Tombokase Faharoa.

<< mialoha

manaraka >>

  Andian ‘ny Tombokase Fito.

Mpitaingina Soavaly Mena.


William Branham.

Vakio ny kaonty feno in...
Second Seal. (PDF Anglisy)

Ankehitriny, izao alina izao dia hianarantsika io Tombokase Faharoa io. Fa ireo tombokase efatra voalohany dia mpitaingina soavaly efatra. Lazaiko aminareo, anio dia nisy zavatra nitranga indray, ary izaho... zavatra iray izay izaho... Nandeha aho ary naka ilay soratra tranainy nananako izay efa noresahako hatry ny ela. Dia nipetraka teo aho, ary nieritreritra, “Eny, nanao izay tsara indrindra azoko natao aho.” Ary mpanoratra maro sy zavatra... Ary nihevitra aho, “Eny, hamaky kely aho ary hijery akaiky, ary hahita izao sy izaroa.” Ary ny zavatra voalohany fantatrao, misy zavatra mitranga tsotra izao, ary izany dia tena samihafa. Samihafa ny nahatongavany. Koa dia nalaiko haingana ny pensilihazo ary nanomboka nanoratra faran’izay haingana araka izay vitako aho raha mbola teo Izy.

-----
Ankehitriny, omaly hariva, satria tiantsika foana ny fampianarana ny tombokase, dia ampianarintsika tahaka ny ataonareo amin’ny vanim-potoan’ny fiangonana izany. Rehefa vitantsika ny fampianarana ny amin’ny vanim-potoan’ny fiangonana, dia ny fotoana farany-nanoratako azy ireo teto amin’ny polipitra, teo amin’ny solaitrabe, firy no mahatadidy ny zava-nitranga? Nidina avy hatrany Izy, niverina teo amin’ny rindrina, ary ilay hazavàna, ary nanoratra izany Izy Tenany, teo amin ‘ny rindrina teo anoloantsika rehetra. Ilay Anjelin’ny Tompo nijoro teto teo anoloan’ny olona an-jatony. Ary ankehitriny koa Izy dia manao zavatra tena mahatalanjona. Noho izany isika dia manantena zavatra goavana. Tsy fantatsika... Tianareo ve ny miandry an’io fanantenana lehibe io, tsy mahalala izay hitranga manaraka? fantatrareo, miandry fotsiny?

Ankehitriny, endre izany halehiben’ Andriamanitra amintsika! Tena Mahatalanjona! Tena mankasitraka Azy isika. Ankehitriny ny andininy voalohany sy faharoa... hovakiako mba hanome famaritana kely. Avy eo isika handray ny andininy fahatelo sy fahefatra ho an’ny tombokase faharoa; ary avy eo ny andininy fahadimy sy fahenina no tombokase fahatelo; ary ny fahafito sy fahavalo dia ny... ny andininy roa ho an’ny mpitaingina soavaly tsirairay.

Tiako hojerenao ny fomban’ ireto teo ambony soavaly hatsatra ireto, angamba... Eto fa tonga izany. Miovaova foana izany rehefa mandeha. Ary avy eo ilay tombokase farany lehibe tsy maintsy hosokafana, raha sitrapon’Andriamanitra, amin’ny Alahady alina manaraka, fa rehefa mitranga izany, ny hany zavatra tokana mitranga dia ny fahanginana tany an-danitra nandritra ny antsasak’adiny. Andriamanitra ô ampio izahay. Ankehitriny dia hamaky ny andininy fahatelo aho.

3 Ary rehefa novahany ny tombokase faharoa, dia reko ny zava-manan’aina faharoa nanao hoe: Avia jereo.
4 Ary nisy soavaly hafa koa nivoaka
(andininy fahefatra) izay mena: ary nomena izay nipetraka teo amboniny ny hery hanaisotra ny fihavanana amin’ny tany,... mba hifamono izy ireo; ary nisy sabatra lehibe nomena azy.
Apokalypsy 6:3-4

Ankehitriny, misy zava-miafina iray eto rehefa niteny tamin’i Jaona ilay zava-manan’aina nanao hoe: “Avia mijery!” Ary izy tsy nahita hoe inona izany. Famantarana ihany no hitany. Ary io marika io, no antony... Hoy izy hoe: “Avia, jereo” fa famantarana no hitany, dia ny hanehoany izany amin’ny fiangonana amin’ny fomba izay hijeren’ izy ireo izany mandra-pahatongan’ izany amin’ny vanim-potoana farany. Ary avy eo dia hisokatra ny tombokase. Fantatry ny rehetra ve izany izao? Hitanareo, hivaha ny tombokase.

Tsy faly ve ianareo miaina amin’ izao andro izao? Tsy izany ihany ry namana, fa tadidio ankehitriny tamin’ny Alahady maraina izay niorenan’ny zavatra rehetra: tsotra - fahatsorana, fanetre-tena. Izany dia mitranga ary ny olona mandeha ihany, ary tsy fantany akory izay mitranga. Ary tsarovy fa miandry ny fahatongavan’ny Tompo isika amin’ny fotoana rehetra. Ary rehefa... nanao filazàna isika fa angamba ny fampakarana dia ho toa izany ihany. Ho lasa izany - any- ary tsy hisy hahalala ny momba an’izany. Ho tahaka izany ny fahatongavany. Mandrakariva... Miverena fotsiny mamaky ny Baiboly ary jereo ny fitrangany tahaka izany - eny zavatra lehibe iray tahaka ny fahatongavan’i Jesôsy Tompo. Tsy nisy olona nahalala na inona na inona ny amin’izany. Nieritreritra izy ireo fa, “Ilay olona ratsy fo, io olona io.” Hoy ireo fiangonana: “Mafàna fo tafahoatra. Tena adala izy.” Hoy izy, “Olona very saina izy. Fantatray fa very saina ianao. [Ny very saina dia midika hoe adala.] Fantatray fa misy demonia ianao, ka nahatonga anao ho lasa adala. Miezaka ny hampianatra anay ianao, kanefa ianao teraka tamin’ny fomba tsy ara-dalàna? Nahoana, teraka tamin’ny fijangajangana ianao ary miezaka ny hampianatra lehilahy toa anay, ny pretra [sy ny sisa] tao an-tempoly!”. Nahoana, hoy ianao, fanompàna azy ireo izany.

Rehefa tonga Jaona... niresaka momba ny taona hatrizay hatramin’i Isaia mankao amin’ i Malakia. Izany dia 712 taona nahitàn’ny mpaminany azy fa ho avy Izy. Samy niandry ny fahatongavany ny rehetra, niandry izany tamin’ny fotoana rehetra. Fa ny fomba niaviany, nitory teny izy, nanao ny asany, ary niditra tamin’ny voninahitra, ary na ny apôstôly aza tsy nahalala izany. Fa izy ireo nanontany Azy. Ary hoy izy ireo: “Ary raha hankany Jerosalema ny Zanak’olona, ireo zavatra rehetra tsy maintsy atolotra”, hoy izy ireo, “Nahoana ny Soratra Masina no milaza fa Elia no ho avy mialoha?” Hoy Jesôsy: Efa tonga izy, nefa tsy fantatrareo. Ary nanao araka izay nolazain’ny Soratra Masina izy fa hataony, ary nataon’ izy ireo taminy izay voatanisa.” Ary tsy afaka ny hahatakatra izany izy ireo. Ary hoy izy: “Jaona izany.”

Avy eo, “Oh!” Hitanareo, nifoha tamin’ izany izy ireo. Na dia tamin’ny farany aza, nohon’ny zavatra rehetra nataony sy ny famantarana nasehony azy ireo; ary na dia nantsoiny aza izy , nanao hoe: “Iza aminareo no afaka manameloka ahy amin’ny ota [tsy finoana]? Raha tsy nanao araka ny voalazan’ny Soratra Masina Aho dia ny asako rehefa tonga tety an-tany aho dia asehoy ahy hoe aiza no nanotako. Eny, hasehoko anareo ny tokony ho toeranareo, ary hojerentsika raha mino izany ianareo na tsia,” Hitanareo. Mety niverina izy ary nilaza, “Tokony hino ahy ianareo rehefa tonga aho.” Tsy nataon’izy ireo izany. Hitanareo? Noho izany dia mahalala kokoa izy ireo nohon’ ny hamatotra azy amin’izany. Fa hoy Izy, “Iza aminareo no afaka miampanga ahy amin’ny tsy finoana? Tsy nataoko araka ny tokony ho izy ve izany?”

-----
Ankehitriny, nantsoina hoe antikristy izy tamin’ny voalohany. Ny dingana faharoa, izy dia nantsoina hoe mpaminany sandoka, satria io fanahy io eo amin’ny olona dia tonga nofo. Tadidio ankehitriny fa tsy nanana satro-boninahitra ilay mpitaingina soavaly fotsy rehefa nanomboka izy. Fa avy eo izy nomena satro-boninahitra. Nahoana? Voalohany indrindra dia Izy no fanahin’ny Nikôlaita, avy eo izy lasa tonga nofo tao amin’ny lehilahy iray, ary avy eo izy dia nomena satro-boninahitra ka nahazo seza fiandrianana, ary nomena satro-boninahitra. Ary nmpiasa an’izany nandritra ny fotoana maharitra izy, araka ny ho hitantsika rehefa mivaha ny tombokase. Ary avy eo dia ahita isika fa nandritra ny fotoana ela Satana no noroahina hiala ny lanitra. Ary nidina izy, araka ny Soratra Masina, ary nanome seza fiandrianana ny tenany. Eritrereto fotsiny, nanome seza fiandrianana ny tenany ao amin’io lehilahy io ary lasa bibidia. Nanana hery izy, karazana hery fara-tampony, ka nanao ireo fahagagàna sy izay rehetra... famonoana sy ady feno rà sy izay rehetra azon’i Roma vokarina.

-----
Ankehitriny dia izao ny nambara ahy momba izany. Mbola i Satana ihany io! Mbola ny devoly indray io amin’ny endrika hafa. Ankehitriny dia mahalala ny momban’ny tombokase isika (araka ny nolazaiko tamin’ny alina iny), ary ny trompetra dia momban’ny ady an-trano, hitanareo, eny anivon’ny olona, eo amin’ireo firenena. Fa hitanareo eto fa manana sabatra ity lehilahy ity, koa noho izany izy dia mifandraika amin’ny ady ara-politikan’ny fiangonana. Mety tsy hieritreritra izany ianao, fa jereo kely vetivety. Mariho ny fiovàn’ny lokon’ ireo soavaly - mpitaingina mitovy, fiovàn’ny lokon’ny soavaly. Ary ny soavaly dia bibidia, ary ny bibidia ao amin’ny Baiboly eo ambanin’ny famantarana dia maneho hery. Io rafitra io ihany mandeha amin’ny herin’ny loko hafa, manomboka amin’ny fotsy tsy manan-tsiny ka hatramin ‘ny mena rà mandriaka, hitanareo. Jereo izy, ankehitriny, ahoana ny fomba hahatongavany.

Raha vao nanomboka izy, izy dia... eny, foto-pampianarana kely nantsoina hoe Nikolaitanisma. Mazava ho azy fa tsy hamono na inona na inona izany! Izany dia ny Apokalypsy 2:6, raha te-handray izany ianao. Tsy hamono na inona na inona izy. Foto-pampianarana fotsiny ihany izy. Fanahy teo anivon’ ny olona ihany izy. Tsy hamono na inona na inona izany. Oh, tena tsy manan-tsiny izy nitaingina ity soavaly fotsy ity. “Fantatrareo tokoa fa afaka manana fiangonana lehibe maneran-tany isika. Azontsika antsoina hoe Universal Church izany.” Ataon’izy ireo izany! Oh, eny, hitanareo. Ankehitriny. “Afaka manana isika.... Oh, tena tsy manan-tsiny izany! Ary, oh, tena tsy manan-tsiny izany. Andian’olona ihany izany. Mivory isika rehetra ho amin’ny firaisambe.” Jereo, tena tsy manan-tsiny ilay izy. Fotsy izy, dia ilay soavaly fotsy, hitanareo.

-----
Jereo. Mariho nSatana rehefa... ankehitriny ny rehetra mahatsapa fa Satana no mifehy ny fahefàna politika rehetra eto amin’izao tontolo izao... Voalazany izany. Matio toko faha-4, azonareo izany, ary ny andininy faha-8. Ny fanjakàna rehetra dia azy. Izay no antony mahatonga azy ireo miady, manao ady lehibe, mifamono. Ankehitriny tadidio... tsy hafahafa ve izany? Nomena azy ireo io sabatra io hifamonoany. Indrisy! Jereo izao. Ankehitriny, rehefa nanao izany izy dia tsy mbola nanana ny fahefàna ara-pivavahana (ekleziastika), saingy nanomboka tamin’ny demonian’ny fampianaran-diso izy. Ary izany fampianarana izany dia tonga foto-pampianarana. Io foto-pampianarana io no tonga nofo tao amin’ny mpaminany sandoka, ary avy eo izy dia naka ny toerana mifanaraka amin'izany. Tsy nandeha tany Israely velively izy ankehitriny, fa nankany Roma - Nicaea izy, Roma.

Natao ny filankevitra ary nifidy eveka fara-tampony izy ireo. Ary rehefa vita izany dia nampiray ny fiangonana sy ny fanjakàna izy ireo. Avy eo dia nalatsany ny tsipìkany izy, nidina tamin’ny soavaly fotsiny izy, nitaingina ny soavaliny mena izy, satria afaka hamono ny olona izay tsy manaiky azy izy! Ao ny tombo-kasinareo! Olona iray ihany! Jereo izy mandroso mankany amin’ny mandrakizay any an-koatra miaraka amin ‘izany, hitanareo. Mampiray ny heriny roa mitambatra- izay zavatra mitovy ezahin’izy ireo hatao amin’izao fotoana izao. Zavatra mitovy.

-----
Ankehitriny. Tsarovy izao, manana sabatra izy. Mivoaka miaraka amin’ny sabatra eny an-tanany izy, mitaingina soavaly mena, mandehandeha amin’ny ràn’ny olona rehetra tsy mitovy hevitra aminy. Azonareo ve izany ankehitriny? Amin ‘izao firy ny mahatakatra ny atao hoe tombokase? Eny ary. Inona no nolazain’i Jesôsy? “Ireo izay mandray sabatra dia ho fatin’ny sabatra.” Marina ve izany? En ary. Tsara izany. Io mpitaingi-tsoavaly io sy ireo maty tamin’ ny fanjakàny nandritra ny vanim-potoana, izay nisintona ny ràn’ ireo maritiora olo-masina, dia hovonoin’ny sabatr’i Jesôsy Kristy rehefa ho avy Izy. “Ireo izay mandray sabatra dia hovonoin’ny sabatra.” Noraisin’izy ireo ny sabatry ny dôgma sy antikristy ary notapahin’izy ireo ny tena mpivavaka marina an-tapitrisany nandritra ny vanim-potoana. Ary rehefa tonga miaraka amin ‘ny sabatra Kristy-satria ny Teniny izany izay mivoaka avy aminny Vavany dia hovonoiny izay rehetra manoloana Azy. Mino izany ve ianareo?

Vakio ny kaonty feno in...
Second Seal. (PDF Anglisy)


  Hoy ny Soratra Masina ...

Aza matahotra izay efa hiaretanao; indro, ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-trano-maizina, mba ho voazaha toetra hianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky hatramin’ ny fahafatesana hianao, dia homeko satro-boninahitra fiainana ianao.

Apôkalipsy 2:10



Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.


Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.

Tsindrio ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


Ny Asan’Ilay
Mpaminany.
(PDF's)

Andry Afo- Sorony.

Lisy ny afo.

 

Kalesy afo. Elia
rehefa nisambotra-up.

Andry Afo
- Houston 1950

Mazava tamin'ny
vatolampy pyramida.