Andriamanitra dia Mazava.


  Ny Asan’Ilay Mpaminany mifanesy.


Pearry Green.

Ary izao zavatra izao no soratanay, mba ho tanteraka ny fifaliantsika*. [* Na: fifalianareo], Ary izao no teny renay taminy ka ambaranay aminareo: Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina akory ao aminy.
1 Jaona 1:4,5

Jaona, ilay Apostoly malalan’i Jesosy Kristy Tompo, dia naman’i Jesosy akaiky, ary matetika no apetrany eo antratran’i Jesosy ny lohany. Noho izany indrindra ary, dia nahalala an’i Jesosy izy amin’ny maha-olombelona azy. Na dia teo aza izany, ny filazantsaran’i Jaona izay nosoratana taorian’ny namantsihana azy, ny nitsanganany tamin’ny maty, ary ny fiakaran’i Jesosy dia manomboka amin’ny teny, “Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny dia tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra… ary ny Teny dia tonga nofo ary nonina tamintsika, ary hitantsika ny voninahiny.” Mazava ho azy, fa niaina tao anatin’ny fanambarana i Jaona teo anelanelan’ny fotoana niarahany tamin’ny Jesosy avy any Nazareta sy ny fotoana nanoratany ny filazantsara. Nitohy ny fanambaran’i Jaona, fa ao amin’ny epistiliny dia hoy izy: “Ary soratanay ho anareo ireto zavatra ireto, mba ho feno ny fifalianareo. Io no hafatra renay taminy, ka ambaranay aminareo, fa Andriamanitra dia mazava...” Voalohany dia fantatry Jaona izy amin’ny maha-olombelona azy, dia avy eo amin’ny maha Teny azy, ary farany dia amin’ny maha-hazavana azy. Ny hazavana ao amin’ny soratra Masina dia midika fanalana fahamaizinana, mahatonga ny olona iray ahita amin’ny masom-panahy.

Andeha ary hojerentsika ny làlana nalehan’i Mosesy niaraka tamin’Andriamanitra, ilay fahazavana. Ny niaonany voalohany tamin’ny tranga voajanahary izay an’Andriamanitra, dia ny nisehoan’Anriamanitra tao anaty kirihitr’ala mirehitra, kanefa tsy levona. Nanantona Mosesy mba hijery an’io satria nahavery hevitra azy izany, ary noresahin’Andriamanitra izy, nomeny toromarika izay ho entiny any amin’ny zanak’Israely any Egypta. Ny zavatra manaraka iray dia tamin’ny nitarihany ny zanak’Israely niala tao amin’ny fanandevozana; ary narahin’ny Andry Afo izy ireo ny alina ary Rahona ny atoandro. Ny Soratra Masina dia manamarika fa tsy nesorin’Andriamanitra ireo famantarana roa nitarika azy ireo.Taoriana rehefa niakatra tany an-tendrombohitra i Mosesy mba hitady an’Andriamanitra; ny Soratra Masina dia Milaza fa nisy rahona lehibe nandrakotra ny tendrombohitra. “Ary ny fahitana ny voninahitr’Andriamanitra dia tahaka ny afo miredareda (mandoro) eo antampo-tendrombohitra…Ary Mosesy dia nadeha teo ampovoan’ny rahona... ary tao an-tendrombohitra izay efapolo andro sy efapolo alina.” Any amin’ny Soratra Masina rehetra dia io no antsoina hoe “Ny Voninahitr’Andriamanitra”.

Ezekiela dia nanambara fa raha tao amin’ny fanahy izy dia nahita “fahitàna avy amin’Andriamanitra.” Izy koa dia niresaka momban’ny tadio… avy any avaratra, rahona lehibe, ary afo nivalombalona sy famirapiratàna no teo amin’izany, ary teo avy eo afovoan’izany dia tahaka ny volon’ny metaly, avy ao afovoan’ny afo.” (Mariho ilay tafio-drivotra avy any avaratra, ary tsarovy ilay tafio-drivotra tonga tamin'i Rahalahy Branham, avy any avaratra, toko faha-12) Ezekiela miresaka momban’ny seza fiandrianana ao amin'ny 1: 26-28, ary ny endriky ilay iray teo amin'ny seza fiandrianana hatreo amin'ny valahany midina dia "tahaka ny afo," fa hatreo amin'ny valahany miakatra dia "toy ny volon'ny metaly mamirapiratra."

Mosesy dia miresaka momban’ny afo, fa tsy nilaza momban’ny volona metaly tahaka an’i Ezekiela. Ezekiela 1:4 “Ary hitako fa, indro, nisy tafio-drivotra avy tany avaratra, dia rahona lehibe sy afo mifandrambondrambona, sady nisy namirapiratra manodidina azy; ary avy teo amin'ny afo dia nisy toy ny volon'ny metaly mamirapiratra.” Fa inona ary ny lokon’ny afo? Mety azo lazaina hoe mena, mavo, vonimboasary, na mavo-maitso, izany no volon’ny metaly?.
-----

Raha msy misitery momban’io zavatra hitan’i Jaona io, dia ny feon’ilay anjely fahafito no mamita ireo misitery ireo. “Apokalipsy 10:7 Fa amin'ny andro hitsofan'ny anjely fahafito, rehefa hitsoka izy, dia ho tanteraka ny zava-miafina izay an'Andriamanitra, araka ny teny soa mahafaly nambarany tamin'ny mpaminany mpanompony.” Dia hazava izany misitery izany ho an’ity taranaka ity. (izao fotoana izao). Raha ny marina,tsy mbola nisy taranaka (generation) hafa nahita, raha tsy hiresaka afa-tsy ny sary nalaina, dia ilay Andry Afo isika. Hatramin’ny andro nahaterahany, ny Rahalahy Branham, tamin’ny fahazazany, hatrany amin’ny fotoana nanaovany asan’Andriamanitra (fanompoana) dia efa zatra nahita io hazavana io.Tamin’izy fony mbola tovolahy kely dia nilaza izy fa niloko somary mavo-maitso Ary farany dia resy lahatra izy fa ny mavo-maitso dia antsoina hoe lokom-bolamena (izay no azoko andikana azy fa mety ho lokona metaly io: amber). Io hazavana io dia nipoitra tamin’ny olona maro be ny taona 1933 tao amin’ny renirano Ohio, fa tsy azo sary tamin’izany.Tamin’ny Janoary 24, 1950, tao Houston Texas, dia nisy sary azo mampiseho io hazavana io. Io sary io dia noporofoin’i Mr.Georges J. Lacy, izay mpanadihady manana fahaizana manokana amin’ny trangan-javara toy izany, Houston Texas, ary nambarany ampahi-bemaso fa marina io.

Tamin’ny faraparan’ny taona 1958, dia mbola navelan’Andriamanitra nalaina sary indray io hazavana io, tao Lakeport, California, Fairground. Nisy mpakasary iray nitondra fakantsary raitra dia raitra, naka sary an’i Rahalahy Branham indroa raha teo ampitoriana teny iny izy. Ny sary voalohany dia ara-dalàna ary voaray tao ny zavatra azo tao: ny polipiotra,ny microphone, ny Rahalahy Branham mitory teny, ny fanamafisam-peo elektrika teo amin’ny rindrina, ary voninkazo lisy maromaro tanaty vazy teo amin’ny tany anoloanan’ny polipiotra.


Teo aloha...

Avy eo...

Ny sary faharoa, avy amin’io toerana io ihany, dia azo daloho ihany ireo zavara ireo, fa saingy sary tsy araka ny tokony ho izy“ tsy normal”. Ity kosa dia nisy fanampiny izay tsy hita tamin’ireo izay efa teo.Taorianan’i Rahalahy Branham, ary mijery azy avy eo ambony, dia nisy endrika tarehy, izay azo lazaina fa endrik’i Jesosy Kristy.Alitara voajanahary sy lelafo fito izay voalaza ao amin’ny Bokin’ny Fanambarana fa “Fanahy fiton’Andriamanitra” izay teo anoloan’ny seza fiandrianana dia hita teo amin’ny sary. Ny Lisy (voninkazo) dia nihalehibe ny fijery azy ary nahatratra ny lohan’i Rahalahy Branham mihintsy ny fivelarany amin’ny sary. (Kristy ilay Lisy eny Andohasaha). Ny Anjelin’Andriamanitra ihany koa dia hita teo amin’ny sary, izay narahana afo nandrakotra an’i Rahalahy Branham. Ny tendrotanan’ilay Anjely (fanondro) dia mamoaka lelafo.
-----


   Andry Afo - Sorony.

Ao andamosin’ny fiangonana ”Soul’s Harbor” ao Dallas, Texas, Martsa 1964, dia misy sary hafa mahagaga n’i Rahalahy Branham, izay mampiseho hazavana voajanahary. Ny hazavana amin’io sary io dia mampiseho lelafo voajanahary eo ambonin’ny soroka ankavanan’ny mpaminany. (Ny olona mahalala an’i Rahalahy Branham dia mahafantatra tsara fa ny sorony havanana dia iva nohon’ny sorony havia. Ny osotra dia ao amin’ny havanany foana, izay nitsangan’ilay anjelin’ny Tompo.)
-----

Any amin’ny vava-làlanan’ny Alvernon Street, Tucson, dia misy lalamasaka mitondra miakatra mankany amin’ny tendrombohitra Catalina Mountains mankao amin’ny tampony izay antsoina hoe Finger Rock (Vatolampy Fanondro). Io tampony, na tendrony io dia tazana avy eny an-tanàna. Febroary 1965, Rahalahy Branham, te hitory ny marina momban’ny mariazy sy divorsa satria navesatra tao am-pony izany, dia niakatra tany amin’io harambato io teo ambanin’i Finger Rock izy. (Vatolampy Fanondro)

Tao no nitadiavany an’Andriamanitra tamin’ny zotom-po rehetra narahana vavaka, ary rehefa nivavaka teo izy dia, nisy rahona lehibe manana lokona metaly. Tahaka ny elo (parapluie), hita nidina avy eny an-tendrombohitra dia niakatra indray avy eo. Niverina in-telo io trangan-javatra io ary hita mazava tsara avy eny an-tanàna.Ny ankizy tao am-pianarana aza dia navoaka 45 minitra aloha mba hijery an’io trangan-javatra io. Nanomboka teo ny Rahalahy Branham vao tapa-kevitra ny hitodidoha ho any Jefersonville hitory ny marina momba ny mariazy sy ny divorsa.Io fanambarana mahery io no mety hafatra lehibe indrindra ho an’ny ampakarin’i Kristy mba hanampy an’izy ireo amin’ny fiainany. Averina indray fa Andriamanitra dia miasa tao amin’ny tantara rehetra, niseho tamin’ny Andry Afo IZY hiresahana amin’ny olombelona, manaporofo fa Andriamanitra dia mazava.

Raha mba afaka mahita ny olona...

Nadika sombiny avy... Toko 13 Andriamanitra dia Mazava. (PDF)


Voalohany dia fantatry
Jaona izy amin’ny
maha-olombelona azy,
dia avy eo amin’ny
maha Teny azy,
ary farany dia amin’ny
maha-hazavana azy.



Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.


Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.

Tsindrio ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


Pearry Green personal
testimony.

(PDF Anglisy)
 

Toko 13
Andriamanitra dia
Mazava.
(PDF)