Ny Taom-Piangonana Fito.


  Ny Asan’Ilay Mpaminany mifanesy.

Ny Taom-Piangonana Fito.


Pearry Green.

Rahalahy Branham dia nitondra sokajina toriteny goavana tamin'ny 1960 mitondra ny lohateny hoe “Ny Taom-Piangonana Fito” izay mifototra amin'ny bokin'ny Fanambarana, toko faha 2, sy faha 3. Ny toriteny dia mifototra amin'ny zava-misy fa ny tsirairay amin'ireo fiangonana fito any Azia ireo, voalaza ao amin'ireo toko ireo dia azo ampitahaina amin'ny vanimpotoana eo amin'ny tantaran'ny fiangonana. Ny ady hevitra amin'ny antsipiriany amin'ilay fanambaràna lehibe nentin'i Rahalahy Branham tao amin'ireo toriteny ireo dia lava loatra raha entina etoana. Kanefa ilay voafono mafy (hard bound) mitondra ny lohateny hoe “Ny Fanambaran'i Jesosy Kristy” dia mirakitra ny fanazavana momba ny toritenin'ny Taonan'ny Fiangonana Fito ary azo alaina ao:
[Ny Taom-Piangonana Fito.]

Raha fintinina, ao amn'ny Apokalipsy,toko faha 2 sy 3, isaky ny hafatra ho an'ny fiangonana tsirairay dia miatomboka amin'ny hoe: “Ho an'ny anjelin'ny fiangonana ao (Efesosy) (Smyrna) (Pergamosy) (Tiatira) (Sardisy) (Filadefia) (Laodikia) soraty...” Tamin'ny Rahalahy Branham, teo ambanin'ny fitarihan'Andriamanitra,dia nitondra ny fanambaràna ny amin'ny misiterin'ireo fiangonana fito ireo, avy amin'ny alalàn'ny fitarihan'ny Fanahy Masina sy fahitàna masina,nofaritany ny manodidina ireo taona ireo tao amin'ny tantàra. Ny teny hoe “Anjely” dia naseho mba hidika hoe “iraka” amin'io fampiharana io. Nasehon'Andriamanitra azy koa ny anaran'ireo iraka isaky ny taona. Ohatra, Paoly dia iraka voalohany ho an'ny taom-piangonana voalohany. Izany taona izany dia nanomboka teo amin'ny 53 A.D ary naharitra hatramin'ny 170 A.D., ilay fotoana izay nanomboka nihenan'ny herin'Andriamanitra tao amin'ny fiangonany. Ny toetra ao amin'ilay fiangonana Efesosy tany Azia, nambaran'ny Fanahy tamin'i Jaona ilay Mpanambara. Araka izay nomena ao amin'ny Apokalipsy toko 2, andininy 1 ka hatramin'ny 7 dia tena mifanaraka tsara amin'ny toetra ara-panahy ny fiangonana, ny tsy mino dia tao, ny anti-kristy tamin'izany fotoana izany teo amin'ny tantàram-piangonana.

Ilay iraka faharoa dia nampianatra fampianàrana mitovy, ary nihazona ny fahamarinana mitovy izay nampianarin'i Paoly. Io taona io dia naharitra teo amin'ny taona 170 ka hatramin'ny taona 312. Ny iraka ho amin'io taona io dia tsy hisalasalana fa Iranaeus.

Ny taom-piangonana fahatelo dia Pergamos, ny nanombohany dia talohan'ny fivoriana tao Nicea, ny 325, ary naharitra hatramin'ny fiandohan'ny Dark Ages (Taonan'ny Fahamaizinana) ny taona 606. Ilay iraka dia nantsoina hoe Martin.

Avy eo dia tonga ny Taona Tiatira, nandritra ny Dark Age hatramin'ny 1520, ary ny iraka tao dia Columba. Izy dia marina fa tena lehilahin'Andriamanitra, nihazona haramin'ny faran'izany vanimpotoana izany ny hafatra, niezaka ny hitondra fahamarinana sy fahazavàna ho an'ireo maizina amin'ny tontolon'ny fanahy.

Ny taona Sardisy dia eo anelanelan'ny ny taona 1520 (fotoanan'ny fanavaozana: reformation) sy 1750. Ny iraka dia Martin Luther. Apokalipsy toko 3, andininy 2, dia miresaka ny tsy fahampian'ny fiainana tao amin'ny fiangonana. Martin Luther dia nitondra izay nilaina - fiainana ho an'izay efa maty, maizina, ary very. Tsy nisy hazavàna nandritra ny Vanimpotoanan'ny Fahamaizinana. Ny antikristy dia tena nahazo vahana ka ny zavatra rehetra tao am-piangonana dia momba ny vola, eny fa na dia ny famonjena ho an'ny olona aza, rehefa tonga i Martin Luther niaraka tamin'ny hazavàna voalohany tamin'izany andro izany, nikiakiaka, “Ny marina no ho velona amin'ny alalan'ny finoana.”

Avy eo dia ilay Taona Volamena, ny Taona Filadefia, ilay taonan'ny fifnkatiavan'ny rahalahy, niditra ny nanomboka teo amin'ny 1750 mankàny amin'ny taonjato faha-roapolo, izay nilatsahan'ny Fanahy Masina, ny taona 1906 tao Azusa Street, tao amin'ny morontsirak'Andrefan'i America Amerika. Tsy hisalasalàna fa i John Wesley, miaraka amin'ny hafatra ny fahamasinana nentiny, dia lehilahy nirahin'Andriamanitra mba hitondra nyfahatanterahan'ny ny Soratra Masina izay nosoratan'i Jaona ilay Mpanambàra tao amin'ny Nosy Patmos tamin'ny fotoan'androny.

Ny taom-piangonana fahafito dia ny Taona Laodikia.Io ny androntsika. Mety tsy afaka ny hamintina hanaporofoana ireo taona enina voalohany ireo aho, fa isika kosa dia tokony afaka hijery ny toetry ny fiangonana ankehitriny, sy hahita fa tena mifanaraka tsara amin'ny fiangonana Laodikia. Ny Taona Laodikia, ilay taona dia midika hoe “zon'ny olona”, izay,raha tsy tian'ny olona ny torian'ny mpitoriteny, dia mitady mpitoriteny hafa izy ireo ho azy. I Jaona dia nanoratra ny momba ny Taona Laodikia ao amin'ny Fanambaràna toko 3, andininy faha 14 ka hatramin'ny 22:

14 Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana any Laodikia: Izao no lazain'ny Amena, dia Ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, Izay niandohan'izao zavatra noharin'Andriamanitra izao. 15 Fantatro ny asanao, fa tsy mangatsiaka na mafàna ianao; aleo ho mangatsiaka na ho mafàna ianao. 16 Fa satria matimaty ianao ka tsy mafana na mangatsiaka, dia efa haloan'ny vavako ianao;

Inona no mivoaka avy ao amin'ny vavan'andriamanitra? “Ny olona dia tsy ho velona amin'ny alàlan'ny mofo irery ihany, fa amin'ny alàlan'ny teny rehetra izay mivoaka avy ao amin'ny vavan'Andriamanitra.” Raha ny olona amin'izao fotoana izao izay mitondra ny anarana Kristiana no hanaiky ny Tenin'Andriamanitra, dia tsy ho matimaty izy ireo; hafàna izy ireo.ao ireo izay zara raha manana fahamarinana ahafantarany fa Jesosy Kristy dia ilay Mpamonjy izao tontolo izao, kanefa dia novain'izy ireo ny Filazantsara. Jereo fontsiny ny toetry ny fiangonana amin'izao fotoana izao. (Tadidio fa tsy fampianarako izany; fampianaran'ny Rahalahy Branham izany.) Rahalahy Branham dia nilaza fa ny fiangonana amin'izao dia manankarena;mitombo ny fananany; milaza izy fa tsy mila na inona na inona,eo anatrehan'izany anefa, araka ny Apokalipsy toko 3, andininy 17: “... kanjo tsy fantatrao fa ianao no ilay ory sy mahantra sy malahelo sy jamba ary mitanjaka” ary ny tena mampahonena amin'io dia ny hoe “Tsy mahalala an'io” Rahalahy Branham nanazava misimisy kokoa ny amin'ny toetran'io taona io tao amin'ny toriteniny “Ary tsy mahalala izany” notoriana tao Jeffersonville, ny Aogositra 1965.

Tsy mbola nisy teo amin'ny fiangonana na oviana na oviana teo aloha - ny fandaminana Kristiana - manakarena be, mitombo fananana. Ny sasany manana trano raitra (Apartement), toerana fivarotana, eny fa hatramin'ny orinasa aza. Any italy dia iray amin'ireo mpandraharaha goavana dia tsy afaka mifidy tompon'andraikitra akory raha tsy ny Fiangonana Romana no mandefa aminy ny fahafahana mifidy, lehibe tokoa ny fanagejana nananan'io fiangonana io. Inona ary izany ny mpitoriteny amin'izao fotoana izao? raha tsy mpadraharaha? Ny tena nahita fahaombiazana dia ireo izay afaka mamporisika, mandamina, ary mampiseho lamin'asa miaraka amin'ny fihetsiketsehana eny amin'ny polipiotra mba hitomboan'ny olona - tahaka ny fanatitra sy ny fanorenana. Izy ireo dia lasa mpanentana ireo mpanaradia azy. Ny Tele sy ny Radio dia mitondra ny hafatra fanentanany. Eny fa ny mpihira ao aminy aza dia karamainy. Aiza ny fitarihan'ny Fanahy Masina? Ireo zavatra ireo no nanaovan'ny Rahalahy Branham antso avo ho fanoherana izany amin'it taranaka ity. Azo heverina fa tsy hino azy izao tontolo izao; tsy nanaiky azy izy.

Jaona dia manohy ao amin'ny Apokalipsy 3:18,

18 dia manoro hevitra anao Aho hividy amiko volamena voadio tamin'ny afo, mba hanan-karena ianao, ary fitafiana fotsy hotafinao, mba tsy hisehoan'ny henatrao noho ny fitanjahana, ary odi-maso hahosotrao ny masonao mba hahiratanao.

Tadidio fa ny Fariseo dia nilaza fa nanana ny mazava, noho izany dia jamba izy ireo. Miangavy anareo aho, tahaka ny nataon'i Rahalahy Branham,mba haka odimaso, mba hijery akaiky amin'izay nataon'Andriamanitra mba hanananao odimaso ampiasaina sy hinoana fa Andriamanitra dia namangy ity taranaka ity, ary nandefa mpaminany Izy, eny, mihoatra nohon'ny mpaminany - ilay iraka ho an'ny Taom-piangonana Laodikia, dia lehilahy iray mitondra ny anarana hoe William Branham, manana ny fanahin'i Elia eo aminy.

Jereo ny hiafaran'ity taom-piangonana ity.Araka ny Soratra Masina, Jesosy tenany no nilaza, “Indro. Mitsangana eo ambaravarana aho sady mandondona...” Io Soratra Masina io dia dio ny nampiasana azy tao anatin'ny taona maro izay nataon'ireo mpanompo mahalala tsara, hilazany fa Jesosy dia mandondona ao ampon'ny fon'ny olona; fa ny fijerena akaiky dia mampiseho fa i Jesoy Kristy Tenany nailiky ny fiangonany tamin'ny taom-paiangonana farany. Io dia lasa tsy ilaina i Kristy. Tsy mila an'Andriamanitra intsony izy ireo: manambola izy, programa, fomba amampanao. Billy Graham tenany mihintsy no nilaza fa raha sintonina avy amin'ny tany ny Fanahy Masina, ny asa ataon'ny fiangonana dia mety tsara, midika izany fa folo isanjato ihany no eo ambanin'ny Fanahy Masina. Ny sivifolo isanjato ambiny dia asa nataon'olombelona. Tsy mila an'i Kristy izy ireo. Io no andro izay hitsanganan'i Jesosy eo ambaravaran'ny fiangonany, milaza; “Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko”

Nentiko fohifohy teto aminareo ireo taom-piangonana ireo eto amin'ity toko ity. Fa tiako ny hilaza aminareo ity zavatra ity teo amin'ny fiainan'i Rahalahy Branham: raha vao vita ny toriteniny tamin'ireo hafatra nisesisesy ireo, nentina teto aminao fohifohy tamin'ity toko ity, io Andry Afo izay nolazaiko matetika io dia nilatsaka teo amin'izay nanatrika, teo amin'ny olona eniinjato teo ho eo. Rahalahy Branham dia nanao izany antsary teo amin'ny solaitra be.(fanazavana). Ny sasany anefa tsy nanaiky an'io na dia teo aza izany.

Nadika sombiny avy... "Ny Asan’Ilay Mpaminany" -Toko 10
amin'ny alalan'ny Pearry Green
Vakio ny kaonty feno in... Mihoatra nohon'ny Mpaminany.


  Hoy ny Soratra Masina...

Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin'ny seza fiandrianako, dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin'ny Raiko eo ambonin'ny seza fiandrianany.

Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana.

Apokalypsy 3:21-22


  Ampidiro (Anglisy).


Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.


Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Sambo Fiaran’i Noa.

 

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.

Tsindrio amin’ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


Ny Andry Afo.

 

Ilay Rahona tsy azo
hazavaina.

Asan’Ilay Mpaminany

(PDFs)

Toko 10
Mihoatra nohon'ny
Mpaminany.
(PDF)

Teo aloha...

Avy eo...

William Branham Life
Story.

(PDF Anglisy)

How the Angel came
to me.
(PDF Anglisy)