Ny Faminanian’i Daniela 1.

<< mialoha

manaraka >>

  Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra ara-tantàra.

Ny Fanjakana Jentilisa.


David Shearer.

Nofin'i Nebokadnezara.

Ao amin'ny Daniela 2, Andriamanitra dia nanome sary iray mampatahotra an’i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ​​tamin'ny nofy. Daniela no nandika izany nofy izany - Nebokadnezara ilay loha volamena, ny fizarana eo amin’ny tratrany, ny volafotsy = ny Fanjakana Medianina sy Persianina, ny feny varahina = ny Fanjakana Grika, ary ny fahefatra, ny Ranjo vy = dia ny Fanjakana Romanina. Ny tongony dia ny fifangaroan'ny ny vy sy ny tanimanga. Tsy nisy fanjakana intsony. (Tsy Anglisy, Rosianina, Etazonia, na Sinoa). Ary ny fahefatra dia nandeha hatrany amin’ny rantsantongony. Io no zava-miafina. Ny metaly nampiasaina hisolo tena ny fanjàkana eto dia nanana toetra mikorosifahana (midina mankany amin’ny ratsan-tongony) fa saingy mitombo ny hamafiny.

Ireo fanjakana ireo dia nampisy fiantraikany tamin’ny toe-tsain'ny olona. Ny Babylonianina, Persianina, Grika, ary Romanina dia efa nisy fiantraikany amintsika rehetra amin'izao fotoana izao. Ary ny fanjakana fahefatra dia nandeha tamin'ny làlana rehetra mandra-pahatongan'ny amin'ny fitsanganan’ny fanjakan'i Kristy, (ilay vato nendahina avy tamin 'ny tendrombohitra), ahoana no nahatonga izany? Ny Fanjakana Romanina mpanompo sampy (pagan) lasa Fanjakana Romanina izay misy ny Papa. Zava-mahaliana iray nandritra ny Ady Mangatsiaka, (Guerre Froide) olona roa lahy tsy miombon-kevitra tao amin'ny Firenena Mikambana. Ny iray dia Kruschev, Rosiana izay midika hoe tanimanga ary ny iray American izay antsoina hoe Eisenhower, izay midika hoe mpiasa amin’ny vy. Ny vy sy ny tanimanga tsy afaka mifangaro. Kruschev nanala ny kirarony ary nikapoka ny latabatra rehefa maneho ny heviny. Ny misy antsika izany dia any an-tongotry ny sary, izay Fanjakan'Andriamanitra ampidirina mba ho antsika.


  Daniela 2. Ilay Sary Volamena.

Daniela 2. Ilay Sary Volamena.

Babylona tamin'ny nofin'i Nebokadnezara dia aseho ho toy ny fanjakana volamena. Babylona dia be Volamena. Ny tempolin'i Mardoka, iray amin'ireo tempoly any Babylona dia nanana alitara sy seza fiandrianana volamena, izay mahatratra 8 taonina sy tapany ny volamena ao aminy. Ny ao anatin’ ity tempoly ity dia nopetahany takela-bolamena.


   Ilay Sary ao amin’ny
   Daniela 2 sy ny Bibidia
   ao amin’ny Daniela 7.

Rehefa nataon’i Nebokadnezara ny fivavahana tamin'ny sariolona lehibe anankiray, dia vita tamin’ny volamena avokoa izany. Tiany ny fanjakany (volamena) mba ho fanjakana maharitra mandrakizay, na dia efa nilaza taminy aza i Daniela fa hisy iray hafa handray izany toerana izany.

Andriamanitra mampitaha an’i Babylona ho toy ilay tanàna volamena ao amin'ny Isaia 14: 4,
"dia hataonao izao oha-teny ny amin'ny mpanjakan'i Babylona izao: Hià! mitsahatra ilay mpampahory! Eny. tsy ao intsony ilay tanàna volamena!"

Izany dia nolazaina momba an’i Babylona taona maro lasa talohan'ny nahatongavany ho tanàna lehibe eo ambany fitondran'i Nebokadnezara. Ny olona tamin'ny andron'i Isaia, dia tsy maintsy ho nieritreritra “fa ny mpaminany dia diso.”

Ny Liona.

Fanehoana iray hafa an’i Babylona dia ​​ny Liona. Ny vavahady lehibe miditra ao Babylona no atao hoe vavahady Ishtar. Izany dia mirakitra sarina liona volamena miisa 120. Nisy ihany koa ny hita tao amin'ny tanàna rava, tsangambato liona maro.

Ny vavahady Ishtar noravàna ary nentina tany Alemana tamin'ny 1800, ary tany dia narafitra indray ka aseho ao amin'ny Tranombakoka Pergamon, any Berlin.

Andriamanitra koa nampitaha an’i Babylona toy ny liona ao amin'ny Jeremia 50:17,
Ondry naparitaka ny Isiraely, Liona no nanenjika azy; Voalohany dia ny mpanjakan'i Asyria no nandrapaka azy. Ary farany dia ity Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ity no nanapatapaka ny taolany.

Io faminaniana io ihany koa dia taona maro teo alohan'ny nanjakan’i Nebokadnezara.


  Daniela 5. Andro firavoravoan’i Belsazara.

Daniela 5. Andro firavoravoan’i Belsazara.

Ao amin'ny Daniela toko faha-5, ny andro firavoravoana fimamoana, an’i Belsazara dia voarakitra. Belsazara dia zafikelin'i Nebokadnezara.

Ary nalainy ny fanaka volamena, izay nalaina avy tany Jerosalema, mba hampiasaina amin’ny fetiny, Daniela 5: 4,5 Eny, nisotro divay izy ireo sady nankalaza ny andriamanitra volamena, volafotsy, varahina, vy sy hazo ary vato. Their worship was of their prosperous economy and as they were drinking, the fingers of a man's hand appeared and wrote on the wall.

Tsy nisy olona afaka nandika ny hevitry ny soratra, ka Daniela no nantsoina hanao izany. Nasehon’i Daniel tamin’i Belsazara ny hevitr’ireo teny, Daniela 5:25-28.

Ary ny teny voasoratra dia toy izao: MENE, MENE, TEKELA, OPARESINA. [Oparesina = sy Paresina] Izao no hevitry ny teny: MENE, voaisan'Andriamanitra ny nanjakanao ka taperiny amin'izao; TEKELA, efa voalanja tamin'ny mizana ianao ka, indro, latsa-danja; PARESA, zarazaraina ny fanjakanao ka omena ho an'ny Mediana sy ny Persiana.


  Fahababoan'i Babylona.

Fahababoan'i Babylona.

Raha nitranga ny lanonana tao amin’ny Daniela toko faha-5 , ilay jeneraly Persiana, Kyrosy, dia nivily ny ony Eofrata, izay nihazo ny tanànan'i Babylona. Daniela 5:30, Ary tamin'io alina io ihany dia novonoina Belsazara, mpanjakan'ny Kaldeana. Ary Dariosa Mediana no nandray ny fanjakana, rehefa tokony ho roa amby enim-polo taona no andro niainany.

Misy faminaniana ao amin'ny Baiboly, toy izao manaraka izao. (Isaia 45:1), Izao no lazain'i Jehovah amin'ny voahosony, dia Kyrosy, izay notantanako tamin'ny tànany ankavanana, mba handresy firenena eo anoloany; sy hamahako ny fehin-kibon'ny mpanjaka, mba hamoahako varavarana eo anoloany, ka tsy hirindrina intsony ny vavahady;

Io faminaniana momba an'i Kyrosy io dia 150 taona talohan'ny talohan’ny nahaterahany mihitsy aza, ary milaza ny anarany.

Rehefa avy nivily ny ankamaroan' ny fikorianan'ireo renirano, ny tafik'i Kyrosy, dia tonga teo amin’ny vavahady anilan’ny ony ary naka an’i Babylona. Novonoina Belsazara.


  Hoy ny Soratra Masina....

Eny, niteny izy ka nanao hoe: Isaorana anie ny anaran'Andriamanitra mandrakizay mandrakizay, fa Azy ny fahendrena sy ny hery.

Ary Izy no mandahatra ny andro sy ny fotoana; Izy no manaisotra mpanjaka sy manangana mpanjaka; Izy no manome fahendrena ho an'ny hendry sy fahalalana ho an'izay mazava saina.

Izy no mampiseho ny zavatra lalina sy miafina; Izy no mahalala izay ao amin'ny maizina, ary ny mazava mitoetra ao aminy.

Daniel 2:20-22


Ny tena
Siansa,
dia ny
fitadiavana
an'Andriamanitra.

<< mialoha

manaraka >>


Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.

Tsindrio ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


Teo aloha...

Avy eo...

William Branham Life
Story.

(PDF Anglisy)

Pearry Green personal
testimony.

(PDF Anglisy)


Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.