Fahafatesana. Inona ary?

<< mialoha

manaraka >>

  Fitsanganana amin'ny maty Karazany.

Ambadiky ny efitra lamban’ny fotoana.


William Branham.

Indray maraina aho nandry teo am-pandriana. Vao avy nifoha tamin'ny torimasoko iny aho, dia napetrako tao ambadiky ny lohako ny tanako, ary niala sasatra tamin’ny lohako teo amin'ny ondana aho. Avy eo dia nanomboka nanontany tena aho ny amin’ny any an-koatra. Tsapako fa efa niaina mihoatra noho ny antsasaky ny fiainako aho, raha mba ho tratra antitra toy ny oloko aho. Ary te hanao bebe kokoa ho an’ny Tompo aho, alohan'ny handaozako ity fiainana ity. Dia nandre feo aho nanao hoe: "Vao manomboka ianao izao. Mirosoa amin’ny ady. Mirosoa." Rehefa nandry teo aho nandinika izany teny izany,dia nihevitra fa eritreritra fotsiny ny nandrenesako ilay feo. Ary ilay feo mbola nanao indray hoe, "Mirosoa amin’ny ady. Tohizo. Tohizo."

Mbola tsy nino aho, Nihevitra aho fa mety ny tenako ihany no nilaza ireo teny ireo. Nataoko teo anelanelan’ny nifiko ny molotro, ary ny tanako teo amin’ny vavako, sady nihaino. Ilay feo dia niteny indray. "Tohizo foana ny firosoana. Raha fantatrao izay any amin'ny faran'ny làlana." Toa naheno ny tenin’ny mozika tranainy mahazatra aho. Tena mani-tehody sy nalahelo aho, te-hahita an'i Jesosy aho... Tompo ô, avelao aho hijery ny efitra lamban’ny fotoana. Ary ilay feo nanontany hoe: "Ny hijery ny any an-dafin'ny efitra lamba fontsiny ve no tianao ho hita?" Namaly aho hoe: "Hanampy ahy be izany."

Inona no nitranga, tsy afaka ny hilaza aho. Na tao amin'ny vatako aho, na tao -- na famindra-toerana izany, tsy fantatro. Fa io dia tsy tahaka ny fahitàna hitako hatramin'izay. Afaka nahita ny toerana izay nakàna ahy aho. Ary afaka nahita ny tenako nandry teo am-pandriako. Hoy aho hoe: "Tena zavatra hafahafa izao." Nisy olona maro be, ​ tonga nihazakazaka nanantona ahy, miantsoantso hoe: "Oh, ny rahalahanay sarobidy." Tonga aloha ny zatovovavy, tokony ho eo amin’ny faharoapolo taonany. Ary raha andeha hamihina ahy iny izy ireo, dia hoy izy ireo: "Ny anadahanay sarobidy."

Zatovolahy ao amin'ny famirapiratan’ ny fahatanorana, manana maso mamirapiratra toy ny kintana amin'ny alina maizina ary nify fotsy toy ny perla, namihina ahy, nanao hoe: "Ny rahalahanay sarobidy." Avy eo aho nahatsikaritra fa izaho koa, dia -- lasa tanora indray. Dia nijery ny tenako teo aho, ary dia nitodika ka nijery ilay vatako taloha mandry eo am-pandriana miaraka amin'ny tanako ao ambadiky ny lohako. Hoy aho hoe: “Tena tsy azoko ity.” Rehefa nanomboka niezaka ny hahafantatra ilay toerana nisy ahy aho, dia nanomboka takatro fa tsy nisy omaly na rahampitso tany. Toa tsy misy olona reraka.Raha nanipy ny sandriny tety amiko ireo zatovovavy faran’izay tsara tarehy hitako hatramin’izay, dia nahita aho fa nisy fitiavana lehibe iray ihany no nanafotra ahy, ary tsy fisarihana ara-batana toy ny amin'ny fitondran-tenan’olombelona. Nahatsikaritra aho fa ireo zatovovavy rehetra ireo dia nanana volo nidina hatreo amin'ny valahany. Ary ny akanjony nidina hatrany amin’ny tongony.

Ary rehefa afaka izany, Hope, ilay vadiko voalohany dia namihina ahy ary niteny hoe: "Ranadahy sarobidy." Ary zatovovavy iray hafa namihina ahy, ary dia nitodika Hope ka namihina ilay zatovovavy. Hoy aho hoe: "Tsy azoko izao. Izany dia zavatra hafa tanteraka amin'ny fitiavana maha olombelona. Tsy te-hiverina any amin’ilay vatana taloha teo am-pandriana aho." Avy eo dia nisy feo niteny tamiko: "Izao no zavatra notoriana momba ny Fanahy Masina dia. Izany dia ny fitiavana tonga lafatra. Tsy misy afaka miditra eto raha tsy izany."

Avy eo aho dia nakarina hipetraka teo amin'ny fitoerana avo iray. Nanodidina ahy dia lehilahy maro an’isa sy vehivavy -- ao amin’ny fotoana fivelaran'ny fahatanorany. Izy ireo dia niantso tamin-kafaliana, "Oh, ny rahalahanay sarobidy, faly dia faly izahay mahita anao aty."
Nieritreritra aho hoe: "Tsy manonofy aho, fa afaka nahita ireto olona ireto, ary afaka nahita ny tenako nandry teo am-parafara." Ilay feo niteny tamiko: "Fantatrao fa voasoratra ao amin'ny Baiboly, fa ny mpaminany dia nangonina miaraka amin’ny olony?" Hoy aho hoe: "Eny, tsaroako fa ao amin'ny Soratra Masina izany. Kanefa, tsy maro ireo an’i Branham."

Ilay feo namaly hoe: "Ireo tsy Branham; ireo dia noresenao lahatra, ireo nentinao ho an'ny Tompo. Ny sasany amin'ireo vehivavy tsara tarehy tanora noheverinao dia nihoatra ny sivi-folo taona tamin’ny nitondranao azy ho an'ny Tompo. Tsy mahagaga izy ireo raha niantso hoe: “Ny anadahiko sarobidy.” Dia niara-niantso ny maro, "Raha tsy nandeha nivoaka niaraka tamin’ny Filazantsara ianao, dia tsy ho taty izahay." Dia nanontany ahy hoe: "Oh, aiza i Jesosy? Te-hahita Azy aho." Ary ny olona namaly hoe: "Izy ao ambonimbony ao. Indray andro any Izy dia ho avy aminao. Ianao dia nirahina ho toy ny mpitarika, ary rehefa tonga Andriamanitra, dia hotsarainy araka ny fampianaranao ianao." Nanontany aho: "Paoly sy Petera ve tsy maintsy mihatrika izany fitsarana izany koa?" Ny valiny dia, "Eny."

Hoy aho hoe: "Izaho efa nitory izay notorian’izy ireo. Tsy nivily tamin’io aho na tamin’ny ankilany na andaniny. Ny nanaovan’izy ireo batisa tamin'ny anaran'i Jesosy dia nataoko koa. Ny nampianaran’izy ireo ny batisa ao amin'ny Fanahy Masina, dia nataoko koa . Na inona na inona nampianarin’izy ireo, dia nampianariko koa." "Fantatray izany" namaly ireo vahoaka: "ary fantatray fa izahay dia handeha hiverina eny ambonin’ny tany hiaraka aminao indray andro any. Jesosy dia ho avy ka hitsara anao araka ny teny izay notorinao taminay. Ary amin’izany ianao dia hanolotra anay Aminy, ka ny rehetra miaraka ary hiverina eny ambonin’ny tany, mba ho velona mandrakizay." Nanontany aho hoe: "Tsy maintsy hiverina eny ambonin’ny tany ve aho izao?" Namaly izy ireo hoe: "Eny, fa tohizo ny firosoana."

Rehefa nanomboka nifindra niala tamin’ izany toerana tsara dia tsara izany aho, araka ny lavitra indrindra mety ho hitan’ny masoko, ny olona tonga nanatona mba hamihina ahy ary niantsoantso, "Ny rahalahiko sarobidy." Tampoka teo dia niverina teo am-pandriana indray aho. Hoy aho hoe: "Andriamanitra ô, vonjeo aho. Aza avela mihitsy hampandefitra ny Teny aho. Aoka aho hijanona mahitsy eo amin’ny Teny. Tsy ahoako izay ataon’ny hafa Tompo ô. Avelao aho handroso ho amin’io toerana feno fifaliana sy tsara dia tsara io." Resy lahatra kokoa noho ny hatramin'izay teo amin'ny fiainako aho, fa mila fitiavana lavorary ny fidirana amin’io toerana io. Tsy nisy fialonana, na harerahana, na aretina, na fahanterana, na fahafatesana, fa faratampon’ny fahatsarana sy fifaliana. Na inona na inona ataonao, esory ny zavatra hafa mandra-pahatonganao amin’ny fitiavana tonga lafatra. Mandehana any amin'izay ahafahanao mitia ny rehetra, na dia ny fahavalo rehetra aza. Na mihozongozona aza ny fiaramanidina, ny tselatra manelatra, na ny basin’ny fahavalo dia eo aminareo, ireo zavatra ireo dia tsy manan-danja; manàna fitiavana tonga lafatra. Raha tsy voavonjy ianao, maneke an'i Jesosy Kristy ho Mpamonjy anao, ankehitriny. Raha toa ka tsy vita batisa tamin'ny rano ianao, meteza atao batisa izao. Raha toa ianao ka tsy nandray ny batisa ao amin'ny Fanahy Masina, mandraisa izany ankehitriny. Mirosoa amin'izany fitiavana lavorary izany, izay hitondra anao any amin’ilay toerana tsara dia tsara sy feno fifaliana, any ambadiky ny efitra lamban’ny fotoana.

W. Branham.

Vakio ny tantara feno ao amin'ny (Anglisy)...
Beyond the Curtain of Time.

Ampidiro (Anglisy)...   The Rejected King.


  Hoy ny Soratra Masina...

Ary satria notendrena ho faty indray mandeha ny olona, ary aorian’izany ny fitsarana:

Noho izany Kristy koa dia natolotra indray mandeha hitondra ny otan’ny maro; ary ireo izay mitady Azy no hisehoany fanindroany, tsy misy ota ho amin’ny famonjena.

Hebreo 9:27,28


Tsindrio ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


Ny Asan’Ilay Mpaminany.

(PDF's)

The Two Babylons

by Rev Alexander Hislop.
(PDF Anglisy)

A lafiny tendrombohitra,
ary nitsangana voaroy
amin'ny oram-panala
amin'ny Shina.

Lisy ny afo.

Izao no zavatra
notoriana momba ny
Fanahy Masina dia.
Izany dia ny
fitiavana tonga
lafatra.


Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.


Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.