Andian-teny velona Index.

Teny ho an’ny fiangonana.


  Andian-teny velona.

Teny ho an’ny fiangonana.

Avy amin’ny...  Christ is the Mystery of God Revealed.
(PDF Anglisy)


William Branham.

Mifankatiava mihoatra ny zavatra rehetra. Mifankatiava. Aza... Na inona na inona mety ho lazain’ny devoly... Ankehitriny dia iray lehibe ianareo, goavana, vondrona mahafinaritra ankehitriny, fa tadidio ny hanatro. Hitanareo? Tsy avelan’i satana ho toy izany ianareo.

Tsia tompoko. Hitifitra ny zavatra rehetra izy, raha tsy maintsy hampiditra olona ho tifiriny. Hampiditra mpitsikera sy ny tsy mino izy, hapetrany ary ataony miaraka aminareo, ao amin’ny filaminana sy ny tahaka izany. Avy eo dia handefasany karazana poizina io olona io, ary dia hiaraka amin’ny fiangonana amin’izany izy. Aza miandany amin’izany. Aza miditra amin’ny zavatra hafa. Mijanona amin’ny fifankatiavana mahafinaritra ary hatsaram-panahy eo aminareo. Mivavaha ho an’izany lehilahy izany mba ho vonjena koa ozy, na izany vehivavy izany, na iza izy na iza. Mivavaha ho azy ireo ary aza mifampitokisa ary mijanona miaraka amin’ny pasiteranareo. Hitanareo? Izy ilay mpiandry ondry ary manaja azy ianareo. Hitarika anarei izy, ary - satria nodidin’andriamanitra hanao izany izy.

Tadidinareo ve izany izao? Ho avy ny fahavalo. Ary rehefa tonga izy dia miorena mafy tsara. Ary ilay iray ampiasain’ny devoly mba ho fahavalo dia hivoaka na ho lasa iray aminareo. Izay ihany. Aza miandany na ovina na oviana amin’ny resaka - na olona iray, aleo nareo samy nareo ihany; iray isika.

Tsy afaka hiteny aho, “ry tanana havia, tezitra aminao aho; esoriko ianao satria ianao tsy tanana havanana.” Izy no tanana havia-ko. Tiako izy hijanona eto. Eny na dia ny tendron’ny ratsan-tanako aza, dia tiako hijanona eo, ny momba ny vatako rehetra. Koa Andriamanitra dia mila antsika ho Vatana mpino hijanona miaraka marina tsara, mifanaraka tsara ny tsirairay.

Eto ianareo dia tsy manana rakipeo ny amin’izany. Manana rakipeo amin’izay inoantsika ianareo. Manana rakipeo ny amin’ny fifampitondrana ao am-piangonana ianareo: ahoana ny fitondratenan-tsika ao amin’ny fiangonan’Andriamanitra, ny fomba ahatongavan-tsika miaraka eto ary ny hipetrahantsika eo amin’ny fitoeran’ny lanitra. Aza mijanona any an-trano. Raha ao anatinao Andriamanitra, dia tsy afaka hiandry ireo varavarana misokatra ho anao ianao hidiranao hiaraka amin’ireo rahalahinao. Raha toa ka - ka tsy ao anatinao izany, dia izao no lazaiko anao, fotoana izao hivavahanao, satria ao amin’ny andro farany isika izao izay nanandratan’ny Baiboly antsika - nampaherezana antsika - bebe kokoa amin’ny fahitantsika io andro manatona io, mba hifankatia ao amiin’ny fifankatiavana Kristiana Masina, hivoriantsika miaraka ao amin’ny fitoeran’ny lanitra ao amin’ny - ao amin’i Kristy Jesosy ka hifankatia isika. “Izay no ahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, dia rehefa mifankatia ianareo.”

Marina izany. Mijanona miaraka. Raha tsapanareo fa somary diso ilay rahalahy, na ranabavy dia izao tenenina, “Tompo o, aza avela haniry ato amiko ilay faka-mangidy, satria io dia-hihatra aminy io, ary io dia hanala an’i Kristy ao amin’ny fiainako.” Io poizin’ny faharatsiana io, fialonana, fankahalana dia manala ny Fanahy Masina avy hatrany aminao. Mahatonga Azy hiala eto amin’ity Tabernakely ity. Hamono ny Fanahin’Andriamanitra na handroaka azy hiala eto, handratra ny pasiteranareo; hanao zavatra maro. Hitanareo? Aza manao izany ianareo. Hamafiso ny fiarahanareo. Ento ny... Raiso ny apinga, araka ny voalazan’ilay rahalahy (ilay mpanompon’Andriamanitra indray alina iny) momban’ny fananana apinga (nahita izany tamin’ny fahitàna). Dia... Ireo fiarovan-tratra amin’ny fitaovam-piadin’Andriamanitra rehetra; tafio fontsiny io, afatory tsara, dia mifandraisa tsara. Mifankatiava foana ianareo. Resaka tsara hifanaovana. Zavatra tsara hifampizarana, dia hotahin’Andriamanitra ianareo.

Avy amin’ny...  Christ is the Mystery of God Revealed.
(PDF Anglisy)


  Andian-teny velona.

Lalàn’Andriamanitra momba ny fiterahana.

Avy amin’ny...
  NY TAOM-PIANGONANA PERGAMOSY.


William Branham.

Ity no zavatra tiako holazaina aminareo. Ny lalànan’ny fananahana dia ny karazan’ny tsirairay miteraka araka ny karazany ihany, ny Genesisy 1:11 dia milaza toy izao,"Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny tany haniry ahitra, ary zava-maniry manintsam-boa, sy ny hazo misy voankazo araka ny karazany avy, izay ny voany dia ao aminy, eny ambonin'ny tany; dia nisy izany." Na inona na inona fiainana tao amin’ilay voa dia lasa zavamaniry ary avy eo voankazo. Izany lalàna iray izany dia mihatra amin'ny fiangonana amin'izao fotoana izao. Na inona na inona voa nanombohan’ny fiangonana dia hivoaka tahaka ny voa tany amboalohany, satria voa iray ihany izany. Amin'izao andro farany izao ny Fiangonana Ampakarina tena marina (taranak’i Kristy) dia ho tonga ao amin’ny Vato Fehizoro, ary izy no ho faran'izay fiangonana tsara, faran'izay tsara firazanana, satria manakaiky Azy izy. Ireo izay ao amin’ny ampakarina dia hitovy Aminy fatratra, ary izy ireo dia ho tena ny Endriny. Izany dia mba hikambanany Aminy. Ho iray izy ireo. Izy ireo dia ho tena fanehoana ny Tenin'Andriamanitra velona. Ny antokom-pivavahana tsy afaka mamokatra tahaka izany (voa tsy izy).Izy ireo dia hamokatra ny fanekem-pinoany sy ny foto-pinoana mifangaro amin’ny Teny. Izany fifangaroana izany dia mamoaka vokatra safiotra.

Ny zanaka voalohany (Adama) dia ilay voa-Tenin'Andriamanitra notenenina. Izy dia nomena vady mba ahafahany miteraka. Izay no antony nanomezana vady azy, mba ahafahany miteraka; mba hiteraka zanak'Andriamanitra iray hafa. Fa lavo ravehivavy. Lavo tamin’ny fampifangaroana taranaka izy. Nahatonga an-dralehilahy ho faty izy. Ny Zanaka faharoa (Jesosy) ihany koa dia Voa-Tenin'Andriamanitra notenenina ary nomena ampakarina tahaka an'i Adama. Fa alohan’ny hampakarany azy, ravehivavy koa dia lavo. Ravehivavy tahaka ny vadin’i Adama, dia nosedraina na hino ny Tenin'Andriamanitra mba ho velona, na tsy mino ny Teny ka ho faty. Niahanahana izy. Nialany ny Teny. Maty izy.

Avy amin'ny vondrona kely izay tena taranaky ny Teny, Andriamanitra dia hanolotra an'i Kristy amin'ny malala ampakarina. Izy no virijina avy amin'ny Teniny. Izy dia ny virijina satria tsy mahalala fanekem-pinoana na ny foto-pinoana nataon’ny olona. Ombieny ombieny, dia ho tanteraka ao amin’ny mpikambana ampakarina izay rehetra nampanantenain'Andriamanitra fa haseho ao amin'ny virjiny.

Ny teny fikasana dia tonga tamin'i Maria virjiny. Fa izany Teny fikasana izany dia Izy, ny Tenany mba haseho. Andriamanitra dia naseho. Izy Tenany no nanao izany tamin'izany fotoana izany ka nanantanteraka ny Teny fampanantenany tao amin'ny virjiny. Anjely no nitondra ny hafatra ho azy. Fa ny hafatry ny anjely dia ny Tenin'Andriamanitra. Isaia 9:6. Notanterahiny tamin'izany fotoana izany izay rehetra voasoratra momba Azy satria ravehivavy nanaiky ny Teniny.

Ny mpikambana ao amin'ny virjiny ampakarina ho tia Azy, ary izy ireo dia hanana ny fahaizany, satria Izy no mpitarika an’izy ireo, ary ny hery rehetra dia Azy. Izy ireo manaiky Azy tahaka ny ratsambatana ao amin'ny vatantsika dia manaiky ny saintsika.

Mariho ny fifanarahan’ny Ray sy ny Zanaka. Jesosy tsy nanao na inona na inona raha tsy ny Ray no maneho Azy aloha. Jaona 5:19. Izany rindran-damina izany ankehitriny dia tsy maintsy misy eo amin'ny Mpampakatra sy ny Ampakarina. Nasehony azy ny Teny Fiainana.Noraisiny izany. Tsy nisalasala ny amin’izany na oviana na oviana izy. Noho izany dia tsy misy afaka hanisy ratsy azy, na dia ny fahafatesana aza. Fa raha nambolena ny voa, ny rano dia hampitraka izany indray. Izao ny zava-miafina ny amin’izany. Ny Teny dia ao amin ny ampakarina (tahaka ny tamin’i Maria). Ny ampakarina dia manana ny sain'i Kristy satria fantany izay Tiany atao amin'ny Teny. Manantanteraka izay baikon’ny Teny amin'ny Anarany izy satria izy manana ilay hoe: "Izao no lazain'ny Tompo." Ary avy eo ny Teny velomin'ny fanahy, ary dia tanteraka izany.Toy ny voa izay nambolena sy voatondraka, ary dia tonga feno vokatra araka izay ilàna azy.

Ireo izay ao amin’ny ampakarina tsy manao afa-tsy ny Sitrapony. Tsy misy olona afaka mampanao azy ireo zavatra hafa. Izy ireo dia manana ilay hoe: “Izao no lazain'ny Tompo”, na mangina izy. Fantatr'izy ireo fa tsy maintsy Andriamanitra ao aminy no manao ny asa, manantanteraka ny Teniny. Mbola tsy vitany tanteraka ny Asany rehetra tamin’ny fanompoany tety an-tany, noho izany ankehitriny dia miasa ao sy amin’ny alalan’ny ampakarina Izy. Fantatry ny ampakarina izany, satria tamin’izany dia mbola tsy fotoana nanaovany ny zavatra sasany izay tsy maintsy ataony amin’izao fotoana izao tamin’izany. Fa Izy dia hanantanteraka ankehitriny amin’ny alalan'ny ampakarina izany asa izany, izay Navelany ho amin’io fotoana manokana io.

Ary aoka isika hitsangana tahaka an'i Josoa sy Kaleba. Ny tany nampanantenaina ho antsika dia tazana tahaka ny azy ireo. Ary ny Josoa dia midika hoe "Jehova-Mpamonjy", ary izy dia maneho ny mpitarika amin’ny andro farany-- mpitarika izay ho tonga ao am-piangonana, tahaka an’ i Paoly tonga tahaka ny mpitarika voalohany. Kaleba dia maneho ireo izay nijanona niaraka tamin'i Josoa.

Avy amin’ny...
  NY TAOM-PIANGONANA PERGAMOSY.


  Hoy ny Soratra Masina ...

Mitsangana, mamiràta; fa tong any fahazavanao, ary ny voninahitry ny Tompo dia mitsangana eo aminao.

Fa indro handrakotra ny tany ny aizina, ary haizim-pito handrakotra ny olona: fa ny Tompo no hitsangana eo aminao, ary ny voninahiny ho hita eo aminao.

Isaia 60:1-2



Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.


Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.

Tsindrio ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


Ny Asan’Ilay
Mpaminany.

(PDF's)

Christ is the Mystery
of God Revealed.

(PDF Anglisy)

Teo aloha...

Avy eo...

William Branham Life
Story.

(PDF Anglisy)

How the Angel came
to me.
(PDF Anglisy)