Ny Marina momba ny Krismasy.

<< mialoha

manaraka >>

  Noely andian-dahatsoratra.

Ny Niandohan'ny Krismasy.


William Branham.

Vakio ny tantara feno ao (PDF Anglisy)...
The Falling Apart Of The World.

Ankehitriny, ny Krismasy... Maniry mafy aho mba ho fantatry ny olona ety ambonin'ny tany ny tena atao hoe Krismasy. Tena maniry mafy aho ny mba ahatakaran'ny olona eto amin'izao tontolo izao ny tena atao hoe Krismasy. Voalohany indrindra, ny teny hoe Krismasy dia teny avy amin'ny Katolika. Izany dia midika hoe “An'i Kristy...” “K-r-i-s-m-a-s.” Azonareo ve? Izy io dia notendrena na nanomboka tamin'ny fiangonana Romana. Ary Kristy dia tsy teraka ny 25 Desambra noho izaho. Oh. Izany dia fifangaroana fampianarana. Izay no momba an'io. “Izao tontolo izao,” araka ny voalazan'ny mpaminany, “dia lasa fery lo.” Marina izany. Tsy misy zavatra madio na aiza na aiza. Ny fialan-tsasatra rehetra dia tohanan'ny... Ny antony dia, nalain'i Dadabe Noely ny toeran'ny Krismasy, ny fahaterahana tao amin'ny fihinanam-bilona. Ny bitro sy ny akoho, ary ny satroka vaovao dia nasolo ny fitsanganana amin'ny maty. Ary aiza no miseho Andriamanitra amin'izany rehetra izany? Jereo? Ny anton'izany dia noho io lehilahy io sy ny raharaham-barotra... Nahoana ary izy ireo no nanomboka nividy ny fanomezana Krismasy volana vitsy lasa izay, ary izany dia toetran'ny firenena hafa. Tsy misy na inona na inona momba an'Andriamanitra amin'izany. Eny, milaza izy ireo hoe: Manomeza fanomezana ho an'ny olon-kendry. Izany dia fialan-tsasatra ala olan'ny devoly. Raha te-hanome zavatra ianao dia ny fiainanao ho an'i Kristy. Aza mifampanome, Izy omena. Izany no namoizany ny ainy. Izany no antony hiaviany. Azonareo ve izany?

Ary izany dia tsy maintsy toerana iray- ary- ozona ho an'ny ankizy kely. Ny mpifanolo-bodirindrina vitsy an'isa eny an-dalambe dia afaka manana betsaka, ary ny iray hafa dia tsy manana na inona na inona, ary mijery izy ireo. Ary izany rehetra rehetra izany dia diso mihitsy. Izay ihany. Ary ny mpivarotra dia manangana ny entany any amin'ireny toerana ireny. Izy ireo... ny vadiko dia niditra mba haka zavatra ho an'ny ankizy kely, telo herinandro lasa izay, dia hoy izy: "Oay, lafo daholo ny tahiry rehetra. Nanao kaomandy roa sosona isika tamin'ity taona ity, lafo daholo izy rehetra." Ny telo na efatra herinandro tsy hanombohan' ny fiantsenana. Oh, tena fametrahana ara-barotra lehibe izany.

Na dia eo aza izany rehetra izany, fantatrareo ve ny antony niandohan'ny Krismasy, izay antsointsika hoe Krismasy? Izao ny tantara momba an'io, misy naoty kely nosoratako amin'ny pejy iray. Tamin'ny taona lasa no namitako azy,alohan'ny nahazoako ny taom-piangonana fito dia nampianatra azy teto aho, noraisiko ny “Fivoriana tao Nicée” sy ny “Talohan'ny Fivoriana tao Nicée” ary “Taorian'ny fivoriana tao Nicée”, avy eo “ Ireo Ray tao Nicée”, sy ny “ Babylôna Anankiroa nosoratan'i Hislop, ary ny “Bokin'ireo Maritiora” nosoratan'i Fox, dia izy rehetra satria naheno ireo mpanompon'Andriamanitra nilaza izany aho. Ary tiako ny namaky izany mba ahitako, ka ahafantarako rehefa mamaky aho na milaza izany amin'ireo mpanara-dia ahy, satria Andriamanitra no hanadina ahy amin'ny andro fitsarana ny amin'izay nolazaiko tamin'ny olona. Noho izany dia tsy afaka ny hilaza izay novakian'ny olo-kafa aho. Tiako ny mamaky sy mahafantatra azy manokana. (Hitanareo?).

Ankehitriny ny tena Krismasy, Kristy, dia hinoako fa tena voaporofo... Tahaka ny fitsanganana amin'ny maty dia voaporofo amin'ny fijerena ny Mpamorona, ahoana ny namoronany ny fiainan'ny zavamaniry, ary nahoana ny zavatra rehetra momba ny Sitrapony dia tsy maintsy maty, ary rehefa maty izany dia velona indray satria nahazo fiainana mandrakizay. Saingy ny hany lalana tokana ahafahany mivelona indray dia ny maha voa afaka maniry azy. Hitanareo? Ankehitriny ary Andriamanitra dia maneho ny Tenany amin'ny zavaboary, ary izany dia mampiseho fa ireo andriamanitra tsy izy sy ny zavatra ananantsika dia tsy marina. Jereo anie, izy ireo dia filôzôfia sy fieritreretana (imagination). Fa ilay Iray Izay namorona ny lanitra sy ny tany dia maneho ny Tenany amin'ny zavatra noforoniny teo aloha, dia ny maha Izy Azy amin'ny izay tiany hatao. Koa raha...

Efa nihevitra ve ianareo, fa tamin'i Kristy teraka, dia ilay Zanak'Andriamanitra, nahoana Izy no teraka teo amin'ny fihinanam-bilona sy nampandriana teo? Satria Izy Zanak'Ondry. Tsy afaka teraka tany an-trano, ny zanak'ondry tsy teraka any an-trano. Ary tsaroanareo ve rehefa nentin'izy ireo teo Kalvary Izy, ary tsy afaka nandositra. Nitambesatra teo aminy ny hazo fijaliana. Nokapohina Izy mandra-pivoadrà ny lamosiny. Ary dia notarihin'izy ireo Izy. Notarihin'izy ireo ilay Zanak'Ondry any amin'ny toerana famonoana. Hitanareo ve izany? Zanak'Ondry Izy. Koa raha ny marina momba ny natiora, raha ny Aminy dia... Rahoviana ny zanak'ondry no teraka Desambra sa Avril? Mazava ho azy. Hitanareo ve izany? Tsy misy dikany ny mihevitra ny zavatra toy izany. (Jereo?)

Ny fiangonana Katôlika Rômana no nanao an'io tokony ho 86, 106 AD, tany ho any, na 306. Ankehitriny aza isika dia mahafantatra fa ny mpanompo sampy Rômana dia nivavaka tamin'i Jupiter, izay andriamanitry ny masoandro; ary nivavaka tamin'i Ashtoreth izy ireo, izay andriamanitry ny volana, na ilay reny - ilay renin'ny lanitra. Ary mba hampidinana izany dia voalazan'izy ireo fa Ashtoreth, na renin'andriamanitra any an-danitra dia tsy misy intsony, fa ao amin'i Maria no ahitana azy. Ary izany dia mbola mijanona ho sampy, mampifandray ny maha-Kristiana amin'ny fanompoan-tsampy.

Noho izany koa izy ireo dia namela ny fivavahana sy fanajana ny andro nahaterahan'ny andriamanitry ny masoandron'izy ireo, dia i Jupitera. Izany dia amin'ny masoandro manomboka ny voalohan'ny volana Desambra hatramin'ny 25, ary tsy miova izany, ary dia mitohy mankany amin'ny Kaprikôrna. (famantarana Zôdiaka)

Ankoatran'izany, dia manana taratasy kely aho tiako ho vakiana aminareo amin'ny fotoana iray, ary mahatanfitohina anareo izany. Miresaka ianareo momban'ny zava-nitranga tao amin'ny renirano tamin'io fotoana io. Tiako haseho anareo ny zavatra hita tao Jerosalema hanamarinana izany, herinandro vitsy lasa izay tao amin'ny gazety. Zavatra hitan'izy ireo tao Jerosalema herinandro vitsy lasa izay dia manaporofo marina ilay Anjely nipoitra teto, tamin'io fotoana io ary ny nivoahan'ny asa fanompoana. Eny. Hitanareo ve izany? Ankehitriny dia tsy fantatra mihintsy izany raha tsy herinandro vitsy lasa izay, ary dia an-gazety izy izao.

Noho izany rehefa tonga amin'izay, dia-- ao ilay izy...Jereo, ankehitriny, aorian'ny faha 21 Desambra, ny andro dia manomboka toa miha-fohy, na miha-lava isan'andro, mandra-piodiny mankany amin'ny volana Jolay.Dia avy eo manomboka mihafohy indray mandra-pahatongany... Ary izany dia fotoana fialan-tsasatra. Ary ireo mpanolpo sampy Rômana dia milaza fa izany no taona fitsingerenan'ny nahaterahan'ny andriamanitra masoandro. Manomboka ny voalohan'ny volana Desambra -na 21 Desambra hatramin'ny faha 25 Desambra, nanao ny - Cirque Rômana izy ireo (fampisehoana), ny hazakazaka kalesy sy ny sisa ao anatin'izany, nandritra izany fotoana izany.

Noho izany indrindra ary, rehefa ampidirin'ny Kristiana na Kristiana Rômana ny fampianaran'izy ireo ho amin'ny lafiny anakiroa, na ny Kristiana na ny Rômana dia samy milaza, “Raha izany no andro ankalazana ny nahaterahan'ny andriamanitra masoandro, dia aleo ataontsika hoe fankalazana ny nahaterahan'ny Zanak'Andriamanitra.” Io ilay faha 25 n'ny volana Desambra amin'ny lamesanareo: Lamesan'i Kristy. Oh, tena zava-doza izany. Azonareo ve?.

Ary mba hampifandraisana... Nahoana, hoy ianareo, “Ny andro hafa ve tsy mety?” Eny, fa hampifandraiso amin'ny fanompoan-tsampy Kristy... Ny handrava izany indrindra no antony nahatongavany, dia mbola hampifandraisin'izy ireo Aminy ihany izany. Azonareo ve? Izay no zavatra diso.

Ary Dadabe Noely, lehilahy antitra Alemana iray antsoina hoe Kriss Kringle, nandeha namakivaky tanana mizara fanomezana amin'ny andro Lamesan'i Kristy (Krismasy); Izy dia katôlika, ary dia nataon'izy ireo olo-masina izy; ankehitriny izany dia Saint Nicholas. Azonareo ve izany? Oh, Tsara kokoa aho raha... Izy ireo dia... Izany.... Fantatrareo ihany izany. Hitanareo fa hitantsika izy ireo ao amin'ny taom-piangonana.

Fa amin'izao maraina izao, ny tiako lazaina dia izao,ity Krismasy ho avy ity dia tsy ahitan'izao tontolo izao toetra tsara kokoa nohon'ny tamin'ny 1900 na 2000 taona lasa tamin'ny nahatongavan'i Kristy. Tsy samihafa.Mitovy ihany ny ny toetrany tamin'izany, na amin'izao. Izy ireo... Raha afaka maka famintinana avy amin'izany aho, na lahatsoratra avy amin'izay ho lazaiko, dia hoe: “Ny Fahaverezan-tsainan'Izao Tontolo Izao.”

Tamin'i Kristy tonga tamin'ny Krismasy 1900 taona lasa, dia tratran'ny fahaverezan-tsaina (hevitra) izao tontolo izao; ny zavatra rehetra dia voaloto. Ny tontolon'ny fivavahana voaloto. Ny tontolo Rômana, ara-tsaina, dia tena nitotongana. Oh, ny fahavetavetana ara-tsain'izao tontolo izao... Ny Jiosy nandao ny Andriamaniny ka naka ny fety raikitra masin'izy ireo ary nanao izany ho fomban-drazana. Niala tamin'izy ireo Andriamanitra. Ary fantatr'izy ireo fa misy zavatra tsy maintsy hitranga; izao tontolo dia nanao; ny antony dia mba hihazonana azy miaraka... Izany dia fahavoazana. Ary ny zavatra hihazonana azy mikambana dia, ny firenena rehetra amin'ny fombany hitavany azy dia samy mitady zavatra na olona mba ho tonga hihazona an'izany miaraka.

Raha tsy izany no zava-misy ankehitriny, dia tsy mahalala an'izao tontolo izao aho. Izy dia mitady zavatra ahafahana mihazona izany miaraka. Izany dia mitovy tamin'ny 2000 taona lasa. Izao tontolo izao 2000 taona lasa dia nitady ny Mesia. Mba hihazonana izany miaraka. Fa 2000 taona lasa dia nomen'Andriamanitra an'izao tontolo izao ny Mesia. Satria isika rehefa manantena zavatra na mitady zavatra dia alefan'Andriamanitra amintsika izany. Ary ankehitriny,izao tontolo izao, rehefa afaka ny 2000 taona, dia miverina indray amin'ny toetra tamin'ny 2000 taona lasa. Mianjera izy, firenena... Tsy misy-tsy misy fototra na aiza na aiza. Kaominisma, Katôlisisma, Prôtestantisma, pôlitika, saina, ny zavatra rehetra dia nirodana.

Ary izy ireo dia mivavaka ho an'ny Mesia. Fa izao ny zavatra tiako ho lazaina: Raha ho tonga Izy, handray Azy ve isika, sa hanao tahaka ny nataon'izy ireo? Handà Azy ve isika? Fantantsika ve ny tena ilaintsika? Indraindray isika dia te-- mivavaka ho an'izay faniriantsika, ary matetika ny faniriantsika dia tsy ny ilaintsika. Tokony ho tsapantsika fa tsy mahalala izay ilaintsika isika; mihevitra isika fa mahafantatra. Fa Andriamanitra dia nampanantena fa hanampy izay ilaintsika, ary izany dia ho Ataony.

Vakio ny tantara feno ao (PDF Anglisy)...
The Falling Apart Of The World.


  Hoy ny Soratra Masina...

Raha mbola nieritreritra momba izany zavatra izany izy, indro, nipoitra taminy tamin'ny nofy ny anjelin'ny Tompo, nilaza hoe, Josefa, ianao zanak'i Davida, aza matahotra ny haka an'i Maria ho vadinao: fa ilay niforona ao an-kibony dia avy amin'ny Fanahy Masina.

Ary izy dia hiteraka zazalahy, ary JESOSY no hataonao anarany: fa izy hamonjy ny olony amin'ny fahotany.

Ary izany rehetra izany dia natao, mba ho tanteraka izay voalazan'ny Tompo tamin'ny mpaminany, manao hoe,

Indro, hitoe-jaza ny virijiny, ary hiteraka zazalahy, ary Imanoela no ho ataon'izy ireo anarany, izay midika hoe, Andriamanitra amintsika.

Matthew 1:20-23



Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.


Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.

Tsindrio ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


Ny Asan’Ilay Mpaminany.

(PDF's)

Toko 9
Ilay Sintona Fahatelo.

Teo aloha...

Avy eo...

William Branham Life
Story.

(PDF Anglisy)

Pearry Green personal
testimony.

(PDF Anglisy)

I Kristy
dia tsy
teraka
tamin'ny andro
25 Desambra
noho izaho.