Tombokase voalohany.

<< mialoha

manaraka >>

  Andian’ny Tombokase Fito.

Mpitaingina Soavaly Fotsy.


William Branham.

Vakio ny kaonty feno in...
First Seal. (PDF Anglisy)

Ankehitriny, amin’ity toko faha-5 ity, ny famahana ireo Tombokase ireo. Ary eto dia, ny Boky-Fito nasiana Tombokase... voalohany dia tiantsika ny hamaky ny Tombokase Voalohany. Omaly hariva (mba hanamafisana azy kokoa), dia hitantsika fa rehefa nijery i Jaona ary nahita an’izany Boky izany izay mbola teo am-pelatanan’ilay Tompony tany amboalohany - Andriamanitra... Tadidinareo ve ny fomba nahavery izany? Tamin ‘i Adama. Nafoiny ny Bokin’ny fiainana noho ny fahalalàna an’i Satana, ka very ny anjara-lovany. Nariany ny zava-drehetra, ary tsy misy lalana ho amin ‘ny fanavotana. Avy eo Andriamanitra, natao tahaka ny endrik’olombelona, ​​nidina ary tonga Mpanavotra antsika, hanavotra antsika. Ary ankehitriny fantatsika fa niodina ny fotoana, ireo zavatra mifono misitery ireo dia tsy maintsy hosokafana amintsika amin ‘ny andro farany.

Ankehitriny dia fantatsika ihany koa fa raha vao nahare an’io fanambaràna ny amin ‘ny hivoahan’ny Mpanavotra Rahalahy io Jaona ary hanao ny Fitakiany, dia tsy nisy olona afaka nanao izany. Tsy nisy olona tany an-danitra, tsy nisy olona tety ambany amin’ny tany, tsy nisy na dia iray aza mendrika ny hijery ilay Boky. Diniho fotsiny izany! Tsy misy olona mendrika mihintsy na dia ny hijery izany aza. Ary dia nanomboka nitomany i Jaona. Fantany izany rehetra izany, tsy nisy intsony fomba hanavotana. Tsy nahomby ny zava-drehetra, ary haingana... Hitantsika fa nihato tampoka ny fitomaniany, satria nambaran’ny iray tamin’ireo biby efatra, na ny marina kokoa dia ireo anti-panahy, hoy ny iray tamin’ireo loholona hoe: “Aza mitomany, ry Jaona, fa ilay Liona avy amin ‘ny firenen ‘i Joda dia nandresy.” - amin’ny teny hafa, nandresy ary nandrodana.

Niodina Jaona, dia nahita Zanak’ondry nivoaka. Tsy maintsy ho nihosin-drà izany ary tapatapaka sy naratra. Novonoina izy. Zanak’Ondry novonoina, ary mbola mihosin-drà. Raha efa nanapaka zanak’ondry ianao ka namono izany, ny mahazo ny Zanak’ondry rehefa... Notorotoroina teo amin’ny hazo fijaliana Izy, lefona teo amin’ny lanivoany, fantsika teo amin ‘ny tanana sy tongotra ary tsilo teo amin’ny handriny. Tao anatin’ny toe-javatra mahatsiravina izy. Ary nivoaka io Zanak’ondry io ka nankeo amin’ Ilay nipetraka eo amin’ny Seza Fiandrianana, izay nitàna ny maha-tompony feno ny Fanavotana. Ary nandeha ny Zanak’ondry ka naka ilay boky teo antanan’ Ilay nipetraka teo amin’ny Seza Fiandrianana, dia nandray, ary nanokatra ny Tombokase ary nanokatra ny Boky. Ary rehefa nitranga izany, hitantsika fa tsy maintsy nisy zavatra lehibe nitranga tany an-danitra,satria ireo loholona ary... ny anti-panahy efatra amby roapolo, ireo biby sy ny zava-drehetra tany an-danitra dia nanomboka niantsoantso hoe: “Mendrika”, ary tonga ny anjely nandraraka ireo lovia misy ny vavaky ny olo-masina. Ny olo-masina teo ambanin’ny alitara dia niantsoantso hoe: “Mendrika ianao, ry Zanak’ondry, fa navotanao izahay, ary ankehitriny dia nataonao mpanjaka sy mpisorona izahay, ary hanapaka eo amin ‘ny tany izahay.” Oh,! Ary izay indrindra, rehefa nanokatra io boky io Izy.

Hitanareo fa ilay Boky dia nomanina ary nosoratana talohan’ny nanorenana izao tontolo izao. Ity Boky ity -ny Baiboly- dia tena nosoratana talohan’ny nanorenana izao tontolo izao. Ary Kristy, Zanak’ondry, dia voavono talohan’ny nanorenana izao tontolo izao. Ary ireo mpikambana ao amin ‘ny Ampakariny, ny anaran’ izy ireo dia napetraka tao amin’ny Bokin’ny Fiainan’ny Zanak’ondry talohan’ny nanorenana izao tontolo izao. Fa nasiana tombokase io, ary ankehitriny dia nambàra; izay ny anarany dia tao, ny momba azy rehetra. Zavatra lehibe tokoa izany. Ary Jaona, raha nahita izany, dia nilaza izy fa ny zavatra rehetra tany an-danitra, ny zava-drehetra ety ambanin’ny tany, ny rehetra nandre azy niteny hoe: “Amena, fitahiana sy voninahitra!” Tena tsy nanana fotoana hifaliana loatra izy, satria mendrika ny Zanak’ondry.

Ary ankehitriny, mitsangana ny Zanak’ondry anio hariva, raha miditra ato amin’ity toko faha-6 ity isika. Eny an-tanany ilay Boky ary manomboka nanambàra izany Izy. Ary, oh, tena hananako tanteraka anio... ary manantena aho fa ara-panahy ny olona. Mety ho nanana fahadisoana lehibe tokoa aho raha tsy nisy izany... tokony ho tamin’ny 12 ora teo ho eo androany rehefa niditra tao amin’ny efitrano ny Fanahy Masina ary nanitsy ahy tamin’ny zavatra nosoratako holazaina. Nalaiko tamin’ny loha-hevitra taloha izany. Tsy nanana na inona na inona ny amin ‘izany aho. Tsy fantatro hoe inona ilay Tombokase Faharoa, tsy mihoatra ny tsy misy. Saingy nahazo lohahevitra taloha aho, dia zavatrabefa noresahioko tamin’ny taona maro lasa ary nosoratako izany.

Ary nangoniko io lohahevitra io avy amin’i Dr. Smith, mpampianatra maro be izay nangoniko. Ary izy rehetra dia nino izany, ka dia nosoratako. Ary nikasa ny hiteny aho hoe, Dia hoy aho hoe, “Eny hianarako amin’ io fomba fijery io izany.” Ary teo, tokony ho tamin’ny roa ambin’ny folo ora atoandro, dia nilatsaka niditra tao anaty efitrano ny Fanahy Masina, ary nisokatra tamiko ny zava-drehetra, ary teo ilay izy; dia ny fisokafan‘ ity Tombokase Voalohany ity.

Marina ny lazaiko tahaka ny hijoroako eto izao hariva izany ny Fahamarinan ‘ny Filazantsara izay hasehoko anareo izao hariva izao. Fantatro fa izany. Satria raha manohitra ny Teny ny Fanambaràna iray dia tsy Fanambaràna izany. Ary fantatrareo fa, misy ny zavatra sasany tena tahaka ny tena marina, nefa tsy marina. Tahaka, saingy tsy izy.

Ankehitriny, hitantsika ny Zanakondry miaraka amin ‘ny Boky eto. Ary eto amin ‘ny toko faha-enina dia mamaky isika:

Ary hitako ny Zanak’ ondry ny anankiray tamin’ireo tombo-kase, ary reko tahaka ny fikotrokotroky ny kotrokorana, ny iray tamin’ireo biby efatra, nanao hoe: Avia ary jereo.
Ary indro nisy soavaly fotsy: ary ilay nitaingina azy dia nanana tsipìka; ary nomena satro-boninahitra; nivoaka izy handresy ary mbola haharesy.

Ankehitriny, izany no Tombokase Voalohany, ilay ho hazavaintsika amin’ny alalan‘ny fahasoavan’ Andriamanitra anio hariva. Amin’ny tena tsara indrindra... ary tsapako fa ny olona miezaka hanazava izany dia mandeha amin’ny tany mampidi-doza raha tsy fantatrao izay ataonao. Ka raha tonga tamiko tamin’ny alàlan’ny fanambaràna izany, dia ho lazaiko ny amin‘ izany. Raha tsy maintsy raisiko tao an-tsaiko no nandraisako izany dia nilaza taminareo aho alohan’ny hiresahana azy. Fa mahatoky tanteraka aho raha mijoro eto anio alina fa izany dia tonga mivantana tamiko avy amin’ny Tsitoha androany. Tsy te hiresaka zavatra toa izany aho indrindra fa ao anatin’ity ampahany amin’ny Soratra Masina ity. Antenaiko fa hainao ilay resahina izao. Fantatrareo, tsy afaka milaza zavatra ianareo raha toa ka tokony hisy zavatra hipetrahany eo alohan’ny hitrangany. Tsy afaka milaza izany ianareo mandra-pahatongan’ny zavatra mipetraka eo. Hitanareo? Mamaky ve ianareo, efa mihaino zavatra ve ianareo?

Ankehitriny, ny Oronam-boky Tombokase - Fito dia novahan’ ny Zanak’ondry eto. Manatona an’io toerana io isika anio hariva. Andriamanitra ô, ampio izahay. Rehefa nivaha ireo Tombokase ary novelarina, ireo mistery momba ny Boky dia nambàra. Ankehitriny, hitanareo fa Boky vita tombokase ilay izy. Ankehitriny, mino izany isika, sa tsy izany? [Hoy ny fiangonana hoe, “Amena”] Mino isika fa Boky misy tombokase izany. Tsy mbola nahalala izany mihitsy isika teo aloha, fa izany no izy! Nofehezina tamin’ny Tombokase Fito izany. Izany hoe, eo ivelan’ ny Boky, nofehezina tamin ‘ny Tombokase Fito ilay Boky.

Raha miresaka ity karazana boky ity isika dia tahaka ny mametraka kofehy fito mamatotra azy. Saingy tsy izay ilay karazany; horonam-boky ilay izy. Ary rehefa tsy miorona ilay horonana, dia iray izay; avy eo ilay iray mipetraka eo amin’ilay horonana no laharana faharoa, ary eo dia voalaza ny momba izany- fa saingy misitery izany. Kanefa niditra tamin’ izany isika, saingy tsarovy, voaisy tombokase ilay boky ary ilay Boky dia bokin ‘ny misterin’ny fanambaràna. Izany dia fanambaràna an’i Jesôsy Kristy, hitanareo, Boky iray mahakasika fanambaràna. Ary ankehitriny fantatrareo mandritry ny vanim-potoana, dia nandinika sy nanandrana ny hiditra amin’izany ny olona. Isika rehetra nanao izany!

-----
Ary rehefa nandray ilay Boky ny Zanak’ondry ary namaha io tombo-kase voalohany io, dia niteny avy tao amin’ny Seza Fiandrianany mandrakizay Andriamanitra mba hilazàna izay tsy maintsy asehon’ izany Tombokase izany. Ary rehefa napetraka teo alohan’i Jaona izany dia tamin ‘ny famantarana. Raha nahita izany i Jaona dia mbola mistery ilay izy. Nahoana? Tsy mbola nambara teo no eo. Tsy azo nambara izany raha tsy efa nilaza Izy fa aty amin ‘ny andro farany. Fa tonga tamin’ny famantarana (symbol) izany. Rehefa nikotroka, dia tsarovy fa feon’Andriamanitra ilay feo mafy nikapokapoka. Izany no lazain’ny Baiboly, jereo - fikapokapoky ny kotroka! Nihevitra izy ireo fa kotrok’ orana izany, fa izany dia Andriamanitra. Nahatakatra izany izy satria efa nambara taminy izany, hitanareo. Kotroka ilay izy. Ary mario, nisokatra ny Tombokase voalohany; Ilay Tombokase voalohany, rehefa nosokafana tamin’ny endrika famantarana, dia nikotroka! Ankehitriny manao ahoana ny amin’ny fisokafany amin’ny tena endriny?

-----
Fa ny hitan’i Jaona, nahita soavaly fotsy nivoaka niaraka tamin’ny mpitaingina azy izy; koa izany no nosoratany. Izany no nolazainy hoe, “Avia jereo.” Dia nandeha nijery izay mety ho soratany ho an’ny Fiangonana i Jaona. Ary rehefa nataony izany dia nahita soavaly fotsy izy, ary ilay nitaingina azy dia nanana tsipìka, ary nivoaka nandresy sy mba handresy izy. Ary nomena satro-boninahitra izy. Ary eto dia, izay no hitan’i Jaona, ka nanoratra izany rehetra izany izy. Ankehitriny, jereo fa izany dia tamin ‘ny famantarana. Izany no fomba nandraisan’ny Fiangonana izany; fa miaraka amin’ny fampanantenana fa amin’ny andro farany dia Hanambarany izany, aseho hoe inona izany. Ampio izahay Andriamanitra hahatakatra izany.

-----
Mariho. Kristy dia tsy hita intsony, jereo, hatreo amin’io fotoana io. Fa Izy dia nitaingina soavaly fotsy. Koa raha mitaingin-tsoavaly fotsy ity lehilahy ity, dia mpaka tahaka an’i Kristy ihany, hitanareo. Azonareo ve izany? Mariho, ilay mpitaingina soavaly fotsy dia tsy manana anarana. Mety hampiasa anaram-boninahitra roa na telo izy fa tsy manana anarana.Fa Kristy manana anarana! Inona ilay izy? Ny Tenin’Andriamanitra! “Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny dia tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra... Ary ny Teny dia tonga nofo”, hitanareo?

Ilay mpitaingina dia tsy manana anarana, fa i Kristy kosa antsoina hoe “Ny Tenin’Andriamanitra.” Izany ny maha-izy Azy. Izany no niantsoana azy. Ankehitriny dia manana anarana izay tsy misy mahalala izy, fa Izy dia nantsoina hoe “Ny Tenin’Andriamanitra.” Io lehilahy io dia tsy nisy niantsoana azy na inona na inona, hitanareo, fa izy dia mitaingina soavaly fotsy izy. Ilay mpitaingi-tsoavaly dia tsy nanana zana-tsipìka ho an’ny tsipìkany. Voamarikareo ve? Nanana tsipìka izy, fa tsy misy filazàna momba ny hoe nanana zana-tsipìka izy. Noho izany dia tsy maintsy ho mpamitaka izy. Marina izany. Angamba mety manana kotroka be izy fa tsy nisy tselatra. Fa hitanareo fa Kristy dia sady manana tselatra no kotroka, fa avy amin’ny Vavany no mivoaka ny sabatra roa lela, ary mikapoka ny firenena Izy. Ary io lehilahy io tsy afaka mikapoka na inona na inona,jereo, fa izy kosa dia mpihatsaravelatsihy. Mandeha mivoaka mitaingina soavaly fotsy izy, mivoaka hanafika.

I Kristy dia manana sabatra maranitra, ary mijery. Avy amin’ny Vavany no ivoahan’ izany. Ilay Teny velona. Izany no Tenin ‘Andriamanitra nambara tamin’ny mpanompony; tahaka ny nilazàny tamin’i Mosesy: “Mandehana mijoroa eny, ka hazomy io hazo io ary antsoy ny lalitra” ary di nisy lalitra. Azo antoka. Na inona na inona Nolazainy dia Nataony izany, ary nitranga, dia ny Teniny velona. Andriamanitra sy ny Teniny dia Olona mitovy. Andriamanitra no Teny. Iza izany io mpitaingin-tsoavaly mistery tamin’ny vanim-potoanan’ny Fiangonana Voalohany io? Iza izy? Andao isika hieritreritra an’izany. Iza ity mpitaingi-tsoavaly mistery ity izay nanomboka tamin’ny vanim-potoan’ny Fiangonana Voalohany ary mitohy mitaingina hatramin’ny farany?

Mivoaka ny Tombokase Faharoa ary mandroso hatrany mankany amin’ny farany. Mivoaka ny Tombokase Fahatelo ary mitohy mankany amin’ny farany. Fahefatra, Fahadimy, Fahenina, Fahafito - samy miodina eto izy rehetra amin’ny farany. Ary amin’ny faran’ny fotoana, ireo boky efa navadika ireo, nandritra izay fotoana izay niaraka amin’ireo mistery tao anatin’ izy ireo, dia nivaha. Dia nivoaka ny zava-miafina, mba hahitàna hoe inona izany. Saingy raha ny tena izy dia nanomboka tamin’ny Vanim-potoanan’ny Fiangonana Voalohany satria ny vanim-potoan’ny Fiangonana Voalohany no nahazo ny hafatra, toy izao. “Ilay mpitaingina soavaly fotsy dia nivoaka,” hitanareo? Iza izy? Mahery izy amin’ny herin’ ny fadreseny. Izy dia olona lehibe amin’ny fahefàna handreseny. Tianareo ve aho hilaza aminareo hoe iza izy? Izy no antikristy. Izany indrindra no maha- izy azy. Ankehitriny, satria hitanareo, raha ny antikristy... nilaza Jesôsy fa “tena hifanakaiky izy roa ireo ka hamitaka ny tena Olomboafidy (ny Ampakarina), raha azo natao.” Antikristy, izany dia ny fanahin ‘ny antikristy.

Vakio ny kaonty feno in...
First Seal. (PDF Anglisy)



Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.


Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.

  Hoy ny Soratra Masina ...

Ary hitako fa indro, nisy boky voasoratra tao anatiny sy teo ivohony, voahidy mafy tamin’ny tombo-kase fito, teo an-tanana ankavanan’Ilay nipetraka teo ambonin’ny sezafiandrianana.

Ary hitako fa indro, nisy anjely mahery niantso tamin’ny feo mafy hoe: Iza no mendrika hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny?

Tsy nisy anefa tany an-danitra, na tetỳ an-tany, na tany ambanin’ny tany, nahasokatra ny boky na nahajery azy.

Dia nitomany mafy aho satria tsy nisy hita mendrika hanokatra ny boky na hijery azy.

Apôkalipsy 5:1-4


Tsindrio ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


Ny Asan’Ilay Mpaminany.
(PDF's)

Marriage and Divorce.

(PDF Anglisy)

William Branham Life
Story.

(PDF Anglisy)

How the Angel came
to me.
(PDF Anglisy)