Anio no Ahatanterahan’ity Soratra Masina ity.


  Ny Asan’Ilay Mpaminany mifanesy.

Anio no Ahatanterahan’ity Soratra Masina ity.


Pearry Green.

Tsy matetika no ahafataran’ny olona ny fahatanterahan’ny Soratra Masina.Kanefa rehefa mifanehatra amin’izany fahatanterahana izany izy ireo dia manontany aho hoe,firy no hanaiky izany? Tsy azo iadian-kevitra fa VITSY, satria entin’ Andriamanitra amin’ny fomba tena tsotra io, fa miafina amin’ny mason’ny “hendry sy manan-tsaina” araka ny voalazan’ny Baiboly. Ohatra roa ao anaty Soratra Masina izay tanteraka, ny iray dia avy amin’ny fiainan’i Kristy, ary ny iray dia nitranga 2000 taona taty aoriana, dia avy amin’ny fiainan’i William Branham, na dia iankinan’ny ain’ny zanak’olombelona aza izany, dia nodian’ny maro an’isa tsy hita.

Tamin’ny daty 24 Janoary, 1965, tao amin’ny toerana Phoenix, Arizona, ny fotoana dia maraina, i Rahalahy Branham dia voatendry hitory teny tao amin’ny Full Gospel Businessmen’s Fellowship International Convention izay nokarakarain’i Carl Williams. Ny lohaten’ny hafatra nentin’ny Rahalahy Branham tamin’io maraina io dia “Faharariana eo Ampiterahana.” Andro vitsy talohan’ny nanomezan’ny vadiny azy Baiboly vaovao. Izay tena mitovy amin’ilay iray fampiasany rehefa mitory ny filazantsara manerana izao tontolo izao izy. Tamin’io maraina io dia nentiny niaraka taminy ilay Baiboly vaovao tao amin’ny fivoriana. Vokatr’izany dia trangan-javatra iray no niseho izay mifandraika indrindra amin’ny Soratar Masina.

Rehefa tonga teo amin’ny polipiotra izy ny marainan’io, rehefa avy niarahaba ny mpihaino, dia nosokafany ilay Baiboly vaovao hakàny ny lahatsoratra ary nanomboka namaky ampahana Soratra Masina izy, izay milaza momban’ny fara andro sy ny zavatra hiatra amin’izao tontolo izao tahaka ny vehivavy hiteraka. Novakiany hatrany amin’ny pejy ambany izany, ary raha navadiny ny pejy, ny roa tamin’ireo pejy vaovao ireo dia niraikitra, noho izany ny andininy saika ho vakiany dia niafina tao anelanelan’ireo pejy ireo. Gaga izy satria ilay toko manaraka hafa no nanomboka ny pejy izay tena ilay andininy notadiaviny, kanefa rehefa novakiany,dia hitany indray fa tsy nifanaraka ilay andinin-tsoratra Masina.

Io toe-javatra io dia voarakitra ao amin’ny oronampeo, “Faharariana eo Ampiterahana” izay nahenona ny feony manontany ireo mpanompon’Andriamanitra teo amin’ny lapihazo raha tsy io ny pejy tena ahitana ilay andininy, raha tsy tokony tamin’ny pejy hafa no nisy azy na tahak’izany. Rehefa navadibadiny teo ny pejy, izay tsy tsaroany fa nikambana ireo, dia nisy Pretra Kaldeana, i Eveka Stanley, Archbishop of the Metropolitan United States for the Chaldea Catholic Church, dia tonga tao koa ary nanana anjara fitenenana, nipetraka teo amin’ny lapihazo, mijery tsara ny Rahalahy Branham. Ny Eveka Stanley dia nanao ny akanjony amin’ny maha-pretra azy, miaraka amin’ny fitafiany mena. Nankeo amin’i Rahalahy Branham izy dia nilaza, “Mahereza ianao ry zanako, fa manana tanjona amin’izao Andriamanitra. Inty, ampiasao ny Baiboliko.” Noraisin’i Rahalahy Branham ilay Baiboly teny an-tanan’ilay Pretra, ary novakiany ilay andininy izay tsy hitany teo, nakatony ny Baiboly, ary nomeny an’ilay Pretra, dia nanohy ny toriteniny (hafatra) izy.

Ny marainan’io dia niresaka tao amin’ny “Block busters” momban’ny Ady Lehibe Faharoa, ary ny hadivory izay fomba nentina niady tamin’ny Ady Lehibe Voalohany, izay nampiseho fa ireo zavatra ireo dia “Fanaintainana eo Ampiterahana” avokoa, tahaka ny vehivavy mihetsi-jaza. Fitsaran’Andriamanitra no fanehoany izany, “ny fiatombohan’ny andro-pahoriana,” ary izao tontolo izao tsy hahazaka ady ankoatran’io. Nolazainy ny baomba Atomika nianjera tao Hiroshima,sy ireo hery fanapotehana izay ananan’ny olombelona amin’izao fotoana izao, izay tena mifanaraka mazava tsara amin’ny fotoana voalazan’ny Soratra Masina fa “fiandohan’ny andro-pahoriana.” Raha fehezina dia nanambara ny fitsarana izao tontolo izao izy.

Ny alin’io, rehefa niverina tany an-tranony tao Tucson izy, dia nijanona tao amin’ny trano fisakafoanana (restaurant) iray mba hividy zavatra ho an’ny ankizy, ary teo ny Fanahin’Andriamanitra dia tonga taminy ka nampiseho azy fitoviana mahatalanjona tamin’ny zavatra niainany tamin’ny maraina. Nampitahana taminy ilay fotoana (ao amin’ny Soratra Masina) rehefa nitory teny tao amin’ny Synagoga Jesosy Kristy, araka ny voasoratra ao amin’ny Lioka 4:17-19:

Dia natolotra Azy ny bokin'Isaia mpaminany; ary nony namelatra ny boky Izy, dia nahita ny teny voasoratra hoe: Ny Fanahin'i Jehovah no ato amiko, Satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny malahelo Izy; Naniraka Ahy hitory fanavotana ho an’ny mpifatotra Izy, Sy fampahiratana ho an'ny jamba, Hanafaka izay nampahorina. Hitory ny taona ankasitrahan'i Jehovah.

Isaia dia naminany ny amin’ny olona iray ho avy, izay ny Fanahin’ny Tompo no hanosotra azy mba hitory ny Filazantsara ho an’ny mahantra (tsy voatery hoe ireo izay mahantra ara-bakiteny) fa ny mahantra ara-panahy, ireo izay hahatspa fa mila miankina amin’ny famindra-pon’Andriamanitra sy ny ràn’i Jesosy Kristy latsaka izy ireo.) Ireo mahantra ireo izany, dia ireo mahafantatra fa tsy tamin’ny fandatsahana ràn’ombilahy na osy, fa novidiana tamin’ny alalan’ny Zanak’Ondry novonoina eny hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao. Tsy maintsy nisy ny hafatra momba ny Vaovao Mahafaly, Filazan-tsara vaovao nentina ho an’ireo olona mahantra ara-panahy ireo; Ary tsy hanosi-bohotanana an’ireo Izy, satria tsy mahefa na inona na inona ireo raha tsy miaraka Aminy.

Io Filazan-tsara vaovao io koa dia tonga ho an’ireo izay reraka ao am-po, ireo izay tsy faly satria malahelo ny fony nohon’ny fivavahana lasa “manana endrika fahamasinana” kanefa tsy misy hery. Izy dia hitory fanafahana ho an’ny babo (babon’ny karazam-pampianarana) izay tsy afaka mahita akory hoe babo izy ireo. “Manakarena ary tsy mijaly na amin’ inona na amin’inona.” Kanefa izy ireo dia “mahantra, ory, mihanjaka, ary jamba,” araka ny fampitandreman’ny Baiboly. Ara-panahy ny fahajamban’izy ireo, ary mila ody maso izy ireo mba ahitany ny drafitry ny Famonjena. Jesosy no tsy mamaha io maso arapanahy io, mba hanomezana azy ireo maso tena izy mba ahitany izay nataon’Andriamanitra tety an-tany. Ary tiany koa ny hanafaka ireo izay maràtra. Nailika satria malemy fanahy ka tonton’ny fiangonana misy ambaratongany. (religion organisée) (Arak’izany,ny hanompo an’Andriamanitra ihany no masaka tao aminy, raha tsy mety manao izay lazain’ny Fariseo izy ireo dia voailika.). Raha atao bangotokana dia niresaka momba ny fahatongavan’i Mesia Isaia.

Ny hitovizan’izany tamin’ny Rahalahy Branham dia hita teto - Jesosy namaky ny andininy tao amin’ny Isaia 61 ary namaky hatreo amin’ny “...hitory ny taona hankasitrahan’i Jehovah.” Dia avy eo izy dia nankatona ny boky, ary nanolotra izany tamin’ny mpisorona ka nipetraka. Ny Baiboly dia milaza, “Ary ny mason’ireo izay tao amin’ny synagoga dia nijery Azy fatratra.” Avy eo Jesosy dia nanao fanambarana tsy manampaharoa, “Anio no Fahatanteran’izany Soratra Masina henonareo izany..”
-----

ETO dia MARIHO TSARA izay rehetra efa nasongadintsika, nanakatona ny boky Jesosy. Tsy mbola vitany ny famakiana ny Isaia 61:2. Nijanona teo antenantenan’io andininy io izy. Najanony ilay tapany izay milaza… “...sy andro famalian'Andriamanitsika, hampionona ny malahelo rehetra.” NAHOANA ary no navelany io? Satria miresaka momba ny Fiaviany Fanindroany io.

Noho izany, ho an’ireo tsy nahatsapa ny fitovian’io tamin’izay nitranga tao Phoenix: Nisy lehilahy nalefan’Andriamanitra, izay nipetraka tao aminy ny Fanahin’ny Tompo, ary ny tapany faharoa amin’ny Isaia 62:2, dia tanteraka tao Phoenix, Arizona ny 24 Janoary, 1965, rehefa TENA NANAO ny voalaza tao amin’ny faminanian’i Isaia fa ho ataony, dia tsy iza fa ity Mpaminanin’Andriamanitra manana ny fanahin’i Elia ity - nilaza izy “Andro famalian’Andriamanitsika (vengeance).”, rehefa nitoriteny ilay “Fitsarana ity tany ity” izy izay tao anatin’ny toriteniny mitondra ny lohateny hoe: “Fanaintainana eo Ampiterahana”. Tahaka ny tamin’ny andron’i Jesosy, rehefa nitsangana teo amin’ny synagoga izy ary “Notoloran’ny Mpisorona baiboly Izy” ary dia naveriny io avy eo, ka hoy izy “Eo am-pandrenesanareo izany no ahatanterahan’izany anio.” Kanefa tsy fantatr’izy ireo izay tiany nolazaina. Tahaka izany koa amin’ity taonjato ity, ity tarnaka ity. Ilay “Andro famalian’ny Tompotsika” dia nambaran’ny Mpaminanin’Andriamanitra tety an-tany, ary nolazainy fa misy lalana fanavotana. “ Mivoaha eo anivony ry vahoakako, misaraha aminy.”

Avy "Ny Asan’Ilay Mpaminany".
Toko 4 - Anio no Ahatanterahan’ity Soratra Masina ity.

Ampidiro. (PDF Anglisy)

Birth Pains
This day this Scripture is fulfilled.

Tsindrio amin’ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


Ny Asan’ilay
Mpaminany.
(PDFs)

Toko 4 - Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

(PDF)

William Branham Life
Story.
(PDF Anglisy)

How the Angel came
to me.
(PDF Anglisy)

Pearry Green personal
testimony.
(PDF Anglisy)

Marriage and Divorce.

(PDF Anglisy)


Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.


Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.

  Hoy ny Soratra Masina...

Ny Fanahin'i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana* ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin'ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin'ny mazava, [Heb. hamehy]

Hitory taona ankasitrahan'i Jehovah sy andro famalian'Andriamanitsika, hampionona ny malahelo rehetra,

Isaia 61:1-2