Ny marina momba ny Paska.

<< mialoha

manaraka >>

  Fitsanganana amin'ny maty Karazany.

Ny Niandohan’ny Paska.

Ny Teny hoe ‘Easter =Paska’ dia avy amin’ny anarana hoe ‘Astarta’ (Ishtar), iray amin’ireo anaram-boninahitra nentin’i Beltis, ilay Mpajakavavin’ny lanitra, ary izany anarana izany araka ny fanononan’ny mponina tao Ninive azy dia mitovy amin’izay fampiasa ankehitriny any Angletera.

Ny fivavahana tamin’i Bela na Astarta dia tsy ela ny nidirany tao Angletera, niaraka tamin’ny Druids “ireo mpisoron’ny ala.” Mety hisy hihevitra fa ny fivavahana Druidikaly dia nampidirin’ny Phoenicians, izay anjato-taonany talohan’ny Kristiana nirona tany amin’ny fitrandrahana firaka tao Cornwall. Kanefa ny porofo tsy azo hidivirana ny amin’io fivavahana io dia hita tamin’ireo faritra tao amin’ny Nosy Britanika izay tsy nandehanan’ny Phoenicians na oviana na oviana, ary namela marika tsy azo fafàna eny rehetra eny ny amin’ny fisiany sy ny fiatraikany tamin’ny fomba fisainan’ny Britanika teo aloha. Avy amin’i Bela, ny 1 May dia mbola antsoina hoe Beltane ao amin’ny Almanaka; ary isika dia mbola manana fomba amin’io daty io mandraka ankehitriny, izay tena manaporofo fa ny fivavahana tamin’i Bela na Môlôka (izy roa ireo dia andriamanin-kafa iray ihany) dia nohajaina hatrany amin’ny faritra avartra amin’io nosy io. “Ilay ramatoa nantsoina hoe Lady Baird tao Fern Tower, Perthshire,” hoy ilay mpanoratra iray ao amin’ny “Notes and queries,” izay mahay tsara ny tantara Britanika teo aloha, “nilaza tamiko fa isan-taona amin’ny Beltane (na 1, May) dia misy lehilahy sy vehivavy maro mivory ao amin’ny faribolana vato Druidikaly eo amin’ny taniny akain’i Crieff.

Mandrehitra afo eo afovoany ry zareo, ary ny tsirairay mametraka mofo kely (oat-cake) ao anaty satroka mpiandry ondry anakiray; mipetraka daholo izy rehetra, ary dia samy maka silaka iray (tapenana ny maso) avy ao anatin’ilay satroka. Ny silaka iray dia efa natao mainty ny lokony, ary izay mahazo an’io dia tsy maintsy mitsambikina anaty afo eo an’ivon’ilay faribolana, ary dia miala. Izany dia anisan’ny iray amin’ireo fomba fanompoana an’i Bala taloha, ary izay olona hianjeran’izany (ratsy vintana) dia efa nodorana ho fanatitra. Eto ary ny fandehanana amin’ny afo dia maneho izany, ary ny fialàna dia manafaka ilay voatondro. Ary raha notompoina tahaka izany i Bala tao Angletera, dia tsy ho sarotra ny mino fa i Astarta koa dia nivavahan’ny razantsika, ary ny anarany tao Ninive dia Ishtar, ny fanompoam-pivavahana amin’ny volana Aprily izay atao ankehitriny dia antsoina hoe Easter (Paska)-io volana io izay natsoin’ireo razantsika mpanompo sampy hoe Easter Monath.

Ilay fety lehibe izay novakiantsika tao amin’ny Tantaram-piangonana, izay nantsoina hoe Easter, tamin’ny taonjato fahatelo na faha-efatra, dia tena samihafa amin’ny fety lehibe izay tandremana fatratra ao amin’ny Fiangonana Romish, ary tamin’izany fotoana izany dia tsy fantatra tamin’ny anarana hoe Easter. Izany dia nantsoina hoe Paska, na ny Passover, ary na dia tsy nanao izany aza ny Apôstôly, dia tsy ela dia notandreman’ireo izay milaza ny tenany ho Kristiana, mba ho fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy sy ny fitsanganany tamin’ny maty. Io fety lehibe io tany am-piandohana dia mifanaraka tsara amin’ny fankalazan’ny Jiosy ny Paska, tamin’ny namantsihana an’i Kristy, izay fotoana tamin’ny andron’i Tertullian, tamin’ny faran’ny taonjato faharoa, ary dia hinona fa ny 23 Martsa.

Io fankalazana lehibe io dia tsy fanompoan-tsampy kanefa dia nialoavan’ny Karemy. Toy izao ny voalazan’i Cassianus, Mpanokan-tena (Moine) tao Marseilles, soratra tamin’ny taonjato faha-dimy, ary manohatra ny Fiangonana voalohany amin’ny fiangonana tamin’ny androny, “fa ny fitandremana ny 40 andro dia tsy tahaka ny tsy misy raha mbola voatandrina ny maha tonga lafatra ny fiangonana voalohany.”

Avy aiza ary izany io fankalazàna io? Ilay fifadian-kanina 40 andron’ny Karemy dia nalain-tahaka mivantana tamin’ireo mpanompon’ny andriamanim-bavy Babyloniana. Tahaka ny hoe Karemy 40 andro. “Amin’ny fararano,” dia mbola hajaina fatratra izany eo anivon’ny Yezidis na ireo Mpivavaka amin’ny Devoly ao Koordistan, izay nolovainy tamin’ireo tompony, dia ireo Babyloniana. Ary satria ny Karemy 40 andro dia ankalazain’ny mpanompo sampy amin’ny fararano ao Mexico, dia azontsika vakiana ao amin’ny Humbolt izany hanazavany momba ny fomba Meksikàna. “Telo andro aorian’ny fararano… (vernal equinox) dia manomboka ny fifadian-kanina 40 andro hanomezam-boninahitra ny masoandro.”

Izany Karemy 40 andro izany dia hajaina ao Egypta, dia azo jerena izany ao amin’ny Wilkinson’s Egyptians. Io Karemy 40 andro an’ny Egyptiana io, araka ny filazan’i Landseer, tao amin’ ny fanadihadiana momban’ireo Sabeana dia natao manokana ho fahatsiarovana an’i Adonis na Osiris, ilay andriamanitra lehibe mpanelanelana. Ary amin’izany, ny nanolanana an’i Prospine dia ankalazaina ihany koa, amin’ny fomba mitovy; Julius Firmicus dia milaza amintsika fa ny “40 alina” “Fitomaniana ho an’i Prospina” dia mitohy; ary i Arnobius dia maneho amintsika fa io fifadian-kanina hajain’ny Mpanompo sampy fatratra io izay antsoina hoe “Castus”, na ilay “Fifadian-kanina Masina”, tamin’ny andron’ireo Kristiana tamin’ny androny dia, hinoany fa tena fakàna tahaka ny fifadian-kanina maharitra nataon’i Ceres, raha nandritra ny andro maro izy dia nanapa-kevitra ny tsy hihinana nohon’ny “ fahoriany tena mangidy” (volentia maeroris), izany dia tamin’ny nahafatesan’ny zanany vavy Prospine, rehefa nentin’i Pluto, ilay andriamanitry ny afobe.

Raha ny tantaran’i Bacchus, Adonis, na i Prospine izay miavaka tsara ny niandohany, dia mifandraika sy mifanaraka, noho izany Bacchus dia nantsoina hoe Liber, ary ny vadiny Ariadne, Libera (iray amin’ireo anaran’i Prospine), tena mazava tokoa fa ilay fifadian-kanina 40 andron’ny Karemy dia natao taty aoriana mba hifandraika amin’izy roa ireo. Eo anivon’ireo mpanompo sampy, io Karemy io dia toa zavatra tsy maintsy ilaina amin’ilay fety lehibe isan-taona ho fankalazana ny nahafatesana sy ny fitsanganan’i Tamoza tamin’ny maty; izay ankalazaina amin’ny fifandimbiasan’ny fitomaniana sy fifaliana, ary izany any amin’ny firenena maro, dia tena tratra aoriana nohon’ny fety Kristiana, hajaina fatratra any Palestina ary any Assyria ny volana Jona, noho izany nantsoina hoe “volan’i Tamoza;” tao Egypta eo amin’ny antsa-tsasaky ny volana May, ary any Angletera eo amin’ny volana April eo. Mba hampifandraisana ny Fanompoan-tsampy sy ny Kristiana anarana, Roma dia nanohy ny fomba fanaony mahazatra ary nanapa-kevitra ny ampifangaro ny fankalazana Kristiana sy ny Fanompoan-tsampy, tamin’ny fomba sarotra kanefa mati-paika teo amin’ny kalandary (calendrier), amin’ny ankapobeny dia tsy sarotra ny manakambana ny Fanompoan-tsampy sy ny Kristianisma-izay efa tafalatsaka lalina any amin’ny fanompoan-tsampy-ary tahaka ny zavatra rehetra, dia mifandray tanana.

Araka ny fantatsika ny fitaovana nentina nanantaterahana io fampifangaroana io dia ilay mpanokan-tena (abbé) Dionysius the Little, tahaka izay nanehoan’ireo mpahay tantara azy, fa ny datin’ny andron’ny Kristiana, na ny nahaterahan’i Kristy Tenany, dia nakisaka 4 TAONA miala amin’ny fotoana tena marina. Ary na tamin’ny tsy fahalalana izany na narafitra dia mbola fanontaniana mipetraka; fa saingy tsy azo hisalasalana fa ny nahaterahan’i Jesosy Tompo dia natao 4 taona taty aoriana nohon’ny tena marina. Io fiovàna tamin’ny kalandary mahakasika ny Paska io dia tena nisy vokany lehibe tamin’ny fanajàna azy. Ary izany dia nitondra ny fiangonana tany amin’ny kolikoly ratsy indrindra sy ny finoanoam-poana izay mifandraika amin’ny Karemy. Vakio fontsiny anie ny momban’ny fahabibiana nankalazaina nandritra ny “fifadian-kanina masina” na Karemin’ny Mpanompo Sampy e! araka ny filazan’i Arobius sy Clemens Alexandrinus dia tena menatra izy tamin’ireo Kristiana izay tena nahalala io fahavetavetana io, (nidina tany Egypta) mba hanampy trotraka ny fanokanan-tena mahakivy nanan’ireo fiangonana tsy mahalala menatra, ary tsy nahita fomba tsaratsara hafa hamelomana izany, afa-tsy ny fanangonana filazàna (fototra) maloto; ny fahadalàna sy fahavetavetana mifandraika amin’izany izay nampiasain’ireo mpahay tantara momba ny Kristiana voalohany dia mijanona ho fanesoana.

Fa ny Kristiana dia tokony hisaina fa ny fampidirana ny fifadian-kanina Karemy nataon’ireo Mpanomposampy dia mariky ny loza; izany dia maneho ny fihetreny sy ny filetehany any amin’ny lalina, ary dia mahatonga faharatsiana; tsy azo hidovirana ny fitondrany mankany amin’ny fietrena. Tany am-piandohana, eny fa na tany Roma aza, ny Karemy ialoavan’ny fety be miaro fimamoana sy filàna dia tena tsy fantatra; eny fa na dia ny fifadian-kanina mialoha ny Paska Kristiana aza dia nohazonina ho zavatra tena ilaina, ary tamin’izany dia moramora (miadana) ny nifangaroany tamin’ny fomban’ireo Mpanompo-sampy. Izay mety noheverina fa fotoanan’ny fifadian-kanina teo anivon’ny fiangonana Romana talohan’ny nametrahana ny Fivoriana Lehibe tao Nicee dia tsy tena nazava loatra, fa fotoana ela taorian’io fivoriana lehibe io (Kaonsily), dia manana porofo mazava isika fa tsy mihoatra ny telo herinandro izany.

Ny tenin’i Socrates nanoratra momba io foto-kevitra io, tokony ho tamin’ny A.D. 450 dia mivaky toy izao: “Ireo izay monina ao amin’ny tanànan’ny mpanjaka ao Roma dia mifady hanina telo herinandro alohan’ny Paska, miandry ny Alahady sy ny Andron’ny Tompo.” Fa tamin’ny farany, rehefa niakatra ny fanompoana an’i Astarte ‘Ascendant = momba ny kintana’, dia noraisina ny fe-petra mba hanaovana ny Karemy Kaldeana ho enina herinandro, na 40 andro izay tsy maintsy narahina manerana ny fanjakàna Romàna tany Andrefana. Ny Kaonsily natao tao Aurelia tamin’ny andron’i Hormisidas, Evekan’i Roma tokony ho tamin’ny A.D. 519 dia nanomana ny làlana tamin’izany, izay namoahany lalàna fa ny Karemy dia tokony ho tandremana alohan’ny Paska. Tsy hisalasalana fa ny namoahana izany didy izany dia ny mba hanovan’i Dionysius ny Kalandary andro vitsy taty aoriana.

Io didy io dia tsy afaka nampiarina avy hatrany. Fa tany amin’ny faran’ny taonjato faha-enina no nanaovana fanandramana matotra voalohany nampiharana ny fitandremana io Kalandary vaovao io. Ary tany Angletera no nanaovana izany voalohany; ary teo dia enjana ny fanoherana izany. Ny elanelana eo amin’ny fotoana maha-samihafa ny Paska Kristiana izay hajain’ireo teratany Kristiana tao Angletera, ary ny Paska izay an’ireo Mpanompo-sampy natao lalàna tao Roma, ary ny fotoana nampiharana izany dia naharitra iray volana; ary tamin’ny famoretana sy fandatsahan-drà, ary tamin’ny farany izany fety lehiben’ny Anglo-Saxon izany na ny andriamanim-bavy Kaldeana dia nandimby ny toerana izay nohazonina fa fahatsiarovana an’i Kristy.

Toy izany ny tantaran’ny Paska. Ny fanajàna fanaon’ny olona izay mbola mitandrina izany fankalazana izany dia manaporofo malalaka aran-tantara ny maha-fomba Babyloniana azy. Ny mofo “Hot Cross Bun” amin’ny Zoma Tsara, ny atody milokon’ny Paska, na ny Alahadin’ny Paska, izay voafaritra ao amin’ny fomba Kaldeana araka izay fanaon’izy ireo amin’izao fotoana izao. Ny “buns” (brioche) izay fantatra ihany koa amin’ilay anarana mitovy, dia nampiasaina tamin’ny fivavahana tamin’ny andriamanimbavin’ny lanitra, ny andriamanimbavy Easter, ary izany dia hatramin’ny andron’i Cecrops, ilay namorona an’i Athens-izany dia 1500 taona talohan’ny vaninandro Kristiana. “Ny Karazana mofo masina,” hoy Bryant, “izay ampiasaina atolotra ireo andriamanin-kafa dia tena taloha ela be, ary nantsoina hoe Boun.”

Diogenes Laertius dia miresaka momba io fanatitra io izay Empedocles no manao azy, mamaritra ny fangarony rehetra atao ao, ary dia milaza toy izao, “Izy dia nanao fanatitra tamin’ny iray amin’ireo mofo masina nantsoina hoe ‘Boun’ izay natao tamin’ny koba tsara toto sy tantely.” Ny mpaminany Jeremiah dia nahatsikaritra io fanatitra io tamin’ny nilazany hoe, “Ny ankizy manangona kitay, ny ray mandrehitra afo, ary ny vehivavy manao koba, anaovana mofo ho an’ilay andriamanimbavin’ny lanitra.” Natao fanatitra izany izao ny “Hot Cross Bun”, fa ho hanina ao amin’ny fetybe hankalazàna an’i Astarte; ary ireo raviny tsy hisalasalana ny niaviany. Ny niandoan’ny atody Paska izany dia mazava. Ireo Druids tany aloha dia mitondra atody, izay anisan’ny zava-masina indrindra amin’ny filaharany. Amin’ny Dionysiaca, na misiterin’i Bacchus, izay ankalazaina any Athens, anankiray amin’ireo fankalazàna ny fanamasinana atody iray. Ny angano Hindoo dia mankalaza ny atody (mundane egg) tahaka ny lokom-bolamena. Ny olona any Japana dia manao ny atody masina ho toy ny varahina. Any Sina, amin’izao fotoana izao ny atody miloko dia ampiasaina amin’ny fankalazana masina lehibe, eny na dia eto amin’ity firenena ity aza. Tamin’ny andro taloha ny atody dia nampiasaina tamin’ny fomba fivavahana nataon’ny Egyptiana sy ny Grika, ary dia nijanona ho zava-miafina tao amin’ny tempolin’izy ireo.

Tany Egypta io atody masina io dia voafaritra mazava tsara teo amoron’i Euphrates. Ireo poezia malaza dia feno angano momban’ny atody mahagagan’ny Babyloniana; ary izany dia notantarain’i Hyginus, ilay Egyptyana avaram-pianarana mpiandry ny Trano Famakian-boky Palatine tao Roma, tamin’ny andron’i Augustus, izay havanana tamin’ny fahalàlana mahakasika ireo teratany tao: “Ny atody iray izay manana habe mahagaga dia nolazaina fa nilatsaka avy any an-danitra tao amin’ny renirano Euphrates. Ireo trondro nanakodia azy teo amorony, ny voromailala nipetraka teo aminy, ary nikotrika teo, ary dia tonga Venus, izay taty aoriana nantsoina hoe Andriamanimbavy Syriana” - dia tsy iza fa i Astarte. Teto ny atody dia lasa iray amin’ireo famantarana an’i Astarte na Easter (Paska); ary tahaka izany ihany koa, tany Cyprus, iray amin’ireo toerana nosafidiana hivavahana amin’i Venus, na Astarte dia naseho tamin’ny fomba manan-danja ilay atody mahagaga.

Ny dikan’io atody misiterin’i Astarte io amin’ny karazana mazia [occult], amin’ny endrika iray ananany (satria izy nanana dikany anankiroa sosona), dia nisy nifandraisany tamin’ny sambo fiaran’i Noa izay tao anatin’izany, ny zanak’olombelona rehetra dia voahidy, tahaka ny akoho kely voahidy ao anaty atody alohan’ny mahafoy azy. Raha misy liana te hanontany hoe nahoana io famantarana mahagaga io no ampiasain’ny olona amin’izany antony manokana izany, ahoana no nahatongavan’izany tao an-tsainy? Ny valiny dia voalohany indrindr satria ilay Atody Masina an’ny Mpanompo-sampy araka ny efa nofaritana teo aloha, dia tena fanta-daza tahaka ilay “Atodin’izao tontolo izao (Mundane)”, izany dia ilay atody manidy an’izao tontolo izao. Eto ary izao tontolo izao dia manana dikany 2 miavaka-- Izany dia ny tany araka ny fahitàna azy, na ny olona monina ao aminy. Ilay dikany farany dia hita ao amin’ny Genesisy 11.1. “Ny tany rehetra dia nampiasa teny iray sy firesahana iray.” Izay midika hoe ny olona rehetra amin’izao tontolo izao dia toy izany. Noho izany raha hita vohidy ao anaty atody izao tontolo izao, ary mitsingevana ambony rano, dia tsy sarotra ny hino ny nahatongavan’ny hevitra momban’ilay atody dia ilay atody nitsingevana teo amin’ny ranomasimbe an’izao tontolo izao, ary mety ry Noa sy ny fianakaviany izay nihazona izao tontolo izao teo an-tratrany.

Baitha, ary ny fanononana mahazatra ny anaran-trano amin’ireo toerana ireo dia tahak’izany. Ilay atody mitsingevana ambonin’ny rano misy an’izao tontolo izao, dia ny trano mitsingevana amin’ny safo-drano, miaraka amin’ny zava-baovaon’izao tontolo izao eo an-tratrany. Ilay atody avy an-danitra mazava ho azy fa mifandraika Dia tahak’ izany ny nampiharana ny teny hoe atody tamin’ny sambo fiara :--Ny dikan’ny hoe atody amin’ny teny Hebreo dia Baitz, na raha vavy (misy lahy sy vavy ny anarana) dia Baitza. Noho izany indrindra tao Kaldea sy Phenician dia lasa Baith na amin’ny fikarakarana ny sambo fiara araka ny fotoana voatendrin’Andriamanitra; ary tahak’izany ihany koa ny tantaran’ilayb Atodin’izao tontolo izao tany Egypta, izay ninoana fa nivoaka avy ambavan’ilay andriamanitra lehibe.

Nadika sombiny avy... "The Two Babylons"
amin'ny alalan'ny Rev Alexander Hislop.


Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.

  Hoy ny Soratra Masina...

Ny zaza manangon-kitay, ny ray mandrehitra afo, ary ny vehivavy mametafeta ny koban’izy ireo hanaovana mofo ho an'ny mpanjakavavin'ny lanitra sy handrarahana fanatitra sotroina (drink offering) ho an'ny andriamani-kafa mba hampahatezitra Ahy.

Moa Izaho va no ankatezerin’izy ireo, hoy Jehovah, fa tsy ny tenany ihany mba ho fangaihainy?

Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, ny fahatezerako sy ny fahavinirako haidina amin'ity tany ity, dia amin'ny olona sy ny biby fiompy sy ny hazo any an-tsaha ary ny vokatry ny tany; Dia hirehitra izany ka tsy hovonoina.

Jeremia 7:18-20


Tsindrio ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


Ny Asan’Ilay Mpaminany.
(PDFs)

The Two Babylons

by Rev Alexander Hislop.
(PDF Anglisy)

Teo aloha...

Avy eo...

William Branham
Life Story.

(PDF Anglisy)

How the Angel came
to me.
(PDF Anglisy)

Pearry Green personal
testimony.

(PDF Anglisy)

God, Hidden and
Revealed in simplicity.

(PDF Anglisy)


Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.