Aza Miankina Amin’ny Fahalalanao.

<< mialoha

manaraka >>

  Andian-teny velona.

Inona no tsy mety amin'ny fanabeazana?


William Branham.

Vakio ny tantara manontolo ao amin'ny...
Aza Miankina Amin’ny Fahalalanao.

Ohabolana 3:1-6,
Anaka, aza manadino ny lalàko, fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko; Fa izy ireo dia… fa andro maro sy taona ela iainana, ary fiadanana no hanampiany ho anao. Aoka tsy handao anao ny famindrampo sy ny fahamarinana; afehezo eo am-bozonao izany, ary soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka. Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara eo anatrehan'Andriamanitra sy ny olona hianao. Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra, fa aza miankina amin'ny fahalalanao; Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.

Ô, hitako fa tena Andian-tsoratra tsara indrindra izany! Ankehitriny dia tiako ny handray loha-hevitra, nosintomina ao—ao amin'ny andininy faha-5: Aza miankina amin'ny fahalalanao.

Kanefa, loha-hevitra izay— izay tena hafahafa izany ho an'izao andro iainantsika izao, satria ankehitriny dia azo antoka fa omena lanjany betsaka ny fampianarana, ary ny amin'ny fahalalana izay ananantsika ny amin'ireo zavatra maro, amin'izao andron'ny— ny fahalalana izao. Nefa hitantsika fa ity fanambarana hafahafa ity, eto, tahaka ireo Andian-tsoratra hafa ihany koa, dia manana ny toerany, ary matoky an'Andriamanitra isika fa Izy no haneho amintsika ny toeranan'Izany. Ankehitriny, mandefa ny zanatsika any an-tsekoly isika, mba ahazoany fahalalana ny amin'ireo zavatra maro. Raha vao tapitra ny sekoly ambaratonga voalohany, dia mandefa azy any amin'ny ambaratonga faharoa isika mba hahazoany fahalalana tsaratsara kokoa amin'ny lafiny ara-pahalalana. Ary rehefa tapitra ireo fianarana ireo, ny ankizy sasany aza dia manana anjara ny handeha eny amin'ny oniversite, mandeha eny amin'ny oniversite izy mba hahatonga an’ireo fianarany sy ireo fahaizany ho tanteraka amin'ny lafiny arapahalalana. Izany no zavatra takiana amin'izy ireo… Matetika, mba hahazoana asa, dia ilaina ny nianatra farafahakeliny tamin'ny ambaratonga faharoa, na ambaratonga ambony kokoa, sy ny sisa.

Kanefa, Solomona ilay olon-kendry dia nilaza tamintsika mba "tsy hiankinantsika eo ambonin'izany, tsy eo amin'ny fahalalantsika manokana; aza avy eo no handraisanareo fahaizana." Ny antony dia satria, manontany tena isika hoe inona no nahatonga azy nilaza zavatra toy izany, izany dia satria, matetika, ny fahalalantsika ankehitriny dia mifanaraka matetika amin'ny fahendren'ny olona, izay mifanohitra amin'ny Tenin'Andriamanitra. Heveriko fa ny toro-hevitra izay nezahan'i Solomona natolotra an'ireo zanany, dia tsy ny hoe tsy mandia fianarana, fa ny mba tsy hiankina amin'ny fahalalany. Ary heveriko fa ho fampaherezana tsara ho an'ny andro ankehitriny izany, ny hilaza amin'ireo zanatsika sy amin'ireo zanak'Andriamanitra fa tsy misy maharatsy ny mianatra, tsy misy manohitra an'izany; fa rehefa mifanohitra amin'ny Tenin'Andriamanitra izany fianarana izany, dia aoka hianareo hiankina amin'ny Teny ka avelao izay mety nianaranareo, hitanareo, noho ny Teny. Ny fianarana dia hanampy anareo, hanome anareo asa tsara, mety hifanaraka tsara amin’ireo olona manam-pahaizana hianareo, kanefa, tsy misy maharatsy an'izany, mety hanampy anareo betsaka izany, hanampy anareo amin'ny lafiny ara-bola sy amin’ny— amin’ny fivelomanareo koa, mety ho tsaratsara kokoa ny fiainanareo noho izany zavatra izany.

Nefa aoka tsy hohadinoinao izao, ry zanako, tsy maintsy ho faty hianao. Na toy inona mety fianarana vitanareo, ny fahaiza-miaina rehetra mety voarainareo, tsy maintsy mifanatrika amin'ny fahafatesana ihany, satria voasoratra fa "ny olombelona dia tsy maintsy ho faty, ary rehefa afaka izany, dia hisy ny Fitsarana". Ary Andriamanitra, rehefa… Ny fahafatesana, tsy dia mampaninona loatra, fa ny mandalo Fitsarana, izany no tena mampatahotra. Eny, mety ho faty hianareo, "nefa rehefa afaka izany dia ho tonga ny Fitsarana". Ary Andriamanitra tsy hanontany anareo mihitsy izay fianarana vitanareo tety ambonin’ny tany, na firy ny fahaizana noratovinareo, na izay marim-pahaizana ambony momba ny hai-tsoratra, na izay diplôma mety voarainareo, na amin'ny maha-mpitori-teny aza. Tsy izany antony izany no hangatahina tatitra avy aminareo. Fa ny hangatahina tatitra aminareo dia izay nataonareo tamin'ny fahazoanareo ny Tenin'Andriamanitra. Fa izany no hotakiana. Marina tokoa fa, ny fianaranareo, tsara izany, fa ny Tenin'Andriamanitra kosa, izany no Fianana. "Fa ny Teniko dia Fiainana", ary ny fahafantarana an’Izany, no Fiainana. Ary Izy, hoy Izy hoe: "Ny fahafantarana Azy, Izy." Izy dia Teny. Koa, tsy afaka ny hahafantatra Azy hianareo raha tsy amin'ny alalan'ny Teny, satria Teny Izy. Ary izany ihany no fomba ho anareo mba hahafantatra Azy, dia amin'ny alalan'ny Teniny.

Afaka ny hitsangana eto ny olona iray ka hilaza hoe: "Ity, dia Andriamanitra", na "izao, dia Andriamanitra," na "ity, dia Andriamanitra," na "ity, dia marina," ary "izao, dia marina", kanefa miverina amin'ny Teny hatrany isika, izay Fahamarinana. Ny Teny, dia mitovy tanteraka amin'ny—ny kintana Fitarikandro, io no kintana tena izy. Na tahaka ny ahoana mety ihodinan’ny tany, ny kintana Fitarikandro dia mitoetra afovoany hatrany raha oharina amin'ny tany. Amarininareo amin'ny alalan'ny kintana Fitarikandro ny famantaranavaratrareo. Izy io dia eo afovoany hatrany raha oharina amin'ny tany. Ireo kintana sasany dia miova toerana miaraka amin’ny tany, fa ny kintana Fitarikandro kosa dia mijanona tsy miova toerana. Kanefa, ny famantaranavaratra, dia ny Fanahy Masina, ary (ilay) ny—ny vatofantsikareo, dia ny kintana Fitarikandro; raha izany, ny Fanahy Masina dia hitarika anareo amin'ny Teny hatrany. Ny Fanahy Masina dia tsy hitarika anareo mihitsy ho amin'ny zavatra ivelan’ny Tenin’Andriamanitra. Noho izany, ahoana no hahafahan'ny olona anankiray hanaiky ny fampianarampiangonana, izay mifanohitra amin'ny Teny, nefa mbola mihevi-tena hatrany ho manana ny Fanahy Masina? Ny Fanahy Masina dia hitarika anareo amin'ny làlana mifanohitra amin'izany. Ilaina ny Fanahy Masina, mba Hahafahany mitarika anareo amin'ny Teny, fa Izy no Teny. Izy no Teny, ary Izy ihany no afaka… Tahaka ny—tahaka ny fanindron'ny famantaranavaratra misy andriam-by izay tsy afaka ny hanondro raha tsy ny Avaratra ihany, fa izany faritra izany ihany no mahasintona azy, dia toy izany koa, satria ny Fanahy Masina no Nihavian’ny Teny, fa Izy no nanoratra an’Izany ary Izy koa no mamelona an’Izany, ahoana no Ahafahany hitarika ny olona amin'ny zavatra hafa ivelan’ny Teny?

Koa, raha misy milaza-tena fa manana ny Fanahy Masina, nefa manaiky izay zavatra mifanohitra amin'ny Teny, hita araka izany fa tsy Ilay tena Fanahy Masina no ananany. Hitanareo? Mety ho fanahy izany, izay, tsy manohitra an'izany aho, nefa tsy— tsy Ilay Fanahy Masin'i Kristy izany. Ankehitriny, fantatrareo, matetika, dia mifamindra fanahy ny olona; ary noho izany, miaraka amin’izany, afaka ny ho voatarika izy ireo, izany hoe, antokon'olona, ho any amin’ny karazan-javatra iray, fa izy ireo tsy— izy ireo tsy ho voatarika amin'i Kristy mihitsy. Fa ny Fanahy Masina, Izy, mitarika ho any amin'i Kristy hatrany, ary Kristy dia Teny. Ary izany no hitantsika mazava tsara ato amin'ny Baiboly. Izany hoe, izay no hitako. Angamba mety ho diso aho, nefa, ny amin'ny fomba fijeriko, nefa tsy heveriko fa, noho ny hoe: "Aza miankina amin'ny fahalalanao manao zavatra." Raha miankina amin'ny fahalalanareo manokana hianareo, dia tsy maintsy hivoaka hiala amin'ny làlana tsara. Tsy afaka ny hiankina amin'ny fahalalan'ny olon-kafa koa hianareo, raha momba ny hoe Fiainana. Mba hahitana Fiainana, dia tsy maintsy miankina amin'ny Teny hianareo. Fa Izany no Fiainana.

Ary izany no hitantsika, hatrany am-piandohana. Naseho tamintsika mazava tsara, hatrany am-piandohana, fa ny Teniny no nomen'Andriamanitra ny Ankohonany voalohany tety ambonin'ny tany, mba hahafahany mivelona amin'Izany. Ny Teny tokana ihany no natao hivelomany. Eny, tsy amin'ny fihinanana sakafo, sy ny sisa, fa ny Teniny no tokony hivelomany, Mandrakizay. Ary, raha mbola nijanona nahatoky tamin'ny Teny izy ireo, dia afaka ny ho velona Mandrakizay. Fa raha vao nisy ampahany kely monja tamin'io Teny io diso toerana, dia tapaka ny rojo rehetra, ary ny zanak'olombelona dia latsaka tao anatin'ny fahafatesana. Hitanareo? Ankehitriny, marihantsika eto. Eva, tsy isalasalana fa olona nanam-pahalalana; ilay voalohany, ilay nivoaka avy hatrany tamin'i Adama, izay—izay zanak'Andriamanitra. Ary Eva, mazava ho azy fa, satria teo amin'izany toerana izany izy, tamin'ny toerana izay tsy nisy ota, tsy nisy toerana ho an'ny ota, mazava ho azy fa tsy maintsy nanana fahalalana mahagaga ny naha-Izy an'Andriamanitra izy. Raha ny marina, isan-kariva, nandeha nitsangatsangana tao anatin'ny hatsiatsiakan'ny saha izy mivady, ny hariva, sady nifampiresaka tamin’Andriamanitra, nifanatrika. Fa tahaka ny—ny hoe fahadalana, ho an’ny olona iray izay nandeha niaraka tamin'Andriamanitra, nifanatrika, isan'andro, nefa miodina ho amin'ny fandinihana indray, nisy zavatra nahatonga azy nandinika ka nampiodina azy niala tamin'ny Tenin'Andriamanitra!

Ary izany no mbola ananantsika, na ankehitriny aza. Ny fandinihana dia hanodina azy ireo mora foana hiala amin'ny Tenin'Andriamanitra, rehefa avy nitoetra teo amin'ny Fanatrehan'Andriamanitra izy ireo. Mahita ny Tenin'Andriamanitra notoriana izy ireo, ny Tenin'Andriamanitra voaseho, mamo-lava sy mpanota maro no tonga amin'ny alitara ary miova fo, ka lasa olom-baovao ao amin'i Kristy, olona ratsy fitondran-tena maro lasa niova ho vehivavy sy ho lehilahy tsara fitondrantena, ary avy eo, dia mihodina miala amin'izany Zavatra voatahy izay nitarika azy ireo ho amin'io Fiainana io izy ireo, sady nivadika ka lasa miankina amin'ny karazana fampianarampiangonana indray, mba hahatonga azy ireo halaza kokoa na—na mba hahatonga azy ireo hikambana ao anatin'izay antsoin'izy ireo hoe kilasin’olona ambony. Aoka ho hitanareo fa, hianareo kilasin’olona tsara indrindra: zanakalahy sy zanakavavin'Andriamanitra. Koa, raha ny amiko, aleoko lavitra miaraka amin’izany noho ireo mpanjaka rehetra sy ireo manan-kaja, sy ny sisa rehetra. Ho ahy, tsy misy tahaka an’ireto olona feno fanetren-tena, na dia mety tsy mahay manavaka ny ankavanany amin'ny ankaviany aza izy ireo! Raha mbola mahafantatra an'Andriamanitra, ka tia Azy sady manompo Azy, raha ny hevitro, dia izy ireo no olo-malazan'ny Lanitra. Eny tompoko!

Eny, nefa hitantsika fa i Eva dia namela ny tenany mora foana nampaneken'i Satana mba hiodina amin'ny Tenin'Andriamanitra, niankina tamin'ny fahalalany manokana izy; raha ny marina, Satana dia naneho taminy zavatra tsy nifanaraka tamin'izay efa fantany momba an'Andriamanitra, nefa, zavatra hafa no nolazain'ilay fahavalo taminy, Satana, ka ninoany izany. Ankehitriny dia hitantsika ireo vokatr'izany. Nampivarina ny zanak'olombelona rehetra ho ao anaty fahafatesana izany, satria ilay reny voalohany tety an-tany dia niankina tamin'ny fahalalany manokana, zavatra izay nifanohitra tamin'ny Tenin'Andriamanitra, ary nampivarina ny zanak'olombelona rehetra tao anatin'ny fahafatesana izy. Ankehitriny, mino an'izany ve hianareo? [Namaly ny fiangonana hoe: "Amena". — Mpandika]. Tenin'Andriamanitra izany. Koa, hatramin’izay ny vehivavy dia… Ny tandindon'ny fiangonana, ao anaty Baiboly, dia ny vehivavy. Ary ankehitriny, ny fiangonana dia afaka manaiky ny karazana fombafomba na fampianaram-piangonana, ka mampivarina ny mpiangona rehetra ao anatin'ny fisarahana amin'Andriamanitra. Ireo olona ireo, izay manaiky an'ireo zavatra ireo mihoatra noho ny Tenin'Andriamanitra, dia mitovy tanteraka amin'i Eva. Ary izany ihany no nitranga, niverina imbetsaka, ka izany no nahatonga an'izao taranaka izao nivarina lavitry ny Tenin'Andriamanitra.

Rehefa voaseho ny Teny, ka voambara ny Teny, dia tsy te-hanaiky an'Izany izy ireo, satria, tsy ilainy izany, noho ny fiankinany amin'ny fahalalany manokana. "Teto no nananganana an'ity fiangonana ity. Trano mahafinaritra izany. Anaram-piangonana goavana. Betsaka ny mpiangona ao amin’izany. Nahoana no tsy mba hikambana ao amin'izany isika? Hiankina amin'izany aho." Aza miankina amin'ny fahalalanareo manokana, fa aoka hianareo hiankina amin'ny Tenin'ny Tompo! Noho izany—noho izany, ny niafarany dia lasa tao anaty fahafatesana avokoa ny karazana rehetra, tahaka izay efa nolazaiko; fa tahaka izany koa ankehitriny, ho an'ireo olona maro izay miankina amin'ny fahalalany manokana, eo amin'ireo fanekem-pinoany sy ireo fampianaram-piangonany, sy ny rehetra, amin'ny filazany fa "ny Tenin'Andriamanitra dia misy fahadisoana, fa ny ampahany dia avy tamin'ny tsindrimandrin'ny Fanahy fa ny ampahany hafa kosa tsy mba toy izany". Ahoana no ahafahanareo hino Baiboly izay ahitana ampahany avy tamin'ny tsindrimandrin'ny Fanahy fa ny ambiny kosa tsia? Raha ny anankiray monja, raha misy fitenenana iray monja diso, dia tokony ho diso avokoa ny rehetra. Tsy maintsy marina avokoa izy rehetra, marina tanteraka.

Ary ny sasany amin'ireo milaza ny tenany ho sekoly Biblika, mivaralila, izay mampianatra ny fahalalan'olombelona, manao fandalinana, toerana izay ivorian'ny mpanolo-tsaina, ka hilazana hoe: "Ankehitriny, henoinareo, ny andron'ny fahagagana, dia tapitra tamin'ny andron'ny apostoly." Ary olona maro, izay mety ho eveka na ambony toerana, dia samy hipetraka eo, ary hilaza izy ireo hoe: "Koa, raha afaka miombon-kevitra aminy fotsiny aho, dia tsy isalasalana, fa mety izaho no hisolo toerana azy." Hitanareo, koa dia miankina amin'ny fahalalanareo manokana hianareo, raha tokony hijoro mba hanohana ny Tenin'Andriamanitra. Izany no mahatonga an'ireo zavatra ireo.

Fotoana vitsivitsy izay, nisy olona iray… Voarohirohy tao anatin’ny resaka iray momba ny hetra aho. Ary niteny tamiko izy ireo, nanao hoe: “Fa ireo filan-kevitra mpitantana ao aminareo dia tsy misy hazon-damosina, ny fahitako azy." Hoy aho hoe: "Raha misy mpanolon-tsaina iray ao amin’ny filan-kevitra mpitantana ka tsy mitovy hevitra amiko, nefa tsy mitsanga izy (na iza na iza no hiteny momba ny zavatra resahina) mba haneho ny heviny manokana, dia hesoriko hiala amin’ny filan-kevitra izy." Eny tompoko. Na dia manohitra ny zavatra inoako aza izany, ataoko fa, ny tadiaviko dia ny hanehoany izay eritreretiny ho marina. Izany no antony nametrahako azy eo, mba hijery izay mety holazainy ny amin'izany. Fa izany no misy any aminay.

Marihonareo fa, niteny Jesosy, ao amin'i Jaona 10: "Ny ondriko mahalala ny Feoko." Ny Feo, mazava ho azy, ny Teniny izany, rehefa miteny Izy. "Ny ondriko dia mahalala ny Feoko. Nandray porofo izy ireo fa marina ny Feoko. Voamarina Izany, mba hahalalana fa tena Feoko izany." Ankehitriny— ankehitriny, marihonareo, tsy natokana hanaraka feo hafa izy ireo. Tsy ho ataony izany. "Ny ondriko mahalala ny Feoko, ary ny vahiny tsy harahiny." Amin'ny fomba fiteny hafa, tsy hahafantatra feo teolojika izay manome fampianarana mifanohitra amin'ny Teny izy ireo. Ireo ondry dia tsy mahafantatra an'izany, tahaka an'ilay voromahery tamin'ny omaly hariva izay tsy afaka nahafantatra ny fanenon'ireo akoho, — tsy fantany izany, — satria voromahery izy. Ary mitovy amin'izany koa ho an'ny tena zanak'Andriamanitra nateraka indray: ireo zavatra avy amin'Andriamanitra ihany no fantany. Ankehitriny, hiteny ny olona hoe: "Koa, henoy, eto, afaka hanao an'izao hianao, raha ny hevitro. Izany dia, mino aho fa tsy tokony ho toy izao. Mino aho fa efa lasa ny andron'ny fahagagana. Tsy mino aho fa fanasitranana avy amin'Andriamanitra, izany. Tsy mino an'Izao aho." Kanefa, ny tena kristiana nateraka indray, ireo sofiny dia tsy hitazona an'izany mihitsy, tsy ho azony mihitsy izany. Ary ataon’ny olona anankiray mino an'Andriamanitra ahoana, sady afaka mamaky Baiboly ka mahita fa Izy no tsy miova omaly, anio ary mandrakizay, no mbola afaka manaiky zavatra toy izany indray, tsy mazava amiko mihitsy izany.

Noho izany, tsy miankina amin'ny fahalalany manokana izy ireo.

Vakio ny tantara manontolo ao amin'ny...
Aza Miankina Amin’ny Fahalalanao.


Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.

  Hoy ny Soratra Masina ...

Ny fon'ny manan-tsaina mitady fahendrena; Fa ny vavan'ny adala mankamamy ny fahadalana.

Ohabolana 15:14


Tsindrio ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


Ny Asan’Ilay Mpaminany.
(PDF's)

The Pillar of Fire.

(PDF Anglisy)

Teo aloha...

Avy eo...

William Branham Life
Story.

(PDF Anglisy)

How the Angel came
to me.
(PDF Anglisy)

Ny Fanahy Masina
dia tsy hitarika
anareo mihitsy ho
amin'ny zavatra
ivelan’ny
Tenin’Andriamanitra.



Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.