Ny Filazantsara.


Tian’Andriamanitra ianao.

Jaona 3:16 Fa toy izao no nitiavan' Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.

Ny olona rehetra dia mpanota.

Romana 3:10 Araka ny voasoratra hoe: Tsy misy marina na dia iray akory aza.
Romana 3:23 Fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin'Andriamanitra.

Jesosy ilay Zanak’Ondry tsy misy kilema.

Jaona 1:29 Nony ampitso dia nahita an'i Jesosy avy manatona azy Jaona, ka dia hoy izy: Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra, Izay manaisotra* ny fahotan'izao tontolo izao! [*Na: mitondra].
Jaona 1:36 Ary nijery an'i Jesosy nitsangantsangana izy ka nanao hoe: Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra!

Maty ho an’ny fahotan’izao tontolo izao izy.

1 Jaona 2:2 ary Izy no avotra* noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an'izao tontolo izao koa. (* Na: fanatitra fampiononam-pahatezerana) »
Galatiana 1:4 Izay nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika, hanafahany antsika amin'izao miara-belona ratsy fanahy izao*, araka ny sitrapon'Andriamanitra Raintsika; [* Na: izao andro ratsy izao]

Nitsangana tamin’ny maty Izy mba hanaporo foana fa afaka mamela heloka Izy.

Romana 10:9 satria raha manaiky an'i Jesosy ho Tompo amin'ny vavanao ianao ary mino amin'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty, dia hovonjena ianao.
Romana 6:9 ary fantatsika fa rehefa nitsangana tamin'ny maty Kristy, dia tsy maty intsony Izy; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.
Asan’ny Apostoly 4:10 dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny olona Israely rehetra fa ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana, fa natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty kosa, dia Izy no itsanganan'io lehilahy io finaritra eto imasonareo.

Tsy maintsy inoantsika sy ekentsika ny sorona nataony.

Asan’ny Apostoly 16:31 Dia hoy izy roa lahy: Minoa an'i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao.
Asan’ny Apostoly 15:11 Fa mino isika fa ny fahasoavan'i Jesosy Tompo no hamonjena antsika, dia tahaka ny azy ihany koa.

Famelan-keloka amin’ny anarany (Batisan’ny rano).

Asan’ny Apostoly 2:38 Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina.

Angataho Izy ho tonga ka ho velona ao anatinao.

Romana 8:11 Ary raha ny Fanahin'izay nanangana an'i Jesosy tamin'ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an'i Kristy Jesosy tamin'ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin'ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo.


Quote...

Ary hoy Paoly, rehefa tonga ilay mpivavaka dia nitondra zavatra kely….Raha nanao ny tsy mety izy, dia tonga niaraka tamin’ny zanak’ondry izy. Ary teo ny mpisoronabe dia nijery an’io, raha tsy misy kilema ny zanak’ondry, nojereny tsara,mandrapa-afapo azy. Ary raha tsy misy kilema, dia ataony eo ambony alitara ny zanak’ondry.Ary tonga ilay olona nanota, dia nilaza, “Izaho dia nangalatra. Ary fantatro fa mendrika ny ho faty aho, satria tsy nety ny nataoko. Tsy tian’Andriamanitra hangalatra aho; Ny didiny dia milaza izany. Ankehitriny, dia apetrako eto ambonin’ity zanak’ondry ity ny tanako.Ary ny didin’Andriamanitra dia milaza, “Aza mangalatra”, kanefa nangalatra aho.Ary Andriamanitra koa niteny, ny andro hinanako an’io dia ho faty aho. Dia nangalatra aho.Dia hoy Andriamanitra, “Nangalatra ianao,noho izany ho faty amin’io ianao.” Dia nangataka IZY raha tsy te ho faty aho dia tsy maintsy mitondra zanak’ondry. Dia napetrako teo ilay zanak’ondry; ary napetrako taminy ny tanako raha iny izy mitrena iny sady lasa. Dia hoy aho, "Tompo Andriamanitra o, mifona fa nangalatra aho. Mihiniana aho fa tsy hamerina intsony,raha ekenao aho izao. Ary ho an’ny sorona ataoko sy ny fahafatesako, dia ity zanak’ondry no ho faty hisolo ny toerako."

Nadika tamin’ny “Lalàna sy Fahasoavana” (1954)-William Branham


  Hoy ny Soratra masina...

Koa aoka ho fantatry ny taranak'Israely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana iny dia efa nataon'Andriamanitra ho Tompo sy Kristy.

Ary raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin'i Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no hataonay?

Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina;

fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an'izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin'i Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy.

Asan’ny Apostoly 2:36- 39


  Tongasoa eto amin’ny tranokalan’ny BNL.

Raha tsy Kristiana ianao, dia hanoro amin’ny fomba tsotra anao ny vaovao mahafalin’ity pejy ity.

Raha Kristina ianao fa mbola tsy vita batisa tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo, dia natokana ho anao ity pejy ity.

Raha Kristiana ianao ary vita batisa tamin’ny fomba tena Kristiana, dia afaka manoro izao pejy izao ho an’ny hafa izay hijoroanao vavolombelona.

Nohezahana mba ho faran’izay mora ny filazana ity hafatra ity.

Tso-drano Kristiana,
Charles Wilson (Mpanoratra)
ary ny Committee, BNL Ministries.


  Hoy ny Webmaster...

Ny faminaniana ao amin’ny Daniela 9 dia nampiseho marina ny nipoitran’ny Mesia tany Jerosalema - rehefa afaka 7 herinandro miampy 62 herinandro (1 andro = 1 taona). Ny mpitondra tamin'izany andro izany, na izany aza, dia tsy nanaiky ny handray azy rehefa tonga izy. Novonoina teo anelanelan’ny herinandro faha-fitopolo izy, manatanteraka ny soratra masina ao amin'ny Daniela 9.

Daniela 9:25-27
25 Koa aoka ho fantatrao sy ho azonao fa hatramin'ny hivoahan'ny didy hanavaozana sy hanamboarana an'i Jerosalema ka hatramin'i Mesia Andriana* dia ho fito herinandro sy roa amby enim-polo herinandro**; hamboarina indray ny lalana sy ny hady, dia amin'izay andro mampahory.[*Na: ilay andriana voahosotra][**Na: ary amin'ny herinandro roa amby enim-polo, dia etc]
26 Ary rehefa afaka ny roa amby enim-polo herinandro, dia hovonoina ny Mesia* ka tsy hisy mpandimby izy; ary ny vahoaky ny mpanjaka izay ho avy dia handrava ny tanana sy ny fitoerana masina; ary ny farany dia hisy safotra, ary hatramin'ny farany dia hisy ady sy fandravana voatendry.[Na: ilay voahosotra]
27 Ary hanorina fanekena ho herinandro amin'ny maro izy ary hampitsahatra ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hafa hatramin'ny antsasaky ny herinandro, ary amin'ny elatry* ny fahavetavetana no nihavian'ny mpandrava, hatramin'ny fahafonganana voatendry, izay haidina amin'ny mpandrava**. [*Na: eo an-tampon'][**Na: ny efa lao]

Ekeo Jesosy ho Mpanavotra sy Mpamonjy anao.(Mesia)
- Webmaster.


Tsindrio ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


Lalana Broad na tery Lalana.



William Branham Life
Story.

(PDF Anglisy)

How the Angel came
to me.
(PDF Anglisy)

Toko 13
Andriamanitra
Dia Mazava.
(PDF)

Toko 9
Ilay Sintona Fahatelo.

(PDF)

As the Eagle
Stireth her nest.

(PDF Anglisy)

Toko 14
- Harambaton'i Sabino

(PDF)

Sirs, is this the time?

(PDF Anglisy)
Mt Sunset.

Toko 11
Ny_Rahona.pdf

 


Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.


Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.