Kristy Ivelan'ny Fiangonana.


  Boky misy Fanambarana mifanesy.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.


William Branham.

Vakio ny tantara feno ao amin'ny...
Ny Taom-Piangonana Laodikia.

Apokalypsy 3:20-22,
"Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny Feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho, ary hiara-misakafo aminy, ary izy hiaraka Amiko. Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka Amiko eo ambonin'ny Seza Fiandrianako, dia tahaka ny nandreseko, sy hipetrahako miaraka amin'ny Raiko eo ambonin'ny Seza Fiandrianany. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana."

Ankehitriny dia misy fifanjevoana be eo amin’io andininy io, satria maro ireo mpiasa manokana mampiasa azy io amin’ny fitoriana filazantsara, toy ny hoe i Jesôsy eo amin’ny varavaran’ny fon’ny mpanota rehetra ary mandondòna mba hiditra. Voalaza ary avy eo fa raha namoha ny varavarana ilay mpanota, dia hiditra ao ny Tompo. Fa io andininy io dia tsy miresaka momba ny olona iray mpanota. Ity hafatra rehetra ity dia manana fitambarany tahaka ny hafatra rehetra amin’ny vanim-potoana rehetra. Ao amin’ny andininy faha-22 dia voalaza hoe: “Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny FIANGONANA.” Koa noho izany izao no teny nampitondraina ho an’ny fiangonana amin’ny vanim-potoana farany. Io no fe-petran’ny fiangonana Laodikia izay ny fiafaràny dia manakaiky. Tsy hafatra ho AN’OLONA IRAY ity; ity dia ny Fanahy izay milaza amintsika izay misy an’i Jesôsy. NIALAN’I KRISTY NY FIANGONANA.

Moa tsy izany ve ny vokany lojika na ny fiafaràny raha toa ny Teny ka natao ankilabao noho ny fanekem-pinoana, ny Fanahy Masina nosoloin’ny papa, eveka, filoha, mpanolo-tsaina, sns... ary ny Mpamonjy natao an-tsisiny nohon’ny lamin’asa, na ny fandehanana am-piangonana, na karazana rindran-damina amin’ny rafitra fiangonana? Inona koa no azo atao hanoherana azy? Izany no fihemorana! Izany ny fahalavoana! Izany no varavarana misokatra ho an’ny antikristy, fa raha nisy Iray tonga tamin’ny Anaran’ny Rainy (Jesôsy) ary tsy noraisina, fa nolavina, dia hisy iray hafa ho tonga amin’ny ny anarany (mpandainga, mpihambo) ary izy no horaisin’izy ireo, John 5:43. Ilay lehilahin’ota, izay zanaky ny fahaverezana no handray ny fahefana.

Matio 24, milaza famantarana eny amin’ny lanitra momba ity andro farany ity alohan’ny hahatongavan’i Jesôsy. Manontany tena aho raha nahitsikaritra izany famantarana izany tanteraka ianareo vao haingana, toy ny maneho ny tena fahamarinana izay noresahintsika. Izany fahamarinana izany dia Jesôsy efa natosika niala tamim-pahamatorana ka amin’ny vanim-potoana farany Izy dia voatosika ivelan’ny fiangonana. Tadidio fa tamin’ny vanim-potoana voalohany dia fiangonana marina saika faribolana feno. Kanefa nisy fahadisoana kely atao hoe ny asan’ny ny Nikolaita izay nanakana ny faribolana tsy ho feno. Avy eo tamin’ny vanim-potoana manaraka dia nitombo ny haizina nisoko niditra tao mandra-pahatongan’ilay faribolana hazavàna nihalefy, ary ny haizina nanarona bebe kokoa ny faribolana. Tamin’ny vanim-potoana fahatelo dia takona bebe kokoa izany, ary amin’ny vanim-potoana fahefatra izay Vanim-potoanan’ny Haizina dia lasa ny hazavàna rehetra. Ankehitriny dia hevero izany. Ny fiangonana dia mamirapiratra ao amin’ny taratry ny hazavan’i Kristy. Izy no MASOANDRO. Ny fiangonana no VOLANA. Araka io faribolan’ny hazavàna io dia ny volana. Efa nihena avy amin’ny volana efa ho feno izy tamin’ny vanim-potoana voalohany, ho amin’ny silaka ao amin’ny vanim-potoana faha-efatra. Fa amin’ny vanim-potoana fahadimy izy dia nanomboka nitombo. Ao amin’ny fahenina dia naka dingana fitomboana lehibe hatrany izy. Amin’ny ampahany amin’ny vanim-potoana fahafito izy dia mbola mitombo ihany, raha tampoka teo dia nijanona kely, ka nihena ho toy tsy misy, ka raha tokony ho hazavàna dia ny haizinan’ny fihemorana, ary any amin’ny faran’ny vanim-potoana dia nitsahatra amin’ny famirapiratany izy, satrian ny haizina efa naka toerana. Kristy izany teo dia IVELAN’NY FIANGONANA.

I Paoly no iraka voalohany ary izany lehilahy izany dia mandeha araka izany anarana izany. Mariho fa io dia fahenina, na ny isan’ny olona. Izany dia mihoatra noho ny kisendrasendra. Ary raha nandeha tany Jerosalema izy, ny volana, na ny fiangonana dia niditra tao amin’ny haizina mangitsokitsoka. Izay no izy. Izany no farany. Ity taranaka ity tsy ho lany mandra-pahatongan’izany rehetra ho tanteraka. Eny Jesosy Tompo, tongava faingana!

Ankehitriny isika dia afaka mahita ny antony hisian’ny voaloboka roa, ny iray marina ary ny iray sandoka. Ankehitriny isika dia afaka mahita ny antony nananan’i Abrahama zanaka roa lahy, ny anankiray araka ny nofo (ny nanenjika an’i Isaka) izay iray avy amin’ny teny fikasàna. Ankehitriny isika dia afaka mahita ny antony avy amin’ny ray aman-dreny mitovy, nivoaka toy ny zaza kambana ny zaza roalahy, ny iray mahafantatra sy tia ny zavatra momba an’Andriamanitra, ary ny iray hafa mahalala bebe izany fahamarinana izany, saingy tsy avy amin’ny Fanahy mitovy, ary noho izany dia nanenjika ilay zaza olom-boafidy. Andriamanitra tsy nanameloka nohon’ny tsy fanekena. Nanameeloka Izy nohon’ny amin’ny olom-boafidy. NY OLOM-BOAFIDY TSY AFAKA hanenjika olom-boafidy. NY OLOM-BOAFIDY TSY AFAKA hampijaly olom-boafidy. Ny olona nolavina no manenjika sy mandringana ny olom-boafidy. Oh, ireo olona nolavina ireo dia mpivavaka. Marani-tsaina izy ireo. Izy ireo dia avy amin’ny taranak’i Kaina, taranaky ny menarana. Naorin’izy ireo ny Babelany, naorin’izy ireo ny tanànany, naorin’izy ireo ny fanjakàny, ary amin’izany dia miantso an’Andriamanitra izy. Izy ireo dia MANKAHALA ny tena voa, ka hanao izay rehetra azony atao, (na dia amin’ny Anaran’ny Tompo aza) mba handrava ireo olom-boafidin’Andriamanitra. Nefa ilaina izy ireo. “Inona ny akofa amin’ny vary?” Raha tsy misy akofa, tsy misy vary. Fa amin’ny farany, inona no mitranga amin’ny akofa? Mai’ny afo tsy mety maty izany. Ary ny vary? Aiza izy? Hangonina ho any an-Tsompiny. Izany no toerana misy Azy.

Oh ry olom-boafidin’Andriamanitra, tandremo. Hianaro tsara. Mitandrema. Hiasao amin-tahotra sy hovitra ny famonjena anareo. Miantehera amin’Andriamanitra ary mahereza amin’ny Heriny. Ny fahavalonareo, ny devoly,ankehitriny aza dia mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany. Miambena amin’ny fivavahana ary mahatokia. Izao no fotoana farany. Ny voaloboka marina sy ny sandoka dia samy efa tonga amin’ny fahamatorana, fa alohan’ny hahamasahan’ny vary, ireo tsimparifary masaka ireo dia tsy maintsy afatotra ho an’ny afo. Indro, izy rehetra manatevin-daharana ny Filan-kevitry ny Fiangonana Eran-tany. Izany no famehezana. Tsy ela ny fanangonana ny vary dia ho avy. Fa ankehitriny ireo fanahy roa ireo dia miasa amin’ny voaloboka roa. Mivoaha ao amin’ny tsimparifary. Manomboha mandresy mba ho azo heverina ho mendri-piderana ianao ho an’ny Tomponao, ary mendrika hanjaka sy hanapaka miaraka Aminy.

Vakio ny tantara feno ao amin'ny...
Ny Taom-Piangonana Laodikia.


Bokin'ny Apokalypsy.
Mitohy tamin'ny pejy manaraka.
(Ny Tombokase Fito.)


  Hoy ny Soratra Masina...

Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko;

Hebreo 8:10


Tsindrio ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


Asan’Ilay Mpaminany.

(PDF's)

The Two Babylons

by Rev Alexander Hislop.
(PDF Anglisy)

A lafiny tendrombohitra,
ary nitsangana voaroy
amin'ny oram-panala
amin'ny Shina.

Lisy ny afo.

Ny Andry Afo
- Houston 1950.

Mazava tamin'ny
vatolampy pyramida.

Fantatsika fa ity
no vanim-potoana
farany,
satria Israly
efa niverina
any Palestina.



Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.


Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.