Liona avy amin’ny firenen’i Joda.

<< mialoha

manaraka >>

  Andian-dahatsoratra Teny Velona.

Iza no mendrika?


William Branham.

Vakio ny tantara manontolo ao amin'ny...
The Breach. (PDF Anglisy)

Apôkalipsy 5:2-4,
2 Ary hitako fa indro, nisy anjely mahery niantso tamin’ny feo mafy hoe: Iza no mendrika hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny?
3 Tsy nisy anefa tany an-danitra, na tetỳ an-tany, na tany ambanin’ny tany, nahasokatra ny boky na nahajery azy.
4 Dia nitomany mafy aho satria tsy nisy hita mendrika hanokatra ny boky na hijery azy.

Ankehitriny. Ary anjely mahery iray... Ankehitriny, andininy faharoa... ilay anjely matanjaka miaraka amin’ny feo mahery milaza hoe: “Iza no mendrika?” mendrika amin’ny inona? “Iza no mendrika haka an’ilay boky?” Ankehitriny, hitantsika... Aiza ny boky amin’izao fotoana izao? Any amin’ilay tompony tany am-boalohany, satria efa narian’ny zanakalahy iray izany, ilay lahimatoa voalohan’Andriamanitra amin’ny taranak’olombelona. Ary rehefa nariany ny zony, mba hihaino an’i Satana, dia nafoiny... Inona no nataony? Nanaiky ny fahendren’i Satana izy fa tsy ny Tenin’Andriamanitra.

-----
Ny antson’ilay anjely dia antso ho amin’ny hisehoan’ny mpanavotra havana. Hoy Andriamanitra, “Izaho dia manana lalàna. Ny mpanavotra havana dia afaka misolo.” Aiza ilay mpanavotra havana? Iza no afaka manao izany? Ary dia avy tamin’i Adama, hatrany amin’ny apôstôly sy ny mpaminany rehetra ary ny zavatra rehetra, ary tsy nisy hita. Ankehitriny, ahoana ny amin’izany? Tsy misy olona tany an-danitra, tsy nisy olona tety an-tany, tsy nisy olona niaina... nitsangana teo Elia. Mosesy dia nitsangana teo. Ny apostoly rehetra dia nitsangana teo. Ireo rehetra maty, ny olona masina rehetra - Joba, ny manam-pahendrena rehetra. Nitsangana teo ny rehetra, ary tsy nisy olona mendrika eny fa na dia ny hijery ilay boky aza, mainka fa ny haka izany ary hamaha ny tombokase! Ankehitriny, aiza ny hidiran’ny papa sy ireo rehetra ireo amin’izany? Aiza ny evekanareo? Aiza ny fahamendrehantsika? Tsinontsinona isika! Marina izany.

-----
Fa nitomany i Jaona. Ity no heveriko fa nampitomany azy: satria raha tsy nisy olona mendrika afaka nanokatra io Bokin’ny fanavotana io, dia very daholo ny zavaboary manontolo. Ity ilay Boky; ity no porofon’ny fananana; ary hatolotra ny Mpanavotra Havana izany afaka mahafeno ireo fepetra. Izany no lalàna manokana an’Andriamanitra, ary tsy afaka mandoto ny Lalàny Izy - tsy afaka mandà ny Lalàny. Jereo, Andriamanitra dia nitaky ny mpanavotra havana izay mendrika, izay mahavita izany, ary manana ilay fananana hanaovana azy. Ary hoy ilay anjely, “Ankehitriny avelao ilay Mpanavotra Havana handroso.” Ary Jaona nijery. Nijery eran’ny tany izy, ary nijery tety ambanin’ny tany, fa tsy nisy na iray aza. Very ny famoronana sy ny zava-drehetra. Mazava ho azy fa nitomany i Jaona - very ny zava-drehetra. Tsy naharitra iray minitra ny fitomaniany na dia izany aza. Ary nisy loholona anankiray nijanona teo nanao hoe: Aza mitomany, ry Jaona. Oadray! Tsy naharitra akory ny fitomaniany fa iray minitra fotsiny. Nieritreritra i Jaona: “Oh, aiza ilay lehilahy? Nijoro teo ny mpaminany. Teraka tahaka ahy izy ireo. Nijoro teo ireo olo-kendry. Nijoro teo... Oh, tsy misy olona ve eto?”

-----
Ary nandresy io Liona avy amin’ny firenen’i Joda io. Hoy izy hoe: “Aza mitomany, ry Jaona, fa ny Liona avy amin’ny firenen’i Joda, Taranak’i Davida dia nandresy. Efa nandresy Izy. Nataony izany. Vita, ry Jaona!” Oh! Namorona fanafotsiana iray izy, amin’ny fahendreny, izay mamerina amin’ny laoniny ny tanana mioso-menaky ny fahotàna, izay nandoto izany - ny zanak’olombelona. Eny.

Fa raha nitodika nijery i Jaona, dia nahita zanak’ondry. Inona no maha-samihafa azy amin’ny liona! Hoy izy, “Nanjaka ny Liona.” Jereo indray, azoko ampiasaina indray izany eto: “Andriamanitra Miafina ao amin’ny Fahatsorana.” Ary hoy izy: “Liona izy.” (Izany no mpanjakan’ny bibidia.) Ny Liona dia naharesy. Ny mahery misy indrindra any dia ny liona. Nipetraka tany an’ala tany Afrika aho ary naheno ny zirafy nitrena, sy ny elefanta lehibe miaraka amin’ny tandrony eny amin’ny rivotra, “whee, whee, whee”; ary naheno ny bibidia any an-tany efitra mankarenin-tsofina, sy ny voangory hatramin’ny... ary izaho sy Billy Paul nandry tao anaty toerana kely tranainy iray voarakotra taratasy. Ary nandre liona nierona avy lavitra, ary ny zavatra rehetra tany an’efitra nangina. Na ny voangory aza tsy nikiakiaka. Miteny ny mpanjaka. Oh! Lazaiko aminareo fa izany dia rehefa mianjera amin’ny tany ny anaram-piangonana sy ny fisalasalana. Mbola mangina ny zava-drehetra rehefa miteny ny mpanjaka. Ary izany no Mpanjaka. Izany ny Teniny.

-----
Ankehitriny, hoy izy, “Ny Liona avy amin’ny firenen’i Joda.” Nahoana? Avy amin’i Joda! Oh, Joda! “Ny mpanapaka tsy handeha alohan’ny... eo anelanelan’ny lohaliny mandra-pahatongan’i Silo.” Fa ho tonga avy amin’i Joda izy. Ary ny Liona tandindon’ny firenen’i Joda, dia nandresy, naharesy Izy. Ary nony nijery manodidina izy hijery ilay liona, dia zanak’ondry no hitany. Hafahafa-- mitady liona kanefa mahita zanak’ondry. Ilay anti-panahy dia niantso Azy ho liona. Fa raha nijery Jaona, dia Zanak’ondry no hitany, Zanak’ondry tahaka ny novonoina hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao. Zanak’ondry iray, efa novonoina - inona izany? Inona ilay Zanak’ondry? Mihosin-drà ilay izy, naràtra - Zanak’ondry iray efa novonoina, saingy velona indray, ary Izy dia mihosin-drà. Indrisy! Ahoana no ahafahanao mijery izany, ry olona, ​​ary mijanona ho mpanota?

Niakatra ny Zanak’ondry. Hoy ilay loholona: “Nandresy ny Liona, dia ny Liona avy amin’ny fokon’i Joda.” Ary Jaona nijery mba hahita ilay Liona, ary Zanak’ondry no tonga, nanifikifika ny rà teo Aminy, ràtra. Nandresy Izy. Azonao atao ny milaza fa tany anaty ady Izy. Novonoina ho faty izy, saingy velona indray.

Jaona dia tsy nahatsikaritra an’io Zanak’ondry io teo aloha io, fantatrareo, eto. Tsy noresahina izany teo aloha. Tsy nisy toerana nanehoana an’izany. Tsy nahita an’izany eran’ny lanitra Jaona raha nijery izy. Kanefa dia mivoaka izy eto. Mariho. Rehefa nivoaka izany, avy taiza no nivoahany? Izany dia avy amin’ny seza fiandrianan’ny Ray, izay nipetrahany hatramin’ny namonoana azy sy nananganana azy indray. Nitsangana Izy ary nipetraka teo ankavanan’Andriamanitra, velona mandrakizay mba hanao fanelanelanana (amena), nitsangana teo ankehitriny tahaka ny mpanelanelana, miaraka amin’ny ràny mba hanao fanelanelanana amin’ny tsy fahalalahan’ny olona. Izany dia iray hiankinako. Mbola rakotry ny fanafotsiana Izy - fanafotsian’ny famelan-keloka amin’ny ota.

-----
Ankehitriny, araho akaiky tsara. Ity dia zavatra tsy maintsy ho azonareo. Ankehitriny, Izy dia nanao ny asa fanelanelanana nataony, nanao fanelanelanana ho an’ny mpino. Roa arivo taona no Niverenany tany, Zanak’ondry. Ankehitriny, mivoaka avy ao amin’ny mandrakizay Izy haka ny boky misy ilay boky misy porofon’ny maha-fananana ary hamaha ny tombokase sy hamboraka ireo mistery. Rahoviana? Amin’ny andro farany. Azonareo ve izany? Eny ary, handeha mitohy isika izany. Ankehitriny, mamaha ireo tombokase ary mamboraka amin’izy ireo ny zava-miafina rehetra... ho an’ny anjely fahafito, izay ny hafatra entiny dia ny hanaposaka ireo zava-miafina rehetra an’andriamanitra. Ny misterin’Andriamanitra dia mipetraka amin’ireo tombokase fito ireo, hitanareo? Izany no Nolazainy teto. Ny zava-miafina rehetra dia mipetraka amin’ireo tombokase fito ireo.

Ary mivoaka ny Zanak’ondry ankehitriny. Miala avy amin’ny maha mpanelanelana amin’Andriamanitra sy ny olona, Izy dia lasa Liona. Ary rehefa lasa Liona Izy dia Nalainy ilay boky. Izany no zony. Nohazonin’Andriamanitra izany, ny zava-miafina. Fa ankehitriny kosa dia tonga ny Zanak’ondry. Tsy misy olona afaka mandray ilay boky. Mbola eo am-pelatanan’ Andriamanitra izany. Tsy misy papa, pretra, na inona izany na inona, tsy afaka maka izy ireo... ilay boky. Tsy mbola nambara ny tombokase fito, hitanareo? Saingy ny mpanelanelana rehefa... rehefa vita ny asany amin’ny maha mpanelanelana azy, dia mivoaka Izy. Ary Jaona... Nilaza ilay loholona hoe, “Liona Izy”, ary mivoaka Izy. Jereo Izy. Oadray! Hitanareo?

Mivoaka Izy haka ilay boky (jereo ankehitriny), hanambara ireo zava-miafina izay an’Andriamanitra izay novinavinain’ny hafa tamin’ny vanim-potoanan’ny antokom-pinoana rehetra. Jereo amin’izay, ilay anjely fahafito... Raha ity boky ity, mistery, dia Tenin’Andriamanitra, ilay anjely fahafito dia tsy maintsy ho mpaminany hahatongavan’ny Tenin’Andriamanitra. Tsy misy pretra, na papa, na zavatra hafa afaka mahazo an’io. Tsy tonga amin’izany ny Teny. Ny mpaminany ihany no ahatongavan’ny Tenin’Andriamanitra, mandrakariva.

Ny Malakia 4 dia nampanantena ny toy izany. Ary rehefa mivoaka Izy, dia entiny ny misterin’Andriamanitra, izay nahatonga ny fiangonana nisalasala tao amin’ny antoko-piangonana rehetra, ary hamerina amin’ny laoniny ny finoan’ny zanaka ho amin’ny ray. Ary avy eo dia ny fitsarana izao tontolo izao no hikapoka, ary ny tany ho may. Ary avy eo ny marina dia hanitsaka ny lavenon’ny olon-dratsy ao amin’ny arivo-taona. Azonareo ve izany izao? Tsara izany.

Ny sasany naminavina izany tamin’ny vanim-potoana denominaly. Fa jereo, izy dia tsy maintsy... Ity Lehilahy ity, ilay anjely fahafito ao amin’ny Apokalypsy 10:1-4 dia... Ilay anjely fahafito dia manana ny zava-miafina an’Andriamanitra nomena azy, ary mamarana ireo mistery rehetra navelan’ny vanim-potoanana denominaly. Ankehitriny ianareo dia afaka mahita ny antony tsy hamelezako ny rahalahiko ao amin’ny antoko-piangonana. Io dia ny rafitry ny antoko-piangonana! Izy ireo tsy... Tsy misy tokony hahafantaran’izy ireo izany, satria tsy azo nambara izany. Izany dia araka ny Teny. Naminavina izany izy ireo, nino fa tao izany, ary tamin’ny finoana no nandehanan’izy ireo saingy hita ankehitriny fa voaporofo mazava izany. Amen! Oh, hoy aho, tena soratra masina izany!

-----
Mitaky ny lalàn’Andriamanitra (Izy ilay iray mitazona izany), ny lalàn’Andriamanitra dia mitaky mpanavotra Havana, ary mivoaka amin-kasahiana ny Zanak’ondry. “Izaho no havan’izy ireo! Izaho no Mpanavotra azy ireo! Ary ankehitriny aho dia nanao fanelanelanana ho azy ireo, ary izao aho dia tonga hitaky ny zon’izy ireo.” Amen! Amen! “Tonga aho hitaky ny zo. Amin’izany dia manana zo izy ireo amin’ny zavatra very rehetra tamin’ny fahalavoana, ary efa nandoa ny sarany Aho.” O rahalahy! Whew! Tsy izany ve no mahatonga anao hahatsapa ho mpivavaka? Tsy tamin’ny asa tsara izay nataontsika, fa tamin’ny famindram-pony! Miandrasa minitra kely! Ary ireo loholona sy ny zavatra hafa rehetra nanomboka nanary satroboninahitra, ary nanomboka nidina teo an-kianja ny olo-manan-kaja, hitanareo.

Tsy misy olona afaka nanao izany. Ary nankeo amin’ny tanan-kavanan’Andriamanitra Izy ary naka ny boky teo an-Tanany ary nitaky ny Zony. “Maty ho azy ireo aho. Mpanavotra azy ireo aho. Izaho no mpanelanelana. Nandatsaka ny ràko. Lasa olona aho. Ary nataoko izany mba hamerenako indray io fiangonana io - ilay efa hitako mialoha talohan’ny nanorenana izao tontolo izao. efa nikasa sy niteny aho fa ho ao izy. Ary tsy misy olona afaka maka izany, fa nidina aho ka nanao izany ny Tenako. Havan’izy ireo aho! Lasa havana aho!” Ary naka ny boky Izy! Amen! Oh, iza no miandry ahy any anio hariva? Iza izany iray izany, fiangonana, izany no miandry any? Inona koa no mbola miandry anao any? Ilay Mpanavotra Havana! Oh! Izany ka tena fanambarana mahatalanjona, na fihetsika.

Ankehitriny, Izy dia ananany ny maha tompon’ny fananana ny amin’ny fanavotana. Ananany izany eny an-tanany. Ny fanelanelanana dia vita ankehitriny. Manana izany eny an-tanany Izy. Tsarovy fa efa teo am-pelatanan’Andriamanitra foana izany tamin’ny fotoana rehetra, fa ankehitriny dia eo an-tanan’ny Zanak’ondry. Ankehitriny, jereo, ny maha tompon’ny fananana ny amin’ny fanavotàna ny zavaboary rehetra dia eny an-Tanany, ary tonga Izy hitaky izany ho an’ny taranak’olombelona. Tsy nitaky izany Izy ho an’ny anjely; nitaky izany ho an’ny olona izay nomena izany, mba hahatonga zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra indray. Mitondra izany miverina ao amin’ny zaridainan’i Edena indray, ny zavatra rehetra narian’izy ireo - ny zavaboary rehetra, ny hazo, ny ain’ny biby, ​​ny zavatra hafa rehetra. Oh! Tsy mahafaly anareo ve izany?

Vakio ny tantara manontolo ao amin'ny...
The Breach. (PDF Anglisy)


  Hoy ny Soratra Masina ...

Ary ny anjely, ilay hitako nitsangana teo ambonin’ny ranomasina sy teo ambonin’ny tany, dia nanangana ny tanany havanana ho amin’ny lanitra

ka nianiana tamin’Izay velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny lanitra sy ny ao aminy, ny tany sy ny ao aminy ary ny ranomasina sy ny ao aminy, fa tsy hisy fotoana andrasana intsony,

fa amin’ny andro hitsofan’ny anjely fahafito, rehefa hitsoka izy, dia ho tanteraka ny zavamiafina izay an’andriamanitra, araka ny nambarany tamin’ny mpaminany mpanompony.

Apôkalipsy 10:5-7


Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.

Tsindrio ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


Ny Asan’Ilay
Mpaminany.

(PDF's)

Toko 14
Harambaton'i Sabino.

(PDF)
Ny toerana nisehoan’ny sabatra.

William Branham Life
Story.

(PDF Anglisy)

How the Angel came
to me.
(PDF Anglisy)

Ity boky
tombo-kase fito
ity dia nambara
tamin’ny fotoanan’ny
kotrokorana fito
ao amin’ny
Apôkalipsy 10.



Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.