Ny Bokin’ny Fanambarana.


  Boky misy Fanambarana mifanesy.

Ny Fanambaràn’i Masindahy Jaona.


William Branham.

Vakio ny tantara manontolo ao amin'ny...
Ny Fanambaran’i Jesosy Kristy.

Fanambarana 1:1-3,
1 Ny Fanambaran’i Jesosy Kristy, izay nomen’Andriamanitra Azy, mba hasehony amin’ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana; ary naniraka ny anjeliny Izy hanambara amin’i Jaona mpanompony,
2 Izay nanambara ny tenin’Andriamanitra sy ny filazàna an’i Jesosy Kristy, dia ny zavatra rehetra izay efa hitany.
3 Sambatra izay mamaky sy ny mihaino ny tenin’ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro.

Ny mpanora-dalàna (tsy mpanoratra) amin’ity boky ity dia Jaona ilay avy amin’Andriamanitra. Niaiky ny mpahay tantara fa izy dia niaina ny fotoana farany nahavelomany tany Efesosy, na dia tao amin’ny Nosy Patmô aza izy tamin’ny fotoana nanoratana an’ity boky ity. Tsy ny tantaram-piainan’i Jaona io, fa ny Fanambaràn’i Jesosy Kristy amin’ny taom-piangonana ho avy. Ao amin’ny andininy fahatelo izany dia antsoina hoe ny faminaniana, ary izany no tena izy.

Ity boky ity dia matetika antsoina hoe ny Fanambaràn’i Masindahy Jaona, fa izany dia diso. Io dia ny Fanambaran’i Jesosy Kristy nomena an’i Jaona ho an’ny Kristianina amin’ny vanimpotoana rehetra. Io ihany ny boky ao amin’ny Baiboly manontolo izay nosoratan’i Jesosy Izy Tenany, tamin’ny alalan’ny fisehoany manokana tamin’ny mpanora-dalàna iray. Io no boky farany ao amin’ny Baiboly, kanefa izy dia milaza ny fiandohana sy ny fiafaran’ny fahatanterahan’ny Filazantsara.

Ankehitriny ny teny Grika hoe fanambaràna dia “Apokalypsy”, izay midika hoe “fanehoana”. Izany fanehoana izany dia tena voafaritra tsara ao amin’ny ohatry ny mpanao sary sokitra, mampiseho izany amin’ny mpitazana. Izany dia manala ny sarony, mampiharihary izay niafina tao taloha. Ankehitriny ny fanehoana dia tsy ny fanambaràna ny Olona Kristy ihany, fa ny FANAMBARÀNA NY ASANY AMIN’NY HO AVY AMIN’NY FAHATONGAVAN’NY TAOM-PIANGONANA FITO. Ny maha zava-dehibe ny fanambaràna avy amin’ny Fanahy ho an’ny tena mpino dia tsy afaka na oviana na oviana ho antitranterina. Ny fanambaràna dia midika mihoatra noho ny fiheveranao azy. Ankehitriny aho tsy miresaka momba ity Bokin’ny Apokalypsy ity sy ianareo. Miresaka momba ny fanambaràna REHETRA aho. Tena zava-dehibe izany eo amin’ny fiangonana.

Tadidinareo ve ao amin’ny Matio 16 raha nanontany ny mpianany ity fanontaniana ity Jesosy:
“Iza no ilazan’ny olona momba Ahy ilay Zanak’olona? Dia hoy ireo: ny sasany milaza fa ianao no Jaona Mpanao-batisa, ny sasany Elia, ary hoy ny sasany Jeremia, na anankiray amin’ny mpaminany. Ary hoy Izy tamin’izy ireo: Fa iza ianareo kosa manao Ahy ho iza? Ary namaly Simona Petera ka nanao hoe: Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona. Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Sambatra ianao, ry Simona Barijaona; fa ny nofo aman-drà tsy nanambara anao izany, fa ny Raiko Izay any andanitra. Ary hoy aho aminao, ianao no Petera, ary eo ambonin’ity vatolampy ity no aoriko ny Fiangonako; ary ny vavahadin’ny helo tsy haharesy azy.”

Ny Katolika Romana milaza fa ny fiangonana dia naorina teo amin’i Petera. Ary izany dia tena araka ny nofo. Ahoana no hanorenan’Andriamanitra ny fiangonany eo amin’ny lehilahy izay miovaova ary izy nandà an’i Jesosy Tompo ary nanozona tamin’ny nanaovany izany? Andriamanitra dia tsy afaka manangana ny Fiangonany amin’ny olona teraka tao anatin’ny ota. Ary tsy ny vatolampy nandry teo toy ny hoe efa namasinin’Andriamanitra tamin’izany toerana izany. Ary tsy mba tahaka ny filazan’ny Protestanta manao hoe, ny fiangonana naorina teo amin’i Jesosy. Izany dia ny FANAMBARANA. Vakio izany araka ny fomba nanoratana azy: “tsy nofo aman-drà no naneho (NANAMBARA) izany, FA NY RAIKO NO NANAMBARA IZANY, ary AMBONIN’ITY VATOLAMPY ITY (FANAMBARANA) NO HAORIKO NY FIANGONAKO:” Ny Fiangonana dia miorina amin’ny Fanambaràna, dia ny “Izao no Lazain’ny Tompo”.

Ahoana no fomba nahafantaran’i Abela izay tokony hatao mba hanaterana fanatitra araka ny tokony ho izy ho an’Andriamanitra? Tamin’ny finoana no nandraisany ny fanambaràna ny amin’ny rà. Kaina tsy nahazo fanambaràna toy izany (na dia nanana didy aza izy) noho izany tsy afaka nanao ilay sorona tena izy ny tenany. Ny fanambaràna avy amin’Andriamanitra no mampiavaka izany, ary Andriamanitra nanome an’i Abela fiainana mandrakizay. Ankehitriny ary dia azonao raisina izay voalazan’ny pasitora, na izay ampianarin’ny seminera, ary na dia mety ampianarina anao amin’ny fahaiza-miteny aza izany, raha tsy Andriamanitra no manambara aminao fa Jesosy no ilay Kristy, ary ny rà no manadio anao, ary Andriamanitra no Mpamonjy anao, dia tsy hanana ny fiainana mandrakizay na oviana na oviana ianao. Ny fanambaràna ara-panahy no manao izany.

Ankehitriny aho dia nilaza fa ity Bokin’ny Apokalypsy ity dia ny fanambaràn’i Jesosy sy ny zavatra Ataony ao amin’ny fiangonana ho an’ireo vanim-potoana fito ireo. Izany dia fanambarana satria ny mpianatra, izy tenany, tsy nahalala ireo fahamarinana voarakitra ireo. Mbola tsy nambàra tamin’izy ireo teo aloha izany. Tsaroanareo fa tonga teo amin’i Jesosy izy ireo ao amin’ny Bokin’ny Asan’ny Apostoly ary nanontany Azy: “Ianao ve amin’izany fotoana izany hamerina ny fanjakana ho amin’ny Israely?” Ary hoy Izy: “Tsy anjaranareo ny mahalala ny andro na ny fotoana.” Ireo lehilahy ireo dia mbola nieritreritra an’i Jesosy ho manana fanjakana eto an-tany. Fa izany dia fanjakana ara-panahy izay Izy no hanorina azy. Eny tsy afaka nolazainy tamin’izy ireo na ny Toerany ao anatin’izany aza, satria ny Ray mbola tsy nanambara izany Taminy. Fa ankehitriny kosa taorian’ny Nahafatesany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty, ary amin’io fotoana manokana ao amin’io asa fanompoany fanelanelanana io, Izy dia afaka mamoaka etoana amin’ity fanambarana ity ny amin’ny Tenany tamin’i Jaona ny dikan’ny Voninahiny sy ny Fanatrehany ao amin’ny fiangonana.

Ao amin’ity fanambaràna ity dia milaza amintsika ny hiafaran’ny ny devoly Izy. Milaza ny fomba hanaovany ny devoly Izy sy ny hanipazany azy ao amin’ny farihy afo. Ambaràny ny fiafaràn’ny ratsy fanahy izay manaraka an’i Satana. Ary Satana mankahala an’izany.

Efa voamarikareo ve fa halan’i Satana ny boky roa ao amin’ny Baiboly mihoatra noho ny hafa? Amin’ny alalan’ny teolojianina liberaly sy ny mpahay siansa izy dia manafika foana ny Bokin’ny Genesisy sy ny Bokin’ny Apokalypsy. Ao amin’ireo boky roa ireo no ahitantsika ny niandohan’i Satana, ny fomba ratsiny sy ny fandringanana azy. Izany no antony hanenjehany azy ireo.Tsy tiany ny haseho miharihary, ary ao amin’ireo boky ireo dia miharihary tsara ny maha izy azy. Hoy i Jesosy momba an’i Satana, “Tsy manana anjara Amiko izy ary Izaho tsy manana anjara ao aminy.” Ny devoly dia te hanaporofo ny mifanohitra amin’izany; nefa tsy afaka izy, noho izany dia ataony izay rehetra azony atao mba hamotehana ny fahatokisana ny Teny. Fa rehefa tsy mety mino an’i Satana ny fiangonana fa mino ny fanambaran’ny Fanahy ny amin’ny Teny, ny vavahadin’ny helo tsy haharesy azy.

Mamelà ahy hametraka teny iray avy amin’ny asa fanompoako, raha sitrakareo. Ianareo rehetra mahafantatra fa io fanomezam-pahasoavana teo amin’ny fiainako io dia mihoatra ny natioraly. Izany fanomezam-pahasoavana izany dia ny Fanahy Masina afaka mamantatra ny aretina, sy ny eritreritry ny olona ao am-pony, ary zavatra hafa miafina izay Andriamanitra irery ihany no afaka mahalala ary avy eo dia Ambarany amiko. Tiako tokoa ianareo raha mba afaka nijoro niaraka tamiko ka nahita ny tavan’ny olona rehefa fantar’i Satana fa ho hita miharihary izy. Ankehitriny, tsy ny olona akory no tiako ho resahina. Izany dia Satana mihazona azy ireo eo amin’ny fiainany amin’ny alalan’ny fahotana, tsy firaharahiana, sy aretina. Fa ianareo kosa tokony hahita ny tarehin’izy ireo. Fantatr’i Satana fa haseho miharihary izy, ary misy fiovàna toa tena hafahafa tonga eny amin’ny endriky ny olona. Satana dia raiki-tahotra. Fantany fa ny Fanahin’Andriamanitra dia hamela ny olona hahalala momba ny asany. Izany no antony tena hankahalàny izao fivoriana izao. Rehefa antsoina ny anarana ary ny aretina ambara, halan’i Satana izany. Ary inona moa izany? Tsy famakiana ny ao an-tsaina izany, tsy telepatia izany, na filalaovana ody. Izany dia FANAMBARANA amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Izay ihany ny fomba ahafantarako azy. Mazava ho azy fa ny saina maha-olombelona dia hanao izany ho zavatra hafa ankoatran’ny Fanahy Masina.

Mamelà ahy ianareo haneho antony iray hafa hankalahan’i Satana ity Bokin’ny Fanambaran’i Jesosy Kristy ity ao amin’ny Fiangonana. Fantany fa i Jesosy Kristy no tsy miova omaly, sy anio ary mandrakizay, ary tsy miova Izy. Mahafantatra betsaka lavitra nohon’ny sivifolo isanjaton’ny teolojiana izy. Fantany izany satria Andriamanitra tsy afaka miova amin’ny Natiorany, noho izany Izy dia tsy afaka miova amin’ny Làlany. Noho izany fantatr’i Satana marina tokoa fa ny fiangonana tany am-boalohany tamin’ny Pentekosta niaraka tamin’ny herin’Andriamanitra (Marka 16 amin’ny asa) no tena Fiangonana Marina lazain’Jesosy fa Azy. Ny hafa rehetra diso. Tsy maintsy izany.

Ankehitriny dia izao no tsarovy. Kristy ao amin’ny Fiangonana Marina dia ny fitohizan’ny Bokin’Asan’ny Apostoly. Fa ny Bokin’ny Apokalypsy maneho fa ny fanahin’ny antikristy ho tonga ao amin’ny fiangonana sy handoto azy, hahatonga azy ho matimaty, manaraka fombafomba sy tsy manan-kery. Izany dia mampiseho an’i Satana, mampiharihary ny asany (fanandramana ny fandringanana ny vahoakan’Andriamanitra sy ny fanaovana tsinontsinona ny tenin’Andriamanitra) mankany amin’ny fotoana hanipazana azy any amin’ny farihy afo. Miady amin’izany izy.Tsy tantiny izany. Fantany fa raha azon’ny olona ny FANAMBARANA MARINA ny amin’ny FIANGONANA MARINA sy ny maha izy azy,ny antony hijoroany ary AFAKA HANAO ASA LEHIBE KOKOA IZY, izy dia ho tafika tsy azo resena. Raha azon’izy ireo ny tena fanambaràna ny amin’ny fanahy roa ao anatin’ny sehatry ny Fiangonana Kristiana, ary amin’ny Fanahin’Andriamanitra mamantatra sy manohitra ny fanahin’ny antikristy, Satana dia tsy hanan-kery eo anatrehany. Izy dia tena ho voasakana amin’izao andro izao tahaka an’i Kristy nanohitra ny fikasany rehetra mba hananany fahefàna teo Aminy tany an’efitra. Eny, Satana mankahala fanambaràna. Fa isika tia izany. Amin’ny tena fanambaràna marina eo amin’ny fiainantsika, ny vavahadin’ny helo tsy haharesy antsika, fa isika no haharesy azy.

Ho tsaroanareo fa voalazako tamin’ny fiandohan’ity hafatra ity fa ity Boky izay ianarantsika ity dia ny tena fanambaran’i Jesosy, Izy Tenany, ao amin’ny fiangonana sy ny Asany amin’ny vanim-potoana ho avy. Avy eo aho nanamarika fa ny Fanahy Masina no manome antsika ny fanambaràna raha tsy izany dia tsy hahazo izany isika. Ny fitondrana izany hevitra roa izany miaraka no ahitanareo fa tsy fisainana na fianarana tsotra fotsiny no nahatonga azy ho tena Boky. Mandeha amin’ny fiasan’ny Fanahy Masina izany. Midika izany fa io Boky io tsy afaka haseho amin’iza na iza afa-tsy amin’ny sokajin’olona manokana ihany. Ny iray izay manampahalalàna amin’ny faminaniana no ilaina. Izany dia mitaky fahaizana mandre an’Andriamanitra. Izany dia mitaky toromarika mihoatra ny natioraly, fa tsy hoe mpianatra fontsiny mampitaha andininy amin’ny andininy, na dia tsara aza izany. Fa ny zava-miafina dia mitaky fampianarana avy amin’ny Fanahy raha tsy izany tsy hazava na oviana na oviana izany. Endre izany isika mila mihaino an’Andriamanitra ary manokatra ny tenantsika mba atolotra ny Fanahy mba handre sy hahafantarana.

Araka ny efa nolazaiko: Ity Boky ity (Apokalypsy) dia ny fahatanterahan’ny Soratra Masina. Eny tafapetraka tsara eo bokin’ny Soratra Masina izy, any amin’ny farany. Ankehitriny ianareo dia afaka mahafantatra ny antony hilazana fa na iza na iza mamaky na mandre izany dia voatahy. Io dia fanambaràn’ Andriamanitra izay hanome anareo fahefàna handresy ny devoly. Ary ianareo afaka mahita hoe nahoana ireo izay hanampy na hanala avy amin’io dia ho voaozona. Tsy maintsy ho izany, fa iza no afaka hanampy na hanaisotra avy amin’ny fanambaràn’Andriamanitra tonga lafatra ary handresy ny fahavalo? Tena tsotra izany. Tsy misy fahefana mahery tahaka ny fanambaràna ny Teny (révélation). Jereo, eo amin’ny andininy fahatelo ny fitahina dia ambàra amin’ny ireo izay manome fijerena manokana ho an’ity Boky ity. Mieritreritra aho fa izany dia manondro ny fanaon’ny mpisorona tao amin’ny Testamenta Taloha mamaky ny Teny ho an’ny olona amin’ny maraina. Hitanareo, maro no tsy nahay namaky teny, noho izany ny mpisorona tsy maintsy namaky izany ho azy ireo. Raha mbola izany koa ny Teny, dia teo ny fitahina. Tsy mampaninona izany na vakiana na henoina.

“Atomotra ny fotoana.” Ny fotoana dia tsy atomotra teo aloha. Amin’ny fahendrena sy ny fitsitsin’Andriamanitra io fanambaràna mahery vaika io (na dia fantatr’Andriamanitra tanteraka aza) dia tsy afaka navoaka hatreto. Noho izany isika dia mianatra fitsipika avy hatrany -- ny fanambaràna avy amin’Andriamanitra ho an’ny vanim-potoana tsirairay dia tonga amin’izany vanim-potoana izany ihany, ary amin’ny fotoana miavaka. Jereo ny tantaran’ny Israely. Ny fanambaràn’Andriamanitra tamin’i Mosesy dia tonga manokana tamin’ny fotoana niavaka teo amin’ny tantara, ary mbola niavaka kokoa ny nahatongavany raha nitaraina tamin’Andriamanitra ny olona. Jesosy, Izy Tenany, dia tonga tao amin’ny fahafenoan’ny fotoana, Izy amin’ny maha fahafenon’ny Fanambaràna ny momban’Andriamanitra Azy. Ary amin’izao vanim-potoana izao (Laodikia) ny fanambaràna avy amin’Andriamanitra dia ho tonga amin’ny fotoana mahamety izany. Tsy hiozongozona izany, na ho tonga mialoha. Eritrereto izany ary tandremo tsara, satria isika amin’izao fotoana izao dia ao amin’ny andro farany.

Vakio ny tantara manontolo ao amin'ny...
Ny Fanambaran’i Jesosy Kristy.



Ny Bokin’ny Fanambarana
Mitohy tamin'ny pejy manaraka.
(Maha-Andriamanitra an'i Jesosy Kristy.)


Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.

  Hoy ny Soratra Masina...

Fa izay tany mifoka ny ranonorana milatsaka aminy matetika ka maniry anana tsara ho an'ny olona iasana azy dia mahazo fitahiana avy amin'Andriamanitra;

fa izay maniry tsilo sy songosongo kosa dia lavina sady akaikin'ny ozona, ary ny hiafarany dia ny hodorana.

Hebreo 6:7-8


Tsindrio ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


Ny Asan’Ilay Mpaminany.

(PDF's)

Marriage and Divorce.

(PDF Anglisy)

William Branham Life
Story.

(PDF Anglisy)

How the Angel came
to me.
(PDF Anglisy)



 


Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.