Ny Fampakarana.

<< mialoha

manaraka >>

  Andian-teny velona.

Ny Fampakarana.


William Branham.

Vakio ny tantara manontolo ao amin'ny...
Ny Fampakarana.

Salamo 27:4-5,
4 Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’i Jehovah izany no tadiaviko: dia ny hitoetra ao an-tranon’i Jehovah amin’ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan’i Jehovah sy mandinika ny Tempoliny.
5 Fa hanafina ahy ao an-trano Fialofany amin’ny andro fahoriana Izy, hampiery ahy amin’ny fierena ao An-dainy Izy; hanandratra ahy ho eny ambony vatolampy Izy.

Manana ny fomba fanatanterahany Andriamanitra, ary tsy manova ny fomba Fiasany mihitsy Izy. Tsy manova mihitsy Izy ny... Izy no Andriamanitra tsy miova. Ao amin’ny Amosa 3:7, dia nilaza Izy fa tsy hanao na inona na inona ety ambonin’ny tany, raha tsy manambara an’izany amin’ireo Mpanompony aloha, ireo mpaminany. Ary azo antoka fa raha Nampanantenainy izany, dia tsy maintsy Hataony.

Namakivaky ireo taonan’ny Fiangonana isika, nefa nampanantenaina ho antsika amin’izao andro farany izao, mifanaraka amin’ny Malakia toko faha-4 [Malakia: 3:23-24 amin’ny Baiboly Malagasy -Mpandika.], fa hisy ny fiverenan’ny mpaminany iray ao amin’ny firenena. Marina izany! Dinihonareo ny toetrany sy izay mety hitoviany. Mampiasa an’io fanahy io im-dimy Andriamanitra: voalohany tao anatin’i Elia, avy eo tao anatin’ny Elisa, ary tao anatin’i Jaona Mpanao Batisa, manaraka mba hiantso ny Fiangonana hivoaka, ary amin’ny Jiosy sisa tavela. In-dimy, fahasoavana, J-é-s-u-s, F-a-i-t-h [Jesosy sy Finoana amin’ny teny Malagasy -Mpandika.], ary izany dia isan’ny fahasoavana. Hitanareo? Tsara.

Ankehitriny, tadidionareo fa nampanantenaina ny Hafatra. Koa satria nasafotofoton’ny antokom-piangonana ireo zava-miafina rehetra ireo, dia tsy maintsy mpaminany iray-iray avy amin’Andriamanitra mivantana no ilaina, mba hanambara an’izany. Ary izany tokoa no nampanantenainy fa hatao. Hitanareo? Ankehitriny, tadidionareo fa ny Tenin’ny Tompo dia tonga amin’ny mpaminany, tsy amin’ny teolojiana, fa amin’ny mpaminany. Izy no mandefa ny tara-pahazavan’ny Tenin’Andriamanitra. Tsy afaka hilaza na inona na inona izy... Tsy afaka hilaza ny fisainany manokana izy; ny zavatra ambaran’Andriamanitra ihany no afaka lazainy. Na dia ny mpaminany Balama aza, rehefa nanandrana nivarotra ireo zony izy, dia nilaza fa: «Ahoana no ahafahan’ny mpaminany milaza zavatra izay tsy nataon’Andriamanitra tao am-bavany?» Izany dia zavatra ataon’Andriamanitra, ny manakana azy ireo ny hiteny zavatra hafa. Toy izany no niterahana anareo.

Hianareo dia tsy afaka hanao zavatra mihoatra noho izay... Tahaka ny miteny hianareo hoe: «Tsy-tsy afaka ny hanokatra ny masoko aho,» kanefa eo am-pijerena hianareo. Hitanareo? Afaka hanao izany hianareo. Tsy afaka ny tsy haninji-tànana hianareo, satria vitanareo izany. Hitanareo? Tsy afaka ny ho alika hianareo, satria efa olona. Hitanareo? Toy izany fotsiny no nanaovana anareo, ary Andriamanitra dia tsy maintsy... Tamin’ny taonan’i Isaia, Jeremia, Elia, sy tamin’ireo taona maro izay nandalo, raha vao nanomboka nanafangaro ny rehetra ny antokom-piangonana, dia nandefa mpaminany iray izay Nalainy avy any amin’ny toerana tsy fantatra Izy. Ary izany olona izany dia tokony tsy hikambana amin’ny toerana misy azy ireo. Tsy maintsy manonona ny Teniny izy ary avy eo dia hesorina miala amin’ny sehatra. Izany dia olona henjana voatokana ny amin’ny Fahamarinan’Andriamanitra.

Ary izany dia tsy maintsy... Mba ahafahanareo mahafantatra azy, hoy Izy: «Raha misy eo aminareo izay ara-panahy na mpaminany...» Ankehitriny, ny mpaminany... Ao anatin’ny fiangonana dia misy ny fanomezam-pahasoavana maminany; fa ny mpaminany dia efa voatendry mialoha ary efa voalahatra mialoha ho amin’iny ora iny. Hitanareo? Eny, tompoko! Ankehitriny, raha nomena ny faminaniana, misy roa na telo no tsy maintsy mitsara izany, mba ahalalana hoe marina izany na diso, alohan’ny andraisan’ny fiangonana an’izany. Kanefa tsy misy olona afaka hanao toy izany ny amin’ny mpaminany, satria tsy maintsy Tenin’Andriamanitra tanteraka izy. Izy no ity Teny ity ao amin’ny androny. Hitanareo. Andriamanitra dia nitaratra...

Raha nampanantena Andriamanitra fa handefa an’izany amintsika indray amin’ny andro farany, dia ny mba hamoaka an’ilay Ampakarina amin’io korontana ara-pivavahana io... Ny fomba tokana mety hahavitan’izany dia... Tsy ho tanteraka mihitsy izany... Tsy afaka ny handray an’i Kristy ny fiangonana. Ireo Pentekotista... Tsy afaka ny hitohy amin’ny fitondrana an’ity Hafatra ity isika raha ny toerana misy ny fiangonana ankehitriny. Ahoana no handehanantsika hanatanteraka an’izany amin’ny andro farany, raha ny toerana izay misy azy ireo ankehitriny, satria mifanohitra izy samy izy, fa izy rehetra dia samy manao azy ho mivavaka? Ô! Mampalahelo! Fahapotehina izany. Efa tonga any amin’ny anaram-piangonana izany. Mihaiky ny mpanao tantara rehetra aho, amin’ny fotoana rehetra, ny-ny-ny hanaporofo ny mifanohitra amin’izany. Isaky ny voambara tety an-tany ny hafatra, ka nanao anaram-piangonana tamin’izany ny olona, dia maty amin’io fotoana io izy ireo. Ary nanao zavatra mitovy amin’ny hafa rehetra ny Pentekosta. Ireo Pentekotista izay nivoaka...

Hianareo, ry ‘Assemblées de Dieu’, nivoaka avy tamin’ireo anarampiangonana ny ray aman-dreninareo, tamin’ny fotoana taloha izay nisy ny Fivoriam-be, ka niantsoantso sy nidera an’Andriamanitra sady niteny nanohitra an’ireo zavatra ratsy ireo, fa niverina tahaka ny alika izay miverina indray amin’ny loany hianareo, sy tahaka ny kisoavavy miverina mihosipotaka indray; nanao zavatra mitovy tamin’ireo hafa taloha hianareo. Tonga mpanara-drenirano fotsiny hianareo ankehitriny ka nakatonareo ny làlanareo ho amin’ny famindrampo, ary dia ilaina ankehitriny ny karatra mahampikambana, alohan’ny ahafahana hiaraka aminareo.

Ary hianareo, ry Onitera, nanome hafatra anareo Andriamanitra, ary raha tokony handroso sady feno fanetren-tena, dia aleonareo niala sady nanangana antoko ho anareo. Ary aiza no misy anareo rehetra? Ao anatin’ny siny iray. Marina izany! Nefa kosa ny Fanahin’Andriamanitra dia mitohy mandroso foana. «Izaho, ny Tompo, no hamboly ka hanondraka azy andro aman’alina, fandrao...»

Nanendry ny fisian’ireo zavatra ireo Izy ary ankehitriny dia tsy maintsy mandefa an’izao Izy. Ny zavatra voalohany izay tonga, rehefa manomboka midina avy any an-danitra Izy, dia ny fiantsoana izay mibaiko! Inona àry izany? Hafatra mba hanangona an’ireo olona. Misy Hafatra voambara voalohany indrindra. «Fotoana fanomanana an’ireo fanala izany. Mitsangana hianareo ary amboary ny fanalanareo.» Fiambenana faha firy izany? Ny Fahafito; tsy ny fahenina, ny fahafito. «Indry, avy ny Mpampakatra! Mitsangàna ary homany ireo fanalanareo!» Ary nanao an’izany ireo. Ny sasany tamin’ireo dia nahatsapa fa tsy nanana menaka akory tao anatin’ny fanalany. Hitanareo? Kanefa fotoana fanomanana an’ireo fanala izany. Fotoana ho an’i Malakia toko faha-4 izany [Malakia 3:23-24.], rehefa ma-... izany dia Lioka toko faha-17. Isaia izany... Ireo faminaniana rehetra ireo... Efa voalaza tanteraka ao anatin’ireo Soratra, izay mifanaraka amin’izao andro izao; hitantsika miseho eto mihitsy izany. Tsy misy...

Mahita an’ireo zavatra mitranga ireo isika, ry rahalahy sy anabavy malalako, ary Andriamanitra ao An-danitra dia mahalala fa afaka ho faty eto ambonin’ity lampihazo ity aho amin’izao fotoana izao mihitsy. Hitanareo? Hianareo-hianareo dia tokony hijery kely fotsiny ny zavatra miseho, mahatalanjona indrindra izany. Rehefa mahita an’Andriamanitra tonga avy any An-danitra hianareo ka mitsangana manoloana ny antokon’ny olona iray, maneho ny Tenany toy izay Nataony hatrizay... Ary Marina izany, ary misokatra eto ity Baiboly ity. Hitanareo? Eo isika izao!

Ny lamin’ny anaram-piangonana dia efa maty. Vita ny aminy. Tsy hitsangana mandrakizay izany. Hodorana izany. Izany no ataonareo amin’ny akofa any an-tsaha. Mandosira lavitra an’izany hianareo. Midira ao amin’i Kristy. Aza miteny hoe: «Mpikambana ao amin’ny Metodista aho!»; «Mpikambana amin’ny Batista aho!»; «Mpikambana ao amin’ny Pentekotista aho!» Fa midira ao amin’i Kristy. Ary raha ao amin’i Kristy hianareo, dia tsy misy teny na iray aza voasoratra ato ka tsy inoanareo. Na inona na inona mety lazain’ny hafa. Fa avy eo, Andriamanitra mihitsy no maneho an’izany satria hianareo... Rehefa mandatsaka ny Fanahy eo ambonin’ny Teny Izy, inona no mitranga? Mitovy amin’ny rehefa manidina rano eo amin’ny voa anankiray. Ho velona izany ka hamoa araka ny karazany. Ny filazanao hoe: «Nahazo ny batisan’ny Fanahy Masina aho.» Izany akory tsy milaza fa voavonjy hianareo, lavitra ny amin’izany.

Jereonareo aty: tena telo ny maha-izy anareo. Ao anatin’io zazalahy kely eto io, dia misy ny aina; avy eo, misy ny fanahy, ary avy eo, misy ny vatana. Manana taovam-pandrenesana dimy hianareo amin’io vatana io mba hahafahanareo mifandray ny amin’ny zavatra ety an-tany. Tsy mifandray amin’ireo zavatra hafa izy ireo. Manana taovam-pandrenesana dimy koa hianareo ato, ny amin’ny fanahy: ny fitiavana, ny fieritreretana, sns., tahaka izany. Fa ity, ato anatiny, ao no ivelomanareo. Io no maha-izy anareo. 146 Jesosy ve tsy efa niteny fa ny ranonorana dia milatsaka amin’ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy? Asio ahi-dratsy eto ary asio vary ery, ary tondraho rano izy roa, ary tohizo ny fikarakarana azy ireo sy ny fanaovana an’ireo zavatra ireo; tsy rano iray ihany va no mamelona azy roa? Mazava ho azy! Fa inona àry izany? Ny iray amin’ireo dia hamoa ahi-dratsy, satria izany no maha-izy azy; hanandra-tànana sy hiravoravo tahaka ny vary koa ny ahidratsy.

Tsy nilaza ve ny Baiboly fa, amin’ny andro farany, hisy ireo Kristy sandoka, tsy Jesosy sandoka fa Kristy sandoka, ireo voahosotra, kanefa tsy mifanaraka amin’ny Teny. Manana ny hosotry ny anaram-piangonana izy ireo, kanefa tsy mifanaraka amin’ny Teny, fa ny Teny dia hitsangana ho vavolombelon’ny Tenany. Tsy mila zavatra hafa Izany. Hitsangana ho vavolombelon’ny Tenany Izany. Ary hisy Kristy sandoka. Mahita ny raki-peo nataoko momba an’izany hianareo. Ô! Raha hiantso ny iray amin’ireo hianareo ka hanao hoe: «Ô! Jesosy ve hianao?» -«Ô! Sanatria tokoa!» Tsy hanaiky an’izany ireo olona ireo. Nefa raha manao hoe: «Ô! Voninahitra! Manana ny hosotra aho...» Ary tena hosotra izany.

Tadidionareo fa nahazo an’izany koa i Kaiafa ka dia naminany izy. Balama, ihany koa, nanana an’izany ary naminany, fa izany zavatra izany dia tsy misy ifandraisany amin’ilay zavatra tena ao anaty. Raha toa ka tsy voan’Andriamanitra izany, Tsirin’Ainy hatramin’ny voalohany, ary voatendry mialoha, dia very hianareo. Na toy inona mety hiravoravonareo, izay mety fitenenanareo tsy fantatra, mihazakazaka, mitabataba, ireo dia tsy misy hifandraisany amin’izany. Ny ahi-dratsy iray dia tsy hafa noho ny ahi-dratsy rehetra. Efa nahita jentilisa maro nitsangana sy nihiakiaka sady niteny tsy fantatra ary-ary nisotro ra tao anatin’ny karan-dohan’olona sady miantso ny devoly. Hitanareo? Noho izany, tsy ilainareo akory na dia ny iray amin’ireo fihetseham-po ireo aza sy ireo zavatra ireo; adinoy izany! Fa ny fonareo no tokony ho ato anatin’ity Teny ity, ary Kristy izany. Entonareo ato Izany ary jereonareo ny fomba hisehoan’Izany, ny fomba fisokafan’Izany, mitovy tanteraka amin’ny voa hafa rehetra, ary manambara ny Tenany Izany ao amin’ny taona izay Iainany.

Luther dia tsy afaka nitondra zavatra hafa afa-tsy ny taho. Mety afaka nitondra zavatra hafa rehetra ireo hafa. Fa ankehitriny, dia ao anatin’ny taonan’ny voam-bary isika. Ireo Loterana, ireo tena Loterana dia tokony hamokatra Luther tena izy. Ireo Pentekosta tena izy dia tokony hamokatra Pentekosta tena izy. Izay fotsiny. Fa isika dia efa nihoatra an’io taona io ka mandroso hatrany. Fantatrareo ve fa ny fiangonana katolika no nanosika an’ireo Pentekotista? Ary raha mbola mijanona roa arivo taona ny fiangonana Pentekotista, dia ho ratsy fitondrantena mihoatra ny an’ny fiangonana katolika amin’izao ankehitriny izao izy. Marina izany! Milaza an’izany amin’ny rahalahiko sy ny anabaviko tiako aho, ary Andriamanitra dia mahalala an’izany. Kanefa tadidionareo, ry sakaizako, tsy maintsy hihaona aminareo any amin’ny fitsarana aho. Ary mety tsy ho ela izany. Tsy maintsy vavolombelona manambara ny Marina aho.

Rehefa niaraka taminareo aho nanao fivoriana sy nivavaka ho an’ireo marary, dia nandeha tsara izany; fa, rehefa tonga niaraka tamin’ny Hafatra aho... Raha voambara ny hafatra iray, raha tena Hafatra izany, ka arahina fahagagana tena izy sady marina avy amin’Andriamanitra, nefa mbola mitoetra amin’izany anaram-piangonana izany ihany izy, dia fantatrareo fa tsy avy amin’Andriamanitra izy; satria efa voalaza izany zavatra izany. Nandeha Jesosy ka nanasitrana ireo marary, mba hisintonana ny sain’ny olona, avy eo vao tonga ny Hafany. Marina izany! Tsy maintsy misy zavatra aroson’Andriamanitra mialoha. Ny fanasitranan’Andriamanitra, ireo fahagagana ireo dia eo mba hisintona ny fisainan’ny olona. Fa ny zava-dehibe, eo anivon’izany rehetra izany, dia ny Hafatra. Izany indrindra. Izany no zavatra izay mivoaka avy ao anaty. Miezaka hahazo sitraka amin’ireo olona Izy, mba hahatonga azy ireo hijanona sy hihaino Azy. Hitanareo? Satria misy sasany amin’ireo efa voatokana mialoha ho amin’ny Fiainana. Ny sasany tamin’ny voam-bary latsaka tamin’ny tany ka nohanin’ny vorona. Ny sasany dia latsaka teo amin’ny songosongo; ary ny sasany dia latsaka tamin’ny toerana iray izay efa voavoatra mialoha, ary dia naniry izany.

Voalohany, dia misy ny antso izay mibaiko, manaraka ny feo ary avy eo ny trompetra. Ny antso izay mibaiko, dia iraka manomana an’ireo olona. Ny zavatra faharoa, dia ny feon’ny fitsanganana. Izany dia feo mafy mitovy tamin’izay, ao amin’ny Jaona 11:38-44, niantso an’i Lazarosy nivoaka ny fasana. Ny famoriana ny Ampakarina, manaraka, ny fitsanganan’ireo nodimandry, mba hakarina. Ankehitriny dia jereonareo ny fomba hitrangan’ireo zavatra telo ireo.

Inona no zavatra manaraka? Ny trompetra izany. Ny antso izay mibaiko, ny feo, ny trompetra. Ny zavatra fahatelo dia ny trompetra, ary izy izay, amin’ny Fetin’ny Trompetra, no niantso hatrany ireo olona ho tonga amin’ny fety; ary hisy ny fampakaram-badin’ny Ampakarina, ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry, miaraka amin’ny Ampakarina ao an-danitra.
Ny zavatra voalohany izay miseho, dia ny Hafany izay miantso ny Ampakarina mba hivondrona. Ary ny zavatra manaraka, dia ny fitsanganan’ireo Ampakarina izay nodi-mandry, ireo izay maty nandritra ireo taona. Hakarina miaraka izy ireo, ary ny trompetra no miantso azy ireo ho amin’ny fety ao an-danitra. Izany no mitranga, ry sakaizako. Vonona isika ankehitriny. Ny zavatra tokana ho an’ny Fiangonana, izay nivoaka, izay tokony hataony, dia ny hijanona amin’ny masoandro mba ho masaka. Ho tonga ny fijinjana lehibe avy eo. Ireo taho dia ho dorana, fa ny voam-bary kosa hangonina ho ao an-tsompitra. Hitanareo?

Vakio ny tantara manontolo ao amin'ny...
Ny Fampakarana.


Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.

  Hoy ny Soratra Masina ...

Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin i Kristy no hitsangana aloha;

ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika.

Koa dia mifampionòna ianareo amin'izany teny izany.

1 Tesaloniana 4:16-18


Tsindrio ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


Ny Asan’Ilay
Mpaminany.

(PDF's)

Meriba. Rano avy
amin'ny Vatolampy.

William Branham Life
Story.

(PDF Anglisy)

How the Angel came
to me.
(PDF Anglisy)

Pearry Green personal
testimony.

(PDF Anglisy)

Marriage and Divorce.

(PDF Anglisy)

As the Eagle
Stireth her nest.

(PDF Anglisy)

Toko 14
Harambaton'i Sabino.

(PDF)


Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.