Teo Kalvary Tamin’io Andro Io.
<< mialoha
manaraka >>
Teo Kalvary Tamin’io Andro Io.
William Branham.Vakio ny tantara manontolo ao amin'ny....
Teo Kalvary Tamin’io Andro Io.Lioka 23:33,
Ary rehefa tonga teo amin'ny tany atao hoe Ikarandoha izy, dia teo no namonoany an'i Jesosy sy ireo olon-dratsy ireo, ny anankiray teo ankavanany ary ny anankiray teo ankaviany.Mety heverina fa tsy fotoana ho an’izany izao; tokony rehefa zoma masina. Tokony hahatsiaro ny Kalvary isan’andro isika! Nandre zavatra betsaka mikasika an’izany isika, namaky zavatra betsaka ny aminy. Mpitory maro no efa nitory ny aminy, hatramin’ny nanombohan’ny fotoana. Mpihira maro no nihira ny aminy nandritra ny taona rehetra. Mpaminany maro no nilaza mialoha ny aminy, efatra arivo taona talohan’ny nisian’izany. Ary ireo mpaminany ankehitriny no manondro ny olona ny fotoana nitrangan’izany. Andro tena lehibe tokoa io! Tamin’ny andro rehetra izay navelan’Andriamanitra nisy teto an-tany, dia io no isan’ireo andro lehibe indrindra.
Ary raha lehibe toy izany ho an’ny taranak’olombelona izy io, ny Kalvary, ataoko fa tsara ho antsika ny hiverina any aoriana, ka handinika ny aminy, mba ahitana ny tena dikany marina, ho antsika. Raha ny izy, azoko antoka fa amin’izao ora tara ivelomantsika izao, dia maniry isika ny hahafantatra zavatra betsaka indrindra ny amin’ny fahalehibiazan’Andriamanitra. Izay rehetra azontsika takarina, dia eto isika mba hianatra an’izany, mba hijery izay natokana ho antsika, sy izay nataon’Andriamanitra ho antsika, ary hijery izay Nampanantenainy fa hatao ho antsika. Ary izay no antony andehanantsika aty am-piangonana. Izay no antony itorian’ny mpitory, izay no antony ianarany sy andinihany ny Soratra, ka mitady ny tsindrimandry izy. Satria mpanompo izy, ao amin’ny fanompoana ny vahoakan’Andriamanitra. Ary miezaka ny hitady zavatra izy... izay tian’Andriamanitra lazaina amin’ny Vahoakany, zavatra izay hanampy azy ireo. Angamba mety hanameloka azy ireo ny amin’ny otany izany, nefa hanampy azy ireo ny hiarina, mba ahafoizany ireo otany, ka hiharina avy eo mba hanompo ny Tompo. Ireo mpitandrina dia tokony hitady an’ireo zavatra ireo.
Raha tena lehibe tokoa io andro io, raha io no isan’ny andro lehibe indrindra, ndeha handinika zavatra telo samy hafa ny amin’ny dikan’io andro io ho antsika. Afaka ny aman-jatony no alaintsika. Saingy, anio maraina, nifidy zavatra telo samy hafa aho, izay manana ny fahalehibiazany indrindra, izay tiantsika jerena mandritra ireo fotoana vitsy manaraka eto, izay maneho ny dikan’ny Kalvary ho antsika. Ary angatahako mba hanameloka ny mpanota rehetra eto izany, mba hitarika izay masina rehetra handohalika, mba hampakatra ny finoan’ny marary tsirairay ho eo amin’Andriamanitra ka hiala eto sitrana, ny mpanota tsirairay ho voavonjy, ny diso làlana rehetra hiverina ka ho menatra ny tenany, ary izay masina rehetra ho faly ka hanana zoto vaovao, fanantenana vaovao.
Ny zavatra lehibe tokoa, raha ny amin’ny dikan’ny Kalvary ho antsika sy ho an’izao tontolo izao, dia ny namaranany ny amin’ny resaka ota indray mandeha ihany. Ny olona dia hita fa meloka noho ny fahotana. Ary ny fahotana dia tena nananana sazy tsy hain’iza n’iza navotana, tena lehibe loatra ny sazy ka tsy nisy olona afaka nanaisotra an’io sazy io. Inoako mihitsy fa Andriamanitra no namoaka hoe izay no hitranga, - fa ho tena mafy tokoa ny sazy ka tsy hisy olona afaka hanaisotra izany, - mba ho Izy Tenany ihany no hahavita izany. Kanefa, ny sazy ho an’ny ota, dia ny fahafatesana. Ary isika rehetra dia nateraka tao amin’ny ota, notorontoronina tao amin’ny heloka, tonga teto an-tany mpandainga. Noho izay indrindra, tsy nisy tamintsika hita mendrika, ary tsy nisy olona teto an-tany afaka hita mendrika.
Ary ny ota dia tsy nanomboka teto an-tany. Ny ota dia nanomboka tany An-danitra. Losifera dia... Losifera, ny devoly, dia zava-boary nohelohina, noho ny tsy fanarahany, talohan’ny nahatongavany teto an-tany mihitsy. Ny ota dia nanomboka tany An-danitra, teo amin’izay nametrahan’Andriamanitra an’ireo Anjely, sy ny sisa, teo amin’ny fototra mitovy tamin’ny olombelona. Ny fahalalana, ny hazo fahalalana, ny hazon’Aina sy ny hazo fahalalana, mba ahafahan’ny olona misafidy. Ary rehefa nomena an’i Losifera ny fahambonina, ny tombotsoa manokana hisafidy, dia te-hanana zavatra tsara kokoa noho izay nananan’Andriamanitra izy. Teo no nanomboka ireo olana.
Ary ny ota dia nitaky zavatra. Ny zavatra notakiny, dia ny fahafatesana. Ny fahafatesana no sazy. Ary eo, afaka miditra amin’ny antsipirihany maro isika eto, satria tsy inoako ny hoe tokana ihany ny fahafatesana. Tokana ihany ny Fiainana. Inoako fa ny olona anankiray manana ny Fiainana Mandrakizay dia tsy afaka ny ho faty mihitsy. Inoako fa misy ny fahapotehana tanteraka ho an’ny fanahy izay manota; raha ny marina, milaza ny Baiboly hoe: “Ny fanahy izay manota, dia izay tokoa no ho faty.” Tsy ny olona, fa “ny fanahy izay manota”. Koa, tsy maintsy ho faty tokoa i Satana, tena ho rava tanteraka. Tsy miombon-kevitra mihitsy amin’ireo mpandinika ny tontolo aho, izay milaza fa ho voavonjy i Satana. Nanota izy, ary koa avy aminy ny ota. Ny fanahiny no nanota; ary izy dia fanahy anankiray. Io fanahy io dia ho levona tanteraka, tsy hisy tavela intsony.
Ary rehefa tonga teto an-tany ny ota, tany am-piandohana tany, toy ny saron’ny aizina nidina avy any an-danitra, dia tena nampalemy ny tany izany. Navariny tao amin’ny fanandevozana ny zava-boary rehetra teto an-tany, sy izay noforonin’Andriamanitra rehetra. Ny olona dia tao ambany fanandevozan’ny fahafatesana, ny aretina, ireo olana, ireo fahoriana. Nivarina niaraka taminy ny natiora rehetra. Ny ota dia toy ny tsindrona anankiray, raha ny marina, izay nampalemy ny tany. Koa dia teto no nisy antsika, tsy nanana fanantenana, satria nampanekena ho amin’izany ny zava-boary teto an-tany rehetra. Ary izay rehetra teraka teto an-tany dia nampanekena ho amin’izany. Koa, tsy maintsy avy any amin’ny Toerana tsy nisy fahotana izany. Tsy afaka ny ho avy eto an-tany. Tsy nisy tamintsika afaka namonjy ny anankiray hafa. Tsy maintsy avy amin’Ilay Olon-kafa. Noho izany, rehefa tonga saina ny olona fa tafasaraka tamin’Ilay Andriamaniny, dia tonga mpirenireny. Nitomany izy ireo. Nikiakiaka. Nitaraina. Nirenireny tany an-tendrombohitra sy tany an’efitra, nitady ilay Tanàna izay Andriamanitra no namolavola sy nanamboatra Azy. Raha ny marina, fantany fa raha hisy andro hiverenany eo amin’ny Fanatrehan’Andriamanitra, dia ho afaka ny hiresaka Aminy izy. Saingy tsy nanana fomba hiverenana izy. Very izy. Tsy fantany hoe aiza no itodihana, koa dia tonga mpirenireny izy, niezaka nitady toerana anankiray izay hanondro azy fomba hiverenana amin’io Toerana io. Nisy zavatra nilaza tao anatiny fa izy dia avy-avy amin’ny Toerana anankiray tanteraka. Tsy misy olona na dia iray aza eto, eto amin’ireto mpihaino hita maso anio maraina, na eo amin’izay mpihaino raki-peo, na aiza alehan’izany, maneran-tany, tsy misy olona, na izay eto na izay any an-kafa, ka tsy mitady an’io Fahatanterahana io.
Mandoa izay tokony aloa hianareo, ary milaza hianareo hoe: “Handamina ny olana izany.” Rehefa naloanareo izay tokony naloa, dia misy marary indray ao amin’ny fianakavianareo. Raha mba mety tsara ny amin’ny fahasalama, dia misy vola hafa tsy maintsy aloa indray. Tampoka eo, miha-fotsy ny volonareo, koa dia te-hody tanora indray. Misy zavatra hatrany, tsy ankijanona, ary izany dia noho ny vangongon’ny fahotana. Saingy, ao am-ponareo, na dia ny fitadiavanareo an’io Fahatanterahana io fotsiny aza, dia porofo fa misy an’izany any ho any. Any ho any, misy zavatra.
-----Tamin’ny farany, indray andro, - io andron’ny Kalvary io, - Nisy Olona iray nidina avy any amin’ny Voninahitra. Olona nantsoina hoe Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, nidina avy any amin’ny Voninahitra, ary naka endrika ny Kalvary. Io andro io no nandoavana ny vidiny, ka vita hatreo ho mandrakizay ny amin’ny ota. Ary io no nanokatra ny làlana ho amin’io zavatra izay mampangetaheta sy mampanoana antsika io. Izay no nitondra antsika eo amin’ilay toeran’ny fahafaham-po. Tsy misy olona tamin’izay efa namangy ny Kalvary, izay nahita ny nitranga tany, ka afaka ny ho tahaka ny teo aloha intsony. Ny amin’izay rehetra efa nokatsahany, ny amin’izay rehetra efa niriany, dia hitany, rehefa tratrany io toerana io.
Tena andro lehibe tokoa sy zavatra lehibe tokoa, ka nahatonga ny tontolo nihorohoro. Nihorohoro ny tontolo, nihorohoro tsy mbola nisy toy izany. Fony maty teo Kalvary Jesosy, ka Nofaranany ny resaka ny amin’ny ota, nivarina tao amin’ny aizina ity tontolon’ny ota ity. Nilentika atoandro ny masoandro, nisy firodanana mahery vaika. Nihorohoro ireo vatolampy, nitresaka ireo tendrombohitra, ary nivoaka tampoka avy tao am-pasana ireo maty. Inona no naterak’izany? Andriamanitra dia nandeha nanitsy ny Kalvary. Noratrainy ho mandrakizay io biby antsoina hoe Satana io. Hatramin’izay, dia masiaka lavitra izy io, satria teo no nitondra fahazavana ho an’ny taranak’olombelona. Ary ny rehetra mahalala fa ny biby maratra, dia eo no tena mampasiaka azy; mivezivezy etsy sy eroa izy, folaka ny lamosiny. Nefa, Satana dia nandray ny vely niantra tamin’ny aina, teo Kalvary. Ny tany dia nanaporofo fa izany tokoa no nisy.
Ny vidiny lehibe indrindra naloa, Ilay Tokana afaka nandoa izany dia tonga nandoa azy, teo Kalvary. Teo no nandoavana ny vidiny lehibe indrindra. Izay no isan’ireo zavatra horesahana. Nitaky an’izay Andriamanitra. Tsy nisy hita mendrika. Tsy nisy afaka nahavita izany. Tsy nisy afaka nanao izany. Koa dia tonga Andriamanitra, Izy Tenany, tonga olona, nivelona tamin’ny fiainan’olombelona, natao ho nanana ny fanirian’ny olombelona, ka nombohona teo Kalvary Izy. Ary teo, raha toa ka noheverin’i Satana fa tsy Hataony izany, fa tsy ho tody hatramin’ny farany Izy, dia Nozakainy ny Getsemane sy ireo fakam-panahy rehetra mety efa nahazo ny olona. Nizaka izany rehetra izany Izy, tahaka ny olombelona rehetra, saingy Naloany ny vidiny.
Ary izay no nampiditra ny tany tao amin’ny aizina. Tahaka ny tsindrona anankiray, ho amin’ny fandidina. Rehefa manindrona mampalefaka olona anankiray ny mpitsabo... alohan’ny handidiny azy, dia toraniny aloha izy. Ary Andriamanitra rehefa nanao ny-ny fandidina, ho an’ny Fiangonana, nandray tsindrona ny tany, nisy fikorontanana nahazo ny natiora. Tsy misy mahagaga izany! Andriamanitra, tao amin’ny nofon’olombelona, an-dàlam-pahafatesana. Io no ora nandrasan’ny olona, kanefa betsaka tamin’izy ireo no tsy nahalala.
Tahaka izany koa ankehitriny: betsaka no niandry ireo zavatra ireo, kanefa, tsy mahafantatra azy ireo. Tsy tonga saina izy ireo ny amin’ilay fomba ivoahana. Mbola mikatsaka ny fahafinaretana sy ny zavatr’izao tontolo izao hatrany, ka miezaka mitady fomba ivoahana avy ao. Betsaka ny tsatoka efa nanondro an’io andro io, betsaka ireo endrika efa nilaza mialoha. Io no voalaza mialoha tamin’ny alalan’ny zanak’ondry, ny omby, ny domohina sy ireo zavatra ireo. Kanefa, tsy afaka namotika an’io ireo. Tsy afaka namotika ny fanindron’ny fahafatesana, izay nihazonan’i Satana ny tany tao ambaniny.
Ireo vato izay nandendehanany mihitsy, raha nivezivezy teto an-tany izy: solifara mirehitra! Losifera ilay zanaky ny maizina, ary nandendeha teto antany izy fony izany mbola volkano mirehitra. Ireo vato ireo ihany, izay tonga nangatsiaka, fony maty i Jesosy, teo Kalvary, naloa nivoaka niala tao amin’ny tany ireo. Efa voaloa ny vidiny, ny fanandevozana nataon’i Satana dia potika. Napetrak’Andriamanitra teo an-tànan’ny olona ilay fomba hiverenana ho amin’ilay notadiaviny. Tsy nilainy intsony ny hitomany. Io vely io, rehefa novakiany ireo valahan’i Satana, teny Kalvary, ireo valahan’ny fahotana, ny aretina! Ary io no mamerina an’izay mety maty tsirairay ety an-tany ho eo amin’ny Fanatrehan’Andriamanitra, miaraka amin’ny fahotany voavela. Haleloia! Voavela ny fahotantsika. Satana tsy afaka ny hitazona antsika intsony ao amin’ny aizina, lavitra an’Andriamanitra.
Misy faritra lehibe voafaritra. Misy antso an-tari-by napetraka eo. Misy fantsona mba hampifandray antsika amin’ny Voninahitra, ny olona tsirairay dia samy afaka mampiasa an’io fantsona io. Raha misy olona feno fahotana: inty kosa dia nampifandray azy tamin’ilay antso, afaka ny ho voavela ny helony. Tsy hoe izany ihany, fa ny vidin’io fahotana io mihitsy no efa voaloa. Oh! Tsy ilainareo ny hilaza hoe: “Tsy mendrika aho.” Azo antoka fa tsy izany hianareo, tsy afaka ny ho izany mihitsy. Fa nisy Olona anankiray mendrika naka ny toeranareo. Olon’afaka hianareo. Tsy ilainareo intsony ny mirenireny. Tsy ilainareo intsony ny ho mpikatsaka ny fahafinaretana eto an-tany.
Satria misy Loharano feno Rà
Avy amin’ireo làlan-dran’i Emanoela
Ny mpanota rehetra mirotsaka ao anatin’io,
Dia ho voasasa amin’ny ota rehetra.Tsy ilainareo ny ho very. Misy ara-be lehibe, ary Làlana anankiray, ary io dia antsoina hoe Làlan’ny fahamasinana. Ny maloto tsy handalo eo. Raha ny marina, mandalo eo amin’ny loharano aloha izy, avy eo izy vao miditra eo amin’ilay ara-be lehibe.
Nopotehiny ireo fahefan’i Satana. Novahany ireo varavaran’ny tranomaizin’ny fahafatesana, ny olona tsirairay voakatona tao amin’ito tany ito, tao an-trano-maizina, izay natahotra ny fotoana ahafatesana, izay mety nomanin’ny fahafatesana ho azy. Teo Kalvary, Novahany ireo varavaran’ny efi-trano, ka Nataony ho afaka ireo babo. Tsy ilainareo intsony ny ho levonin’ny ota. Tsy ilainareo intsony ny hanolotra ny momba ny tenanareo ho amin’ny ota: ny misotro, ny mifoka, ny miloka, ny milaza lainga. Afaka ny ho tso-po hianareo, marina sy mahitsy. Ary Satana tsy afaka hanao na inona na inona ny amin’izany, satria nisy tady voarainareo, tadin’ny fahazoana Antoka, izay miorina ao amin’ny Vatolampin’ny Taona rehetra. Tsy misy fihetsehana afaka ny hanala anareo Eo. Tsy misy rivo-mahery afaka ny hanala anareo Eo. Tsy misy mihitsy, na dia ny fahafatesana aza, ka hampisaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy. Izay no dikan’ny Kalvary.
Ireo olona tao amin’ny fanandevozana dia nafahana. Ireo olona, izay nivelona fahiny tao amin’ny tahotra ny fahafatesana, dia afaka ny tsy hatahotra ny fahafatesana intsony. Ny olona izay naniry fatratra an’ilay Tanàna izay Andriamanitra no nanao sy namolavola Azy, dia afaka ny handeha eo amin’ilay ara-be lehibe ka hitodika amin’ny Lanitra, satria olon’afaka izy. Haleloia! Olom-boavidy izy. Tsy ilainy intsony ny hirenireny. Raha ny marina, misy fomba ahalalana na ao amin’ny marina isika na tsia. Andriamanitra manome Fianana antsika. Tsy eo intsony ny fahotantsika. Io andro teo Kalvary io no nandoavana ny vidiny.
-----Koa, inona no vokatr’izany àry? Izany dia manome anareo, rehefa nahatanteraka izany notakiana izany, ny Fanahiny, mba ahafahana manaraka Azy, mba hanao toy izay Nataony, ho an’ireo hafa aty aoriana. Lehilahy anankiray ihany Izy, Ilay Lehilahy tanteraka. Natolony ny Aina tao Aminy, nanome ohatra ho anareo Izy. Ankehitriny, inona no tokony ataontsika? Koa, ny zavatra voalohany tiako lazaina, dia ny hoe Jesosy mbola tsy nivelona ho an’ny Tenany mihitsy. Ny Fiainany dia voatokana ho an’ny hafa. Izany tokoa no tena Fiainana Mandrakizay. Rehefa milaza hianareo fa mankany am-piangonana, ka manao asa soa, tsara izany. Saingy raha mivelona ny fiainanareo ho an’ny tenanareo hianareo, dia tsy anananareo ny Fiainana Mandrakizay. Ny Fiainana Mandrakizay, dia ny mivelona ho an’ny hafa. Izay no noporofoin’Izany, fony tonga tao amin’Ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra Izany. Nivelona Izy, ary koa nanana ny Fiainana Mandrakizay, satria tsy nivelona ho an’ny Tenany. Nivelona ho an’ny hafa. Ary mandray ny Fiainana Mandrakizay hianareo, amin’ny fandraisana an’io andro io, ka dia tsy mivelona ho an’ny tenanareo intsony. Mivelona ho an’ny hafa hianareo.
Vakio ny tantara manontolo ao amin'ny....
Teo Kalvary Tamin’io Andro Io.