereo ankehitriny. Efa lasa ny fanantenana rehetra - izay ilay soavaliny mainty. Amin’izao dia mitaingina ny soavaly fotsy anazy izy, fetsy; nomen-kery izy ary nalainy ny fandriam-pahalemana- novonoiny ny an-tapitrisany. Izany no hataony rehefa mitohy mandeha izy; ary mbola manao izany izy. Hitanareo?

Ankehitriny, eto ambonin’ilay soavaly mainty izy eto, mivoaka. Vanim-potoanan’ny Haizina - izay ilay fotoana. Tamin’ny fotoana vao niorenan’ny fiangonana sy nahazoany hery, norakofan’izy ireo ny zavatra hafa rehetra, ary nandeha an-jatony sy zato taona maro izy ireo - izay fantatry ny mpamaky tsirairay fa ilay Vanim-potoana Maizina. Firy no mahalala an’izany? Ny Vanim-potoana Maizina. Teo ilay soavaly maintinareo, maneho ilay Vanim-potoana Maizina izany.

Ankehitriny, lasa ny fanantenana rehetra, tsy misy fanantenana intsony. Ny zava-drehetra dia maizina ho an’ireo mpino bitika. Ankehitriny, izay no antony niantsoana azy... maneho soavaly maizina. Ny mizàna na ny fandanjàna teny an-tanany, hitanareo, miantsoantso hoe, “Ny fatran ‘ny vary tritika iray dia denaria iray, ary ny vary hordea telo fatra dia denaria iray,” jereo.... Raha ny marina. Ny vary kiritika sy ny hordea dia zavatra voajanahary ilaina amin’ny fiainana. Izay no nanaovana ny mofo sy ny rehetra. Saingy hitanareo, maka sarany amin ‘izany izy. Inona ny dikan’izany... izy dia maka ny sarany amin’ny ny olom-peheziny amin’ny karazana fampanantenana fiainana omeny azy ireo, tamin’ny alàlan’ny fanaovana.... Nanomboka tamin’io fotoana io izy no nampandoa vola azy ireo amin ‘ny vavaka, mampandoa vola amin ‘ny fivavahana. Mbola ataon’izy ireo izany -novenas (vavaka fanaon’ny katolika)- satria.... Inona no nataony? Maka ny haren’izao tontolo izao, ilay mizàna mandanja, dia “ Ny lafarinina iray kilao dia iray denaria , ary ny fatra telo amin ‘ny vary hordea dia iray denaria.” Ilay nitaingina soavaly mainty, jereo, izy dia nanao... naka ny volan’ireo olom-peheziny, rehefa voalazan’ny Baiboly fa mihazona ny haren’izao tontolo izao izy. Araka ny efa nolazaintsika omaly momba an’i Rosia sy izany rehetra izany, dia nalain’izy ireo daholo ny vola rehetra ary nalainy tamin’ny olona ny zavatra rehetra. Koa eo ilay izy.

-----
Mariho, ity ny ampahany tsara ankehitriny. Mariho, “Tandremo mba tsy handratra ity divay sy menaka ity ianao.” Kely fotsiny sisa tavela, rahalahy. “Aza mikasika an’io.” Ankehitriny, ny diloilo dia... maneho ny Fanahy, ny Fanahy Masina. Omeko andinin-teny vitsivitsy ianareo raha tianareo, ireto andinin-teny vitsivitsy ireto: ao amin’ny Levitikosy 8:12, izay no nahatonga an’i Aaron, talohan’ny nidirany, dia tsy maintsy voahosotra diloilo, fantatrareo; ary Zakaria 4:12, avy amin ‘ny menaka, miraraka avy amin’ny fantsom-by, ary hoy izy, “Ity no fanahiko.” - diloilo. Zavatra iray hafa raha te-hahita ianareo ao amin’ny Matio 14... 25 nisy virjiny adala (25:3). Ny virjiny adala tsy nanana diloilo-tsy nisy Fanahy. Ary ny Matio 25:4, ny virjiny hendry dia nanana solika tao anaty fanaovan-jirony - Feno ny Faanahy Masina. Diloilo ara-panahy maneho ny Fanahy. Oh, voninahitra, voninahitra! Azonareo ve? Eny ary.

Ankehitriny ny menaka dia maneho ny Fanahy, ary ny divay dia maneho ny fanentanana ny amin’ny fanambaràna. Ry tovolahy, tiako ny handeha eraky ny toerana rehetra! Manontany tena aho ny tsy nanairako ny manodidina raha nasehon’ny Tompo ahy izany. Taitairin’ny fanambaràna, hitanareo. Ny diloilo sy divay ao anaty Baiboly dia miaraka hatrany. Azoko ilay fifanarahana ary nojereko, misy kofehy toy izany amin’izy ireo, izay hiarahan’ny solika sy ny divay amin’ny fotoana rehetra. Hitanareo?

Rehefa nambara tamin’ireo Olomasiny fenon’ny diloilo ny Fahamarinana ny amin’ny Teny dia nisarika azy rehetra izany. Ny divay dia manaitaitra. Voninahitra, tsapako izany ankehitriny! Taitairin’ny hafaliana, ny fihobiana. Ary rehefa mitranga izany dia misy fiantraikany mitovy amin’ny fanaon’ny divay amin’ny olona ara-boajanahary; satria rehefa nomena avy amin’ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra ny fanambaràna, ary ny mpino tenamarina feno diloilo, ary nambara ilay fanambaràna, ny fandrisihana dia tena goavana ka mahatonga azy hitondra tena tsy arak any tokony ho izy. Marina izany. Voninahitra! Mety ho izany no mahazo azy ireo amin’izao. Marina izany. Izany dia mahatonga azy ireo hitondra tena tsy arak any tokony ho izy.

-----
Rehefa hitako fa nampanantena ny hanao zavatra Andriamanitra amin’izao andro izao, rehefa nampanantena ny hamaha ireo Tombokase ireo izy amin’izao andro farany izao.... Ary tsy fantatrareo ny fifaliana, ny voninahitra, raha nahita Azy aho nanambàra izany. Mijoroa ary jereo ny fitrangan’izany, ary fantaro fa haka olona aho na iza na iza, na handefa azy, tsy nilaza zavatra tamintsika na oviana na oviana aho afa-tsy izay nitranga toy izany. Ary mba hahitàna ny hafaliana ato am-poko rehefa hitako ny Fampanantenany ho an’ity andro farany ity, araka ny Nampanantenainy fa hataony, ary eto dia hitako fa voamarina izany ary natao lavorary.

Raha maheno ahy ianao miteny hoe: “Mahatsapa ho mpivavaka aho”, izany no zava-mitranga. Ratsy loatra ilay fandrisihana, efa saika lasa tahaka ny adaladala aho, fantatrareo- manainga ny fanambaràna. Eny ary. Lasa taitaitra izy ireo amin’ilay fanambaràna izy ireo ka nohamarin’izy ireo (marina avokoa) ny teny fampanantenàna. Indrisy! Teo no nivaha izany, ny fifaliana avy amin’ny fandrisihana, mandra-pilazan’ny olona hoe: “mamon’ny divay vaovao izy ireo”, rehefa nanambàran’ Andriamanitra tamin ‘izy ireo ny Fampanantenany. Ary tsy vitan’ny hoe naneho izany ihany Izy fa Nanaporofo izany koa. Izany no nolazaiko foana hoe: “Ny lehilahy iray afaka milaza na inona na inona (manana traikefa hilaza izay tiany izy), fa rehefa tonga Andriamanitra ka manamarina izany....”

Ankehitriny ny Baiboly dia nilaza hoe, “Raha misy eo aminareo milaza azy ho ara-panahy na mpaminany, raha milaza izany zavatra izany izy nefa tsy tanteraka, dia aza taitra ny aminy. Aza matahotra azy akory. Aza matahotra izany lehilahy izany. Fa raha milaza izany izy ka mitranga izany, dia izaho izany.” Hoy izy, “Ao anatin’izany aho. Izany no porofo fa izaho izany.”

Vakio ny kaonty feno in...
Third Seal. (PDF Anglisy)


Tsindrio ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


Ny Asan’Ilay
Mpaminany.
(PDF's)

Andry Afo- Sorony.

Lisy ny afo.

 

Kalesy afo. Elia
rehefa nisambotra-up.

Andry Afo
- Houston 1950

Mazava tamin'ny
vatolampy pyramida.

Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.

  Hoy ny Soratra Masina ...

Fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’ny Tompo; amin ‘izany ho lasa ny lanitra miaraka amin’ny feo mahery, ary haempon'ny hafanana mivaivay ny singa rehetra, ary ny tany koa sy ny asa ao aminy dia dia ho may.

Ary ny fahitàna fa ho levona avokoa ireo zavatra rehetra ireo, tokony ho karazana olona manao ahoana ianao amin ‘ny firesahana masina sy ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra.

2 Petera 3:10-11



Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.