Ny Feon'ny Famantarana.


  Ny Asan’Ilay Mpaminany mifanesy.

Vehivavy Samaritana.


Pearry Green.

Raha vao manao zavatra amin’ny fomba iray Andriamanitra, satria tsy miova Izy (fa ao aminy dia tsy misy "fiovaovana na aloka fihemorana"), dia azo antenaina fa tahaka izany ihany no mbola fiasany araka ny Soratra Masina. Kanefa afaka manao zava-baovao Izy, tahaka ny nataony rehefa naniraka ny mpaminany Noah, rehefa niantso an'i Abrahama, rehefa naniraka an'i Elia, rehefa naniraka an’i Jaona Mpanao Batisa, ary rehefa naniraka ny Zanany Lahitokana dia Jesosy Kristy. Nisy olona maro foana nahalala ny Soratra Masina, nahafantatra ny faminaniana, fa tsy mba nahita ny masom-panahiny tamin’izay nataon’Andriamanitra satria tsy manana izany izy mba hamantarany izay olona nalefan’Andriamanitra. Araka ny hitantsika ary dia tsy misy fomba hafa hahafantarana izay olona nalefan’Andriamanitra afa-tsy amin’ny asa izay ataony ihany,na hamarinin’ny Tenin’ny Soratra Masina izy.

Na dia i Paoly aza fony fahavelony dia efa tsy maintsy nahare fa tety an-tany Jesosy Kristy, kanefa tsy resy lahatra izy fa Jesosy Kristy io mpaminany voalaza ao amin’ny Deotoronomy 18:15 io. I Paoly koa dia tsy nahafantatra fa i Jaona Mpanao Batisa no mpialoha lalana an’i Kristy. Noho izany, tsy afaka nahafantatra tahaka ny mpianatry Jaona izy, izay nolazain’i Jaona hoe: “Indro ny Zanak’Ondrin’Andriamanitra,” ary nanaraka an’i Jesosy ireo nanomboka teo. I Paoly koa dia tsy nahafantatra an’i Jesosy tahaka andr’i Petera sy Matio ilay mpamory hetra, izay nitodihan’i Jesosy ary noteneniny hoe: “Araho Aho”. Paoly dia tsy maintsy nanana ny fahalalany manokana tany amin’ny làlana mankany Damaskosy.

Ny Lohandohan’ny Mpisorona, ny Mpanora-dalana, ary ny Fariseo dia tsy nahafantatra ny Mesia, na dia efa nikaroka Azy fatratra aza izy ireo. Ny antony mantsy dia satria ny Mpisoronabe tsy nino ny valitenin’i Kristy rehefa nanontany Azy izy hoe: “Ianao ve ilay Zanak’i ny Avo indrindra? Naleon’izy ireo nanao blasfemia sy nampiasa ny Teniny mba hiapangana Azy toy izay nino Azy raha nilaza Izy hoe: “Izaho no Izy”. Koa rehefa teo ambony hazo fijaliana i Jesosy dia nijery an’izy ireo ary niteny hoe: “Ray o, mamela ny helok’izy ireo fa tsy fantany izay ataony.” Raha ninoan’izy ireo fa Zanak’Andriamanitra Izy, dia tsy nofantsihany,dia tsy tanteraka ny drafitry ny Famonjena. Na dia nanao asa mahagaga aza Izy dia olona tsotra ihany ny fahitan-dry zareo Azy, ilay zanaka mpandrafitra. Nodiany tsy hita ny asany fa ny fombandrazany ihany no nataony fa tsy nanaiky izy ireo hoe diso ny ampianariny ny olona.

Nisy mpivaro-tena kely iray, vehivavy avy any Samaria voalaza ao amin'ny toko fahefatra ny bokin'i Jaona. Eto i Jaona dia mitantara ny fomba nipetrahan’i Jesosy teo amin'ny fantsakana, miandry ny mpianany, izay lasa tany an- tanàna hividy sakafo, rehefa tonga teo hantsaka rano teo ravehivavy. Nangavy azy Izy raha mba afaka manome zava-pisotro Azy ravehivavy, ary dia tahakahaka’izao ny fizotry ny resaka nifanavan’izy ireo:

"Tompoko," hoy izy, "tsy tsara ho anao Jiosy, ny manontany ahy Samaritana zava-pisotro."

"Raha mba fantatrao mantsy hoe iza no miresaka aminao, mangataka aminao zava-pisotro," Hoy izy.

Hoy ravehivavy: "Tompoko, tsy manana na inona na inona hisintonana rano ianao…. Hianao va lehibe noho ny rainay, Jakoba, izay nanome anay ity fantsakana ity?"

"Sotroy ny rano izay omeko, ary dia tsy hangetaheta intsony ianao na oviana na oviana", hoy i Jesosy.

Tonga dia namaly ravehivavy, "Tompoko, omeo izany rano aho!" Jesosy nilaza izao taminy, ny hetahetany dia mazava; hetaheta sy ny hanoanana izay tsy ananan’ny olon-kafa, manatanteraka ny Teniny, "Sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana."

Dia hoy Izy taminy: "Andeha antsoy ary ny vadinao."

Menatra be izy. "Tsy manana ny iray aho", hoy izy namaly Azy moramora.

"Marina ny voalazanao," tonga amin’izay ny feon'Andriamanitra, mamantatra ny tena hevitra tao am-pony, "fa efa nanana dimy ianao ary ilay iray miara-miaina aminao ao tsy vadinao."

Ankehitriny, jereo ny fanambarana izay tonga tany am-pony, izay kely ihany ny fantany momba ny Soratra Masina manao hoe: "Tompoko, fantatro fa ny mpaminany milaza fa rehefa tonga ny Mesia dia hambarany amintsika izany zavatra rehetra izany. Hoy ianao fa na mivavaka eto amin'ity tendrombohitra ity aza ianareo, dia ho avy ny andro izay tsy hanaovanareo izany. Tompoko, hitako tokoa ianao fa mpaminany. "Tamin'izay dia nihazakazaka nankany an-tanàna izy sady nihiaka hoe," Avia ianareo raha hijery lehilahy iray nilaza tamiko ny zavatra rehetra rehetra nataoko! Tsy izany va no atao hoe Mesia?" Nahazo fanambarana bebe kokoa izy, tsy nilaza na inona na inona, noho ny ankamaroan'ny olona mpivavaka tamin’ ny androny. Jesosy nilaza azy fa noho izy ireo nilaza ho manana ny mazava (dia tsy afaka nahafantatra ny asa nataony izy ireo), jamba izy ireo.

Impiry i Jesosy no namantatra ny eritreritry ny olona? Impiry Izy no nahalala ny fanontanian’izy ireo, ary namaly azy ieo talohan'ny nametrahany ny fanontaniana? Tsy izany ve ny toetran’i Emmanuel, Andriamanitra amintsika, Jehovah ilay Mpamonjy ny nofo? Tsy efa "famantarana", ve izany fa i Jesoa Kristy ilay Mpamonjy izao tontolo izao dia teo aminy? Nefa tsy nety nanaiky an’izany izy ireo. Dia hoy izy: "Raha tsy mino izay lazaiko ianareo, dia minoa ny asa izay ataoko." Izany io amin'izao fotoana izao, satria Izy no Jesosy Kristy ilay tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.

Nampianarina ahy ireo zavatra ireo tamin’ny Sekoly Alahady teo amin'ny fiainako, fa ny fotoana voalohany nahitako ny fisehon’ny toetran’Andriamanitra dia tamin'ny fivoriana ny Janoary, 1950, tao amin'ny Sam Houston Coliseum, any Houston Texas. Nisy vehivavy iray niakatra teny aloha mba hivavahana. Rahalahy Branham nitodika ka nanao taminy hoe: “Alohan’ny hivavahako ho anao dia hibebaho ny fahotanao.» Izaho hoy izy ilay vehivavy tena mpivavaka be.Dia hoy izy "Hianao efa namitaka ny vadinao." Ny vadiny moa dia nipetraka niaraka tamin’ny fiangonana teo tamin'izany fotoana izany. Nahatsikaritra olona nitangorona sady niresaka aho izay mirona mba hijery. Ny vadiny koa dia nidina teo, mankany aloha eny amin'ny lapihazo mna hampitsahatra ny Rahalahy Branham amin’ny fiampanga ny vadiny. Ny Mpikarakara ny fandaminana dia nanakana azy, fa ny Rahalahy Branham nanao hoe: "aoka izy ho avy." Nihazakazaka ilay lehilahy nankeny amin'ny lapihazo, ary dia tokony ho telo metatra sy sasany eo ho eo ny elanelany sy ny Rahalahy Branham dia tafajanona izy noho ny tenin 'ny mpaminany, "Tompoko, ary ahoana ny momba anao sy ilay sekretera menavolo, nipetraka tao atany fiara tamin'ny Zoma alina? "Dia notohizan’i Rahalahy Branham ny resaka tamin’izy roa, ka hoy izy hoe:" ny zavatra roa tokony ataonareo roa dia ny mibebaka amin'Andriamanitra, samy hiaiky izay vitany ary ho tena ho olona mpivady. "Izany zava-nitranga dia mihoatra noho izay efa hitako teo aloha hatramin’izay.
----

"Rahalahy Pearry," hoy izy, "amin’izay ataonao rehetra, dia lanjao ao amin’ny ny Soratra Masina; fa Izaho kosa tsy mba handà ilay FEO teo amin'ny reniranon'i Ohio tamin'ny 1933!" Dia notohizany hoe, "Ry Rahalahy Pearry, tsy milaza na inona na inona momba izany teny imasom-bahoaka aho. Ny olona dia tsy mahatakatra ny atao hoe mpaminany. Fa rehefa tonga izany hazavana izany tahaka ny tadio nidina avy tany an-danitra, dia hitan’ireo olona nipetraka teo amoron-drano, nisy Feo izay niteny avy amin'izany, toy ny nataony tamin'i Paoly teny an-dalana ho any Damaskosy. Ny Feo hoe: "Tahaka an’i Jaona Mpanao Batisa nalefa hialoha ny fiavian'i Jesosy Kristy Tompo, ny hafatrao dia hialoha ny fiaviany fanindroany."

Nadika sombiny avy...   Acts of the Prophet Chapter 3
amin'ny alalan'ny Pearry Green

Vakio ny kaonty feno in ...   Toko 3 - "Feon’ny Famantarana" (PDF)


Tsindrio ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


Ny Asa nataon'ny
Mpaminany.
(PDFs)

Toko 3 - Feon’ny
Famantarana

(PDF)

Teo aloha...

Avy eo...

William Branham Life
Story.
(PDF Anglisy)

Pearry Green personal
testimony.
(PDF Anglisy)


Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.


Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.


Ny Fiposahan’ny Masoandro.
Hafatra Misongadina.
"...Fito-ny zava-miafina amin’ny fizarana fito, amin’ny Baiboly-izay nafenina hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao, dia ho voambara..."

Ny Fiposahan’ny Masoandro.


  Hoy ny Soratra Masina...

Raha ny amin'Andriamanitra, dia marina ny lalany; Ny tenin'i Jehovah dia voazaha toetra amin'ny memy; Jehovah no ampingan'izay rehetra mialoka aminy.

Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah? Ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika?

2 Samoela 22:31-32