Ny Faminanian’i Daniela 2.

<< mialoha

manaraka >>

  Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra ara-tantàra.

Nofin’i Daniela.


David Shearer.

Daniela 7.

Ny zavatra voalohany tsara no marihina dia talohan'ny fetin’i Belsazara ny nandraisan’ i Daniela io nofy io ao amin’ny Daniela 5. (Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Belsazara, mpanjakan'i Babylona, dia nanofy Daniela sady nahita fahitàna tao am-pandriany...) Daniela 7:1)

Tao amin'ny nofiny, ny rivotra efatra nahatonga zava-manan'aina efatra niakatra avy any anaty ranomasina.

Ny rivotra efatra ao amin'ny soratra masina dia maneho fifandirana sy ady. Ny biby efatra izay nitsangana dia maneho fanjakana efatra izay hitantsika ao amin'ny Daniela toko faha-2 [Ireo dia tsy toerana ihany, fa ny fanjakazakan’ny herin’izao tontolo izao.] Ny voalohany dia ny liona manana elatra voromahery ary fon’olona (tena ratsy fanahy), ary mbola maneho an’i Babylona ihany.

Ny faharoa dia orsa mitongilana, misy taolan-tehezana 3 eo aminy ny nifiny. Ny fiaraha-mitantanan’ny Mediana sy ny Persiana dia tsy mitovy ary ny Persiana mahery kokoa no nanjaka. Ary ny taolan-tehezana telo ao aminy nifiny dia biby hafa (firenena). Nanomboka ny fanafihana tamin'ny faritra telo izy ireo, tany andrefana, (547 talohan'i J.K.), tany avaratra, Babylona, ​​(539 talohan'i J.K.) ary tany atsimo, Ejipta (525 talohan'i J.K.)

Ary ny zava-manan'aina fahatelo dia tahaka ny leoparda. (Tena biby haingam-pandeha). Izany no Grika teo ambanin’i Aleksandra Lehibe. Nanana loha efatra, izay rehefa maty i Aleksandra, ireo jeneraliny efatra no nandray ny fanjakany.

Ny soratra masina dia manome antsipirihany ny amin'ny biby fahefatra, Daniela 7:7, Nony afaka izany, dia nahita tamin'ny fahitana tamin'ny alina aho, ary, indro ny biby fahefatra, mahatsiravina sady matanjaka sy mahery indrindra, ary nanana nify vy lehibe izy; nihinana sy nanotahota izy, ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen'ny tongony; ary hafa noho ny biby rehetra teo alohany izy sady nanana tandroka folo.


   Ilay Sary ao amin’ny
   Daniela 2 sy ny Bibidia
   ao amin’ny Daniela 7.

Ny soratra masina mamaritra ireo biby ireo ho mpanjaka, ary indrindra fa ny zava-manan'aina fahefatra araka ny Daniela 7:17-21 manao hoe: Ireo biby lehibe efatra ireo dia mpanjaka efatra izay hitsangana avy amin'ny tany. Nefa ny olo-masin'ny Avo Indrindra no hahazo ny fanjakana ary hanana ny fanjakana mandrakizay, eny mandrakizay. Dia naniry hahalala izay fototra marina ny amin'ny fahefatra aho, dia ilay biby hafa noho izy rehetra sady mahatsiravina indrindra izay nanana nify vy sy hoho varahina sady nihinana sy nanotahota, ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen'ny tongony; ary ny amin'ny tandroka folo teo an-dohany sy ny anankiray koa izay nipoitra, ka nisy telo potraka teo anoloany, dia ilay tandroka nanana maso sy vava izay niteny zavatra mihoapampana, ary ny fijery azy dia lehibe noho ny namany. Mbola nijery ihany aho, ary izany tandroka izany nanoto ny olo-masina ka naharesy azy,

Ny biby fahefatra dia Roma indray.

Zava-miafina ny amin'ny tandroka folo.

Roma naharesy izao tontolo izao izay fantatra, manomboka amin’ny maoderina Angletera, Eoropa, hatrany Moyen-Orient.

Izany dia mahakasika "tenim-pirenena" folo, mifanaraka mitovitovy amin'ny firenena ankehitriny.

Anglo SaxonAnglisy
FranksFrantsay
BurgundiansSwiss
SueviPortogey
VisigothsEspaniola
LombardsItaliana
HunsAlemana
Heruli(efa lany tamingana)
Vandals(efa lany tamingana)
Ostrogoths(efa lany tamingana)

Ireo dia niady tamin’i Roma ary tao anatin'izany ny 3 amin'ireo "firenena" ireo dia ripaka. Ny "firenena" sisa tavela no namorona ilay antsontsika ankehitriny hoe Eoropa.

Raha oharina amin'ny Daniela 2.

Ny fanjakana vy ny amin’ny nofy ao amin’ny Daniela 2, nizara ary ny vy nanohy nidina ny tongotra havia sy havanana tamin’ ny sary.

Ny Fanjakana Romana nizara roa rehefa nafindran’i Constantin ny renivohitra ho amin'ny tanàna vaovao, Constantinople - Istanbul Maoderina amin’izao. Niteraka renivohitra roa io, ary efa ho fanjakana roa, dia ny Atsinanana sy Andrefana. Ny toetra, na izany aza, dia mbola "vy".

Nisy tandroka kely miposaka.

Ilay "tandroka kely" izay miakatra dia maneho ny fiakaran'ny Fanjakana Romana.


  Daniela 8. Ondrilahy sy Osilahy.

Daniela 8. Ondrilahy sy Osilahy.


David Shearer.

Ao amin'ny Daniela toko faha-8 andininy 1, dia nomen'Andriamanitra fahitana hafa i Daniela, dia biby roa hafa nivoaka avy tao amin'ny ony Olay.

Tsy misy afa-tsy biby roa tamin’ io fotoana io raha ny fanjakana Babyloniana dia efa hifarana tsy ho ela.

Ny biby voalohany dia Ondrilahy manana tandroka roa. Izany dia mbola ny fiaraha-mitantana Mediana sy Persiana, miaraka amin'ny tandroka roa, ilay lavalava no tonga farany. Izany dia famelabelarana ny sarin’ity fanjakana sary ity, izay mampiseho indray, ny hery lehibe kokoa ny Persiana. Io Ondrilahy io dia manosika (handresy) miankandrefana, mianavaratra, ary mianatsimo.

Ao amin'ny Daniela 8:5-7, izay ahitantsika ny Osilahy, (maneho ny Grika) manidina, (tena haingana), mamotika ny tandroky ny Ondrilahy, (nanongana ny Fanjakana Persiana), fa rehefa lehibe izy (Aleksandra Lehibe) ny tandrony dia tapaka. Tandroka efatra no nitsangana avy ao aminy, (Jeneralin’i Alexandra) ary avy tamin'ny iray tamin'izy ireo no nivoaka ny "tandroka kely".

Ny Baiboly dia manome ny heviny ny amin'ny biby manomboka ao amin'ny Daniela 8 andininy faha-20,21. Ilay ondrilahy hitanao nanana tandroka roa dia ny mpanjakan'i Media sy Persia. Ary ny osilahy lava volo dia ny mpanjakan'i Grisia; ary ny tandroka lehibe teo anelanelan'ny masony dia ny mpanjaka voalohany.


  Daniela 8. Tandroka Kely.

Daniela 8. Tandroka Kely.

Be dia be ny famaritana momba io "tandroka kely" io, ary ao amin’ny Daniela 8, andininy 10-12, dia mazava fa ny Fanjakana Romana izany.

Ary nihalehibe izy, eny hatreny amin'ny lanitra; ary nisy nazerany ho amin'ny tany ireo maro be sy ny kintana ka nohitsakitsahiny. Eny, nihalehibe izy ka dia niady tamin'ny Komandin'ireo maro be, ary nesorina taminy ny fanatitra isan'andro, ary ny fitoerana masina noravana. Ary nisy maro be mbamin'ny fanatitra isan'andro natolotra azy noho ny fahadisoana, dia nazerany ho amin'ny tany ny fahamarinana; ary niasa izy sady nambinina.

I Roma ilay nandringana ny tempoly tao Jerosalema, ka nahatonga ny sorona nesorina, ka nanandra-tena nanohitra ny mpanjaka. (Kristy).

<< mialoha

manaraka >>


Tsindrio ny sary mba ahazoana lehibebe amin'ny PDF.


Ny Asan’Ilay
Mpaminany.
(PDFs)

Toko 9
Ilay Sintona Fahatelo.

Teo aloha...

Avy eo...

William Branham Life
Story.

(PDF Anglisy)

Pearry Green personal
testimony.

(PDF Anglisy)

Ny Misiterin'i Kristy.

Anglisy gazetikely vohikala.

Ny Bokin’ny Fanambarana.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Arkaeolojia.

Tonga ny Fampakarana.

 
 

Ireo fampianarana lehibe ao amin’ny hafatra.

Ny vaovao Mahfaly.
maty nohon'ny fahotanao Jesosy.

Batisan’ny Rano.

 
 

Ilay Rahona tsy azo hazavaina.

Andry Afo.

 

Ny Voninahitra Shekinah
an’Andriamanitra.

Foana ny fasana,
velona IZY.

 

Ilay Mpialoha Lalana.

 

Andriamanitra dia Mazava.

Voazava ny momban’Andriamanitra.

Ny Asan’Ilay Mpaminany.

Ny Taom-piangonana Fito.

Ny Tombokase Fito.

Andriamanitra sy ny andian-dahatsoratra
ara-tantàra - Daniela.

Andriamanitra sy ny Siansa. - Fiovàna.

Noely
andian-dahatsoratra.

Andian-teny velona.

 

Anaran’Andriamanitra.

Sambo Fiaran’i Noa.

Ny Fisarihana Fahatelo.

 

Ny feon'ny Famantarana.

Nipoitra ilay Anjely.

Ota tany
am-piandohana.
Paoma ve ilay izy?

Angano.

Haibolantany Biblika.

Izany vehivavy Jezebela izany.

Vanim-potoanantsika Laodikia.

Kristy Ivelan'ny Fiangonana.

Fotopampianaran’ny Nikolaita.

Fahafatesana.
Inona ary?

Babylona Misitery.

 

Andriamanitra sy ny Siansa.
Zavamiaina bitika.

Andriamanitra sy ny Siansa.
- Kôsmôlojia.

Andriamanitra sy ny Siansa. Angano momba ny Dinôzôro.

Fanamarinana Mpaminany.

 

Fitsarana amin’ny
Horohoron-tany.

Aramagedona.

 

Fanasitranana Mahagaga.

Arkaeolojia.
Sodoma sy Gomora.

Anio no
Ahatanterahan’ity
Soratra Masina ity.

Ny Firafitry ny
Masoandrontsika dia
tanora.

Ny evolisiona
dia tsy Siansa.
Izy io dia filozofia,
miaraka amin'ny
tanjona
handringana
an’Andriamanitra.



Hafatra maharevo... Safidio ny fiteny, dia alaivo maimaimpoana, avy any amin'ny Rahalahy William Branham ireo Hafatra ireo.