Ny Mpialoha Lalana.


  Ny Asan’Ilay Mpaminany mifanesy.

Ny Mpialoha Lalana.


Pearry Green.

Jaona dia nandrakitra an-tsoratra ao amin'ny toko 1:19-21 izao lahateny mahaliana manaraka izao, izay nifanaovany tamin’ny mpisorona ny olona sasany:

19 Ary izao no nambaran'i Jaona, raha ny Jiosy naniraka mpisorona sy Levita avy tany Jerosalema hankany aminy mba hanontany azy hoe: Iza moa ianao?
20 Ary nilaza marina izy ka tsy nandà, fa hoy ny filàzany: Tsy izaho no Kristy.
21 Ary izy ireo nanontany azy hoe: Ahoana ary? Elia va ianao? Fa hoy izy: Tsy izy aho. Ilay Mpaminany va ianao? Fa izy namaly hoe: Tsia.

Ireo mpisorona sy Levita dia nahita fa ny zava-drehetra momba an'i Jaona dia hafa mihintsy- ny fitoriany ny fibebahana, ny fitafiany ny hoditra rameva, ary ny sakafony valala sy tantely remby. Izy ireo nahitsikaritra fa tsy nankany amin'ny Tempoly izy mba hitory, nefa ny asa fanompoany dia tena nahitam-bokatra. Very hevitra ny momba io lehilahy avy an-efitra io ry zareo, dia nitady ny valin’izany izy ireo; noho izany ny fanontaniana dia ny hoe "Ianao ve no Elia?" Ny mpaminany lehibe farany fantatr’ireo olona ireo dia i Malakia, izay efa 400 taona lasa. Ireo mpivavaka ireo dia nahalala tsara ny Malakia 4:5, ary nihevitra izy ireo fa i Jaona dia ny fahatanterahan'ny ampahany amin'io faminaniana io ...

Indro Izaho handefa an’i Elia ilay mpaminany ho aminareo alohan’ny ahatongavan’ilay andron’ny Tompo lehibe sady mampatahotra. Ary izy dia hampitodika ny fon’ny ireo ray ho amin’ny zanaka, ary ny fon’ny zanaka ho amin’ireo rainy, fandrao tonga Aho ka hikapoka ny tany amin’ny ozona.

Fa rehefa nanontaniana raha toa ka izy izany mpaminany izany, dia nambarany mazava tsara fa "Tsia". Dia nieritreritra izy ireo fa mety i Jaona ny fahatanterahan'ny Deoteronomia 18 izay efa nolazain'i Mosesy fa hisy mpaminany "tahaka" ny tenany. Nihalalina ny zava-miafina raha vao namaly tahaka izany i Jaona. Eny ary, i Jaona dia nandà fa tsy ny tenany ilay mpaminany mba "hampody ny zavatra rehetra"; nandà ny maha "mpaminany tahaka an'i Mosesy" ny tenany izy. Iza tokoa ary izy? Nohon’ny tsy fahatakarana ny Soratra Masina dia nanontany azy ny mpitondra fivavahana raha toa ka izy no "ilay voahosotra", ny Mesia?. Tamin’ io fanontaniana io izy dia namaly "eny" sy "tsia", "eny" satria voahosotr'Andriamanitra izy, "tsia"satria tsy izy ilay voahosotra iray. Tamin’ny farany, nohon’ny fahajambany ara-panahy, ny mpisorona sy ny Levita dia nanontany azy: "Iza marina ianao?" Tsy nisalasala i Jaona Mpanao Batisa (ao amin’ny Jaona 1:23) nampahafantatra ny tenany ao amin'ny Soratra Masina, nanondro azy ireo ny faminaniana izay tsy hitandry zareo ao amin'ny Isaia 40:3 ka nanao hoe: «Injany! misy feon'ny miantso hoe: Manamboara lalana any an-efitra ho an'i Jehovah, manaova lalambe any an-tany foana ho an'Andriamanitsika.»

Injany! misy feon'ny miantso hoe: Manamboara lalana any an-efitra ho an'i Jehovah, manaova lalambe any an-tany foana ho an'Andriamanitsika.

Nanambara ny tenany ve i Jaona? Tsia. Jaona nanambara ny Soratra Masina ary ny Soratra Masina no nanambara azy. Izy no tena fahatanterahan’io Soratra Masina io.

Ary hoy Isaia: (Isaia 40:3) fa hisy iray ho avy tahaka ny feo miantsoantso any an-efitra. Jaona Mpanao Batisa izany feo izany "feo.", Malakia 3:1 koa dia manambara izany.

Indro, haniraka ny irako Aho, ary izy hanamboatra lalana eo alohako; ary ny Tompo Izay tadiavinareo dia ho avy tampoka ho eo an-tempoliny; ary ny Anjelin'ny fanekena Izay irinareo, dia, indro, tamy Izy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.

Averina indray ary fa i Jaona Mpanao-batisa izany dia iraka nirahina mialoha, alohan’ny nahatongavan’ny Tompo tampoka ho eo an-tempoliny. Jaona, araka ny Soratra Masina dia nahalala hoe iza izy (tenany) ary inona no asa hataony? Fa isika ve nahalala hoe iza izy?

Ankehitriny, andeha ary hojerentsika ny fomba namaritan’i Jesosy an’i Jaona Mpanao Batisa. Ao amin'ny nanambaràny ny Tenany ho toy ny Zanak'olona, dia nametraka ihany koa fa ny asa fanompoana izay ataon’i Jaona dia ao amin'ny Teny. Matio 17:9-13 dia mirakitra ny resaka nifanaovan’i Jesosy tamin'ny mpianany momba ny asa ataon’ny Elia voalaza ao amin’ny faminaniana Malakia 4:5, ary ny asa ataon'i Jaona Mpanao Batisa. Ao amin'io ampahany amin'ny Soratra Masina io Jesosy dia mampiseho ny endriky ny asa ataon’ilay Elia izay ho avy ary hampody ny zavatra rehetra. Ary nampiseho an’ i Jaona Mpanao-batisa ho toy ilay Elia mialoha ny fiavian 'i Kristy izy.

9 Ary rehefa nidina avy tao an-tendrombohitra izy, dia nandrara azy Jesosy ka nanao hoe: Aza milaza amin'olona ny fahitana, mandra-pitsangan'ny Zanak'olona amin'ny maty.
10 Ary ny mpianany nanontany Azy ka nanao hoe: Nahoana ary no ilazan'ny mpanora-dalàna fa Elia tsy maintsy ho avy aloha?
11 Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Elia dia avy ihany ka hampody ny zavatra rehetra.
12 Nefa lazaiko aminareo: Efa tonga sahady Elia; nefa ny olona tsy nahafantatra azy, fa nanao izay sitraky ny fony taminy. Dia tahaka izany koa no hampiaretany ny Zanak'olona.
13 Dia fantatry ny mpianatra fa Jaona Mpanao-batisa no nolazainy taminy.

Jaona Mpanao Batisa dia tena lehilahy nanana ny fanahin'i Elia, nialoha ny fiavian'ny Tompo Kristy Jesosy. Fa TSY izy "ilay Elia" hampody ny zavatra rehetra. Kanefa ny tena mpivavaka tamin’izany andro izany, dia ny mpanora-dalàna sy Fariseo, na dia nitady ny Mesia aza, dia tsy nahafantatra Azy, na ny mpialoha lalana Azy. Nohamafisin'i Jesosy fa izy ireo dia tsy nahalala, manambarany fa azon’Andriamanitra atao ny mandefa lehilahy mahery iray mba tsy ho tsikaritry ny olona na dia ny mpivavaka eto amin'izao tontolo izao aza. Fa raha ny i Jaona izany ny mpialoha lalana, dia tsy maintsy ilaina ny fomba ahafantarana azy hoe mpialoha lalana izy, raha tsy izany dia zava-poana ny nanirahan’Andriamanitra azy. Ny tsy fahafantarana ilay "mpialoha lalana" dia mitarika ho amin'ny tsy fahafantarana hoe IZA ary INONA no ialoavany lalana?. Na dia ao amin'ny seminera teolojika, dia nampianatra fa i Jaona no mpialoha lalana, fa ny antonin’ izany mpialoha lalana izany no tsy tao amin’ny nampianariny. Ny fepetra takian’ ny taona dia ny "mpialoha lalana iray" tonga "hanomana" ny olona mba hahazo ny zavatra nampanantenain'Andriamanitra.

Nadika avy ao amin'ny "Ny Asa ny Mpaminany."
tamin'ny alalan’i Pearry Green.

Vakio ny tantara feno ao ...  Toko 1 - Ny Mpialoha Lalana (PDF)


  Hoy ny Soratra Masina...

Indro, haniraka ny irako Aho, ary izy hanamboatra lalana eo alohako; ary ny Tompo Izay tadiavinareo dia ho avy tampoka ho eo an-tempoliny; ary ny Anjelin'ny fanekena Izay irinareo, dia, indro, tamy Izy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.

Malachi 3:1


Quote...

Jaona, ilay mpaminany, niseho teto an-tany rehefa afaka efa-jato taona tsy nisy mpaminany... Ny famantarana momba azy rehefa afaka efa-jato dia niseho, izany fotoana kely lasa izany... Ankehitriny, raha ara-panahy ianao dia fantatrao izay tiako ambara. Andriamanitra anie hanokatra ny sainao. Hafiriana izay no lasa? Efa-jato taona izay ny Isiraely tsy nisy mpaminany. Ny fiangonana dia niolakolana tao, ary avy eo dia niakatra an-tsehatra Jaona. Jaona dia mpaminany, famantarana fa ny Mesia handeha hiteny hanaraka azy. Araho tsara aza, satria Malakia 3 nanao hoe: "Izaho haniraka ny irako eo anatrehako mba hanomana ny lalana, hanomana ny olona." Jereo Jaona. Tsy misy fitiavan-tena ao aminy. Izy tsy mba nila voninahitra. Lazain’izy ireo fa izy ny Mesia, nefa hoy izy: "Izaho tsy mendrika ny hamaha ny kirarony." Fa raha vao niseho i Jesosy, dia nanana famantarana izy: ny Andry Afo, ilay hazavana teo ambony lohany, tahaka ny voromailala nidina, nisy feo nanao hoe: "Ity no Zanako malalako, Izay sitrako dia sitrako."

Nadika avy   Voice of a sign. (1964) William Branham.


Tsindrio ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


Andry Afo.

 

Ilay Rahona tsy azo
hazavaina.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

(PDFs)

Toko 11 - Ny Rahona

(PDF)

Teo aloha...

Avy eo...

Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.

  Hoy ny Soratra Masina...

Indro Izaho handefa an’i Elia ilay mpaminany ho aminareo alohan’ny ahatongavan’ilay andron’ny Tompo lehibe sady mampatahotra.

Ary izy dia hampitodika ny fon’ny ireo ray ho amin’ny zanaka, ary ny fon’ny zanaka ho amin’ireo rainy, fandrao tonga Aho ka hikapoka ny tany amin’ny ozona.

Malachi 4:5,6  KJV



Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.