Boky Fito Vita Tombo-kase.

<< mialoha

manaraka >>

  Andian’ny Tombokase Fito.

Bokin’ny Fanavotana.


William Branham.

Vakio ny kaonty feno in...
The Breach. (PDF Anglisy)

Ankehitriny, niakatra teo amin’ilay harambato aho, ary nihanika faran’izay avo indrindra tratrako. Ary nanontany ny Tompo aho, rehefa nipetraka teo, inona ny dikan’izany rehetra izany, sy ny sisa. Sanganehana aho ary tsy fantatro izay tokony hatao. Ary noho izany, rehefa nivavaka aho, dia nisy zavatra hafahafa nitranga. Tiako ny ho tsotra. Ankehitriny, mety ho resitory aho. Mety ho toy ny tsy fahatsiarovan-tena izany, na mety ho fahitàna izany. Mirona kokoa ny finoako fa izany dia fahitàna izay... namoaka ny tanako aho, ary nanao hoe: “Tompo ô, inona no dikan’izany fipoahana izany? Ary inona no ifandraisan’ireto anjely fito ireto amin’ny andiana kintana amin’ny piramida, misintona ahy hiala amin’ny tany ary miodina miatsinanana- inona ny dikan’izany?”

Nitsangana teo aho nivavaka, ary nisy zavatra nitranga. Ary teto dia, nisy zavatra nilatsaka teo an-tanako. Fantatro ankehitriny fa raha tsy azonareo ny zavatra ara-panahy dia mety ho hafahafa izany. Saingy nisy zavatra namely teo an-tanako. Ary rehefa nijery aho, dia sabatra ilay izy, ary vita tamin’ny perla ny fihazonana azy, ny perla tsara indrindra hitako. Ary ny tohany (fantatrareo, aiza, mino aho fa hiarovana ny tananareo tsy ho voakapa, fantatrareo, rehefa manao ady iray sy iray ny olona) dia volamena. Ary ny lelany tsy dia lava loatra, fa maranitra tsara ilay izy, ary mamirapiratra tahaka ny volafotsy izany. Ary io no zavatra faran’izay kanto indrindra hitako. Tena nety tamin’ny tanako ilay izy, ary nitazona azy io aho. Hoy aho hoe: “Tsy mahafinaritra ve izany?” Nojereko ilay izy, ary nieritreritra aho... Nefa fantatrareo fa ny sabatra dia ahatahorako foana. Toa faly aho fa tsy niaina tamin’ny andro nampiasain’izy ireo izany, satria matahotra antsy aho. Ary dia nieritreritra aho hoe: “Inona no hataoko amin'io?” Ary raha nitazona izany teo an-tanako aho,dia nisy feo avy tany ho any nanao hoe, “Io no sabatry ny Mpanjaka.” Dia nandao ahy izany avy eo.

-----
Noho izany, ireo zavatra ireo dia novinavinaintsika satria, tsy tamin’ny fianarana no nanaovako fanoharana. Mijery sy mahita aho, na izay tao, amin’ny Testamenta Taloha, izay karazana na aloky ny Vaovao. Avy eo dia manana hevitra aho hoe inona ilay Vaovao, hitanareo. Tahaka an’i Noa niditra tao anaty sambo-fiara talohan’ny nisian’ny fahoriana natao fanoharana. Eny TALOHAN’NY NIDIRAN’I NOA TAO ANATY SAMBOFIARA DIA NIAKATRA I ENOKA talohan’izay zavatra nitranga. Ary Lota dia nantsoina hivoaka tao Sodoma, raha mbola tsy nisy fahoriana nilatsaka na dia kely aza, dia ny fandringanana. Saingy nandritra izay fotoana rehetra i Abrahama dia ivalan’izany, hitanareo - karazana.

Fa ankehitriny, hamaky ny andininy voalohany isika. Hamaky ny andininy roa na telo voalohany amin’izany aho.

Ary nahita boky iray voasoratra ao anatiny sy ivelany aho teo antanan-kavanan'ilay nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana, voaisy tombokase tamin’ny tombokase fito. Ary nahita anjely mahery aho nilaza tamin’ny feo mahery: Iza no mendrika hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kase ao aminy? Ary tsy nisy olona tany an-danitra na tety an-tany, na tambanin’ny tany, mendrika hanokatra ny boky na hijery azy. (Boky inona izany!) Ary nitomany mafy aho, satria tsy nisy hita mendrika hanokatra sy hamaky ilay boky na hijery azy.
(Ankehitriny dia miresaka momba ny tsy fahamendrehana ianareo, tsy mendrika akory na dia hijery izany aza - tsy misy olona, ​​na aiza na aiza!)
Ary hoy ny loholona iray tamiko: Aza mitomany: indro, ny Liona avy amin’ny firenen’i Joda, Solofon’i David, no naharesy hanokatra ny boky ary hamaha ny tombo-kase fito ao aminy. Ary nibanjina aho, ary, indro, teo afovoan’ny seza fiandrianana sy ny biby efatra,... teo afovoan’ny anti-panahy, dia nisy Zanak’ondry nitsangana tahaka ny novonoina, nanana tandroka fito sy maso fito, dia ny Fanahy fiton’Andriamanitra nalefa ho amin’ny tany rehetra. Dia tonga izy ka nandray ny boky teny antanan-kavanan’ilay nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana.

Miato kely isika mandritra ny fotoana fohy manomboka amin’ny famakiana ny Apôkalypsy 5 ka hatramin’ny... anisan'izany ny andininy faha-7.

Ity boky misy tombokase fito ity dia naharihary amin'ny fotoanan’ny kotrokorana fito ao amin’ny Apôkalypsy 10.

-----
Ankehitriny. Jereo, ny zava-miafin’ity boky misy tombokase fito ity dia haseho AMIN'NY FEON’NY HAFATRY NY ANJELIN’NY FIANGONANA FAHAFITO. Nanomboka nitsoka ny anjely fahafito, ary tao no nanoratana ireo hafatra, ary azontsika amin’ny horonam-peo sy boky izany. Ankehitriny, eo am-piandohan'ny feon’ilay hafatra, ny misterin’Andriamanitra dia tokony ho vita amin’izany fotoana izany. Ankehitriny, ho hahatsikaritra isika fa ny bokin’ny zava-miafina an’Andriamanitra dia tsy nambara raha tsy re ny feon'ny anjely fahafito. Ankehitriny, ireo teboka ireo dia ho manan-danja ao amin'ny tombokase, azoko antoka, satria tsy maintsy mifamatotra ny antsipirihiny amin’izany. Ankehitriny izany dia voasoratra tamin’ny fomba misitery, satria tsy misy olona mahalala izany- Andriamanitra irery, Jesôsy Kristy, hitanareo.

Ankehitriny, fa izany dia boky mistery. Boky iray fanavotana. (Hiditra ao anatin’izany isika afaka fotoana kely.) Ary ankehitriny, fantatsika fa tsy ho takatra daholo ny amin’io boky fanavotana io. Nohalalinina nandritra ny taom-piangonana enina izany. Saingy amin'ny farany, rehefa nanomboka nitsoka ny zava-miafiny ny anjely fahafito, dia natambany izay tsy voazavan’izy rehetra tao. Ary ny zava-miafina dia nidina avy ao amin’Andriamanitra tahaka ny Tenin’Andriamanitra ka manambara ny fanambaran’Andriamanitra manontolo. Avy eo ny momban’ny maha-Andriamanitra sy ny zavatra hafa rehetra dia voazava. Ny zava-miafina rehetra - ny taranaky ny menarana ary na inona na inona- dia tsy maintsy haseho.

-----
Mariho, tombokase fito ao amin’ny boky (ireo tombokase fito ireo) dia nanisy tombo-kase ilay boky. Tena voaisy tombo-kase ilay boky. Hitanareo ve izany? Ilay boky dia tena boky vita tombokase mandra-pamaha ireo tombokase fito. Tombokase fito no namehezana azy. Ankehitriny, hafa noho ny kotrokorana fito izany. Io dia tombokase fito eo amin’ilay boky, ary ny boky dia tsy... tsy ho vahana ireo tombo-kase raha tsy ny hafatry ny anjely fahafito, hitanareo? Noho izany isika dia maminavina. Fa ny tena fanambaràn’ Andriamanitra dia ho tonga lafatra ao anatin’io feo voamarina fahamarinana io. Ankehitriny, izay indrindra no lazain’ny Teny. Tokony ho tapitra amin'io fotoana io ireo mistery. Ary ity boky misy tombokase fito ity, tadidinareo fa nihidy teto ao amin'ny Apôkalypsy toko faha-5, ary ao amin'ny Apôkalypsy toko faha-10 dia misokatra izy i.

Ankehitriny, ho hitantsika izay lazain’ny Boky momba ny fomba nisokafany; ary tsy nampahafantarina izany mandra-pahatongan’ny Zanak’ondry haka ny boky sy hamaky ny tombokase ary hanokatra ny boky, hitanareo. Tsy maintsy maka ilay boky ny Zanak’ondry. Azy izany. Ankehitriny tadidio, tsy misy olona tany an-danitra, tsy misy olona papa tety an-tany, eveka, kardinaly, presbyteran-panjakàna, na iza na iza izy - afaka mamaha ny tombokase na manambara ny boky afa-tsy ny Zanak’ondry. Ary efa nandalina isika, naminavina, ary tafintohina, ary nanontany tena, ary izay no antony mahatonga antsika ao anatin’ny fahaverezan-kevitra izay tsy izy; fa amin’ny fampanantenan’Andriamanitra fa io boky fanavotana io dia ho sokafan’ny Zanak’ondry amin’ny fahalavorariana, ary tombokase ao aminy dia hovahan’ny Zanak’ondry amin'ny andro farany izay iainantsika ankehitriny, ary tsy nampahafantarina mandra-pahatongan’ny Zanak’ondry maka ny boky sy mamaha ny tombo-kase. Satria tsarovy fa nohazonina teo an-tanan’Ilay nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana ilay boky. Ary ny Zanak’ondry dia manatona Ilay mipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana ary mandray ny boky avy eo an-kavanany.

Oh, lalina izany. Hiezaka hamaha izany isika raha afaka manao izany, amin’ny alalan'ny fanampian’ny Fanahy Masina. Ankehitriny, miantehitra Aminy isika. Ary ho hitantsika ao aoriana kely, izany dia amin’ny andro farany rehefa tapitra ny fotoana. Tsy misy anaram-piangonana manana zo amin’ny fandikàna ny boky. Tsy misy olona manan-jo handika izany. Ny Zanak’ondry no mandika izany; ary ny Zanak’ondry no ilay iray milaza izany; ary ny Zanak’ondry mampahafantatra ny Teny amin’ny alàlan’ny fanamarinana sy fitondrana ny Teny ho amin’ny fiainana, hitanareo. Izay indrindra.

-----
Ny lalàn’Andriamanitra dia nitaky ny mpisolo tsy manan-tsiny, ary iza no tsy manan-tsiny? Ny lehilahy rehetra dia teraka tamin’ny firaisana ara-nofo. Avy amin’ny firaisana ara-nofo, ny rehetra! Ary ilay hany tokana tsy tao, dia nanary ny zon’ny fiainana mandrakizay, ary ho mpanjaka eto ambonin'ny tany. Oh, rehefa mieritreritra izany soratra masina izany aho, “Fa navotanao niverina any amin’Andriamanitra izahay, mba ahafahanay manjaka ary ho mpanjaka sy mpisorona ety an- tany.” Oh, inona, ny Mpanavotra Havana...! Oh, izany tantara azontsika eto! Mariho, ny lalàna dia nitaky mpanavotra havana hanavotra ilay zavatra very. Ny fahasoavana dia nahafeno izany fepetra izany tao amin’ny olona Jesôsy Kristy. Ny Havana dia tsy maintsy teraka avy amin’ny zanak’olombelona.

Ankehitriny, ahoana no hahafahantsika raha ny olona teraka rehetra tsy maintsy... Ary ny olona tsy afaka mahita izany dia asan’ny firaisana ara-nofo tao, jamba tanteraka izy, “satria ny olona rehetra natera-behivavy”. Ary notakin’Andriamanitra ny mpanavotra havana, ary tsy maintsy ho olombelona izy. O, ry zanako, inona izao no hataonao? Ny lalàna dia nitaky mpanavotra havana. Ankehitriny, tsy afaka naka anjely izy. Tsy maintsy nanana olona izy, satria tsy havan’ny anjely isika. Mpihavana isika tsirairay. Tsy ny anjely no lavo. Izy dia karazana zava-misy hafa, manana vatana hafa. Tsy nanota izy na inona na inona. Hafa izy. Saingy ny lalàna dia mitaky mpanavotra havana, ary ny olona rehetra eto an-tany dia teraka avy amin'ny firaisana ara-nofo. Ankehitriny, tsy hitanareo ve, avy aiza ny niaviany. Tao no nanomboka ny ota. Noho izany, mahita ianareo ny. toerana misy izany izao? Tao no niditra ny taranaky ny menarana, hitanareo.

Ankehitriny, diniho. Takiana, havana mpanavotra iray, ary ny mpanavotra (havana mpanavotra) dia tsy maintsy ateraky ny taranak'olombelona. Eto izany dia mahatonga antsika ho sanganehana. Fa mamelà ahy hitsoka mafy ny trompetra aminareo. Ny fiterahana virjiny dia namoaka ny vokatra. Amena! Ny fahaterahan’ny virjiny dia niteraka ny havantsika mpanavotra, tsy iza izany fa ilay Andriamanitra mahery indrindra lasa Imanoela. Imanoela. Ny mpanavotra Havana dia nifanaraka... Hitanareo ny fomba nanaovan’Andriamanitra ny fitakiana? Ary tsy misy azontsika atao. Ary avy eo, ny fahasoavana dia niditra sy nanarona ny lalàna ary mamoaka ny vokatra. Amena!

-----
Jereo ankehitriny. Ny bokin’i Rota dia manome sary tsara tarehy momba izany, ahoana ny nahavery ny fananan’i Boaza sy Naomy. Efa naheno ahy daholo ianareo nitory momba izany, sa tsy izany? Atsangano ny tananareo raha naheno ahy nitory izany ianareo, noho izany dia mahalala ianareo, hitanareo. Tsy maintsy ho lasa mpanavotra i Boaza, ary izy irery ihany no afaka. Tsy maintsy havana izy, havana akaiky. Mba hanavotana an’i Naomy, dia naka an’i Rota izy. Jesôsy izany, Boaza tandindon’i Kristy. Ary rehefa navotany ny Isiraely dia naka ny ampakarina Jentilisa Izy. Rehefa, hitanareo... Tena mahaliana be. Manana an’io isika ao amin’ny oronam-peo, azoko antoka, eto izany, raha tianareo ny hanana izany.

-----
Ny fahasoavana no namoaka ny olona Jesôsy Kristy. Ary hitantsika izao io boky io... Namelatra ny tranolainy Andriamanitra - avy amin’Andriamanitra no tonga olona. Novainy ny momba Azy avy amin’ny Tsitoha ho tonga olona- haka ny endriky ny olona, ​​mba Ahafahany maty hanavotra olona. Andraso mandra-pahitantsika Azy, rehefa tsy misy olona mendrika, hitanareo.

Eny ary. Ao amin’ny Baiboly, ao amin’ny bokin’i Rota, rehefa mamaky izany ianareo, dia ho hitanareo fa ny olona toy izany dia antsoina hoe goel, g-o-e-l, antsoina hoe goel, na hoe olona iray mahafeno ny fe-petra takiana. Ary ilay (goel) tsy maintsy mahavita izany, ary tsy maintsy vonona hanao izany, ary tsy maintsy havana, Havana hakaiky hanao azy. Ary Andriamanitra, ilay namorona ny fanahy, dia tonga Havana ho antsika rehefa tonga olombelona Izy, ​​mba hahafahany mitondra ny fahotantsika eo Aminy, sy handoa ny sarany, ary hanavotra antsika hiverina amin’Andriamanitra indray. Izay ilay izy. Eo ny mpanavotra. Navotan’i Kristy isika ankehitriny. Avotra isika ankehitriny, fa tsy mbola nitaky ny fananany akory Izy. Ankehitriny, mety tsy hitovy hevitra amin’izany ianareo. Fa raha maharitra iray minitra fotsiny ianareo dia ho hitantsika.

Tsy mbola nitaky izany Izy, jereo. Raha naka ilay bokin’ny fanavotana Izy... Ny zavatra rehetra nananan’i Adama sy ny zavatra rehetra nariany dia navotan’i Kristy indray. Ary efa navotany isika, fa tsy mbola naka ny fananany Izy akory. Tsy afaka Izy mandra-pahatongan’ny fotoana voatondro. Ary avy eo dia ho avy ny fitsanganana amin’ny maty, ary havaozina indray ny tany, ary avy eo dia hataony ho fananany- izay Azony azony rehefa navotra antsika Izy. Fa hataony amin'ny fotoana voatondro io. Oh! Izany dia voalaza ao amin’ity boky misy tombokase fito ity izay resahantsika izao. Eny ary, ilay bokin’ny fanavotana- voalaza eto daholo izany. Izay rehetra izany, izay hataon’i Kristy amin'ny farany, dia haseho amintsika amin’ity herinandro ity ao amin’ny tombokase fito, raha avelan’Andriamanitra hahita isika, hitanareo. Eny ary. Haseho ireo,...

Vakio ny kaonty feno in...
The Breach. (PDF Anglisy)



Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.


Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.

  Hoy ny Soratra Masina ...

Ary hitako fa, indro, nisy anjely mahery hafa nidina avy tany an-danitra, nitafy rahona; ary ny avana dia teo amin’ny lohany, ary ny tavany tahaka ny masoandro, ary ny tongony tahaka ny andry afo:

Ary nisy boky kely nisokatra teny an-tanany; dia napetrany teo ambonin’ny ranomasina ny tongony ankavanana ary ny tongony havia tamin’ny tany.

ary niantso tamin’ny feo mahery izy toy ny fieron’ny liona; ary nony niantso izy, dia nisy kotrokorana fito.

Apôkalipsy 10:1-3


Tsindrio ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


Ny Asan’Ilay
Mpaminany.
(PDF's)

Toko 14
Harambaton'i Sabino.

(PDF)

William Branham Life
Story.

(PDF Anglisy)

How the Angel came
to me.
(PDF Anglisy)

Ity boky fito
vita tombo-kase
ity dia aharihary
amin’ny fotoanan’ny
kotrok’orana fito
ao amin’ny
Apôkalipsy 10.