Ny vanim-potoanantsika Laodikia.


  Boky misy Fanambarana mifanesy.

Ny vanim-potoanantsika Laodikia.


William Branham.

Vakio ny tantara feno ao amin'ny...
Ny Taom-Piangonana Laodikia.

Apokalypsy 3:15-19
"Fantatro ny asanao, fa hianao tsy mangatsiaka na mafàna; aleo ho mangatsiaka na ho mafana ianao. Fa satria matimaty ianao ka tsy mafana na mangatsiaka, dia aloan’ny Vavako. Satria hoy ianao: Izaho manan-karena, sy efa nihary fananana, ka tsy mila na inona na inona; kanefa tsy fantatrao fa ianao ilay ory sy mahantra ary malahelo, jamba ary mitanjaka; Manoro hevitra anao Aho hividy volamena voadio tamin'ny afo Amiko, mba hananao harena; sy fitafiana fotsy, mba hitafy ianao ka ny henatry ny fitanjahanao tsy hiseho; ary hosory odimaso ny masonao mba hahita. Fa izay Tiako no anariko sy faiziko; koa dia mazotoa ary ka mibebaha."

Araka raha efa novakiantsika miaraka izany dia azoko antoka fa tsikarirareo fa ny Fanahy tsy milaza karazana zavatra anankiray momba io vanim-potoana io. Manao fiapangana roa Izy ary manonona ny Didim-pitsarany eo amin’izy ireo.

(1)Apokalypsy 3:15-16: "Fantatro ny asanao, fa hianao tsy mangatsiaka na mafana: ny Tiako dia aleo ho mangatsiaka na ho mafana. Fa satria matimaty ianao dia, ka tsy mafana na mangatsiaka, dia aloaky ny vavako."

Hojerentsika akaiky ny momba an'io. Voalaza fa io taom-piangonana Laodikia io dia matimaty. Io toetra matimaty io dia mitaky ny sazy avy amin'Andriamanitra. Ny sazy dia aloan'ny Vavany izy ireo. Eto no toerana tsy handehanatsika amin'ny lalan-diso toy ny ataon'ny maro sasany. Tsy amim-pahendrena no hilazan'izy ireo fa Andriamanitra dia afaka mandoa amin'ny Vavany ary izany dia manaporofo fa tsy misy ny toy izany ho marina amin'ny fampianarana ny amin'ny faharetan'ny Olomasina. Te hanitsy ny fomba fisainanareo aho izao ankehitriny izao. ITY ANDININY ITY DIA TSY NATAO HO AN'NY OLONA IRAY. Nomena ny fiangonana izany. Miresaka amin'ny fiangonana Izy. Ankoatra izany, raha mitandrina ny Teny fotsiny ao an-tsaina ianao dia ho tsaronao fa na aiza na aiza tsy misy milaza fa isika dia eo amin'ny VAVAn'Andriamanitra. Isika dia voasikotra teo amin'ny Tanany. Isika entina ao an-Tratrany. Tany aloha tany tamin'ny taona tsy fantatra talohan'ny fotoana dia tao an-Tsainy isika. Isika dia ao amin'ny Valany, ary ao amin'ny Fihinanam-bilony, fa tsy teo am-Bavany na oviana na oviana. Inona anefa no eo am-bavan'ny Tompo? Ny Teny no eo am-Bavany.

Matio 4:4, "Fa namely Izy ka nanao hoe: Voasoratra hoe: ny olona tsy ho velona amin'ny mofo ihany, fa amin'ny Teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra." Ny Teny dia tokony ho eo amin'ny bavantsika ihany koa. Ary fantatsika fa ny fiangonana dia ny Tenany. Eto izy dia maka ny Toerany. Inona no ho eo am-bavan'ny fiangonana? Ny TENY. 1Petera 4:11, "Raha misy olona miteny, dia aoka izy hiteny toy ny milaza (Teny) avy amin'Andriamanitra." II Petera 1:21, "Fa ny faminaniana tamin'ny andro fahiny tsy tonga, noho ny sitrapon'ny olona; fa ireo lehilahy masin'Andriamanitra no niteny araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy ireo." Ary noho izany inona no tsy mety amin'ireo vahoakan'ny andro farany ireo? IZY IREO DIA NIALA TAMIN'NY TENY. TSY NAFÀNA FO MOMBA AN'IZANY INTSONY IZY IREO. IZY IREO DIA MATIMATY MOMBA IZANY. Mamelà ahy hanaporofo izany izao ankehitriny izao.

Ny Batista manana ny foto-pinoany sy ny fanekem-pinoany mifototra amin'ny Teny, ary ianao tsy afaka hanozongozona azy ireo. Milaza izy ireo fa ny fahagagana tamin'ny andron'ny apôstôly dia tsy misy intsony ary tsy misy Batisa amin'ny Fanahy Masina, manaraka ny finoana. Ny Metôdista milaza (mifototra amin'ny Teny) fa tsy misy batisa amin'ny rano (ny famafazana rano dia tsy batisa) izany fanamasinana izany dia ny Batisa amin'ny Fanahy Masina. Ny Fiangonan'i Kristy manome vahana ny amin'ny batisa fiterahana indray ary amin'ny lafiny maro izy ireo dia midina ao mpanota maina ary miakatra avy ao mpanota lena. Kanefa izy ireo milaza fa ny foto-pampianarany dia mifototra amin'ny Teny. Mandehana mitohy mijery, ary tongava any amin'ny Pentekôstaly. Manana ny Teny ve izy ireo? Omeo azy ireo ny Teny fitsapana dia jereo. Ho atakalon'izy ireo fihetseham-po isaky ny mihetsika ny Teny. Raha afaka mamokatra ny fanehoana toy ny diloilo sy ny rà ianao na fiteny tsy fantatra, na famantarana hafa, na ao amin'ny Teny na tsia, na voadika araka ny tokony ho izy avy amin'ny Teny, ny maro an'isa dia ho tafalatsaka ho amin’izany. Inona anefa no nitranga tamin'ny ny Teny? Ny Teny dia voailika, ka hoy Andriamanitra: “Handeha hanohitra anareo rehetra Aho. Aloako amin'ny vavako ianareo.” Izany no farany. Fito avy ao amin'ny vanim-potoana fito, dia tsy nahitako na inona na inona afa-tsy olona mihevitra ny teniny ambonin'ny Ahy. Koa amin'ny hahataperan'ity vanim-potoana ity dia ho aloako amin'ny Vavako ianareo. Vita tanteraka. Hilaza Aho. Eny, eto Aho eo afovoan'ny ny Fiangonana. Ny Amena an'Andriamanitra, mahatoky sy marina no haneho ny Tenany ary izany dia amin'ny alalan'ny mpaminaniko.” Eny izany tokoa. Apokalipsy 10:7, “fa amin'ny andron'ny feon' ilay anjely fahafito iraka, rehefa hanomboka hitsoka izy, ny zava-miafina izay an'Andriamanitra dia ho tanteraka, araka ny nambarany tamin'ny mpaminany mpanompony.” Eo ilay izy. Mandefa MPAMINANY VOAMARINA IRAY Izy. Naniraka mpaminany Izy rehefa afaka efa ho roa arivo taona. Naniraka olona iray izay lavitry ny fikambanana, ny fampianarana sy ny fivavahana eo amin'izao tontolo izao ka tahaka an'i Jaona Mpanao-batisa sy Elia fahiny, dia tsy hihaino afa-tsy Andriamanitra izy ary izy hanana ny “Izao no lazain'ny Tompo”, ary miteny ho an'Andriamanitra izy. Izy no ho mpitondra teny avy amin'Andriamanitra, ary IZY ARAKA NY NAMBARA AO AMIN'NY MALAKIA 4:6, DIA HAMPITODIKA NY FON'NY ZANAKA HIVERINA ANY AMIN'NY RAZANY. Izy no hitondra indray ny olom-boafidin'ny andro farany, ary izy ireo dia handre mpaminany voamarina manome ny tena fahamarinana tahaka ny tamin'i Paoly. Hamerina ny fahamarinana izy tahaka ny nanan'izy ireo izany. Ary ny olom-boafidy miaraka aminy amin'izany andro izany dia ho ireo izay tena haneho ny Tompo sy ho Vatany ary ho Feony sy hanao ny Asany. Haleloia! Hitanareo ve izany?

Ny fandinihana vetivety ny tantaran'ny Fiangonana dia hanaporofo fa marina izany hevitra izany. Ao amin'ny Vanim-potoana Maizina, ny Teny dia saika very tanteraka tamin'ny olona. Nefa Andriamanitra naniraka an'i Luther niaraka niaraka tamin'ny TENY. Ny Loterana dia niresaka ho an'Andriamanitra tamin'izany andro izany. Saingy nanao fikambanana izy ireo, ary ilay Teny madio dia very tany amin' ny fikambanana mirona amin'ny foto-pampianarana sy ny fanekem-pinoana, fa tsy ny Teny ihany. Tsy afaka hiteny ho an'Andriamanitra intsony izy ireo. Ary Andriamanitra avy eo naniraka an'i Wesley, ary izy no feo niaraka tamin'ny Teny tamin'ny androny. Ary ny olona izay nitondra ny fanambaràny avy amin'Andriamanitra dia tonga epistily velona novakiana sy fantatry ny olona rehetra ho an'ny taranak'izy ireo. Rehefa tsy nahomby ny Metodista, Andriamanitra nanangana ireo hafa, ary izany dia nandeha nandritra ny taona maro hatramin'izao andro farany izao, ary dia mbola misy olona hafa koa amin'ny tany, izay eo ambanin'ny iraka ho azy ireo, no ho feo farany ho amin'ny vanim-potoana farany.

Eny tompoko. Ny fiangonana dia tsy “solon'ny vava” n'Andriamanitra intsony. Mpisolo vava ny tenany ihany izy. Noho izany Andriamanitra dia mitodika aminy. Izy no hampahamenatra azy amin'ny alàlan'ny mpaminany sy ny ampakarina, fa ny feon'Andriamanitra dia ho ao aminy. Eny izany no izy, fa voasoratra ao amin'ny toko farany amin'ny Apokalipsy andininy faha-17, "Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe tongava". Averina indray izao tontolo izao dia handre mivantana avy amin'Andriamanitra toy ny tamin'ny Pentekosta, fa mazava ho azy fa io Ampakarina Teny io dia hialàny toy ny tamin'ny vanim-potoana voalohany.

Ankehitriny dia mitaraina amin'ity vanim-potoana farany ity Izy, “Manana ny Teny ianao. Manana Baiboly bebe kokoa noho ny hatramin'izay ianao, nefa ianao tsy manao na inona na inona momba ny Teny, afa-tsy ny fizarazarana sy famotehina izany ho torotoro, maka izay tianao, ary mamela izay tsy tianao. Tsy liana amin'ny FIVELOMANA amin'izany ianao, fa miady hevitra ny amin'izany. Tiako kokoa ianao raha nangatsiaka na mafàna. Raha nangatsiaka ianao ary nandà izany, dia leoko ihany izany. Raha fotsin'ny hafanana ianao ny ahafantatra ny marina sy velona amin'izany, hidera anao Aho ny amin'izany. Fa raha alainao fotsiny ny Teniko, ary tsy homenao voninahitra izy, Izaho koa tsy maintsy handà ny hanome voninahitra anao. Aloako ianao fa mampisalebileby Ahy.”

Ary na iza na iza dia mahalala fa ny rano matimaty dia mahatonga anao harary vavony. Raha toa ka mila fampadoavana ianao (Emétique) dia rano matimaty ny zavatra tsara indrindra azo sotroina. Ny fiangonana matimaty mahatonga an'Andriamanitra maloiloy araka ny efa nanambarany fa ho Aloany. Mampahatsiahy antsika ny fomba Nahatsapàny talohan'ny safo-drano, tsy izany? Oh, naleon'Andriamanitra ny fiangonana mangatsiaka na mafàna. Ny tsara indrindra dia ny mba hirehetany (mafàna). Nefa izy tsy izany. Efa lasa ny didim-pitsarana. Tsy izy intsony ny feon'Andriamanitra ho amin'izao tontolo izao. Izy dia manamafy fa izy no izy, fa Andriamanitra tsy milaza izany.

(2) Apokalypsy 3:17-18, “Satria niteny ianao: Izaho manan-karena, sy efa nitombo fananana, ka tsy mila na inona na inona, ary tsy fantatrao fa ianao no ilay ory sy mahantra, malahelo sy jamba ary mitanjaka; Manoro hevitra anao Aho hividy Amiko volamena voadio tamin’ny afo, mba hananao harena, ary fitafiana fotsy mba hahafahanao mitafy, ary ny henatry ny fitanjahanao tsy hiseho, ary osory odimaso ny masonao, mba hahiratanao.”

Jereo ankehitriny ireo andian-teny voalohany ao amin'ity andininy ity, [satria ianao milaza]. Hitanareo, izy ireo dia niteny. Izy ireo miteny toy ny mpisolo vava an'Andriamanitra. Izany indrindra no manaporofo ny tiako ho lazaina ao amin'ny andininy faha 16-17. Fa na dia milaza izany aza izy ireo, izany dia tsy midika hoe marina. Ny Eglizy Katolika miteny fa miresaka ho an'Andriamanitra izy, hilazàny fa izy dia feo azo antoka avy amin'ny Tompo. Nahoana ny olona no tena ratsy ara-panahy mihoatra izay fantatro, fa izy ireo dia mamokatra araka ny voa izay ao aminy, ary isika mahalala izay niavian'izany voa izany, sa tsy izany?

Ny fiangonana Laodikia dia manao hoe: “Izaho manan-karena sy efa nihary fananana, ka tsy mila na inona na inona.” Izany dia fijeriny momba ny tenany. Mijery ny tenany izy ary izany no hitany.Hoy izy hoe: "Izaho manan-karena," izay midika fa manan-karena izy amin'ny zavatra eto amin'ity tontolo ity. Mirehareha izy eo anatrehan'ny Jakoba 2:5-7, "Henoy, ry rahalahiko malala, tsy efa nofidin'Andriamanitra va ny malahelo amin'ity izao tontolo izao ity izay manankarena amin'ny finoana, sy ho mpandova ny fanjakana Nampanantenainy ireo izay tia Azy? Fa ianareo efa nanala-baraka ny malahelo. Moa ve tsy ny mpanankarena no mampahory anareo, sy mitarika anareo ho eo amin'ny fitsarana? Tsy izy ireo koa va no miteny ratsy ny Anarana tsara izay niantsoana anareo?" Ankehitriny aho dia TSY milaza fa ny manan-karena tsy afaka ny ho ara-panahy, fa fantatsika rehetra fa ny Teny milaza fa tena vitsy ireo. ny mahantra no maro an'isa ao amin'ny tena ny fiangonana marina. Koa ankehitriny, raha ny fiangonana lasa feno harena, dia zavatra iray loha ihany no fantantsika, “Ikaboda” [Aiza ny voninahitrao?] no misoratra ao amin'ny fidirana ao aminy! Tsy afaka mandà izany ianao, satria Teny izany.

Vakio ny tantara feno ao amin'ny....
Ny Taom-Piangonana Laodikia.


  Hoy ny Soratra Masina...

Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko.

Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin'ny seza fiandrianako, dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin'ny Raiko eo ambonin'ny seza fiandrianany.

Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana.

Apokalypsy 3:20-22



Bokin'ny Apokalypsy.
Mitohy tamin'ny pejy manaraka.
(Kristy Ivelan'ny Fiangonana.)


Fantatsika fa ity
no vanim-potoana
farany,
satria Israly
efa niverina
any Palestina.


Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.

Tsindrio ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


Ny Asan’Ilay Mpaminany.
(PDF's)

The Two Babylons

by Rev Alexander Hislop.
(PDF Anglisy)

A lafiny tendrombohitra, ary nitsangana voaroy amin'ny oram-panala amin'ny Shina.

Lisy ny afo.

Ny Andry Afo - Houston 1950.

Mazava tamin'ny vatolampy pyramida.


Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.