Ny Misiterin'i Kristy.

Ny Misiterin'i Kristy.


   Misiterin’Andriamanitra.

Kristy ao anatinareo.

Raha mba mahatsapa isika izay hevitry ny tenin’ny Soratra Masina hoe: 'Lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin'izao tontolo izao.' Fantatsika fa marina izany, kanefa tsy azontsika ny hevitr’izany. Inona no ao aminareo izay lehibe kokoa? I Kristy, ilay voahosotra! Andriamanitra, izay tao amin'i Kristy, dia ao anatinareo. Noho izany, raha izy no mitoetra ao anatinareo, dia tsy ianareo intsony no velona, fa izy mitoetra ao anatinareo.

Melkisedeka

Genesisy 14 dia milaza ny fomba namotehan’ny mpanjakan'i Elama (Persia) ny tanànan'i Sodoma. Lota sy ny vadiny aman-janany dia azo babo ary nentina tany avaratra. Abrahama namory vatan-dehilahy mpiady mahery miisa 318, izay nanenjika ny mpanjakan'i Elama, ary nandresy azy tamin'ny ady. Toy izany no namonjen’i Abrahama an’i Lota zana-drahalahiny avy amin'ny fanandevozana. Taorian'ny ady, nisy mpisorona anankiray atao hoe Melkisedeka tonga tamin'i Abrahama, nitso-drano azy, ary avy eo dia nihinan-kanina sy nisotro divay teo aminy. Ho setrin'izany, dia nandoa ny ampahafolon-karena tamin’i Melkisedeka i Abrahama, nanome azy ny ampahafolon'ny zavatra rehetra nananany. Io tantara io dia ho saro-pantarina ihany raha jerena avy amin'ny Genesisy, fa ao amin'ny Hebreo 7 i Paoly manoratra fa Melkisedeka no mpanjakan'ny fiadanana sy ny fahamarinana, ary tsy manana ray na reny, na fiandohana na fiafarana. Iza moa io olona mifono mistery io? Rahalahy Branham dia nanazava fa io Melkisedeka io dia maintsy Andriamanitra ihany, fa Andriamanitra irery ihany no tsy nanam-piandohana. Melkisedeka ny «theophany» an’Andriamanitra niseho tamin'i Abrahama mba hisolo ny endriky Jesosy Kristy. Tsy i Jesosy tahaka izay hahitantsika azy ao amin'ny Testamenta Vaovao, satria i Jesosy dia nanana ray sy ny reny, ary io lehilahy io tsy nanana izany. I Jesosy nanam-piandohana; ity lehilahy ity tsy mba nanana. Nanome ny ainy i Jesosy; ity lehilahy ity tsy afaka nanome, satria izy dia fiainana.

Ampidiro.

Christ is the Mystery of God Revealed
Iza Moa Melkisedeka Io?
Christ is Revealed in His own Word

   Mpanafaka ny rahalahy (fianakaviana).

Mpanafaka ny rahalahy (fianakaviana).

Ny mpandika teny rehefa mametraka miaraka ny boky rehetra izay fantatra amin'ny anarana hoe ny Baiboly, dia saiky nanilika ny bokin'i Rota. Izy io dia tantaram-pitiavana, ary dia tena tsara, fa Andriamanitra no zara raha voatonona. Izany indrindra no nahatonga azy ireo nandà fa io boky io dia tsy ara-tsindrimandry. Kanefa na dia izany aza dia mirakitra 'fanoharana' ny tantaran’ny havana manafaka havana io, dia Jesosy Kristy, ilay 'havantsika akaiky' izay afaka nandoa ny sarany mba hanafaka an’i Naomy (izay oharina amin’ny ny fiangonana Jiosy) ary amin'ny alalan'ny fanaovana izany no nahazoana an’i Rota (ny Jentilisa Ampakarina) izay maneho ny fiangonana Kristianina. Isaorana Andriamanitra fa manana Mpanafaka tahaka izany isika. Nisy havana akaiky kokoa (ny toetratsika taloha), izay nifidy ny tsy hanafaka mba tsy hanana ny henatra ny hanambady an’i Rota. Izany dia namela malalaka an’i Boaza (Kristy) hanafaka ny Ampakarina. Izany no antony nahatonga an’i Kristy tsy maintsy 'natera-behivavy', mba ho havana mahafaka ansika Izy.

Ampidiro (Anglisy)    "Kinsman Redeemer"


   Ny drafitr'Andriamanitra.

Ny drafitr'Andriamanitra.

Rehefa noharian’Andriamanitra izao rehetra izao, dia mifono telo ny fikasana tao aminy. Voalohany, dia te- haneho ny tenany amin’ny olona Izy amin'ny alalan'ny fanehoana ny toetrany. Tsy afaka nanao izany Izy amin’ny maha Jehovah Andriamanitra Azy izay manarona ny toerana rehetra, ny fotoana, ary ny mandrakizay. Izy dia tena lalina sy saro-pantarina fa tsy misy olona afaka mahatakatra ny momba Azy. Ahoana no fomba mety hahafantarana hoe efa nisy foana Izy? Noho izany, dia naseho ny maha ray azy tamin'ny nahatongavany zanak’olona. Izany no nahatonga an'i Jesosy niantso ny tenany ho "Zanak'olona." Andriamanitra te hampahafantatra ny tenany amin'ny olombelona, amin'ny fananambaràny ny tenany tao amin'i Kristy.

Andriamanitra te hiaina ao anatin’ny olona, ary izany dia manandanja ao amin'ny fikambanan’ny mpino izay antsoina hoe ny Ampakarina (vadiny). Tany am-boalohany dia afaka nanao izany tamin’i Adama sy Eva Izy; fa avy eo ny ota no nanasaraka azy ireo tsy ho eo anatrehany. Nahoana no tsy notazonin’Andriamanitra hadio i Adama sy Eva? Raha nataony izany, dia tsy afaka naneho ny toetra rehetra maha Andriamanitra azy Izy. Izy dia zanaka, mpamonjy, ary mpanasitrana izay tamin’ny alalan'i Kristy ihany ny fomba nisehoan’izany. Hitanareo? Ny zavatra rehetra dia voafono amin’io olona iray io, i Jesosy Kristy. Ny tena fikasan’Andriamanitra mandrakariva dia ny hanambara ny tenany - voalohany tao amin'i Kristy toy ny fahafenoan'ny fomban'Andriamanitra ara-batana; ary avy eo amin'ny olona izay manaiky ny Fanahy Masin’i Kristy. Ireo olona manokana ireo dia hametraka an'i Jesosy Kristy ho loha laharana eo amin'ny fiainany. Hatrany am-boalohany dia tsy nitsahatra ny nanao izay hahatongavana amin’io tanjona io Andriamanitra, ka noho izany dia homem-boninahitra ao amin'ny olona izay manao an'i Jesosy Kristy ho loha-laharana Izy; izany ny atao hoe ny toerana ambony, na alohan’ny olon-kafa rehetra.

Fahatelo, ny fikasan'Andriamanitra dia ny hamerina ny fanjakany tahaka ny tao amin'ny sahan’i Edena, amin’izay ny olony dia afaka miara-mandeha aminy indray, rehefa harivariva, toa an-dry Adama sy Eva talohan'ny fahalavoana. Arak’izany, Andriamanitra naneho ny tenany hatramin’izay tahaka ny ray, zanaka, ary Fanahy Masina. Ny Ray sy ny Fanahy Masina dia fanahy iray ihany. Azonao ve izany? Tsy Andriamanitra telo; fa Andriamanitra iray milaza ny tenany amin'ny toetra telo. Andriamanitra dia naneho ny tenany tao amin'i Jesosy Kristy, izay Ray, Zanaka, ary ny Fanahy Masina - ny fahafenoan'ny fomban'Andriamanitra ara-batana. Ary ny fahafenoan'ny fomban'Andriamanitra ara-batana dia mitoetra ao amin'ny Fiangonany (ny Ampakarina), ary manao Azy ho loha-laharana. Izay rehetra tao amin’Andriamanitra, dia naidina tao amin'ny amin'i Kristy; sy izay rehetra tao amin’i Kristy, dia narotsany tao amin’ny fiangonany (olona mpino.)


   Jesosy - dia Teny Teraka.

Jesosy - dia Teny Teraka.

I Jesosy teny notenenina - teny lasa zaza. Tsy teraka avy amin'ny alalan'ny firaisana ara-nofo Izy, fa tamin'ny alalan'ny teny notenenin’Andriamanitra. (Tao ankibon’i Maria, dia namorona atody sy tsirinaina izy mba hahatonga ny atody hahavokatra, raha amin’ny siansa izy dia tena olombelona (genetiquement), fa ny ray amandreniny dia tena avy any ambony (divine).) Koa satria tsy tonga tamin'ny alàlan'ny firaisana ara-nofo izy, Jesosy dia tsy voatery ho faty; fa maty mba handoa ny trosa noho ny fahotan'i Adama. Izay ihany ny fomba azo nandoavana an’io. Tsy nisy olon-kafa afaka nandoa izany, satria ny olona hafa rehetra dia teraka avy amin’ny firaisana ara-nofo avokoa. Toa an'i Maria, ireo olona izay nofidiany mialoha (predestinés) mba ho anisan'ny mpiombonana ao amin’ny Ampakarin 'i Jesosy Kristy, dia handray ny Teny ao amin’ny kibon’ny sainy.

Ampidiro (Anglisy)  Mary's Belief


  Ny Anaran’Andriamanitra.

Andriamanitra dia manana ny tena anarany.
Inona ny Anaran’Andriamanitra?

Mazava fa Andriamanitra dia manana ny tena anarany. Salamo 9:10,
“Ireo izay mahafantatra ny anaranao dia hametraka ny fitokisany aminao.”
[Jereo Koa ao amin’ny Isaia 42:8, Isaia 54:5, Salamo 83:18]

Ny tena dikan’ny Anarany dia “Mahatonga ny Fisiana Izy (nampisy).”

Ireo manam-pahaizana Hebreo dia nanana fanajàna ny anaran’Anaran’Andriamanitra, nesoriny ny zana-tsoratra rehetra mba tsy ahafahana manonona azy. Noho izany dia tsy hisy olona “Hanononom-poana ny Anarany.”


Ny « Tetragrammaton » Soratra 4.

Izany dia soratra 4 sisa “YHWH”, izay ‘maneho’ fontsiny ihany ny anaran’Andriamanitra (Ny olona sasany mampiasa “JHVH” ho an’izany, na dia diso aza izany.) Io fikambanana soratra izay antsoina hoe “Tetragrammaton” io, izay amin’ny teny Grika dia midika hoe, “Soratra 4”

Ny zana-tsoratra Hebreo momba ny teny hoe “Adonay” izay midika hoe “ny Tompoko” dia mifangaro amin’ireo soratra ireo ary nanome ny teny hoe “Jehovah”. Tsy fantatra izay tena nampiasàna ireo zana-tsoratra ireo. Tadidio koa fa amin’ny teny Hebreo dia tsy misy litera ‘J’.

Ao amin’ny Baiboly Teny Anglisy King James Version, ny teny hoe “Jehovah” na “TOMPO” [LORD] [renin-tsoratra daholo] dia hisehoan’ny Tetragrammaton. Io dia miseho im-pito arivo 7000 ao anaty Baiboly. [Ny teny hoe “Lord” (Tompo) amin’ny zana-tsoratra dia tsy mitovy amin’izany.] Ny Teny hoe Jehovah izany dia ‘fanehoana’ amin’ny teny Anglisy ny Anarany.

Izaho dia tsy mahala raki-tsoratra [oronan-taratasy, na soratra amin’ny vato, vilany tany sns.] izay mampiseho ny Anaran’andriamanitra feno ao amin’ny Testamenta Taloha. Ny tetragrammaton (soratra 4) ihany no asehon’izy ireo.

Ary ny valin’ny fanontaniantsika izany dia tsy maintsy avy ao amin’ny TENY; Mivily ao amin’ny Testamenta Taloha isika.

Ilay anjely niresaka tamin’i Maria dia nilaza ao amin’ny Lioka 1:31,
Ary indro hitoe-jaza ianao ary hiteraka zazalahy, ary hanao ny anarany hoe JESOSY.

Ao amin’ny Matio toko 1 andininy 21-23 dia mahita isika fa Jesosy dia nantsoina hoe “Imanoela” izay midika hoe “Amintsika Andriamanitra”.
21 Ary hiteraka zazalahy izy, ary ianao hiantso ny anarany hoe JESOSY: fa izy no hamonjy ny olony amin’ny fahotàn’izy ireo.
22 Ary izany rehetra izany dia natao mba aha-tanteraka izay voalazan’ny Tompo tamin’ny mpaminaniny hoe,
23 Indro hitoe-jaza ny virijiny, ary hiteraka zazalahy, ary ny anarany atao hoe ‘Imanoela’ izay adika hoe Andriamanitra amintsika.

[“Jesosy”] “Jesus” no anaran’ny Tompontsika amin’ny teny Anglisy. Amin’ny teny Grika izany dia “Iesous”. Amin’ny Hebreo, ny anarany dia vakiana hoe “Yehohshua”.

Ao amin’ny Fanambarana toko 1, Jaona dia nahita fahitàna ny amin’ny nitsanganan’i Jesosy. Izany dia avy amin’ “Ilay Zanak’Olona” (v13) ary Jesosy nilaza tamin’I Jaona “Izaho no Alpha sy Omega” (v8) [ary amin’ny teny anglisy King James Version, v11), ilay “voalohany sy farany”, “ilay Mahery indrindra” ary izany dia maneho mazava fa Andriamanitra Izy. “Maty” Izy fa velona mandrakizay”. Fotsy ny volony, tsy hoe antitra Izy fa mpitsara Izy.
[Jereo: Pejy Ilay Fahitana tao Patmo mba ho fanazavàna fanampiny.]

Ny Filazantsaran’i Jaona dia manomboka amin’ireto teny ireto, Jaona 1:1-3,
Tamin’ny voalohany dia ny Teny, ary ny Teny dia tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. Ny zavatra rehetra dia noforonina avy aminy; ary raha tsy nisy azy dia tsy nisy na inona na inona vita izay nohariana.

Ny andininy 14 dia mitohy...
Ary ny Teny dia tonga nofo, ary nonina tamintsika, (ary isika dia mahita ny voninahiny, ilay voninahitra amin’ny maha-zanaka ahitokan’ny Ray,) feno famindra-po sy fahamarinana.

Eto isika dia mahita anaram-boninahitra misimisy kokoa moba an’I Jesosy, ilay “mpamorona” sy ny “teny” sy ny “ilay zanaka tokan’ny Ray.”

[Jereo: Ny Maha-Andriamanitra an'i Jesosy Kristy. ho fanazavàna fanampiny.]

Faminaniana momba ny Mesia.

Naminany momba ny Mesia ho avy i Isaia ao amin'ny Isaia 9:5. Ao amin'ity faminaniana ity dia omen'i Isaia ny Mesia ireo lohatenin'i “Rain'ny mandrakizay Andrian'ny fiadanana” sy ilay “Andriamanitra Mahery”.

Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina*, Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay Andrian'ny fiadanana.[Na: mpanolo-tsaina mahagaga]


   Ampidiro...

  Hoy ny Soratra Masina...

dia ny zava-miafina, ilay voàfina hatramin'ny fahagola sy ny taranaka maro, fa voaseho ankehitriny amin'ny olony masina,

izay efa tian'Andriamanitra ho nampahafantarina ny haren'ny voninahitr'ity zava-niafina ity any amin'ny jentilisa, dia Kristy ao anatinareo, Izay fanantenana ny voninahitra;

Kolosiana 1:26-27



Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.


Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.

Tsindrio ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


Izy no Ny Izaho no.

 

Stature of a Perfect
Man
(PDF Anglisy)

Ilay tendrombohitra
nisy raozy tao amin’ny
orampanala tany
China.

Amin’ny andro hariva
dia hisy mazava.

 

Ny 3 anatin'izao fanjakam ny lehilahy.

Ny Habe fito.

 


Asan’Ilay Mpaminany.

(PDF's)

Toko 9 - Ilay Sintona
Fahatelo.
(PDF)

Mitarika ahy eo
amoron’ny rano lalina Izy.

Kristy. Ao amin'ny
fanaovan-jiro lovia
volamena.

   Ampidiro (Anglisy)...