Fanamarinana Mpaminany.


  Ny Asan’Ilay Mpaminany mifanesy.

Fanamarinana Mpaminany.


Pearry Green.

Eksodosy 3:13-14, no ahitantsika hoe iza no nanambara fa mpaminany i Mosesy rehefa nidina tany amin’ny zanak’Israely izy.

13 Ary Mosesy nilaza tamin’Andriamanitra, Indro,rehefa tonga ao amin’ny zanak’Israely AHO, dia hilaza amindry zareo, Ny Andriamanitry ny rainareo nonaniraka ahy ho aty aminareo; dia hilaza amiko izy ireo hoe, iza no anarany? Dia inona no ho lazaiko azy ireo?
14 Dia hoy Andriamanitra tamin’i Mosesy, IZAHO NO IZY DIA IZAHO NO IZY: ary hoy izy, Izany no ho lazainao amin’ny zanak’Israely, IZAHO NO IZY no naniraka ahy ho aty aminareo.

Iza no nanamarina an’i Mosesy? Nanao fifidianana ve ry zareo dia niaiky fa mpaminany izy? Nitsangana ve Farao dia nanambara fa mpaminany avy amin’Andriamanitra izy ? Tsia, Mosesy dia voamarina tamin’izay nolazain’Andriamanitra taminy, ary izany rehetra izany no tsy maintsy nandehanany. Tsarovy fa ny zanak’Israely dia nampanantenaina fa hisy hamonjy. Dia tamin’ny nitarihin’i Mosesy azy ireo niala tao Egypta, niampita ny Ranomasina Mena, nangataka tamin’Andriamanitra hamahana azy ireo tamin’ny papelika sy mana, nahazo ny Didy Folo voasikotra tamin’ny vato tamin’ny fomba mahagaga, ary nanome azy ireo, matetitetika, ny Tenin’ny Tompo, maro ireo mbola tsy nino azy ho olon’Andriamanitra. Ahoana no mahatonga izany zavatra izany? Tsotra ihany satria tian’izy ireo hisy olona hanamarina azy. Nanontany izy ireo ny amin’ny hoe, nahoana no tsy maintsy fantatry ry zareo fa Tenin’Andriamanitra no tonga tao amin’i Mosesy. Tokony efa tsy nisy fisalasalana intsony teo amindry zareo raha izay efa hitany izay, kanefa mbola tsy nahatoky ihany izy. Nino an’Andriamanitra izy ireo, ary ny fitandremana ny Teniny, saingy tsy afaka nino an’i Mosesy ho mpaminanin’Andriamanitra teo anatrehan’ny porofo mivaingana fa nirahin’Andriamanitra izy ho azy ireo. Tena jamba ry zareo.

Tsarovy, IZA no nanamarina an’i Jaona mpanao Batisa? Andao hojerentsika tsara indray dia tsy hisy ny fisalasalana.

Rehefa nandeha nanontany an’i Jaona ny olona “Hoe iza izy”, araka izay voalaza ao amin’ny Jaona 1:19, dia tonga tao antsain’izy ireo ny mpaminany Malakia 4:5-6a. Fantatr’izy ireo koa, tsy misy fisalasalana, ny teny izay tonga tao amin’ny rain’i Jaona alohan’ny nahaterahany, hoe ho avy amin’ny “fanahin’i Elia” ary hampody ny “fon’ireo ray ho amin’ny zanaka”. Eto ary dia antony roa ihany no nandavan’i Jaona ny fanontanian’ny olona raha hoe izy no Elia. Na nanontany azy izy ireo raha izy no Elia voasoratra ao amin’ny andininy samihafa ao amin’ny Soratra masina fa tsy hoe nampiharina taminy, na tsy fantany ny Teny. Azoko porofoina fa fantany ny Teny,satria nitohy nanontany azy ireo, “Mpaminany ve ianao?” Fantatry Jaona fa ilay mpaminany nampanantenaina an’i Mosesy ao amin’ny Deotoronomia 18 no tiandry zareo resahina.Ny fandavany fa tsy ny tenany io mpaminany noresahin’i Mosesy izay voalaza fa hitovy aminy io. Noho izany dia namaritra ny momba ny tenany Jaona, ao amin’ny Jaona 1:22-23

Izay mivaky toy izao:
22 Dia hoy izy ireo taminy,Iza ianao ? mba hahafahanay mitondra valiny amin’ireo izay naniraka anay. Inona no filazanao ny momba anao?
23 Hoy izy, izaho no feon’ilay mikiakiaka any an’efitra,...

Fantatry Jaona tsara ny Teny, izay nanambarany fa Isaia no nilaza izany ao amin’ny Isaia 40:3 fa hisy iray ho avy. "Feon’ilay mikiakiaka any an’efitra, Omaninareo ny làlan’ny Tompo (Jehovah), ataovy mahitsy any an’efitra (desert) ny lalamben’Andriamanitsika." Fantany koa fa Malakia 3:1 dia milaza, “Omany ny làlana eo alohako”, tahaka ny voalazan’i Isaia mpaminany. Kanefa niteny Jaona fa tsy Elia izy. Fantany fa izy no hampody ny “fon’ny ray ho amin’ny zanaka”, satria Zakariasy no nomena io faminaniana io. I Jaona koa dia nahafantatra fa tao aminy ny fanahin’i Elia, ka mety nanontany azy ve izy ireo raha izy no Elia ao amin’ny Malakia 4 izay hampody ny “fon’ny zanaka ho amin’ny ray “alohan’ilay andron’ny Tompo lehibe sady mampatahotra” ? Mazava ho azy fa novaliany ireo hoe tsy izy "izany Elia izany". Fa iza ary no nanamarina i Jaona? Nahaliana ny olona ny momba azy, hoe iza ilay nitsangana ary nilaza tamindry zareo? Izy tenany dia nilaza hoe iza izy, araka izay voasoratra ao amin’ny Jaona 1:23:

Andeha hovakiantsika indray ...
23 Hoy izy, izaho no feon’ilay mikiakiaka (miantsoantso) any an’efitra, Ataovy mahitsy ny lalan’ny Tompo (Jehovah), araka ny voalazan’ny mpaminany Isaia.

Iza no nanamarina an’i Kristy? Lioka 9:18-20 dia mamaritra fa...
18 Tamin'izany andro izany, rehefa nivavaka irery izy, dia niaraka taminy ny mpianany: ary nanontany azy ireo izy, "Iza no ilazan'ny olona ahy?"
19 Namaly ireo ka nanao hoe: Jaona Batista; fa ny sasany nanao hoe, Elia; ary ny sasany nilaza hoe,ny anankiray tamin'ireo mpaminany taloha no nitsangana indray.
20 Hoy izy tamin'izy ireo, ary iza no fahafantaranareo ahy ?Dia namaly Petera hoe, Ny Kristy n'Andriamanitra.

Any amin’ny boky hafa, Jesosy namaly: “Tsy nofo aman-drà no nanambara izany taminao, fa ny Raiko izay any an-danitra, ary eto ambonin’ity vato ity (fanambarana) no hananganako ny fiangonako ary ny vavahadin’ny helo tsy hahavita hanohitra azy.” (Matio 16:17)

Io dia manome antsika ny toromarika voalohany amin’ny fanamarinana mpaminany. Tonga avy amin’ny fanambarana izy io.Ary io dia tonga avy amin’ny alàlan’izany mpaminany izany izay manamarina ny tenany. Ny Tenin’Andriamanitra dia manamarina ny tenany ho Tenin’Andriamanitra. Mosesy dia nanambara ampahibemaso fa mpaminanin’Andriamanitra izy. Jaona Batista dia nilaza fa iray amin’ireo voalazan’i, ary Jesosy Isaiah izy, ary Jesosy nampianatra ny mpianany fa IZY no Kristy.
----

Fa ao amin’ny Jaona 10:36 -38, Jesosy nilaza toy izao...
36 Lazainareo izy, izay nohamasinin’ny Ray, ary nalefa tety amin’izao tontolo izao, Ianao miteny ratsy an’Andriamanitra (Blasfemia); satria aho nilaza, Izaho dia zanak’Andriamanitra ?
37 Raha tsy manao ny asan’ny Raiko aho, aza mino ahy.
38 Fa raha manao kosa aho, na dia tsy mino ahy aza ianareo, hinoy ireo asa dia ho fantatrareo, ary minoa, fa ny Ray dia ato amiko ary Izaho ao aminy.

Jesosy nilaza tamin’izy ireo far aha tsy afaka mino izay lazaiko ianareo, dia minoa izay hitanareo Ataoko.Ankehitriny ary dia tsy misy fanamarinana hafa ny amin’ny mpaminanin’Andriamanitra: VOALOHANY, hilaza aminareo izy hoe iza izy. FAHAROA, hanao ny asa izay nanirahana azy izy,. Izay no ahafahanareo milaza fa mpaminany avy amin’Andriamanitra izy.

Eto ary, raha misy mpaminany alohan’ny ahatongavan’ilay “andron’ny Tompo lehibe sady mampatahotra”, miray ao amin’ny fanahin’i Elia, dia misy asa izay andrasana aminy. Ny asany dia ho tanteraka tahaka ny iray ao amin’ny fanahin’ i Elia. Izy dia hampody ny “fon’ny zanaka hiverina any amin’ny ireo ray (plural)” Hahantateraka ny Matio 17:11 izy, izay nilazan’i Jesosy fa “hamerina ny zavatra rehetra”, Amin’ny fandikan-teny sasany, dia mivaky toy izao “Hanitsy ireo zavatra lasa tany amin’ny fahadisoana.” (erreur)
----

Ny bokin’ny Fanambarana dia miresaka io vanim-potoana farany io, vanim-potoana Laodikia, izay manana mpitondra hafatra (Anjelin’ny fiangonana), hilaza amin’izy ireo fa “mampalahelo,mahantra,fadiranovana, jamba, ary mihanjaka”, kanefa tsy mahalala izany. Ao amin’ny Fanambarana 10:7, io mpitondra hafatra io (messager) dia midika ho ilay Anjely Fahafito ary voalaza, “Rehefa hanomboka hitsoka (tsofina) izy,ny misiterin’Andriamanitra dia tokony efa vita, araka izay nambarany tamin’ireo mpaminany mpanompony.

Noho izany, misy asa voafaritra ho ataon’ny mpaminanin’ny Malakia 4. Tsy hohamarinina amin’ny alalan’ny antokom-piangonana izy. Tsy ho eken’ny be sy ny maro izy, fa ny tenany dia mahafantatra ny momba azy. Hisy ireo izay hahita azy fa tsy hahalala azy, fa hisy koa ireo izay manana fanahy mitovy, tahaka ireo izay nanaiky an’i Jesosy tamin’ny Asany, voalaza ao amin’ny Jaona 7:31"Rehefa tonga Kristy, hanao fahagagana mihoatra noho ireo izay nataon’ity lehilahy ity?"

Fa rehefa tonga miaraka amin’ny fanahin’i Elia ny mpaminany ao amin’ny Malakia 4 izay hampody ny zavatra rehetra amin’ny laoniny, ary hamita ny Misiterin’Andriamanitra, izao tontolo izao dia tsy mendrika azy, tahaka ireo mpaminany teo aloha. Ny ankamaroan’ny olona dia hiandany amin’ny finoana maro (religion), ary hanambara lalàna, ka tsy ho hitan’izy ireo ny fanambarana.

Ho avy io lehilahy io, ny tsara ihany no ataony. Hahantanteraka ny Soratra Masina no hahatongavany, hitondra hafatra ho an’ny olom-boafidy, ny Ampakarin’i Kristy, fa ho halan’ireo mpitondra fivavahana izy. Hampiseho fanahy tahaka ireo izay nitsangana teo am-pototry ny hazo fijaliana ka nilaza, “Namonjy ny hafa izy, fa tsy mahavonjy ny tenany”. Ny fihetsik’io mpaminany io rehetra dia hanompo ny zanak’olombelona, kanefa ho tsikeraina izy, tsy azo izay lazainy,ary nolavina nohon’ny Fampianarana entiny.Voalahatra ho mpaminany hatrany ambohoka, tahaka ny mpaminany rehetra, ny hahatongavany dia hialoha ny fiavin’i Jesosy Kristy Tompo fanindroany - ary ho avy amin’ny fanahin’i Elia izy.

Jereo ...   Ny Asa nataon'ny mpaminany.
Toko 2 - Izao tontolo izao dia tsy mendrika Azy.
(PDF)


Tsindrio ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


Ny Asa nataon'ny
Mpaminany.
(PDFs)

Toko 9 - Ilay Sintona
Fahatelo.
(PDF)

Teo aloha...

Avy eo...

William Branham Life
Story.

(PDF Anglisy)

Pearry Green personal
testimony.

(PDF Anglisy)

A lafiny
tendrombohitra, ary
nitsangana voaroy
amin'ny oram-panala
amin'ny Shina.

Stature of a Perfect Man

(PDF Anglisy)

Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.

  Hoy ny Soratra masina....

Tena nizaka ny fahoriantsika izy, ary nitondra ny alahelontsika:kanefa noheverintsika ho voakapoka izy, okapohin'Andriamanitra, ary nampahoriana.

Fa noratraina nohon'ny fandikan-dalantsika (transgression) izy, ary notorotoroina nohon'ny fahadisoantsika (iniquity): ny fanasaziana ho amin'ny fiadanantsika dia natao taminy; ary tamin'ny dian-kapoka eo aminy dia sitrana isika.

Isaia 53:4-5


Quote from  "The Voice of the Sign" (PDF Anglisy)



Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.