Nahoana No Ilay Betlehema Kely?

<< mialoha

manaraka >>

  Noely andian-dahatsoratra.

Nahoana No Ilay Betlehema Kely?


William Branham.

Vakio ny kaonty feno in...
Nahoana No Ilay Betlehema Kely?

Ary tiako ny hamaky ao amin’ny bokin’ny mpaminany Mika, anankiray amin’ireo mpaminany madinika, ny andininy faha 2, toko faha 5 [ Segond :Mika 5:1 ― Mpandika].Izao no vakiantsika ao:

Fa hianao, ry Betlehema Efrata, Izay kely tsy tokony ho isan’ny arivon’i Joda akory, Dia avy… avy ao aminao no hivoahan’Izay anankiray ho Mpanjaka … ho Mpanjaka ho Ahy ao amin’ny Isiraely; Hatry ny fahagola no efa nivoahany, dia hatrizay hatrizay

Amin’ireo toerana rehetra misy ao Palestina, maro anefa ireo tanandehibe manodidina, tanana tena fantatra tsara kokoa, raha ny fahitana azy, araka ny tantara, mimanda kokoa sady malaza kokoa, nahoana Andriamanitra no nisafidy an’i Betlehema kely mba hahaterahan’ny Zanany? Maro ireo manana ny maha-izy azy kokoa: ohatra ilay toerana manan-tantaran’i Jerosalema, ilay Jerosalema rehareha, ilay Jerosalema renivohitra, iray amin’ireo tanana lehibe ao Palestina. Manontany tena ary isika hoe nahoana Andriamanitra no hifidy an’ilay Betlehema kely indrindra ho toerana hahaterahan’ny Zanany.

Saingy, araka ny nanambaran’ny Soratra Masina azy hoe: “Izay efa nalamin’Andriamanitra dia ho tanteraka”. Ary raha tsy efa voalahatr’Andriamanitra mialoha hoe tahaka an’izany izy io, dia tsy ho tahaka an’izay mihitsy izy io. Ary ny Soratra Masina dia milaza koa ao amin’ny toko faha-15-n’ny Asan’ny Apostoly fa: “Tsy misy zavatra kisendrasendra”. Efa fantatr’Andriamanitra ny zavatra rehetra. Tsy hoe tongatonga ho azy sahala amin’izao, kisendrasendra. Fa Andriamanitra no nanao azy ho toy izany.

Ary isika koa, miaraka amin’ny fahalalan-tsika izay voafetra, dia manomboka mieritreritra isika hoe: “Nahoana moa ilay Mpanjakan’ny Lanitra lehibe no hisafidy toerana anankiray tahaka an’io, raha tokony ho ny renivohitra, raha tokony ho…?’’

Nisy mihitsy aza toerana izay na dia ireo lasany ara-panahy aza dia ,mbola avo lavitra noho i Betlehema. Toerana sasany toa an’i, ohatra, i Silo. Silo dia toeram-pivavahana ho an’ny Israely fahiny, isan-taona dia tonga ao amin’izany toerana malaza izany ny rehetra, izay nitoeran’ny Tabernakelin’i Jehovah. Dia mety hifanontany tena isika arak’izany hoe nahoana no tsy afaka nateraka tao Silo Izy.

Nisy koa i Gilgala, toerana ara-panahy anankiray hafa, toerampivavahana malaza.Koa, nahoana ary Andriamanitra no tsy namela Azy ho teraka tao Gilgala?

Nisy toerana anankiray hafa koa antsoina hoe: Ziona; Ziona, eo antampon’ny tendrombohitra. Dia manontany tena isika hoe nahoana i Jesosy no tsy teraka tao Ziona, izay efa fantatra ara-tantara fa toerana izay , taona maro lasa nifandimby, nitahian’Andriamanitra ny Olony..

Toa hoatry ny hoe azony natao angamba ny nifidy an’i Ziona, na Gilgala, na… na Silo, na koa ny iray amin’ireo toerana malaza izay nisy an’ireo fitahiana lehibe sy fampianarana lehibe.

Ary nisy koa ireo toerana malaza, toa an’i Hebrona ohatra. Io ilay toerana izay azon’ny olona aleha raha mitady fialofana, toerana azo antoka. Ramota Gileada koa dia anankiray amin’ireo toerana fialofana izay azon’ny olona haleha, izay mety ho toerana tsara anankiray ho toerana nahaterahany.

Ary angamba fa, raha izaho no nihevitra an’ilay izy, dia ho nentiko tany Kadesy Barnea Izy, satria tao no nisy ny foiben’ny fitsarana, sady toerana fialofana ihany koa. Angamba ho nentiko tany amin’io faritra io Izy ,hahatonga azy io ho toerana nahaterahany, na angamba mety ho nisafidy ny iray na ny iray amin’ireo tanana hafa isika.

Saingy, fantatrareo moa, tena faly aho, fa ao anatin’ny Baiboly, na dia ireo antsipiriany faran’izay madinika indrindra aza dia manana ny lanjany lehibe. Mino aho fa Jesosy no nilaza an’izao:” Tsinontsinoavinareo… na hoe izay zavatra lehibe ao amin’ny lalana no ataonareo kanefa avelanareo kosa ny zavatra madinika.” Kanefa ny zavatra madinika matetika no mihazona an’ireo zavatra lehibe mitambatra.” Saingy, rehefa jerena indray miaraka, dia mifampiditra tsara tanteraka araka ny nitiavan’Andriamanitra azy ny kodia lehibe rehetra. Tsy misy na dia anankiray aza hifandiso. Efa vitan’Andriamanitra mialoha ny zavatra rehetra, ary ny rehetra dia tsy maintsy mipetraka tanteraka araka ny nandaharana azy.

Noho izany, rehefa tonga eo amin’izay ny finoantsika, ary manomboka hisaintsaina isika hoe: “Iza ary no ao ambadik’izany rehetra izany? Inona ny resaoro lehibe izay mampihodina io hery lehiben’Andriamanitra io?’’…fantatsika fa ny Fanahy Masina izany. Tsy napetraka eo ampelatanan’olombelona ny hanao ny zavatra, fa eo am-pelatanan’ny Fanahy Masina. Izy ilay resaoro lehibe, ary raha hakambany ny fitaovana hafa, dia hihodina tanteraka ny rehetra ka hanondro ny ora marin’Andriamanitra.

Hitantsika izany; ary izany no mitarika antsika hieritreritra, rehefa mandinika an’ireny zavatra lehibe ireny isika sy ny hoe ahoana no hitiavantsika haha-izy an’ilay izy. Tena mampahery marina tokoa arak’izany ankehitriny ny mieritreritra fa, na dia vondrona kely faran’izay bitika indrindra aza isika eo imason’izao tontolo izao sy ireo anaram-piangonana lehibe indrindra, dia matetika mihitsy Andriamanitra no mampiasa an’ireny zavatra kely tsotsotra ireny, na dia eo aza izany rehetra izany.

Satria voasoratra koa ao amin’ny Soratra Masina hoe: “Aza matahotra ry ondry vitsy, satria sitraky ny Rainareo izay any an-danitra ny hanome anareo ny Fanjakana.’’ Fampaherezana manao ahoana ho ahy re ny mahalala fa tena azo antoka tokoa tahaka ny tsy maintsy nahateraka an’i Jesosy tao Betlehema kely, dia ho toy izany koa, io ondry vitsy io no ilay homen’ny Ray ny Fanjakana; satria izay no voasoratra, ary ny Soratra rehetra dia avy amin’ny tsindrimandry ary ny Soratra rehetra dia tsy mety ho levona Tsy maintsy tanteraka izy ireo. Manana fanantenana ary isika ny hahalala fa … fa ondry vitsy no hahazo ny Fanjakana, mpino ondry vitsy mahatoky. Manantena ny ho iray amin’ireo ondry ireo aho, na hoe ao anatin’io ondry vitsy io, izay no tokony holazaiko.

Ary koa fantatsika ny tantara, ny ankamaroan-tsika dia samy mahalala ny tantara, manoritra ny fidiran’ny Israely tao Palestina tamin’ny alalan’ny fampanantenan’Andriamanitra. Fantatra fa ilay Josoa lehibe no ilay nanolotra tamin’ny foko tsirairay avy ny anjarany.

Ary Josoa, teo am-panaovana ny fizarana, dia nanome anjara an’i Joda. Raha mijery ny saritany ara-jeografia ianareo, dia ho hitanareo fa eo andrefan’ny ranomasin’ny tany lemaka ary kilometatra vitsivitsy atsimon’i Jerosalema renivohitra izy. Ary rehefa nahazo ny anjarany teo amin’ny tany i Joda - azontsika antsoina hoe ny faritaniny - dia mahagaga, fa tsy mba voatonona mihitsy akory aza ity tanana kely ity, dia i Betlehema izany. Kanefa dia teo izy io, satria Abrahama … na i Rebeka angamba izy izay, dia nalevina tao amin’io toerana io. Saingy mety ho tanana kely fotsiny ihany angamba izy io tamin’izany, satria raha mamaky ny ao amin’i Josoa toko faha-5 ianareo dia ho hitanareo fa misy tanan-dehibe dimy ambifolo ambizato ny an’i Joda, ankoatr’ireo tanana kely madinika; 115 no voasoratra. Angamba tamin’ny fotoana fizarana dia diso kely loatra ilay Betlehema, mety ho nisy trano iray na roa fotsiny angamba ka tsy mba voasoratra tao amin’ilay lova izy. Ary koa, hitantsika fa tena tsy fantatra tanteraka tokoa izy...

Ny zanak’’i Kaleba no nanorina azy io; Salma no anarany. Izy no mpanorina azy io tamin’izany. Ny Baiboly no milaza fa izy no rain’io, izany hoe izy no mpanorina an’i Betlehema. Amin’ny teny hafa dia hoe mety ho lasa nandeha nanorim-ponenana tao izy ary nanokatra varotra, ary ny fifanakalozana ara-barotra no isan’ny nanampy tamin’ny fampandrosoana azy io.Dia ho hitantsika ny tena antony marina izay, taty aoriana, nahatonga ny firenena iray manontolo ho nialona an’io sombin-tany kely io izay nihitatra nianavaratra sy niatsinanana ka somary nidina kely nitsotsorika mankany atsimo lasa tahaka an’ireny vy kely amin’ny kiraron’ny mpitaingin-tsoavaly ireny. Io no toerana lonaka indrindra ao Palestina manontolo. Io no faritra fambolena voamaina sy vary ary nisy voly oliva lehibe ary zavatra hafa tao amin’io ampahan’i Betlehema io, na ny ampahan’i Palestina, ery amin’ny tendron’ny faritanin’i Joda.

Hitantsika fa i Rahaba janga koa dia nandeha nanorim-ponenana tao. Rehefa niampita an’i Jordana ny Israely, izay manamarika ny sisin-tanin’ny Palestina… Fantatsika ny tantaran’i Rahaba janga. Ndao asehontsika vetivety izany izao maraina izany, toy ny… vehivavy tanora anankiray, vehivavy tanora tsara tarehy anankiray izay,vokatry ny loza nitranga teo amin’ny fiainany, dia noteren-javatra, izy rahateo moa mbola mpanompo sampy…noteren-javatra niaina tamin’ny fiainana izay nananany. Ary matetika ny olona dia teren-javatra hiaina amin’ny fiainana izay ananany.

Indray hariva aho dia nandeha tany amin’ny fonja, nijery lehilahy anankiray izay nanefa ny saziny tao. Izaho… notantanako izy ary dia niresaka taminy aho. Hoy aho taminy hoe: “Fa nahoana kosa ary ianao no dia nahavita zavatra toy izany e” Ary , teo am-pihazonana ny tanako izy, dia nanomboka niresaka. Noteren-javatra hanao izay nataony izy. Ary noho izany, dia hoy aho taminy hoe:”Ianao mihitsy raha izany no namela an’ilay zavatra hanery anao hanao an’ilay izy. Tsy voatery hanao an’ilay izy ianao; tsy misy lehilahy azo terena hisotro toaka izany mihitsy”. Hoy aho hoe: “Izaho koa aza dia mba mikorontan-tsaina saingy tsy dia ilaina ny hahazoana an’izany zavatra izany’’

Fa ity vehivavy tanora ity, vantany vao nandre voalohany ny amin’ny Israely izy, sy ny amin’ny hoe Andriamanitra dia …Andriamanitra anankiray mihaino vavaka, tsy hoe Andriamanitra ivavahana fotsiny ihany fa Andriamanitra mamaly koa avy eo. Rehefa nandre ny amin’Andriamanitra anankiray izay nanao fahagagana izy, izay afaka manao fahagagana, izay nandritra ny ranomasina ka nandatsaka mofo avy tany an-danitra, tamin’izay fotoana izay no nanomboka nangovitra ny fony. Ary tamin’izay, rehefa nandre ny hafatra voalohany ho azy izy avy teo am-bavan’ny mpitoriteny anankiroa izay tonga tao, poa toy izay dia nanaiky azy tamin’ny fony rehetra izy. Ary nisy kofehy jaky anankiray nafatotra teo amin’ny varavaran-keliny mba ho fiarovana ny ankohonany, satria nandre ny hafatra izy.

Afaka manampy zavatra kely aho eto: Mba fantatrareo ve fa hoe izy io anie no tandindona iray an’ny Fiangonan’ny jentilisa ?Anisan’ny jentilisa izy ary izy no tandindon’ny Fiangonan’ny jentilisa. Rehefa nandre ny Hafatra isika, isika rehetra dia samy efa nitondra ny fiainan’ny fijangajangana arapanahy nanohitra an’ilay Andriamanitry ny Lanitra, tao anatina karazanjavatra maro, karazana anaram-piangonana sy fivavahana maro. Saingy rehefa nandre kosa isika fa misy Andriamanitra anankiray izay velona mandrakizay mandrakizay ary afaka manao fahagagana, poa toy izay dia nandray ny Hafatra isika.

Ary nanomboka tamin’izay fotoana izay no napetaka ilay Ran’i Jesosy Tompo, izay no dikan’ilay kofehy jaky. Ary raha tsy dia hiditra loatra amin’ny antsipiriany, dia fantatrareo fa nahantony teo amin’ny varavarankeliny izy io mba ho hitan’ny rehetra, naseho ampahibemaso ilay Ra. Fa tahaka an’izay mihitsy no tsy maintsy nampisehoana an’ilay Ra, ampahibemaso, mihantona amin’ny rindrina ety ivelany mba hampisehoana fa misy zavatra miseho ao anatiny ao. Toy izany mihitsy koa ny ho an’ny Kristiana marina ao amin’ny Kristy izao maraina izao: ety ivelany ety no misy, tena hita tsara mihitsy, ny Ran’i Jesosy Tompo, izany no mampiseho fa misy zavatra miseho ao anaty ao.

Ary vokatr’izay, rehefa nararaka ny fahatezerana ka nanomboka nitsoka ny trompetra, dia mijery avy any ambony Andriamanitra ka mahita an’io kofehy jaky io, mihantona eo ho fahatsiarovana. Tena nahafaly Azy foana ny mandalo eo amin’ilay Ra. “Raha hitako ny Ra dia handalo anareo fotsiny Aho”. Hitany ilay Izy. Ary tamin’ny fotoan’ny fanozongozonana, rehefa nakotrokotrokin’ny Fanahy Masina ny tany ka narodany ny rindrina izay efa nisy ho enina metatra tany ny hateviny, dia tsy mba nisy na dia vato iray akory aza nilatsaka avy teo amin’ilay toerana namatorana an’ilay kofehy jaky. Izany dia mampiseho ny fiarovan’ilay Andriamanitra anankiray marina manoloana ny mpino marina anankiray; tsy mampaninona izay toetrareo tamin’ny fotoana nahitany anareo, manaiky an’ilay kofehy jaky fotsiny no hany hataonareo. Tamin’ny alalan’ny Baiboly no nandrandranana azy io.

Hitantsika avy eo fa rehefa avy nalaina izy, toy ny hoe efa Israelita anankiray izy tamin’izany, dia latsam-pitiavana tamina lehilahy anankiray izy izay kapiteny sady andriandahy tao Joda. Kapitenin’ny Tafika Israelita izy io. Salma no anarany tahaka ny Solomona mpanjaka. Kapiteny ary izy io arak’izany; ary nanam-pitiavana tsotra an’io kapiteny io izy, izay andriandahin’i Joda. Ary ny niafarany dia nanambady azy izy. Ary rehefa vita ny fizaram-pananana ho an’ireo Israelita, dia lasa nandeha nipetraka tany Betlehema izy sy ilay vady malalany.

Manomboka mahita an’ilay izy mazava tsara ianareo izao, sa tsy izany? Hitanareo? Manomboka miha-mazava ilay izy rehefa hitantsika ,fa nivelona tao Betlehema izy, izy ilay vady anankiray avy tamin’ny Jentilisa nikambana tamina Jiosy anankiray. Satria nahoana? Satria nino Andriamanitra anankiray mahavita fahagagana izy. Jereo hoe avy taiza no nivoahany: avy tamina ankohonana anankiray ratsy laza, ankohonam-pijangajangana. Tamin’ny alalan’ny fiovam-pony sy tamin’ny alalan’ny finoany tsy azo hozongozonina an’Andriamanitra, dia avy tamina ankohonana mpijangajanga izy no niala nankany amina ankohonana tsara tarehy anankiray tao Betlehema. Fahasamihafana toy ny inona re izany!

Izany no zava-mitranga amintsika tsirairay avy: avy tamin’ny ankohonan’ny tsy finoana, an’ny fahadisoam-panantenana, an’ny fitondrantena ratsy sy ny sisa, nankany amin’ny toerana anankiray, toerana ao amin’i Kristy, izay tsara indrindra. Avy amin’ny tsy misy dikany mankany amin’ny faratampony indrindra, izany no fahasamihafana aterak’ilay izy nohon’ny fiovam-pontsika. Ary mba voatsikaritrareo ve fa nanambady andriandahy anankiray avy tamin’ny taranak’i Joda izy, kapiteny anankiray? Io kapiteny io no endrik’i Kristy, izay naka vady anankiray avy tamin’ny jentilisa. Nandalo avy tamin’ny toerana farany ambany nankany amin’ny farany ambony indrindra sy tsara indrindra teo amin’ny firenena. Hasehontsika somary lavidavitra mandritra ity hafatra ho antsika ity, fa tahaka izany tokoa ilay izy ary tsy mety ho zavatra hafa ankoatr’izay. Io ilay endriky ny Fiangonana Jentilisa.

Vakio ny kaonty feno in...
Nahoana No Ilay Betlehema Kely?


Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.

  Hoy ny Soratra Masina ...

Ary niteraka ny Lahimatoany izy, dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriny teo amin'ny fihinanam-bilona; fa tsy nisy nitoerany tao an-tranom-bahiny.

Lioka 2:7


Tsindrio ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


Ilay tendrombohitra
nisy raozy tao amin’ny
orampanala tany
China.

Stature of a Perfect
Man
(PDF Anglisy)

Ny Andry Afo.

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andriamanitra mihitsy
no nofonosina ny
Tenany manokana ao
anaty Package Krismasy
ka nampitondrainy izany
ho any amin'izao
tontolo izao.



Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.