Tombokase Fahafito.

<< mialoha

manaraka >>

  Andian'ny Tombokase Fito.

Fahanginana tany an-Danitra.


William Branham.

Vakio ny kaonty feno in...
Seventh Seal. (PDF Anglisy)

Ankehitriny, fantatsika fa... isika koa.... Navelan’ny Tompo haka ny Soratra Masina isika, ny Soratra Masina, izay nolazain’i Jesosy fa hitranga. Ary ahoana no nahitantsika an’io? Eto dia tonga izy ary manambara, ary mitondra izany araka ny tokony ho izy... Ny toriteniny tao, mamaly izany dia mitondra mahitsy amin’ny teboka, enina amin’ny tombo-kase; fa Navelàny ny fanambaràna eny fa na izay mety ho famantarana ny amin ‘ny fahafito aza. Izany dia zava-miafina ao amin’Andriamanitra. Mariho, izao isika dia hamaky ao amin’ny Baiboly ao amin’ny... tombokase fahafito. Izany dia hita ao amin’ny Apokalypsy, toko faha-8.

Ary rehefa novahany ny tombokase fahafito, dia nisy fahanginana tany an-danitra tokony ho antsasak’adiny.
[Ary izany no azontsika amin’io.]

Ankehitriny, tsy misy mahalala isika. Fa holazaiko aminareo ny fanambarako ny amin’izany. Ary ankehitriny, tsy voatery hoe mahery fo tafahoatra aho. Fa raha izany aho, dia tsy ampy fahalalàna, hitanareo. Tsy hamboraka zavatra tonga tampoka aho, tahaka ny zavatra manaitra mahavery saina na zavatra eritreretina. Nilaza zavatra mety ho hafahafa ho an’ny olona sasany aho. Fa rehefa tonga ao ambadik’izany Andriamanitra ka manamarina izany ary milaza fa izany ho fahamarinana, noho izany dia Tenin’Andriamanitra izany. Mety ho hafahafa izany, hitanareo. Ary ankehitriny, raha mijoro eto amin’ny lampihazo aho anio hariva dia nanana fanambaràna izay naseho... izany dia amin’ny fivalonany telo. Izany dia, ho resahiko aminareo amin’ny fanampian’Andriamanitra, ny amin ‘ny fivalonany. Ary avy eo ianareo.... Andeha ho eo amin’ny voalohany isika. Ity ny fanambaràna hanombohana izay... Tiako ny milaza aminareo hoe inona izany. Ny zava-mitranga dia ireo kotrokorana fito ireo, dia naheno kotroka izy ary noraràna ny hanoratra.... Izany no zava-miafina mipetraka ao ambadik’ireo kotrokorana fito mifanesy mivelatra.

Ankehitriny, nahoana? Andeha ho porofointsika izany. Nahoana? Io ilay tsiambaratelo izay tsy misy mahalala. I Jaona dia noraràna ny hanoratra momba izany- eny fa na dia manoratra famantarana momba izany aza. Nahoana? Izany no antony. Tsy nisy zava-nitranga tany an-danitra. Mety hamboraka ilay tsiambaratelo izany. Hitanareo izany ankehitriny? Raha tena lehibe tokoa izany dia tsy maintsy nampidirina tao, satria tsy maintsy hitranga izany, fa tamin’ny kotrokorana fito.... Ankehitriny mariho, rehefa nivoaka ny anjely fito nitsoka ny trompetran ‘izy ireo, dia nisy kotrokorana iray. Rehefa tafangona ny Isiraely, dia nisy trompetra. Rehefa tsy hisy intsony ny fotoana, ny trompetra farany, kotrokorana iray. Fa ity dia kotrokorana mahitsy fito mifanarakaraka: iray, roa, telo, efatra, dimy, enina, fito- ilay isa lavorary. Kotrokorana fito nifanesy no heno, tsy nanao izany... fa tonga dia iray, roa, telo, efatra, dimy, enina, fito, mahitsy.

Noho izany, ny lanitra tsy afaka nanoratra izany. Tsy fantatry ny lanitra ny momba an’izany, tsy misy zavatra hafa, satria tsy misy tohiny. Izany dia ...?... fotoana. Fatratra tokoa izany ka nafenina tamin’ireo anjely. Ankehitriny, nahoana? Satria raha azon’ i Satana izany, dia mety hanao fanimbàna be izy. Misy zavatra iray izay tsy fantany. Ankehitriny izy dia afaka mandika izay tiany, ary maka tahaka ny karazana fanomezam-pahasoavana rehetra (mino aho fa mianatra ianareo). Saingy io tsy afaka ny ho fantany. Tsy voasoratra ao anaty Teny akory izany! Zava-miafina tanteraka izany! Ireo anjely, nangina daholo ny zava-drehetra! Raha nanao fihetsika iray izy ireo dia mety hamboraka zava-miafina izany, noho izany dia nangina izy ireo- nijanona ny resaka. Nijanona ny zava-drehetra.

Fito - Isa lavorarin’Andriamanitra. Fito manaraka ny laharana. Kotrokorana fito namoaka feo miaraka tahaka ny misy zavatra hazavainy. Mariho, tamin’io fotoana io, Jaona dia nanomboka nanoratra, ary hoy izy hoe: “Aza soratana izany.” Tsy niresaka momba an’io mihitsy Jesosy. Tsy afaka nanoratra an’io Jaona. Tsy mahalala momba izany ny anjely. Inona ilay izy? Io no zavatra nolazain’i Jesosy fa na dia ny anjelin’ny lanitra aza tsy mahalala na inona na inona momba izany, hitanareo. Izy Tenany aza tsy nahalala izany. Nilaza izy fa Andriamanitra ihany no mahalala izany. Saingy nilaza tamintsika Izy fa rehefa manomboka mahita ireo famantarana ireo tonga isika.... (Ankehitriny, maharaka tsara ve ianareo? Eny ary.) Mariho, manomboka mahita ny fahatongavan’ireo ireo famantarana ireo isika, hitanareo. Raha afaka nahazo izany Satana...

Raha tianareo hisy zavatra hitranga.... Tokony ho raisinareo ny teniko momba izany ankehitriny. Raha mikasa ny hanao zavatra aho, dia mahalala bebe kokoa aho nohon’ ny hilazako amin’ny olona momba izany. Tsy ilay olona akory no hilaza izany fa ho henoin’i Satana izany, hitanareo? Tsy afaka miditra ao am-poko izy, raha mbola fehezin’Andriamanitra ao amin’ny Fanahy Masina izany. Ka noho izany dia eo amiko sy Andriamanitra izany, hitanareo. Tsy mahalala na inona na inona momba izany izy mandra-piteninareo, dia henony avy eo. Ary efa nanandrana aho.... Nilaza tamin’ny olona aho fa hanao zavatra iray- zavatra iray, ary mijery ny devoly nanapaka ny kodiarana rehetra ahafahany nandeha tao, hitanareo, mba hialoha ahy amin’izany. Fa raha mahazo ny fanambaràna avy amin’Andriamanitra aho ary tsy milaza na inona na inona momba izany, dia hafa izany. Tadidio fa Satana dia miezaka ny haka tahaka! Hiezaka ny haka tahaka ny zava-drehetra hataon’ny fiangonana izy. Nanandrana nanao izany izy. Hitantsika tamin’ny alàlan’ny antikristy izany. Fa ity zavatra iray ity tsy azony halain-tahaka. Tsy hisy fitoviana amin’izany, hitanareo, satria tsy fantany izany! Tsy misy fomba hahalalàny azy. Izany dia ny fisarihana fahatelo. Tsy mahalala na inona na inona momba izany izy, hitanareo. Tsy azony izany....

Saingy misy tsiambaratelo ao ambadik’izany. Voninahitra any amin’ny avo indrindra! Tsy afaka ny hieritreritra toy izany amin’ny androm-piainako rehetra aho. Rehefa hitako.... Ankehitriny, tsy fantatro hoe inona.... Fantatro ny dingana manaraka eo, fa tsy fantatro ny fanfdikàna izany. Tsy ho lava izany. Nosoratako eto izany rehefa nitranga, raha afaka mahita eto ianareo, “Ajanony! Aza mandeha lavitra noho ity efa eto ity.” Tsy hoe voatery ho mahery fo tafahoatra aho. Milaza ny marina fotsiny aho. Fa tsaroanareo fa, ilay kiraro kely izay nohezahiko nanazavaina foana? fa ny fanahy napetraka eo akaikin’izao sy izao sy ny fieritreretana anatiny, sy ny karazan-javatra rehetra toy izany? Ary izany dia vondrona mpaka tahaka lehibe taoriany. Ny fomba fandraisany ny tànana, ary mitazona ny olona sy manana hovitrovitra (vibration)- ary ny rehetra samy nanana ny hovitrovitra teo amin’ny an-tanany. Saingy tadidinareo ve rehefa nitondra ahy ho tany Izy ka niteny hoe, “Ity io fisintonana fahatelo io, ary tsy misy mahalala an’io!”? Tadidinareo ve izany? Ny fahitàna tsy maintsy tanteraka! Ten any fahamarinana izany.

Ankehitriny mariho, tsarovy ny fahitàna ilay antokon-kintana? (Charlie, eto ianao.) Misy zavatra mitranga, efa nolazaiko ianao, fa amin’ity herinandro ity ianao... manodinana anao io, fa tiako ho tsikaritrao. Tsarovy ny andian-kitana momban’ny fahitàna an’ireo anjely rehefa niala teto aho ho any Arizona? Tadidinao ve, “Fotoana Inona Izany Tompoko?” Tadidinao ve izany? Mariho, tsy nisy afa-tsy kotrokorana iray, ary nisy anjely fito nipoitra. Tsy izany ve no marina? Kotrokorana iray, nisy anjely fito niseho. “Ary nahita ny Zanak’ondry aho, rehefa novahany ny tombokase voalohany, ary henoko ho toy ny feon’ny kotrokorana izany, ary hoy ny iray tamin’ny biby efatra: ‘Avia jereo’.” Mariho, kotrokorana iray- hafatra fito vita tombokase ary tsy afaka miseho raha tsy amin’ny andro farany, amin’ity vanim-potoana ity. Hitanareo ve ny tiako ho lazaina?

Ankehitriny, efa voamarikareo ve ny ampahany mistery tamin’ity herinandro ity? Izay ilay izy. Izany dia, tsy olombelona, lehilahy iray​; anjelin’ny Tompo ilay izy. Mariho, misy vavolombelona telo mipetraka eto, fa herinandro lasa izay (herinandro lasa mahery kely teo) dia tany an-tendrombohitra aho, efa akaikin’i Mexico, niaraka tamin’ny rahalahy roa mipetraka teto, nanala tsilo... na tsipolitra tamin’ny moro-tongotry ny patalohako; ary nisy fipoahana izay saika, toa ny, nampihozongozona ny tendrombohitra.ankehitriny dia marina izany. Tsy nitantara tamin’ny rahalahiko mihitsy aho, fa nahatsikaritra fahasamihafàna izy ireo. Ary hoy Izy tamiko: “Ankehitriny, miomàna. Mandehana miatsinanana.” Ity no fandikàna io fahitàna io. Hitanareo? Ankehitriny, mba hampahafantarana anareo, Rahalahy Sothmann dia tsy nahazo ny haza notadiaviny. Niezaka ny naka izany ho azy izahay. Ary hoy Izy, “Anio hariva, ho famantarana ho anao, dia tsy hataony izany. Tsy maintsy manokana ny tenanao ianao amin’izao fotoana izao ho amin’ny fitsidihan’ireo anjely ireo.” Ary toa tsy tompon’ny tenako aho, tadidinareo. Ary tany andrefana aho; Tonga avy any atsinanana ireo anjely. Ary rehefa nandalo izy ireo, dia nalaina niaraka tamin’izy ireo aho. Tadidinareo ve izany? - tonga avy any atsinanana.

-----
Ary tsikaritrareo fa ilay anjely iray, izay nolazaiko fa teo, dia anjely hafahafa? Nijery ahy kokoa izy noho ny sisa rehetra tamin’izy ireo. Tadidinareo ve izany? Tao anaty antokon-kintana izy ireo - teo amin’ny lafiny iray ary ny iray teo an-tampony. Ary ilay iray teto akaikiko teto, raha manisa avy eo ankavia mian-kavanana, dia tokony ilay anjely fahafito. Namiratra kokoa izy, misy dikany kokoa aho noho ny ambiny sisa. Tadidinareo,nilaza aho fa dia nataony toy izao ny tratrany, ary nanidina niantsinana izy. Tadidinareo ve fa tahaka izany? Hoy aho, “Nalainy aho, nasandrany aho.” Tadidinareo ve izany?

Ity ilay izy! Ilay iray manana ny tombokase fahafito - ilay zavatra nampanontany tena ahy nandritra ny androm-piainako. Amena! Ireo tombokase hafa dia misy dikany manan-danja amiko, mazava ho azy. Kanefa, oh, tsy fantatrareo izay dikan’izany! Fa fotoana iray teo amin’ny fiainako... nivavaka aho, nitalaho tamin’Andriamanitra aho. Taorian’ny fivoriana tao Phoenix, izay olona niaraka tamiko tany nahalala, tany an- tendrombohitra aho. Indray maraina aho nifoha ary niakatra tany Sabino Canyon - tendrombohitra lehibe, be tendro, ary avo. Ary niakatra tany aho, ary misy lalan-kely rehefa manomboka mandeha ianao - mitohy miakatra amin’ny Lemmon Mountain izay lalana tokony ho valo amby efapolo kilometatra, ary nisy lanezy mahatratra sivy metatra ny ahavony.

Noho izany, tany an-tendrombohitra raha mbola tsy nazava ny andro, niakatra io lalan-tongotra kely io, ny vato mikodiadia eny, dia tsapako fa voatarika ho any aho. Nitodika aho ary niditra tao amin’ireo vatolampy goavam-be - oh, eny, telopolo metatra ny haavony. Ary nandohalika teo anelanelan’ireo vatolampy ireo aho. Napetrako ity Baiboly ity ary nametraka ity boky ity- ity ity takelaka kely ity. Hoy aho: “Andriamanitra Tompo ô, inona no dikan’io fahitana io?” Hoy aho: “Tompo ô, moa ve midika izany fa ho faty aho?” (Tadidinareo fa nilaza taminareo aho fa noheveriko fa ny fahafatesako izany, satria nisy zavatra nipoaka ka nampivarahontsana ahy. Tsaroanareo. Firy no mahalala... naheno izany. Eny, ianareo rehetra.) Ary nieritreritra aho fa mety nidika hoe fahafatesako ilay izy. Ary avy eo tao amin’ny efitrano, hoy aho: “Inona iny, Tompo ô? Inona no dikan’iny? Midika ve izany fa ho faty aho? Raha izany, dia tsy maninona. Tsy hiteny amin’ny fianakaviako aho. Avelao aho handeha, hitanareo, raha vita ny asako.” Ary hoy aho.... Ankehitriny, inona ilay izy? Saingy niverina nandefa vavolombelona Izy - tsaroanareo ve aho nilaza taminareo izany - saingy tsy izay ilay izy, izany dia fitohizan’ny asako.

Oh! Azonareo ve izany, hitanareo? Nipetraka tany Sabino Canyon - ny Ray any an-danitra mahalala izany - marina araka ny hitanareo fa hitranga, nidina avy hatrany ireo anjely ireo ary nanamarina ny hafatra rehetra mba hitovy. Dia fantatrareo hoe avy amin’Andriamanitra izany na tsia. Tamin’ny fahitàna no nanambarana anareo mialoha. Tsy afaka niteny taminareo aho raha tsy efa vita ny fotoana, satria noraràna aho. Tany Sabino Canyon, nipetraka tany aho tamin’io maraina io, nanangan-tànana aho, ary notsofin’ny rivotra ilay satroko mainty efa tonta. Nijoro teo aho niaraka tamin’ny tanako nisandratra nivavaka. Hoy aho: “Andriamanitra Tompo ô, inona no dikan’izao? Tsy azoko ilay izy, Tompo ô. Inona no tokony hataoko? Raha izany no handehanako mody, avelao aho hiakatra eto ka tsy ho hitan’izy ireo intsony. Tsy tiako hisy olona hisaona raha mandeha aho. Tiako ny fianakaviana raha mihevitra fa nandeha nitsangatsangana aho, ary tsy hahita ahy izy ireo. Afeno any ambadimbadika any aho! Raha tsy maintsy handeha aho, nahoana, avelao aho handeha. Angamba Joseph hahita ny Baiboliko mipetraka eto indray andro any, ary avelao izy hampiasa azy. [Hitanareo?] Raha handeha aho, avelao aho handeha, Tompo ô.”

Ary navoakako ny tanako, ary niaraka tamin’izay dia nisy zavatra namely ny tanako. Tsy fantatro. Tsy afaka milaza aho. Nandeha natory ve aho? Tsy fantatro. Tsy nahatsiaro saina ve aho? Tsy fantatro. Fahitàna ve izany? Tsy afaka milaza aminareo aho. Ny hany zavatra azoko lazaina dia avy amin’ny.... zavatra mitovy tahaka ny tamin’ireo anjely. Ary nikapoka ny tanako izany, ka nijery aho fa sabatra ilay izy. Ary perla ny fitazonana azy - tena tsara tarehy. Ary nisy aro-tanana volamena teo aminy, ary ny lelany tahakan’ny, zavatra tahaka ny ‘chrome’, toa volafotsy rehefa tena mamirapiratra. Ary maranitra be, oh! Ary nieritreritra aho hoe, “tsy izany ve no zavatra tsara indrindra?” - mifanaraka tsara amin’ny tanako. Nieritreritra aho, “tena tsara loatra izy izany.” Fa hoy aho hoe: “Eh, matahotra azy ireo foana aho,” sabatra. Ary nieritreritra aho, “Inona no hataoko amin’io?” Ary avy eo nisy feo nampihetsika ireo vato! Nanao hoe, “Io no sabatry ilay Mpanjaka!”, Avy eo aho dia nivoaka tao. Ny sabatry ny Mpanjaka! Ankehitriny, raha niteny izy, “sabatry ny mpanjaka....” Fa saingy hoy izy, “sabatry ilay Mpanjaka”, ary tsy misy afa-tsy iray ihany “Ilay Mpanjaka”, ary izany dia Andriamanitra! Ary manana sabatra iray Izy. Izany dia ny Teniny - izay ivelomako! Ka ampio aho, Andriamanitra... mitsangana eo amboninny Latabany masina eto miaraka amin’ity Teny masina ity mipetraka eto. Ny Teny izany. Amena!

Oh, andro inona izao iainantsika izao! Tena zava-dehibe tokoa! Jereo ny mistery sy ny tsiambaratelo? Ny fahatelo.... Nijoro teo aho, rehefa nandao ahy io, nisy zavatra tonga tamiko ary niteny hoe, “Aza matahotra.” Ankehitriny, tsy naheno feo aho - tahaka ny niresaka tao anatiko. Milaza marina aminareo fotsiny aho, izany indrindra ny zava-nitranga. Nisy zavatra nikapoka, ary hoy izy, “Aza matahotra. Io izany fisarihana fahatelo izany.” Fisarihana fahatelo. Tadidinareo ve izany? Hoy izy, “Manana mpaka-tahaka maro be ianao amin’ity, izay ezahinao hazavaina.” Hoy izy, “Aza manandrana izany.” Tadidinareo ve? Firy ny mahatsiaro an’izany fahitàna izany? Nahoana, efa vita izany. Efa anaty rakipeo eny rehetra eny. Tokony ho enin-taona lasa izay. Fito taona lasa izay - fito taona lasa izay. Hoy izy, “Aza manandrana manazava izany.” Hoy izy, “Io no fisarihana fahatelo, fa hihaona aminao any aho.” Marina ve izany? Hoy izy, “Aza manandrana....”

Nijoro tamin’ny kiraron-jazakely iray aho raha nilaza tamiko Izy, nanao hoe, “Ankehitriny, ataovy ny fisintonanao voalohany. Ary rehefa manao izany ianao, ny hazandrano dia hanaraka ny hran-jono.” Hoy, “Avy eo dia jereo ny fisintanabao faharoa,” hoy izy, “satria hazandrano kely ihany no ho ao.” Hoy izy, “Noho ozany dia ny fisintonana fahatelo no hahazo izany.” Ary ireo mpanompo rehetra dia nitodika ary nanao hoe: “Rahalahy Branham, fantatray fa afaka manao izany ianao. Hallelujah, Rahalahy Branham.” (Izany foana no mahatonga ahy miaraka- amin’ny mpitoriteny maromaro. Tiako ny olona, ary tian’izy ireo ianao hanazava ny zava-drehetra - ity, izao.)

Ary hoy aho, “Eny,” hoy aho, “tsy fantatro.” Hoy aho hoe: “Fantatro ny fanjonoana.” Hoy aho, “Izao, ny zavatra voalohany ataonao.... Ity no fomba anaovana azy. Hitanao daholo ny hazandrano rehetra manodidina. Tsy maintsy akifikao ny fandrika. ” (Eny, izany indrindra ny tetika fanjonoana.) Dia hoy aho, “Akifika ny fandrika.” Hitanareo ankehitriny fa rehefa nanakifika ny fandrika aho tamin’ny voalohany, ankehitriny dia nanaraka an’io ny trondro, fa saingy trondro kely izy ireo. Tahaka ny azon’izy ireo. Dia hoy aho: “ Noho izany dia vonona ianao...” natsipiko teo amorony izany dia nahazo trondro aho. Fa izany dia tahaka ny hoditra teo amin‘ilay fandrika... kely ihany izany. Ary nijoro teo aho dia nisy niteny hoe, “efa nilaza taminao aho ny tsy hanao izany!” ary nanomboka nitomany aho. Ny fintana rehetra dia nisavoritaka nanodidina ahy tahaka izao, ary izaho... nijoro teo aho nitomany ny lohako niondrika tahaka izao. Hoy aho hoe: “Andriamanitra ô, mamelà ny heloko. Olona adala aho, Tompo ô. Mamelà ahy.” Ary nanana ity fintana ity aho sy iry, ary ny tety an-tanako, dia tadikiraron-jazakely iray, tahaka izao ny halavany. Ary izaho..., io kofehy io dia mitovy habe amin’ny manodidina ny rantsan-tanako, sahabo 1,27cm. Ary ny lavaka tamin’io kiraro io dia mitovy habe amin’ny... kelikely kokoa noho ny iray ampaha-enina ambin’ny folo, vinavinaina, amin’ny 2,54 cm, ilay lavaka. Ary nanandrana nametaka ny tadin’ ity kiraro kely ity aho tamin’ity tady lehibe lehibe ity. Ary nisy feo tonga ary nilaza hoe, “Tsy afaka mampianatra zavatra mihoatra ny natoraly amin’ny zazakely Pentekotista ianao.” Hoy izy “Avelao izy ireo amin’izao!”

Ary avy eo dia Nentiny niakatra aho. Nentiny niakatra aho ka napetrany tamin’ny toerana ambony, izay nisy fivoriana iray - tahaka ny trano lay na karazana katedraly. Ary nijery aho ary nisy zavatra tahaka ny boaty kely iray, toerana kely iray tery amin’ny ilany. Ary hitako fa nisy hazavana niresaka tamin’olona iray teo amboniko - io hazavana hitanareo io eo amin’ny sary io. Niodina niala tamiko izany, tahaka izao, ary nankany amin’io tranolay io, ary nanao hoe: “any aho mihaona aminao.” Ary hoy izy: “Io no fisarihana fahatelo, ary tsy ho lazainao amin’iza na amin’iza izany.” Ary tany Sabino Canyon, hoy izy, “Ity no fisarihana fahatelo.” Ary misy zavatra telo lehibe miaraka amin’izany, ary ny iray niposaka androany... na omaly, ny iray hafa nambara androany, ary misy zavatra iray izay tsy azoko adika satria amin’ny fiteny tsy fantatra. Fa nijoro teo aho ary nijery mivantana an’izany, ary io no fisarihana fahatelo mitranga. Ary ny Fanahy Masin’Andriamanitra.... Oh,! Izay no antony nahatonga ny lanitra rehetra nangina!

Vakio ny kaonty feno in...
Seventh Seal. (PDF Anglisy)


Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.

  Hoy ny Soratra Masina ...

Ary nahita anjely mahery iray hafa aho nidina avy tany an-danitra, nitafy rahona; ary nisy avana teo ambony lohany, ary ny tarehiny tahaka ny masoandro, ary ny tongony tahaka ny andriafo:

Ary nanana horonam-boky kely misokatra izy teny an-tanany; dia napetrany teo ambonin’ny ranomasina ny tongony ankavanana, ary ny tongony havia tamin’ny tany.

Ary niantso tamin’ny feo mahery izy, toy ny fieron’ny liona; ary nony niantso izy, dia nisy kotrokorana fito.

Apôkalypsy 10:1-3


Tsindrio ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


William Branham
Life Story.

(PDF Anglisy)

How the Angel came
to me.
(PDF Anglisy)

Sirs, is this the time?

(PDF Anglisy)
- Mt Sunset.
Ny toerana nisehon’ilay rahona.

Toko 11 -Ny_Rahona.

(PDF)

Toko 14
Harambaton'i Sabino.

(PDF)

Toko 9
Ilay Sintona Fahatelo.

(PDF)
 

Izany no
zava-baovao
napetraky
ny zava-miafina
ao ambadik’ireo
kotrokorana mifanesy.



Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.