Batisan’ny Rano.


  Lalana Diavin’ny Kristiana.

Ity no Làlana. Mandehana amin’io.

Isaia 55:6-7,
Mitadiava an’i Jehovah, dieny mbola hita Izy, Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy. Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny làlany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; Ary aoka hiverina ho amin’i Jehovah ireny, Fa hamindra fo aminy Izy, Eny, ho amin’Andriamanitsika, Fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.

Satria mpanota daholo isika.

Romana 3:23,
Fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra,

Romana 3:10,
...Tsy misy marina na dia iray akory aza;

Tsy maintsy mibebaka isika rehetra.

Lioka 13:3
…fa raha tsy mibebaka hianareo, dia ho ringana tahaka azy koa hianareo rehetra.

Asan’ny Apôstôly 3:19,20,
Koa mibebaha hianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo,rehefa avy izay andro famelombelomana avy amin’ny fanatrehan’ny Tompo.

Ny fiangonana tsirairay tsy maintsy mibebaka.

Apokalipsy 2:1,5,
Ary ho an’ny anjelin’ny fiangonana any Efsôsy soraty...
Noho izany,tsarovy izay nianjeranao, koa mibebaha ary ataovy ny asa tamin’ny voalohany. Fa raha tsy izany dia ho avy aminao faingana Aho, ka hanala ny fanaovan-jironao amin’ny toerany, raha tsy mibebaka ianao.

Apokalipsy 3:19,
Fa izay Tiako no hanariko sy faiziko: noho izany mazotoa ka mibebaha.

Tsy maintsy atao batisa isika.

Marka 16:16,
Izay mino sy atao batisa no ho vonjena; fa izay tsy mino dia ho helohina.

1 Petera 3:21,
izay mamonjy anareo koa ankehitriny, eny ny batisa, izay tenan’io tandindona io,(tsy ny fanesorana ny fahalotoan’ny nofo anefa, fa ny fitadiavana ny fieritreretana tsara eo anatrehan’Andriamanitra,) amin’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty,

Amin’ny fanasitrihana anaty rano.

Jaona 3:23,
Ary Jaona koa dia nanao batisa tany Aenona akaikin’i Salima, satria nisy rano betsaka tany: ka tonga izy ireo, ary natao batisa.

Asan’ny Apôstôly 8:36-39,
Ary raha nandeha teny an-dalana izy, dia tonga teo amin’izay nisy rano; ary hoy ilay tandapa: Indro rano, ka inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa? Dia nasainy najanona ny kalesy; ary izy roa lahy, dia Filipo sy ilay tandapa, nidina ho eo amin’ny rano; dia nataony batisa izy. Ary rehefa niakatra avy teo amin’ny rano izy roa lahy, dia nentin’ny Fanahin’ny Tompo Filipo ka tsy hitan’ilay tandapa intsony; fa nandeha tamin’ny nalehany izy sady nifaly.

Araka ny maodelin’ny Apôstôly.

1 Samoela 15:22,
…He! ny manaraka no tsara noho ny fanatitra, ary ny mihaino no tsara noho ny saboran’ondrilahy.

Lioka 24:45-49,
Dia nanokatra ny sain’ ireo Izy hahalala ny Soratra Masina. Ary hoy Izy taminy: Izany no voasoratra, fa Kristy hiaritra ka hitsangana amin’ny maty amin’ ny andro fahatelo; ary mba hotorina amin’ny anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny firenena rehetra, manomboka eto Jerosalema. Ary hianareo no vavolombelon’ izany. Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan’ny Raiko ho anareo; fa mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin’ny hery avy any amin’ ny avo.

Asan’ny Apôstôly 2:36-39,
Koa aoka ho fantatry ny taranak’Isiraely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin’ny hazo fijaliana iny dia efa nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy. Ary raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin’i Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no hataonay? Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary hianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina; fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an’izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin’i Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy.

Ireo izay vita batisa tsy tamin’ilay Anarana
marina dia tsy maintsy averina atao batisa.

Asan’ny Apôstôly 8:14-17,
Ary nony ren’ ny Apostoly tany Jerosalema fa Samaria efa nandray ny tenin’ Andriamanitra, dia naniraka an’i Petera sy Jaona izy hankany aminy. Nony tafidina tany izy roa lahy, dia nivavaka ho an’ny olona mba handraisany ny Fanahy Masina. Fa tsy mbola nisy nilatsahany izy na dia iray akory aza; fa natao batisa tamin’ ny anaran’ i Jesosy Tompo ihany izy. Ary izy roa lahy nametra-tanana taminy, ka dia nandray ny Fanahy Masina ireo.

Asan’ny Apôstôly 19:1-6,
Ary raha mbola tany Korinto Apolosy, dia nitety ny tany ambony Paoly ka tonga tany Efesosy, dia nahita mpianatra sasany teo izy ka nanao taminy hoe: Efa noraisinareo va ny Fanahy Masina, fony vao nino hianareo? Fa ireo nanao taminy hoe: Tsy renay akory fa efa nomena ny Fanahy Masina. Ary hoy Paoly: Ho amin’inona ary no nanaovana batisa anareo? Dia hoy ireo: Ho amin’ny batisan’ i Jaona. Fa hoy Paoly: Jaona nanao ny batisan’ny fibebahana ka nilaza tamin’ny olona hino Izay ho avy manaraka azy, dia Jesosy. Ary raha nahare izany izy, dia natao batisa ho amin’ ny anaran’i Jesosy Tompo. Ary rehefa nametrahan’ i Paoly tanana izy, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina; ary niteny tamin’ny teny tsy fantatra izy sady naminany.

Asan’ny Apôstôly 10:48,
Dia nasainy natao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy izy.

Inona ny antoko-piangonana tokony hidirako?
Tsy misy.- Manompo an’i Jesosy Kristy.

Jaona 3:3,
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra.

Galatiana 1:8,
Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy.

Eny na ny mpaminany iray aza tsy
mahazo manohitra ny Soratra Masina.

1 Koritiana 14:37,
Raha misy manao azy ho mpaminany, na ho manana fahaizam-panahy, dia aoka ho fantany tsara fa didin’ny Tompo ny teny izay soratako ho aminareo.

Tsy maintsy mandray ny Fanahy Masina isika.

Asan’ny Apôstôly 1:4-5,
Ary raha niara-niangona teo aminy Jesosy, dia namepetra azy tsy hiala an’i Jerosalema, fa hiandry ny teny fikasan’ny Ray, izay efa renareo tamiko, hoy Izy; fa Jaona nanao batisa tamin’ny rano; fa hianareo kosa hatao batisa amin’ny Fanahy Masina, rehefa afaka andro vitsivitsy.

Asan’ny Apôstôly 5:32,
Ary izahay dia vavolombelon’izany zavatra izany, ary ny Fanahy Masina koa, Izay efa nomen’Andriamanitra ny manaiky Azy.

Jaona 16:7-14,
Fa Izaho milaza ny marina aminareo; mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy atỳ aminareo ny Mpananatra; fa raha handeha Aho, dia hirahiko ho atỳ aminareo Izy. Ary raha tonga Izy, dia hampiaiky izao tontolo izao ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana: ny fahotana, satria tsy mino Ahy izy; ny fahamarinana, satria mankany amin’ ny Ray Aho, ka tsy mahita Ahy intsony hianareo; ny fitsarana, satria ny andrianan’ izao tontolo izao dia efa voatsara. Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny. Fa raha tonga ny Fanahin’ ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dàlana anareo ho amin’ ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo. Izy hankalaza Ahy; fa handray avy amin’ ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.

Asan’ny Apôstôly 1:8,
Fa hahazo hery hianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany.

Romana 8:9-11,
Fa hianareo tsy ao amin’ny nofo, fa ao amin’ny Fanahy, raha ny Fanahin’Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin’ i Kristy, dia tsy Azy izy. Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota, dia fiainana kosa ny fanahy noho ny fahamarinana. Ary raha ny Fanahin’izay nanangana an’i Jesosy tamin’ ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an’i Kristy Jesosy tamin’ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin’ ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo.

Asan’ny Apôstôly 10:44-48,
Raha mbola nilaza izany teny izany Petera, dia nilatsaka tamin’izay rehetra nandre ny teny ny Fanahy Masina. Ary talanjona ny mino isan’ny voafora izay niaraka tamin’i Petera, satria nilatsaka tamin’ny jentilisa koa ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina. Fa nandre azy niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra sy nankalaza an’Andriamanitra izy. Dia namaly Petera ka nanao hoe: Moa misy olona mahazo mandrara ny rano tsy hanaovana batisa ireo, izay efa nandray ny Fanahy Masina tahaka antsika koa? Dia nasainy natao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy izy. Ary nangatahin’ireo mba hitoetra ao aminy andro vitsivitsy izy.

Tsy maintsy mandeha amin’ny fahazavan’ny Teny.

1 Jaona 1:5-7,
Ary izao no teny renay taminy ka ambaranay aminareo: Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina akory ao aminy. Raha hoy isika: Manana firaisana aminy isika, kanefa mandeha amin'ny maizina, dia mandainga isika ka tsy manao ny marina. Fa raha mandeha eo amin'ny mazava isika, tahaka Azy eo amin'ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran'i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin'ny ota rehetra.

Miomana hiaona amin’Andriamanitra,... Amosa 4:12

Avy amin’ny soratra... Ity no Làlana. Mandehana amin’io.
isika S.E. Johnson.



Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.


Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.

  Hoy ny Soratra Masina...

Ary tsy misy famonjena amin’ ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena.

Asan’ny Apôstôly 4:12


Tsindrio ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


Ny Asan’Ilay Mpaminany.

(PDFs)

Toko 8
Nipoitra ilay Anjely.

(PDF)

Taloha...

Taoriana...

William Branham Life
Story.

(PDF Anglisy)

Pearry Green personal
testimony.

(PDF Anglisy)