Ny Fahotàna Tany amboalohany.


  Boky misy Fanambarana mifanesy.

Paoma ve ilay izy?
(Ny Tantaran'ilay taranaky ny Menarana.)


William Branham.

Vakio ny kaonty feno in...
Taom-piangonana Efesosy.

Apokalypsy 2:7, "... Izay maharesy dia havelako hihinana amin'ny Hazon'Aina, izay eo amin'ny Paradisan'Andriamanitra."

Izany no valisoa ho avy ho an’ireo rehetra maharesy amin’ny sokajin-taona rehetra. Rehefa maneno ny antso farany amin’ny ady, rehefa napetraka ny fiadiantsika, dia hitsahatra ao amin’ny paradisan’Andriamanitra isika, ary ny anjarantsika dia ny Hazon’Aina, mandrakizay.

"Ny Hazon'Aina." Moa ve tsy sarin-teny tsara tarehy izany? Izany dia voalaza intelo ao amin'ny bokin'ny Genesisy, ary in-telo ao amin'ny Bokin'ny Apokalypsy. Ao amin’ireo toerana enina ireo dia ilay hazo iray ihany izy maneho zavatra mitovy.

Fa inona moa ilay Hazon'Aina? Eny, voalohany indrindra dia tsy maintsy tokony mahafantatra isika ny antony ijoroany. Ao amin'ny Nomery 24:6, tamin’i Balama namaritra ny Isiraely, dia hoy izy "hazo manitra izay efa nambolen’ny Tompo." Ny hazo manerana ny Soratra Masina dia entina hilazana olona, toy ny ao amin'ny Salamo 1. Araka izany ny Hazon'Aina dia tsy maintsy ho ilay Olona amin’ny Fiainana, ary izany dia i Jesosy.

Ary tao amin'ny Sahan'i Edena dia nisy hazo roa nitsangana teo afovoaniny. Ny iray dia ny Hazon'Aina, ny iray dia ny Hazo Fahalalana ny Tsara sy ny Ratsy. Ny olona dia natao hiaina amin’ny Hazon'Aina; fa tsy tokony hikasika ilay hazo hafa fandrao ho faty. Fa ny olona nihinana tamin'ilay hazo hafa, ary rehefa nataony izany, niditra tao aminy ny fahafatesana noho ny fahotàny, ary dia lasa tafasaraka tamin'Andriamanitra izy. Eto ary, ilay Hazo tany Edena, ilay Hazo izay loharanon'aina, dia Jesosy. Ao amin'ny Jaona, toko faha-enina ka hatramin’ny faha-valo, i Jesosy dia maneho ny Tenany tahaka ny loharanon'ny fiainana mandrakizay. Ary niantso ny Tenany ho ilay mofo avy any an-danitra Izy. Niresaka ny fanomezany Tenany Izy ka raha misy olona mihinana Azy dia tsy ho faty mandrakizay. Nanambara Izy fa nahalala an'i Abrahama, ary talohan’i Abrahama, dia efa NISY Izy. Naminany Izy fa Izy Tenany mihitsy no hanome azy ireo rano velona, ka raha misy olona misotro dia tsy hangetaheta intsony, fa ho velona mandrakizay. Naneho ny Tenany ho ilay IZAHO LEHIBE Izy. Izy no Mofon'Aina, ny Loharanon’ ny Fiainana, Ilay Mandrakizay Iray, ilay HAZON’AINA. Izy ilay tao Edena teo afovoan'ny saha eny tahaka ny maha eo afovoan’ny paradisa'Andriamanitra Azy.

Misy mihevitra fa ireo hazo roa tao amin'ny saha dia hazo nisy teo ihany tahaka ny sisa rehetra izay efa napetrak’Andriamanitra tao. Fa ny mpianatra mandalina dia mahalala fa tsy mba toy izany ilay izy. Rehefa nanao antso avo Jaona Mpanao-Batisa fa ny famaky dia mipetraka eo amin'ny fototry ny hazo rehetra, tsy ny hazo voajanahary fotsiny no tiany ambara, fa toro-lalana ara-panahy. Ary ao amin'ny 1Jaona 5:11 dia milaza hoe: "Ary izao no FANAMBARANA, dia Andriamanitra efa nanome antsika fiainana mandrakizay, ary izany fiainana izany dia ao amin'ny Zanany." Hoy i Jesosy ao amin'ny Jaona 5:40 hoe: "Ary ianareo tsy mety manatona Ahy, mba hahazoanareo ny fiainana." Noho izany ny firaketana an-tsoratra ny Tenin'Andriamanitra dia milaza mazava tsara fa ny NY FIAINANA MANDRAKIZAY, dia eo amin'ny Zanaka. Tsy misy toerana hafa. 1Jaona 5:12. "Izay manana ny Zanaka no manana ny FIAINANA, ary izay tsy manana ny Zanak'Andriamanitra dia tsy manana ny fiainana." Ary satria ny firaketana an-tsoratra tsy afaka ovàna, hanalàna na anampiana, noho izany ny rakitsoratra dia mitsangana fa ny FIAINANA DIA AO AMIN’NY ZANAKA ... satria izany no izy, ILAY HAZO TAO AMIN'NY SAHA DIA TSY MAINTSY I JESOSY.

Eny ary. Raha ilay Hazon'Aina dia olona, noho izany ilay Hazo Fahalalana ny Tsara sy ny Ratsy dia olona KOA. Tsy mety ho zavatra hafa. Noho izany ilay Marina sy ilay Ratsy fanahy dia nitsangana nifanila teo afovoan 'ny Saha Edena. Ezekiela 28:13a "Ianao (Satana) Efa tany Edena, sahan'Andriamanitra." Eto no handraisantsika ny fanambaràna marina momban’ny ‘Taranaky ny Menarana.' Ity no tena zava-nitranga tao amin'ny Saha Edena. Ny Teny milaza fa i Eva nangolen’ny menarana. Izy dia tena voafitaky ny menarana. Izao no voalaza ao amin'ny Genesisy 3:1 "Ary ny menarana dia fetsy noho ny biby any an-tsaha izay nataon'i Jehovah Andriamanitra." Io biby io dia tena manakaiky ny olombelona (nefa dia tena biby) ary afaka mieritreritra sy miresaka. Ary izy koa dia biby mijoro ary somary eo anelanelan’ny rajako sy ny olona, fa manakaikikaiky kokoa ny olona. Tena akaiky ny maha olona izy ka ny tsirin’ainany dia afaka nifangaro tamin'ny an-dravehivavy ka nahatonga azy hitoe-jaza. Rehefa nitranga izany, nozonin’Andriamanitra ny menarana. Novany ny taolana rehetra tao amin'ny menarana ka tsy maintsy nandady toy ny bibilava izy. Ny siansa dia afaka manandrana izay rehetra tiany atao, ary dia tsy hahita fanazavàna hafa. Andriamanitra nahita izany. Ny olona dia marani-tsaina ary afaka mahita ny fikambananan’ny olona amin'ny biby, ary dia miezaka manaporofo izany amin'ny evolisiona (fiovàna). Tsy misy ny evolisiona. fa ny olona sy ny biby no nifangaro. Izay dia iray amin'ireo misiterin 'Andriamanitra izay nijanona niafina, fa eto dia ambara. Nitranga tao afovoan’i Edena izany rehefa niala tamin’ny Fiainana i Eva ka nanaiky ny Fahafatesana.

Mariho izay nolazain’Andriamanitra taminy tao amin'ny saha. Genesisy 3:15, "Ary hampifandrafesiko ianao sy ravehivavy, ary ny taranakao sy ny Taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary ianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony." Raha manome lanja ny Teny isika fa ravehivavy dia nanana Taranaka, dia ny menarana koa tsy maintsy nanana taranaka. Raha ny taranaky ravehivavy dia zazalahy fa-tsy tamin’ny lehilahy, dia ny taranaky ny menarana koa dia ho tahaka izany, dia lehilahy iray hafa tsy maintsy teraka fa-tsy avy amin’ny lehilahy olombelona. Tsy misy mpianatra izay tsy mahalala fa ny taranaky ilay vehivavy dia Kristy izay tonga tamin’ny fitaovana'Andriamanitra, fa-tsy ny firaisan’ny nofo. Izany ihany koa no ahafantarana fa ny fanorotoroana ny lohan'ilay menarana dia ny faminaniana marina momba ny zavatra notanterahin’i Kristy hanoherana an'i Satana teo amin'ny hazo fijaliana. Teo amin'ny hazo fijaliana i Kristy dia nanorotoro ny lohan'i Satana, raha i Satana kosa nanorotoro ny ombelahin-tongon'ny Tompo.

Izany ampahany amin'ny Soratra Masina izany dia ny fanambaràna ara-bakiteny ny namafazana ny taranaky ny menarana tety amin'ny tany, toy ny zavatra voantantara ao amin’ny Lioka 1:26-35, izay mamoaka ny fomba nipoiran’ny Taranak’ilay vehivavy ara-batana izay tsy avy amin’ny fitaovan’ny lehilahy olombelona. "Ary tamin'ny fahenim-bolana dia nirahin'Andriamanitra ny anjely Gabriela ho any an-tanàna anankiray any Galilea atao hoe Nazareta,ho any amin'ny virijina anankiray, izay voafofo ho vadin'ny lehilahy atao hoe Josefa, avy tamin'ny taranak'i Davida; ary ny anaran'ny virijina dia Maria. Ary nony niditra tao aminy ilay anjely, dia nanao hoe: Arahaba, ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao: voatahy ianao amin’ny vehivavy. Ary nony nahita azy izy dia taitra noho ny teniny ka nieritreritra izay tokony ho hevitr'izany fiarahabana izany. Ary hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Maria, fa efa nahita fitia tamin'Andriamanitra ianao. Ary, indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka Zazalahy, ary ny Anarany dia hataonao hoe JESOSY. Izy ho lehibe ary hatao hoe ilay Zanaky ny Avo Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan'i Davida rainy; ary Izy hanjaka amin'ny taranak'i Jakoba mandrakizay; ary ny Fanjakany tsy hanam-pahataperana. Ary hoy Maria tamin'ilay anjely: Hanao ahoana re no hahatanteraka izany, fa tsy mahalala lahy aho? Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao, ary ny herin'ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masina Izay haterakao dia hatao hoe Zanak'Andriamanitra." Ary satria ny taranaky ravehivavy arabakiteny dia Andriamanitra miteraka ny Tenany amin'ny olombelona nofo, noho izany koa ny taranaky ny menarana dia ny fomba ara-bakiteny hitan’i Satana nahafahany nanokatra ny varavarana ho an'ny tenany ho amin'ny taranak’olombelona. Sarotra ho an’i Satàna ny (satria izy fanahy NOFORONINA) ny miteraka ny tenany tahaka ny niterahan’Andriamanitra ny Tenany, noho izany ny Genesisy dia milaza ny fomba namoahany ny taranany sy nampidirany, na nanatsofohany izany teo amin'ny taranak’olombelona. Ary tsarovy koa fa i Satana no antsoina hoe: ‘menarana.’ Izany dia ny taranany, na tsindrona nalefa tao anatin’ny olombelona izay noresahantsika.

Talohan'ny nanan’i Adama fahalalana ara-nofo momba an'i Eva, ny menarana dia efa nanana izany fahalalana izany talohany. Ary ilay iray teraka tao anatin’izay dia Kaina. Kaina dia ilay (nateraky) "Ilay Ratsy". 1John 3:12. Ny Fanahy Masina tao amin'i Jaona amin'ny toerana iray dia tsy afaka niantso an’i Adama hoe "Ilay Ratsy" (fa izany no izy raha izy no niteraka an'i Kaina) ary ao amin'ny toerana hafa manao an’i Adama hoe "Zanak'Andriamanitra", tamin’ny famoronana. Lioka 3:38. Kaina dia niseho tamin’ny toetran’ny rainy, mpitondra fahafatesana, mpamono olona. Ny fihantsiany tanteraka an'Andriamanitra, rehefa niatrika ny Tsitoha ao amin'ny Genesisy 4:5,9,13,14, dia mampiseho azy ho tena tahaka ny olona eo amin'ny toetra, tahaka ny mihoatra nohon’ny tantara ao amin'ny Soratra Masina ananantsika ny momban’ny fifandonan’i Satana amin'Andriamanitra." Fa Kaina mbamin'ny fanatiny kosa tsy mba nankasitrahany. Dia tezitra indrindra Kaina, sady nanjombona ny tarehiny. Ary hoy Jehovah tamin'i Kaina: Aiza Abela rahalahinao? Fa hoy izy: Tsy fantatro; izaho anagha no mpiandry ny rahalahiko? dia hoy Kaina tamin'ny Tompo, ny saziko dia mihoatra noho izay zakako. Indro, efa nandroaka ahy Ianao androany tsy ho ambonin'ny tany, dia hiery tsy ahita ny Tavanao aho, ary ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin'ny tany, ary izay rehetra mahita ahy dia hamono ahy."

Mariho ny fomba firaketana an-tsoratra avy amin'Andriamanitra nanazavàna ny tantaran'ny nahaterahan' i Kaina, Abela sy Seta. Genesisy 4:1, "Ary Adama nahalala an'i Eva vadiny, dia nanan'anaka ravehivavy, ka niteraka an'i Kaina, ary hoy izy: Efa nahazo zazalahy avy amin'ny Tompo aho. Ary avy eo izy dia niteraka an'i Abela rahalahiny koa." Genesisy 4:25, "Ary Adama nahalala ny vadiny indray, ka dia niteraka zazalahy, ary ny anarany nataony hoe Seta ..." Misy zazalahy TELO teraka tamin’ny asa ROA araka ny fahalalana ara-nofo avy amin’i Adama. Koa satria ny Baiboly no marina sy Tenin’Andriamanitra tonga lafatra, tsy diso io fa firaketana an-tsoratra ho an'ny fahazavantsika. Ary satria zaza TELO lahy nateraky ny asa roa nataon’i Adama, fantatrareo TSARA fa ny IRAY amin'ireo telo ireo dia TSY zanak'i Adama. Andriamanitra efa nanoratra izany amin'ity fomba ity mba hanehoana zavatra ho antsika. Ny fahamarinan'izany dia ny hoe Eva dia nanana zaza ROA lahy tao an-kibony (kambana) avy amin'ny vohoka SAMIHAFA. Nitondra kambana izy, i Kaina no talohan’ny nanorotorona an'i Abela.

Vakio ny kaonty feno in...
Taom-piangonana Efesosy.

Jereo... Ny taranaky ny menarana.


  Hoy ny Soratra Masina...

Izany no mampiseho miharihary izay Zanak'Andriamanitra sy izay zanaky ny devoly. Tsy mba avy amin'Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny marina sy izay tsy tia ny rahalahiny.

Fa izao no teny nampitondraina izay efa renareo hatramin'ny voalohany: tsy maintsy mifankatia isika,-

tsy mba tahaka an'i Kaina, izay avy tamin'ilay ratsy ka namono ny rahalahiny. Ary nahoana no namono azy izy? Satria ratsy ny asany, fa ny an'ny rahalahiny marina.

1 Jaona 3:10-12



Ny Bokin’ny Fanambarana
Mitohy tamin'ny pejy manaraka.
(Ny Fotopampianaran’ny Nikolaita.)


Raha paoma no
nahatonga ny vehivavy
nahatsapa fa nitanjaka
izy ireo, fotoana izany
izao hizarana paoma
indray.


Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.

Tsindrio ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


Ny Asan’Ilay Mpaminany.
(PDF's)

The Two Babylons

by Rev Alexander Hislop.
(PDF Anglisy)

A lafiny tendrombohitra, ary nitsangana voaroy amin'ny oram-panala amin'ny Shina.

Lisy ny afo.

Ny Andry Afo - Houston 1950.

Mazava tamin'ny vatolampy pyramida.


Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.